1Zvino nomwedzi wegumi nemiviri,iwo mwedzi weAdhari, nezuva regumi namatatu, nguva yakati yaswedera yokuti murayiro wamambo nechirevo chake zviitwe, pazuva rakafunga vavengi vavaJudha kuvamukira naro; asi zvakashandurwa, nekuti vaJudha vakamukira vavengi vavo;
1[Ny naharesen'ny Jiosy ny fahavalony izay nikasa handringana azy] Ary tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany), rehefa akaiky ny andro hanatanterahana ny tenin'ny mpanjaka sy ny didiny, dia ny andro izay efa nantenain'ny fahavalon'ny Jiosy haharesena azy indrindra (kanjo navadika izany, ka ny Jiosy kosa no naharesy izay nankahala azy),
2vaJudha vakaungana pamaguta avo pamativi ose enyika dzamambo Ahashivheroshi, kuti vauraye avo vakatsvaka kuvaitira zvakaipa; hakuna akanga achigona kuvadzivisa, nekuti vanhu vose vakavatya.
2dia nivory tany an-tanànany avy ny Jiosy, tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, mba hamely izay nividy hanisy ratsy azy; ary tsy nisy olona nahajanona teo anoloany, fa efa nahazo ny olona rehetra ny fahatahorana azy.
3Machinda ose amativi enyika, namachinda makuru, navabati, vaibata basa ramambo, vakabatsira vaJudha; nekuti vakatya Modhekai.
3Ary ny mpanapaka rehetra isan-tokony tamin'ny fanjakana sy ny solo-mpanjaka sy ny governora mbamin'ny mpanao raharahan'ny mpanjaka dia nanampy ny Jiosy, satria azon'ny fahatahorana an'i Mordekay izy.
4nekuti Modhekai akanga ari mukuru paimba yamambo, nembiri yake yakanga yasvika kumativi ose enyika; nekuti murume uyu Modhekai akaramba achikura.
4Fa Mordekay dia lehibe tao an-tranon'ny mpanjaka, ary ny lazany niely tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana; fa nitombo sy nisandratra ihany io lehilahy Mordekay io.
5VaJudha vakaparadza vavengi vavo vose, nokuvatema neminondo, nokuvauraya, nokuvaparadza, vakaitira vavengi vavo sezvavaida.
5Ary nasian'ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany, fa nahazo nanao araka izay sitraky ny fony tamin'izay nankahala azy izy.
6NapaShushani nhare yamambo, vaJudha vakauraya nokuparadza varume vana mazana mashanu.
6Ary tany Sosana renivohitra aza ny Jiosy dia nahavono sy naharingana diman-jato lahy;
7Parishandata, naDharifoni, naAsipata,
7ary Parsandata sy Dalfona sy Aspata
8naPorata, naAdharia, naAridhata,
8sy Porata sy Adalia sy Aridata
9naParimashita, naArisai, naAridhai, naVaizata,
9sy Parmasta sy Arisay sy Ariday ary Vaizata,
10ivo vanakomana vane gumi vaHamani mwanakomana waHamedhata, muvengi wavaJudha, vakavaurayawo; asi havana kupambara nhumbi dzavo.
10izy folo lahy, zanak'i Hamana, zanak'i Hamedota, fahavalon'ny Jiosy, dia novonoiny koa; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
11Pazuva iro kuwanda kwavakaurawa paShushani nhare yamambo kwakaverengwa kukaiswa kuna mambo.
11Androtrizay ihany dia nambara tamin'ny mpanjaka ny isan'ny voavono tany Sosana renivohitra.
12Ipapo mambo akati kuna vahosi Esiteri, VaJudha vauraya nokuparadza paShushani nhare yamambo, varume vana mazana mashanu, navanakomana vane gumi vaHamani; ndoda zvavakaita kuna mamwe mativi enyika yamambo! Zvino chinyiko chaunonyengetera? Uchazvipiwa. Kana chinyiko chaunokumbira zvino? Zvichaitwa.
12Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka: Teto Sosana renivohitra aza ny Jiosy efa nahavono sy naharingana diman-jato lahy mbamin'izy folo lahy, zanak'i Hamana; koa nanao ahoana kosa no nataony tamin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'ny mpanjaka! Dia inona koa no angatahinao? Fa hatao izany. Ary inona no mbola tadiavinao? Fa homena izany.
13Ipapo Esiteri akati, Kana mambo achifara nazvo, vaJudha vari paShushani ngavatenderwe kuita mangwanawo nechirevo chanhasi, navanakomana vaHamani vane gumi vasungirirwe pamatanda.
13Dia hoy Estera: Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ny Jiosy izay eto Sesana havela hanao toy ny natao androany ihany koa rahampitso, ary aoka hahantona amin'ny hazo koa izy folo lahy, zanak'i Hamana.
14Ipapo mambo akaraira kuti zviitwe saizvozvo; chirevo chikatemwa paShushani, vakasungurira vanakomana vaHamani vane gumi.
14Dia nasain'ny mpanjaka natao izany; ary nantsoina tany Sosana ny teny, ka dia nahantona izy folo lahy, zanak'i Hamana.
15VaJudha vaiva paShushani vakaunganazve nezuva regumi namana romwedzi weAdhari, vakauraya varume vana mazana matatu paShushani, asi havana kupambara nhumbi.
15Dia nivory indray ny Jiosy izay tany Sosana tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana Adara ka namono olona telon-jato lahy tany Sosana; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
16Navamwe vaJudha vaiva pamativi enyika yamambo vakaungana, vakarwira upenyu hwavo, vakazorora pavavengi vavo, vakauraya pakati pavavengi vavo vane zviuru zvina makumi manomwe nezvishanu; asi havana kupambara nhumbi.
16Ary ny Jiosy sasany isan-tokony tamin'ny fanjakan'ny mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka afaka tamin'ny fahavalony izy, ary dimy arivo amby fito alina no matiny (kanefa ny fananany tsy mba norobainy)
17Izvozvo zvakaitwa nezuva regumi namatatu romwedzi weAdhari, vakazorora nezuva regumi namana, vakariita zuva romutambo neromufaro.
17tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana Adara; ary nitsahatra izy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo, ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany.
18Asi vaJudha vaiva paShushani vakaungana pazuva regumi namatatu napazuva regumi namana romwedzi iwoyo; nezuva regumi namashanu romwedzi uyo vakazorora, vakariita zuva romutambo neromufaro.
18Fa ny Jiosy izay tany Sosana kosa nivory tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'io ihany sy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo koa; ary nitsahatra tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo izy, ka dia io no nataony andro fanasana sy firavoravoana.
19Naizvozvo vaJudha vemisha, vanogara pamisha isina kukombwa namasvingo, vanoita zuva regumi namana romwedzi weAdhari zuva romufaro neromutambo, uye zuva rakanaka, nerokutumirana zvinonaka.
19Koa noho izany ny Jiosy tany ambanivohitra, izay nitoetra tamin'ny vohitra madinika, dia nanao ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana sy andro mahafaly ary fifanateran-javatra.
20Zvino Modhekai akanyora zvinhu izvo, akatuma tsamba kuvaJudha vose vakanga vari pamativi ose enyika yamambo Ahashivheroshi, pedo nokure,
20[Ny nanendrena ny andro firavoravoana Porima, sy ny fahalehibiazan'i Mordekay] Ary Mordekay nanoratra ny amin'izany zavatra izany sady nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izay tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,
21akavaraira kuti varangarire zuva iro regumi namana romwedzi weAdhari, nezuva regumi namashanu rawo, gore rimwe nerimwe,
21mba hampitandrina azy ny andro fahefatra ambin'ny folo sy ny fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana Adara isan-taona,
22nekuti ndiwo mazuva vaJudha avakazorodzwa nawo pavavengi vavo, nomwedzi wavakashandurirwa nawo kuchema kwavo ukava mufaro, uye zuva rokuchema rikava zuva rakanaka; uye kuti vaaite mazuva omutambo noomufaro, nookutumirana zvinonaka uye zvipo kuvarombo.
22dia araka ny andro nahafahan'ny Jiosy tamin'ny fahavalony, sy ny volana izay nampodiana ny alahelony ho fifaliana ary ny fitomaniany ho andro mahafaly, mba hatao ho andro fanasana sy fifaliana sy fifanateran-javatra ary fanomezan-javatra ho an'ny mahantra izany.
23VaJudha vakatenda kuita nomutowo wavakatanga nawo, sezvavakanyorerwa naModhekai;
23Ary ny Jiosy nanaiky hanao araka izay vao nataony, dia araka izay efa nosoratan'i Mordekay taminy,
24nekuti Hamani mwanakomana waHamedhata muAgagi, muvengi wavaJudha vose akanga afunga zano rokuparadza vaJudha, akakanda Puri, ndiyo mijenya, kuvapedza nokuvaparadza;
24satria Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, fahavalon'ny Jiosy rehetra, efa nihevitra handringana ny Jiosy ka efa nanao pora (filokana izany) handreseny sy handringanany azy;
25asi shoko iri rakati richisvika kuna mambo, iye ndokuraira netsamba kuti zano iri rake rakaipa raakafunga pamusoro pavaJudha, ridzoserwe pamusoro wake, uye kuti iye navanakomana vake vasungirirwe pamatanda.
25fa raha nankeo anatrehan'ny mpanjaka izany, dia nampanoratra taratasy handidy mba hatsingerina ho eo amin'ny lohany ihany ny hevi-dratsy nokasain'i Hamana hatao amin'ny Jiosy, ary mba hahantona amin'ny hazo izy sy ny zananilahy.
26Naizvozvo vakatumidza zita ramazuva iwayo Purimi nezita rePuri. Zvino nokuda kwamashoko ose etsamba iyo, nezvavakaona pamusoro pechinhu icho, nezvavakaitirwa,
26Izany no nanaovana ireo andro ireo hoe Porima, dia araka ny anarana hoe Pora. Ary araka ny teny rehetra tamin'izany taratasy izany sy izay hitany ny amin'izany zavatra efa nanjo azy izany [Pora = Filokana]
27vaJudha vakatema chirevo vakazvisunga, kuti ivo navana vavo, navose vaizozviisa kwavari, havangatongoregi kurangarira mazuva iwayo maviri, sezvakanga zvanyorwa pamusoro pawo, uye panguva yakanga yatarwa gore rimwe nerimwe;
27dia nanao lalàna tsy azo ovana ny Jiosy ka nanaiky fa izy sy ny taranany ary izay rehetra miray aminy dia hitandrina izany andro roa izany araka ny voasoratra sy araka ny fotoany isan-taona;
28uye kuti mazuva iwayo arangarirwe nokutambwa pakati porudzi rumwe norumwe, nemhuri imwe neimwe, norutivi rumwe norumwe rwenyika neguta rimwe nerimwe; uye kuti mazuva iwayo ePurimi arege kutongoregwa pakati pavaJudha, arangarirwe nokusingaperi pakati pavana vavo.
28ary mba hotsarovana sy hotandremana ireo andro ireo amin'ny taranany rehetra sy ny fokony rehetra sy ny isan-tokony eran'ny fanjakana rehetra sy amin'ny isan-tanàna; ary mba tsy ho tapaka amin'ny Jiosy ireo andro Porima ireo, ka tsy hitsahatra ny fahatsiarovana izany amin'ny taranany.
29papo vahosi Esiteri, mukunda waAbhihairi, naModhekai muJudha, vakanyora nesimba ravo rose vakasimbisa tsamba iyo yechipiri yePurimi.
29Ary Estera, vadin'ny mpanjaka, sady zanakavavin'i Abihaila sy Mordekay Jiosy, dia nanoratra tamin'ny fahefana rehetra hanamafy izany taratasy faharoa milaza ny Porima izany.
30Akatuma tsamba kuvaJudha, vose vakanga vari pamativi ane zana namakumi maviri namanomwe enyika yamambo Ahashivheroshi, akanga ana mashoko orugare nechokwadi,
30Ary nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izy dia ho any amin'ny toko fito amby roa-polo amby zato amin'ny fanjakan'i Ahasoerosy, manao teny fiadanana sy fahamarinana,
31kuzosimbisa mazuva iwayo ePurimi panguva dzawo dzakatarwa, sezvavakarairwa naModhekai muJudha navahosi Esiteri, uye sezvavakanga vazvisunga ivo navana vavo pamusoro peshoko rokutsanya nerokuchema kwavo.
31mba hampitandrina azy Ireo andro Porima ireo amin'ny fotoany, araka izay nandidian'i Mordekay Jiosy sy Estera, vadin'ny mpanjaka. azy sy araka izay efa nekeny ho an'ny tenany sy ny taranany koa ny amin'ny fifadian-kaniny sy ny fitarainany.Ary ny tenin'i Estera dia nanamafy izany teny milaza ny Porima izany; ary voasoratra tao amin'ny boky izany.
32Murayiro waEsiteri ukasimbisa mashoko iwayo ePurimi; zvikanyorwa mubhuku.
32Ary ny tenin'i Estera dia nanamafy izany teny milaza ny Porima izany; ary voasoratra tao amin'ny boky izany.