Shona

Malagasy

Esther

1

1Zvino pamazuva aAhashivheroshi, ndiye Ahashivheroshi aibata ushe kubva palndia kusvikira Itiopia, pamativi enyika ane zana namakumi maviri namanomwe;)
1[Ny fanasana lehibe nataon'i Ahasoerosy, ary ny nanesorana an'i Vasty vadiny] Ary tamin'ny andro nanjakan'i Ahasoerosy (ity Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, ka nizarazara ho fito amby roa-polo amby zato toko ny fanjakany),
2pamazuva iwayo mambo Ahashivheroshi agere pachigaro chake choushe chakanga chiri paShushani panhare yamambo,
2dia tamin'izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka,
3pagore rechitatu rokubata kwake ushe, akaitira machinda ake ose navaranda vake mutambo; hondo dzePerisia neMedhia, navakuru namachinda enyika vakanga vari pamberi pake.
3tamin'ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an'ny mpanapaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary teo anatrehany koa ny lehiben'ny miaramilan'i Persia sy Media sy ny mpanapaka mbamin'ireo komandin'ny isan-tokony amin'ny fanjakany;
4Akavaratidza fuma youshe hwake hwakarumbidzwa, nokukudzwa koumambo hwake hwakaisvonaka mazuva mazhinji, ari mazuva ane zana namakumi masere.
4ary nasehony andro maro, dia valo-polo amby zato andro, ny harena amam-boninahitry ny fanjakany ary ny tabiha sy rehareha momba ny fahalehibiazany.
5Zvino mazuva iwayo akati apera, mambo akaitira mutambo vanhu vose vakanga vari paShushani panhare yamambo, vakuru navaduku, mazuva manomwe paruvanze rwomunda panhare yamambo;
5Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra, na lehibe na kely, dia nanaovan'ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo amin'ny kianjan'ny tanimbolin'ny tranon'ny mpanjaka;
6pakanga pane micheka michena nemipfumbu nemitema yakanga yakasungwa nezvisungo zvemicheka yakaisvonaka nemishava pazvindori zvesirivha nembiru dzamabwe machena; zvigaro zvakanga zviri zvendarama nesirivha zvakagadzikwa paguva rakaitwa namabwe matsvuku, namachena, namashora, namatema.
6ary nisy lamba fotsy sy misoratsoratra sy manga nifehy tamin'ny kofehy rongony fotsy sy volomparasy tamin'ny masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marmora fotsy; ary nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin'ny lampivato alabastara sy marmora fotsy sy hara ary marmora mainty.
7Vakapiwa zvokumwa mumikombe yendarama, asi mikombe yakanga isina kufanana, newaini yamambo zhinji, mambo asingavanyimi napaduku.
7Ary ny olona dia nampisotroina tamin'ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka,) ary betsaka ny divain'andriana araka ny fanomen'ny mpanjaka.
8Vakamwa nomurayiro wokuti munhu arege kurovererwa; nekuti mambo akanga araira varanda vose veimba yake, kuti vaitire mumwe nomumwe sezvaakanga achida nomoyo wake.
8Ary ny nisotroan'ny olona dia araka ny tenin'andriana, ka tsy nisy nanery; fa toy izany no nandidian'ny mpanjaka ny mpitandrina ny tranony rehetra mba hanaovan'ny olona araka izay sitrapony avy.
9Navahosi Vhashiti vakaitirawo vakadzi mutambo paimba yamambo yakanga iri yamambo Ahashivheroshi.
9Ary Vasty, vadin'ny mpanjaka, dia mba nanao fanasana ho an'ny vehivavy koa tao amin'ny tranom-panjakana, izay an'i Ahasoerosy mpanjaka.
10Zvino nezuva rechinomwe moyo wamambo wakati uchifara newaini, akaraira Mehumani, naBhizita, naHaribhona, naBhigita, naAbhagata, naZetari, naKarikasi, ivo varanda vanomwe vaibata pamberi pamambo Ahashivheroshi,
10Ary tamin'ny andro fahafito, nony faly ny fon'ny mpanjaka azon'ny divay, dia nomeny teny Mehomana sy Bizta sy Harbona sy Bigta sy Abagta sy Zetara ry Karkasa, tsindranolahy fito izay nanompo teo anatrehan'i Ahasoerosy mpanjaka, [Heb. ionoka]
11kuti vauye navahosi Vhashiti pamberi pamambo, vane korona youhosi, kuti vanhu namachinda vawone kunaka kwavo; nekuti vakanga vakanaka pakuonekwa.
11ba hitondra an'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, ho eo anatrehan'ny mpanjaka, misatroka ny satro-boninahitry ny fanjakana, mba haseho amin'ny olona sy ny mpanapaka ny hatsaran-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy.
12Asi vahosi Vhashiti vakaramba kuuya sezvavakanga varairwa namambo nomuromo wavaranda; ipapo mambo akatsamwa kwazvo, shungu dzake dzikamuka mukati make.
12Fa Vasty, vadin'ny mpanjaka, nandà ny tenin'ny mpanjaka nentin'ny tsindranolahy ka tsy nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka, ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany.[Heb. ionoka]
13Ipapo mambo akati kuvarume vakangwara vaiziva nguva (nokuti saizvozvo mambo wairangana navose vaiziva murau nezvakatongwa;
13Dia hoy ny mpanjaka tamin'ny olon-kendry izay mpanandro (toy izany no nanaovana ny raharahan'ny mpanjaka teo anatrehan'izay rehetra nahalala lalàna sy fitsarana;
14vakanga vagere pedo naye vaiva Karishena, naShetari, naAdhimata, naTarishishi, naMereesi, naMarisena, naMemukani, iwo machinda manomwe ePerisia neMedhia, vaisionana namambo, vaigara pazvigaro zvokutanga paushe;)
14ary ny teo akaikiny dia Rarsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, Marsena, Memokana, mpanapaka fito tamin'i Persia sy Media, izay nahita ny tarehin'ny mpanjaka ka nipetraka tamin'ny fitoerana aloha teo amin'ny fanjakana):
15akati, Murayiro unoti kudini, tichaitireiko vahosi Vhashiti, zvavakaramba kuita sezvavakarairwa namambo Ahashivheroshi nomuromo wavaranda?
15Ahoana no hanaovana an'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, raha araka ny lalàna, satria tsy nankato ny didiko, izaho Ahasoerosy mpanjaka, nentin'ny tsindranolahy izy? [Heb. ionoka]
16Ipapo Memukani akapindura mambo namachinda, akati, Vahosi havana kutadzira mambo chete, asi namachinda osewo, navanhu vose vari munyika dzose dzamambo Ahashivheroshi.
16Dia namaly Memokana teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ka nanao hoe: Tsy tamin'ny mpanjaka ihany no nanaovan'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, izao ratsy izao, fa tamin'ny mpanapaka rehetra koa sy ny vahoaka rehetra isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka;
17Nekuti ichi chakaitwa navahosi chichapararira pakati pavakadzi vose, zvino vachashora varume vavo, kana zvichinzi, Mambo Ahashivheroshi akaraira vahosi Vhashiti kuti vauyiswe pamberi pake, asi vakaramba kuuya.
17fa hiely any amin'ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon'ny vadin'ny mpanjaka izao, ka hanaovany ny vadiny ho tsinontsinona eo imasony, fa samy hanao hoe: Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy an'i Vasty vadiny ho entina eo anatrehany, nefa tsy nety izy.
18Nhasi vakadzi vamachinda ePerisia neMedhia, vakanzwa zvakaitwa navahosi, achataurawo zvakadaro kumachinda ose amambo. Naizvozvo kushora nokutsamwa kukuru kuchamuka.
18Ary na dia amin'izao andro izao aza ny andriambavin'i Persia sy Media, izay mandre ny nataon'ny vadin'ny mpanjaka, dia samy hilaza izany amin'ny mpanapaka rehetra voatendrin'ny mpanjaka; ka dia ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana.
19Kana mambo achifara nazvo, mambo ngaateme murayiro une simba ramambo, unyorwe pamirairo yavaPerisia navaMedhia, urege kushandurwa. Kuti Vhashiti arege kuzouyazve pamberi pamambo Ahashivheroshi; mambo ngaape mumwe wakaita saye akanaka kupfuura iye uhosi hwake.
19Koa raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy eto amin'ny mpanjaka ka hosoratana ao amin'ny lalàn'i Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa tsy hahazo hankeo anatrehan'i Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; ary ny voninahitr'i Vasty dia aoka homen'ny mpanjaka ho an'izay vehivavy hafa tsara noho izy.
20Zvino kana chirevo chamambo chavatema, chikaparidzwa paushe hwake hwose (nokuti ukuru kwazvo), vakadzi vose vachakudza varume vavo, vose vakuru navaduku.
20Ary raha torina eran'ny fanjakany rehetra (fa lehibe izany) ny lalàn'ny mpanjaka izay hataony, dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy na lehibe na kely, ny vehivavy rehetra.
21Shoko iro rikafadza mambo namachinda; mambo ndokuita sezvakarehwa naMemukani;
21Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpanapaka izany teny izany; ka dia nanao araka ny tenin'i Memokana ny mpanjaka,ka nampitondra taratasy izy ho any amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakan'ny mpanjaka, dia isan-tokony araka ny sorany avy, ary isam-pirenena araka ny fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra, ary samy hiteny araka ny fiteniny avy isam-pirenena.
22nekuti akatuma tsamba kumativi ose enyika dzose dzamambo, divi rimwe nerimwe renyika nomunyorero wayo, norudzi rumwe norumwe norurimi rwarwo, kuti murume mumwe nomumwe ave murairi mumba make, ataure norurimi rwake.
22ka nampitondra taratasy izy ho any amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakan'ny mpanjaka, dia isan-tokony araka ny sorany avy, ary isam-pirenena araka ny fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra, ary samy hiteny araka ny fiteniny avy isam-pirenena.