1Zvino ndiwo murairo, nezvakatemwa, nezvakatongwa, zvandakarairwa naJehovha Mwari wenyu kuti ndikudzidzisei, kuti muzviite kunyika kwamunoenda kuti ive yenyu;
1[Ny amin'ny fitiavana an'Andriamanitra] Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain'i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin'ny tany izay alehanareo holovana,
2kuti utye Jehovha Mwari wako, uchengete zvose zvaakatema nemirairo yake, yandinokuraira, iwe, nomwanakomana wako, nomwanakomana womwanakomana wako, mazuva ose oupenyu hwako, kuti mazuva ako ave mazhinji.
2mba hatahoranao an'i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.
3Naizvozvo chinzwa Isiraeri, uchenjere kuti uzviite; kuti zvive zvakanaka newe, muwande kwazvo, sezvamakapikirwa naJehovha Mwari wamadzibaba ako, panyika inoyerera mukaka nouchi.
3Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely.
4Chinzwa Isiraeri, Jehovha Mwari wedu ndiJehovha mumwe chete.
4Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.
5Ude Jehovha Mwari wako nomoyo wako wose, nomweya wako wose, nesimba rako rose.
5Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.
6Zvino mashoko awa andinokuraira nhasi, anofanira kuva mumoyo mako,
6Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao.
7unofanira kushingaira kuadzidzisa vana vako, nokuataura kana ugere mumba mako, kana uchifamba munzira, kana uchivata pasi, kana uchimuka.
7Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha;
8Unofanira kuasungira paruoko rwako, chive chiratidzo; uye anofanira kuva rundanyara pakati pameso ako.
8ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao,
9Unofanira kuanyora pamagwatidziro emikova yeimba yako, napamasuwo ako.
9ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao.
10Zvino kana Jehovha Mwari wako achinge akupinza munyika, yaakapikira madzibaba ako, Abhurahamu, naIsaka, naJakove, kuti uchakupa iyo, namaguta makuru akanaka, ausina kuvaka iwe,
10Ary rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ho any amin'ny tany izay nianianany tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao, dia tany misy tanàna lehibe sady tsara, izay tsy nataonao,
11nedzimba dzizere nezvinhu zvose zvakanaka, dzausina kuzadza iwe, namakangwa akacherwa, ausina kuchera iwe, neminda yemizambiringa nemiorivhi, yausina kusima iwe; iwe ukadya ukaguta,
11sy trano feno zava-tsoa rehetra, izay tsy nofenoinao, sy lavaka famorian-drano voalavaka eo amin'ny vato, izay tsy nolavahanao, sy tany voavoly voaloboka sy hazo oliva, izay tsy nambolenao, ary mihinana ianao ka voky,
12zvino chenjera kuti urege kukangamwa Jehovha, wakakubudisa panyika yeEgipita paimba youranda.
12dia mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
13Unofanira kutya Jehovha Mwari wako, nokumushumira, nokupika nezita rake.
13Matahora an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao.
14Regai kutevera vamwe vamwari, vamwari vendudzi dzinokupoteredzai,
14Aza manaraka izay andriamani-kafa amin'ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo,
15nekuti Jehovha Mwari wako, ari pakati pako, ndiMwari ane godo; kuti Jehovha Mwari wako arege kukutsamwira, akuparadze panyika pose.
15fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran'i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin'ny tany ianao.
16Musaidza Jehovha Mwari wenyu, sezvamakamuidza paMasa.
16Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa.
17Munofanira kushingaira kuchengeta mirairo yaJehovha Mwari wenyu, nezvipupuriro zvake, nezvaakatema, zvaakakuraira.
17Tandremo tsara ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao.
18Uye unofanira kuita zvakarurama nezvakanaka pamberi paJehovha, kuti zvive zvakanaka newe, upinde munyika yakanaka ive yako, iyo yakapikirwa madzibaba ako naJehovha,
18Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason'i Jehovah, mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena azy,
19kuti iye uchadzinga vavengi vako vose pamberi pako, sezvakataurwa naJehovha.
19ary mba horoahiny tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nolazain'i Jehovah.
20Zvino kana mwanakomana wako akakubvunza pashure, achiti, Ko izvi zvipupuriro, nezvakatemwa, nezvakatongwa, zvamakarairwa naJehovha Mwari wedu, zvinodiniko?
20Ary raha manontany anao ny zanakao amin'ny andro ho avy ka manao hoe: Manao ahoana moa ny teni-vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitsika anareo?
21Unofanira kuti kumwanakomana wako, Isu takanga tiri varanda vaFarao, Jehovha akatibudisa nechanza chine simba;
21Dia holazainao aminy hoe: Andevon'i Farao tany Egypta isika, ary tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
22Jehovha akaita zviratidzo nezvinoshamisa kwazvo, zvakaipa, paEgipita, nokuna Farao, nokuimba yake yose, tichizviona;
22Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin'ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika.
23akatibudisapo, kuti atipinze pano, atipe nyika yaakapikira madzibaba edu.
23Ary nitondra antsika nivoaka avy tany Izy hampidirany antsika mba homeny antsika ny tany izay nianianany tamin'ny razantsika homena azy.
24Jehovha akaraira kuti tiite izvi zvose zvaakatema, titye Jehovha Mwari wedu, kuti tiitirwe zvakanaka nguva dzose, atichengete tive vapenyu, sezvatakaita nhasi.
24Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin'izao anio izao.Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.
25Zvichava zvakarurama kwatiri, kana tichichenjerera kuti tiite murayiro wose pamberi paJehovha Mwari wedu, sezvatakarairwa naye.
25Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.