1Zvino kana uchiteerera zvakanaka inzwi raJehovha Mwari wako, nokuchenjera kuita mirairo yake yose, yandinokuraira nhasi, Jehovha Mwari wako uchakukurisa kupfuura ndudzi dzose dziri panyika.
1[Ny soa izay ho valin'ny fanarahana an'i Jehovah, ary ny loza izay hanjo ny miala aminy kosa] Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao;
2Kuropafadzwa uku kose kuchaitika kwauri, uchatevererwa nako, kana uchiteerera inzwi raJehovha Mwari wako.
2ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao
3Ucharopafadzwa muguta, ucharopafadzwa mumunda.
3Hotahina ianao ao an-tanàna, ary hotahina ianao any an-tsaha.
4Zvibereko zvomuviri wako, nezvibereko zvevhu rako, nezvibereko zvemombe dzako, nezvibereko zvemhou dzako, namakwayana amakwai ako, zvicharopafadzwa.
4Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao.
5Dengu rako, nomudziyo wako wokukanyira chingwa, zvicharopafadzwa.
5Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.
6Ucharopafadzwa kana uchipinda, ucharopafadzwa kana uchibuda.
6Hotahina ianao, raha miditra; ary hotahina ianao, raha mivoaka.
7Jehovha uchakukundisa vavengi vako, vanokumukira, pamberi pako; vachauya kuzorwa newe nenzira imwe, vachatiza pamberi pako nenzira nomwe.
7Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka lalana iray no hivoahany hanatona anao, fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao.
8Jehovha ucharaira kuti uropafadzwe pamatura ako, napazvose zvaunobata namaoko ako; uchakuropafadza panyika yaunopiwa naJehovha Mwari wako.
8Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin'ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon'ny tananao, ka hitahy anao Izy any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
9Jehovha uchakusimbisa, kuti uve rudzi rwake rutsvene, sezvaakakupikira; kana uchichengeta mirairo yaJehovha Mwari wako, nokufamba munzira dzake.
9Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mandeha amin'ny lalany.
10Vanhu vose venyika vachaona kuti iwe wakatumidzwa nezita raJehovha; vachakutya.
10Dia ho hitan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa ny anaran'i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.
11Jehovha uchakuwanzira mufaro pazvibereko zvomuviri wako, napazvibereko zvemombe dzako, napazvibereko zvevhu rako, panyika yakapikirwa madzibaba ako naJehovha, kuti uchakupa iyo.
11Ary hataon'i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena anao.
12Jehovha uchakuzarurira fuma yake yakanaka yokudenga, akupe mvura yenyika yako nenguva yayo; nokuropafadza mabasa ose amaoko ako; iwe uchapa ndudzi zhinji chikwereti.
12Hovohan'i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin'ny taninao amin'ny fotoany sy hitahiany ny asan'ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra.
13Jehovha uchakuita musoro, haangakuiti muswe; uchava kumusoro chete, haungavi pasi; kana uchiteerera mirairo yaJehovha Mwari wako, yandinokuraira nhasi, uchishingaira kuiita;
13Dia hataon'i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy.
14usingatsauki pane rimwe ramashoko andinokuraira, kurudyi kana kuruboshwe, uchitevera vamwe vamwari kuti uvashumire.
14Ary aza miala amin'ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy.
15Asi kana uchiramba kuteerera inzwi raJehovha Mwari wako kuti uchenjere kuita mirairo yake yose, nezvaakatema, zvandinokuraira nhasi; kutukwa uku kose kuchaitika kwauri, uchatevererwa nako.
15Fa raha tsy mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao :
16Uchatukwa muguta, uchatukwa mumunda.
16Hozonina ianao ao an-tanàna, ary hozonina ianao any an-tsaha.
17Dengu rako richatukwa, nomudziyo wako wokukanyira chingwa.
17Hozonina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.
18Zvibereko zvomuviri wako zvichatukwa, nezvibereko zvevhu rako, nezvibereko zvemhou dzako, namakwayana amakwai ako.
18Hozonina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao.
19Uchatukwa kana uchipinda, uchatukwa kana uchibuda.
19Hozonina ianao, raha miditra; ary hozonina ianao, raha mivoaka.
20Jehovha uchatuma pamusoro pako kutukwa, nokunyonganiswa, nokurangwa, pazvose zvaunobata namaoko ako, kusvikira waparadzwa, uye kusvikira wakurumidza kupera, nokuda kwezvakaipa zvaunoita, zvawakandisiya nazvo.
20Hampandehanin'i Jehovah aminao ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana amin'izay rehetra ataon'ny tananao, mandra-paharinganao sy mandra-pahalaninao faingana noho ny faharatsian'ny nataonao tamin'ny nahafoizanao Ahy.
21Jehovha uchakunamatidza denda, kusvikira akupedza kunyika kwaunoenda, kuti ive yako.
21Hampiraiketin'i Jehovah aminao ny areti-mandringana, mandra-pandaniny anao tsy ho eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana.
22Jehovha uchakurova norukosoro, nefivhiri, nokupisa komuviri, nokuvaviswa kwazvo, uye nokushaiwa mvura, nenyunje, nokuvhuva; izvo zvichakuteverera kusvikira waparadzwa.
22Ary areti-mahasahozanina sy tazo mahamay sy fahamaizana sy hafanana mangotraka sy andro mihantona sy vary main'ny rivotra na maty fotsy no hamelezan'i Jehovah anao; dia hanenjika anao ireny mandra-pahalany ritranao.
23Denga rako riri pamusoro pako richaita sendarira, nenyika iri pasi pako sedare.
23Ary ho varahina ny lanitra eo ambonin'ny lohanao, ary ho vy ny tany eo ambaninao.
24Jehovha uchashandura mvura yenyika yako ive bukuta neguruva; zvichaburukira pamusoro pako zvichibva kudenga, kusvikira waparadzwa.
24Hataon'i Jehovah vovoka sy jofo ny ranonorana amin'ny taninao; avy any an-danitra no hidinan'izany aminao mandra-paharinganao.
25Jehovha uchatendera kuti ukundwe navavengi vako; uchabuda kundorwa navo nenzira imwe, uchatiza pamberi pavo nenzira nomwe; uchava chinhu chinotyisa pakati poushe hwose bwenyika.
25Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloan'ny fahavalonao ianao, ka lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany ianao.
26Zvitunha zvako zvichava zvokudya zveshiri dzose dzokudenga nezvikara zvenyika, kusina munhu unozvidzinga.
26Ary ny fatinao hohanin'ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
27Jehovha uchakurova namamota namaronda, nemhizi, nokufunuka, zvicharamba kupora.
27Hamelin'i Jehovah anao ny vain'i Egypta sy ny tomboka sy ny hatina ary ny hazaka (izay tsy azom-panafody);
28Jehovha uchakurova nokupenga, noupofu, uye nokukanganiswa komoyo;
28ary hamelin'i Jehovah anao koa ny fahadalana sy ny fahajambana ary ny fahaverezan-kevitra.
29uchatsvangadzira masikati, sebofu rinotsvangadzira murima, haungafari panzira dzako; ucharemedzwa nokubirwa nguva dzose, hakungavi nomunhu unokurwira.
29Dia hitsapatsapa ianao na dia amin'ny mitatao-vovonana aza tahaka ny fitsapatsapan'ny jamba ao amin'ny aizim-pito ka tsy ho tonga amin'izay halehanao; dia hampahorin'ny sasany sy hobaboiny mandrakariva ianao, fa tsy hisy hamonjy.
30Uchanyenga mukadzi, asi mumwe murume uchavata naye; uchavaka dzimba, asi haungagarimo; ucharima munda wemizambiringa, asi haungadyi michero yayo.
30Hifofo vady ianao, fa olon-kafa no handry aminy; hanao trano ianao, fa tsy hitoetra ao; hanao tanim-boaloboka ianao, fa tsy hihinana ny vokatra.
31Mombe yako ichabayiwa uchizviona, asi haungaidyi; mbongoro yako ichatorwa nesimba uchizviona, asi haingadzoserwi kwauri; makwai ako achapiwa vavengi vako, haungawani unokurwira.
31Ny ombinao hovonoina eo imasonao, fa tsy hihinana ny henany ianao. Ny borikinao halaina an-keriny eo anatrehanao ka tsy haverina aminao. Ny ondry aman'osinao homena ho an'ny fahavalonao, nefa tsy hanan-kamonjy ianao.
32Vanakomana vako navanasikana vako vachapiwa rumwe rudzi; meso ako achatarira, ukaneta kuvashuva zuva rose; asi uchashaiwa simba paruoko rwako.
32Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an'ny firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny alahelonao azy, nefa tsy hahefa na inona na inona ny tananao.
33Zvibereko zvevhu rako, nezvamabasa ako, zvichadyiwa norudzi rwausingazivi; uchangoremedzwa nokutambudzwa nguva dzose.
33Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra efa nisasaranao dia hohanin'ny firenena izay tsy fantatrao; any hanaovan'ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny mandrakariva ianao.
34Uchapengeswa nezvauchaona nameso ako.
34Dia ho very saina ianao noho ny zavatra izay ho hitan'ny masonao.
35Jehovha uchakurova pamabvi ako, napamakumbo ako, namamota anorwadza, acharamba kupora, kubva parutsoka kusvikira pamusoro pomusoro wako.
35Hamelin'i Jehovah anao ny vay ratsy, izay tsy azom-panafody, dia amin'ny lohalikao sy ny tongotrao, hatramin'ny faladianao ka hatramin'ny tampon-dohanao.
36Jehovha uchakuisa iwe namambo wako wauchazvitsaurira kurudzi rwawakanga usingazivi iwe namadzibaba ako; zvino uchandoshumirapo vamwe vamwari vamatanda namabwe.
36Ho entin'i Jehovah ho any amin'ny firenena izay tsy fantatrao na ny razanao ianao sy ny mpanjakanao, izay hatsanganao hanjaka aminao; any any no hanompoanao andriamani-kafa, dia vato aman-kazo.
37Iwe uchaitwa chishamiso, neshumo, nechiseko, pakati pavanhu vose kwauchandoiswa naJehovha.
37Dia ho figagana sy ohabolana ary ho ambentinteny ianao any amin'ny firenena rehetra izay hitondran'i Jehovah anao.
38Uchatakurira mbeu zhinji kumunda, asi uchaunganidza zvishoma; nekuti zvichapedzwa nemhashu.
38Voan-javatra betsaka no ho entinao hambolena any an-tsaha, fa kely kosa no hangoninao, satria ho lanin'ny valala ireny.
39Ucharima minda yemizambiringa nokuigadzira, asi haungamwi waini yayo, kana kutanha mazambiringa; nekuti achadyiwa namakonye.
39Hanao tanim-boaloboka ianao ka hiasa azy, nefa tsy hisotro divay na hioty voaloboka ianao, satria ho lanin'ny fositra ireny.
40Uchava nemiti yemiorivhi panyika yako yose, asi haungazori mafuta ayo, nekuti miorivhi yako ichazuka.
40Hanana hazo oliva amin'ny taninao rehetra ianao, nefa tsy hihosotra diloilo; fa hihintsana ny olivanao.
41Uchabereka vanakomana navanasikana, asi havangavi vako, nekuti vachatapwa.
41Hiteraka zazalahy sy zazavavy ianao, nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo.
42Miti yako yose nezvibereko zvevhu rako zvichadyiwa nemhashu.
42Ny hazonao sy ny vokatry ny taninao rehetra dia ho lanin'ny valala.
43Mutorwa ugere pakati pako ucharamba achikwirira kupfuura iwe; iwe ucharamba uchiderera.
43Ny vahiny eo aminao hisandratra ho ambony dia ambony noho ianao, fa ianao kosa hietry ho ambany dia ambany.
44lye uchakupa chikwereti, asi iwe haungamupi chikwereti; iye uchava musoro, iwe uchava muswe.
44Izy hampisambotra anao, fa ianao kosa tsy hampisambotra azy; izy ho lohany, fa ianao ho rambony.
45Kutukwa uku kose kuchaitika kwauri, nokukutevera, nokukubata, kusvikira waparadzwa; nekuti hauna kuteerera inzwi raJehovha Mwari wako, nokuchengeta mirairo yake nezvaakatema, zvaakakuraira.
45Dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ka hanenjika anao sy hahatratra anao mandra-paharinganao, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay nandidiany anao.
46Zvichava pamusoro pako napamusoro pavana vako, zvive zviratidzo nezvishamiso nokusingaperi;
46Ary ho famantarana sy fahagagana aminao sy ny taranakao mandrakizay izany,
47nekuti hauna kushumira Jehovha Mwari wako nomufaro, nomoyo unofara, nokuda kokuwanda kwezvose.
47satria tsy nanompo an'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny fahafaliana sy ny faharavoam-po ianao noho ny habetsahan'ny zavatra rehetra.
48Naizvozvo uchafanira kubatira vavengi vako, vauchatumirwa naJehovha kuti urwe navo , uchinzwa nzara nenyota, uchishaiwa zvokufuka nezvose izvi; iye uchaisa joko redare pamutsipa wako, kusvikira akuparadza.
48Any amin'ny fahanoanana sy ny hetaheta sy ny fitanjahana any ny tsi-fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin'i Jehovah hiady aminao; dia hanisy zioga vy amin'ny vozonao ireny mandra-pandringany anao.
49Jehovha achauyisa rudzi runobva kure kuzorwa newe, runobva kumagumisiro enyika, segondo rinobhururuka, rudzi rwausinganzwisisi rurimi rwarwo;
49Ho entin'i Jehovah hiady aminao izay firenena avy lavitra, dia ny avy amin'ny faran'ny tany-tahaka ny fanidin'ny voromahery no fihaviny, sady firenena izay tsy ho fantatrao ny fiteniny,
50rudzi rune hasha, rusingarangariri vatana, kana kunzwira majaya tsitsi.
50firenena masiaka endrika, izay tsy hanaja ny antitra, na hiantra ny tanora
51Vachadya zvibereko zvemombe dzako, nezvibereko zvevhu rako, kusvikira waparadzwa; havangakusiiri zviyo, kana waini, kana mafuta, kana zvakaberekwa nemhou dzako, kana makwayana amakwai ako, kusvikira waparadzwa navo.
51dia hohaniny ny ateraky ny ombinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharinganao; ka tsy hisy havelany ho anao, na vary, na ranom-boaloboka, na diloilo, na ny ateraky ny ombinao, na ny ateraky ny ondry aman'osinao, mandra-pandringany anao.
52Vachakukomba pamasuwo ako ose, kusvikira masvingo ako marefu ane simba awa ose, awakatenda munyika yako yose; vachakukomba pamasuwo ako ose panyika yako yose, yawakapiwa naJehovha Mwari wako.
52Dia hataony fahirano any amin'ny tanànanao rehetra ianao mandra-pandravany ny mandanao avo sy mafy, izay itokianao, eran'ny taninao rehetra; eny, hataony fahirano ianao any amin'ny tanànanao rehetra eran'ny taninao rehetra, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
53Uchadya zvibereko zvomuviri wako, nyama yavanakomana vako navanasikana vako, vawakapiwa naJehovha Mwari wako, kana wokombwa nokumanikidzwa navavengi vako.
53Ary eo amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao, dia ny ateraky ny kibonao no hohaninao, dia ny nofon'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
54Murume unoundere nounounengwe kwazvo pakati pako uchava nomufungo wakaipa kuhama yake, nokumukadzi wake waanoda, nokuvana vake vaanenge asarirwa navo;
54Ny lehilahy malemilemy sy mihantahanta indrindra eo aminao dia ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vadiny andefimandry ary ny zanany sisa,
55haangapi mumwe wavo nyama yavana vake vaachadya, nekuti iye haangavi nechaakasarirwa nacho, kana wokombwa nokumanikidzwa navavengi vako pamasuwo ako ose.
55ka tsy hisy amin'ireo hanomezany ny nofon'ny zanany izay haniny fandrao tsy hisy intsony ho azy amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao any amin'ny tanànanao rehetra.
56Mukadzi unoundere nounounengwe pakati pako, wakange asingadi kutsika pasi norutsoka rwake nokuda kounengwe hwake noundere hwake, uchava nomufungo wakaipa kumurume wake waanoda, nemwanakomana wake, nomwanasikana wake;
56Ny vehivavy malemilemy sy mihantahanta eo aminao, izay tsy mbola nanandrana nandia tany noho ny fihantahantany sy ny fahalemilemeny, dia ho ratsy fiteny ny vadiny andefimandry sy ny zananilahy ary ny zananivavy
57nokumwana wake muduku, waachangobereka, nokuvana vake vaachazobereka; nekuti uchadya pakavanda nokuda kokushaiwa zvinhu zvose, kana wokombwa nokumanikidzwa navavengi vako pamasuwo ako.
57noho ny ahitra izay mivoaka avy aminy sy ny zanany vao teraka; fa hihinana izany mangingina izy noho ny tsi-fisian-javatra amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao any amin'ny tanànanao.
58Kana usingachenjeri kuita mashoko ose omurayiro uyu, akanyorwa mubhuku iyi, kuti utye zita iri rinobwinya nerinotyisa, rinoti: JEHOVHA MWARI WAKO;
58Raha tsy tandremanao ny hanaraka ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, izay voasoratra eto amin'ity boky ity, hatahoranao izao anarana efa nankalazaina sady mahatahotra izao hoe: JEHOVAH ANDRIAMANITRAO,
59Jehovha uchakurova iwe navana vako namatambudziko anoshamisa, matambudziko makuru, asingakurumidzi kupera, namatenda akaipa, asingakurumidzi kupera.
59dia hataon'i Jehovah mahagaga ny kapoka hataony aminao sy ny zanakao, dia kapoka mafy sady maharitra ela ary faharariana mafy sady maharitra ela.
60Uchauyisazve pamusoro pako hosha dzose dzeEgipita, dzawakanga uchitya, kuti dzikunamatire.
60Dia haveriny aminao indray ny aretin'i Egypta rehetra, izay natahoranao ka hiraikitra aminao ireny.
61Namatenda ose, namatambudziko ose, asina kunyorwa mubhuku yomurayiro uyu, ndiwo achauyiswa naJehovha pamusoro pako, kusvikira waparadzwa.
61Ary ny faharariana rehetra sy ny kapoka rehetra koa, izay tsy voasoratra amin'ny bokin'ity lalàna ity aza, dia ho entin'i Jehovah mamely anao mandra-paharinganao.
62Muchasara mava vashoma, kunyange makanga muri vazhinji senyeredzi dzokudenga; nekuti hauna kuteerera inzwi raJehovha Mwari wako.
62Ary olona vitsy no ho sisa aminareo hisolo izao fahamaroanareo toy ny kintana eny amin'ny lanitra izao, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao.
63Zvino Jehovha sezvaakanga achikufarirai achida kukuitirai zvakanaka, nokukuwanzai, saizvozvo Jehovha uchafara pamusoro penyu kukupedzai nokukuparadzai; muchadzurwa kunyika kwaunoenda, kuti ive yako.
63Ary araka izay nifalian'i Jehovah taminareo hahasoa sy hahamaro anareo, dia araka izany kosa no hifalian'i Jehovah handringana sy handrava anareo; dia hofongorana ianareo tsy ho eo amin'ny tany, izay efa hidiranao holovana.
64Jehovha uchakurashanya pakati pendudzi dzose, kubva pamugumo mumwe wenyika kusvikira kuno mumwe mugumo; ipapo uchandoshumira vamwe vamwari vawakanga usingazivi, iwe namadzibaba ako, vamwari vamatanda navamabwe.
64Dia haelin'i Jehovah any amin'ny firerena rehetra hatramin'ny faran'ny tany ianao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao.
65Pakati pendudzi idzo haungawani zororo, netsoka dzako hadzingawani pokuzorora; asi Jehovha uchakupa ipapo moyo unowonda;
65Ary any amin'ireo firenena ireo dia tsy hisy hiainanao, na hitsaharan'ny faladianao; fa any no hanomezan'i Jehovah anao fo miemponempona sy maso pahina ary fahakiviam-panahy.
66upenyu hwako hucharembera pamberi pako, uchatya usiku namasikati, haungazivi kana uchararama;
66Ar ny ainao hihevingevina eo anatrehanao; dia hatahotra andro aman'alina ianao ka tsy hanampo izay ho velona.
67mangwanani uchati, Dai aiva madekwana! Madekwana uchati, Dai aiva mangwanani! Nokutya komoyo wako, zvauchaona nameso ako.
67Nony maraina ny andro dia hanao hoe ianao: Malakia hariva! ary nony hariva ny andro, dia hanao hoe ianao: Malakia maraina! noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao, sy noho ny zavatra izay ho hitan'ny masonao.
68Jehovha uchakuisazve Egipita nezvikepe nenzira yandakati kwauri, Hauchazoionizve; ipapo muchandozvitengesa kuvavengi venyu, kuti muve varanda navarandakadzi, asi hakungavi nomunhu uchakutengai.
68Ary ianao ho entin'i Jehovah an-tsambo hiverina any Egypta amin'izay lalana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony ianao; dia hivaro-tena ho andevolahy sy ho andevovavy any amin'ny fahavalonareo ianareo, nefa tsy hisy mpividy.[Filazana ny faneken'i Jehovah tamin'ny Isiraely, sy fananarana azy, andrao misy mandika izany fanekena izany] IZAO no tenin'ny fanekena izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao amin'ny Zanak'Isiraely tany amin'ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tao Horeba.
69[Filazana ny faneken'i Jehovah tamin'ny Isiraely, sy fananarana azy, andrao misy mandika izany fanekena izany] IZAO no tenin'ny fanekena izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao amin'ny Zanak'Isiraely tany amin'ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tao Horeba.