Shona

Malagasy

Exodus

16

1Zvino vakabva Erimu parwendo rwavo, ungano yose yavana vaIsiraeri ikasvika parenje reSini, riri pakati peErimu neSinai, nezuva regumi namashanu romwedzi wechipiri pakubva kwavo panyika yeEgipita.
1Ary tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa taorian'ny nialany tany amin'ny tany Egypta dia nifindra niala tao Elima ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nankany amin'ny efitra Sina, izay eo anelanelan'i Elima sy Sinay.
2Zvino ungano yose yavaIsiraeri ikapopotera Mozisi naAroni murenje;
2Dia nimonomonona tamin'i Mosesy sy Arona tany an-efitra ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra,
3vana vaIsiraeri vakati kwavari, Tingadai takafira hedu munyika yeEgipita noruoko rwaJehovha, tigere hedu pahari dzenyama, tichidya zvingwa tichiguta; nekuti matibudisira kurenje iri, kuti muuraye ungano iyi yose nenzara.
3ka nanao taminy hoe: Inay anie izahay mba matin'ny tànan'i Jehovah tany amin'ny tany Egypta, raha nipetraka teo anilan'ny fahandroan-kena ka nihinan-kanina ho voky; fa nitondra anay nivoaka ho atỳ an-efitra ianareo hahafaty mosary izao fiangonana rehetra izao.
4Ipapo Jehovha akati kuna Mozisi, Tarira, ndichakunisirai chingwa chinobva kudenga; vanhu vachafanira kubuda kundozviunganidzira chiyero chinoringana nezuva rimwe nerimwe, ndivaidze ndione kana vachida kuteerera murayiro wangu, kana kwete.
4Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan'andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalako izy, na tsia.
5Zvino nomusi wetanhatu kana vogadzira izvo zvavauya nazvo, zvichaita zviyero zviviri kana vachienzanisa nechiyero chavanosiunganidza zuva rimwe nerimwe.
5Ary raha mby amin'ny andro fahenina dia hamboariny izay azony; ary hisy indroa toraka izay angoniny isan'andro.
6Zvino Mozisi naAroni vakati kuvana vaIsiraeri vose, Madekwana muchaziva kuti Jehovha ndiye akakubudisai panyika yeEgipita.
6Ary hoy Mosesy sy Arona tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa Jehovah no nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta;
7Fume mangwana muchaona kubwinya kwaJehovha, nekuti iye akanzwa kupopota kwamakapopotera Jehovha nako; isu tisu vanaaniko, zvamunotipopotera isu?
7ary rahampitso maraina dia ho hitanareo ny voninahitr'i Jehovah, fa efa reny ny fimonomononanareo tamin'i Jehovah; fa izahay moa no inona, no imonomononanareo?
8Mozisi akati, Muchaona izvozvo kana Jehovha achikupai nyama madekwana, mukaidya, namangwana kana achikupai zvingwa, mukaguta; nekuti Jehovha akanzwa kupopota kwenyu kwamakamupopotera nako; isu tisu vanaaniko zvamunotipopotera isu? Hamutipopoteri isu, asi Jehovha.
8Ary hoy koa Mosesy; Ho hitanareo izany, raha homen'i Jehovah hena hohanina ianareo anio hariva, ary mofo hahavoky rahampitso maraina; fa efa ren'i Jehovah ny fimonomononanareo, izay nimonomononanareo taminy; fa izahay moa no inona? Tsy izahay no imonomononanareo, fa Jehovah.
9Mozisi akati kuna Aroni, Udza ungano yose yavana vaIsiraeri, uti, Swederai pamberi paJehovha, nekuti akanzwa kupopota kwenyu.
9Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Lazao amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Manatòna eo anatrehan'i Jehovah; fa efa reny ny fimonomononanareo.
10Zvino Aroni akati achataura neungano yose yavana vaIsiraeri, ivo vakaona kubwinya kwaJehovha kuchiratidzwa mugore.
10Ary raha Arona mbola niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, dia nijery nanatrika ny efitra izy ireo, ka, indro, ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny rahona.
11Jehovha akataura naMozisi, akati,
11Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
12Ndanzwa kupopota kwevana vaIsiraeri; taura navo uti, Madekwana muchadya nyama, fume mangwana muchaguta zvingwa; zvino muchaziva kuti ndini Jehovha, Mwari wenyu.
12Efa reko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely, koa mitenena aminy hoe: Anio hariva dia hihinan-kena ianareo, ary rahampitso maraina kosa dia ho voky mofo ianareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
13Zvino madekwana zvihuta zvikakwira, zvikafukidza misasa; fume mangwana dova rakanga rakapoteredza misasa.
13Ary nony hariva dia niakatra ny papelika, ka rakotra azy ny toby; ary nony maraina dia nisy ando manodidina ny toby;
14Zvino dova rakanga riri pasi rikati radzimuka, vakaona zvinhu zviduku zvakaurungana zvakanga zviri pasi murenje, zviduku sechando pavhu.
14ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin'ny efitra, madinika toy ny fanala amin'ny tany.
15Vana vaIsiraeri vakati vachizviona vakabvunzana, vachiti, Chinyiko? nekuti vakanga vasingazvizivi. Mozisi akati kwavari, Ndicho chingwa chamapiwa naJehovha kuti mudye.
15Ary rehefa hitan'ny Zanak'Isiraely izany, dia nifanontany hoe izy: Inona itony? satria tsy fantany ireny. Dia hoy Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen'i Jehovah ho fihinanareo.
16Zvino heri shoko rakarairwa naJehovha, Muzviunganidzire chinhu icho, mumwe nomumwe sezvaanosidya; munhu mumwe nomumwe omeri imwe, muchiverenga vanhu venyu, mumwe nomumwe atorere vari mutende rake.
16Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: Samia manangona azy ianareo araka izay tokony ho laninareo avy, dia eran'ny vata omera avy ho amin'ny isan-olona, araka ny isanareo; samia mitondra ianareo rehetra ho an'izay ao an-dainy avy.
17Vana vaIsiraeri vakaita saizvozvo, vamwe vakaunganidza zvizhinji, vamwe zvishoma.
17Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely, ka samy nanangona: ny sasany nanangona be, ary ny sasany kosa kely.
18Zvino vakati vozviidza neomeri, uyo akanga aunganidza zvizhinji haana kusarirwa nechinhu, naiye akanga aunganidza zvishoma haana kushaiwa; mumwe nomumwe akanga aunganidza sezvaaisidya.
18Ary raha nafatrany tamin'ny vata omera izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy izy.
19Mozisi akati kwavari, Kurege kuva nomunhu anosiya zvimwe kusvikira mangwana.
19Ary hoy Mosesy taminy: Aza misy mamela sisa ho tra-maraina.
20Asi havana kuteerera Mozisi, asi vamwe vakasiya zvimwe kusvikira mangwana; zvikazara honye, zvikanhuwa; Mozisi akavatsamwira.
20Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin'i Mosesy izy, fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo; ary dia tezitra tamin'ny olona Mosesy.
21Vakazviunganidza mangwanani ose, mumwe nomumwe sezvaaidya; kana zuva ropisa zvakanyakatika.
21Ary nanangona ny mana isa-maraina ny olona, dia samy araka izay fihinany avy; ary nony nafana ny andro, dia levona ireny.
22Nezuva retanhatu vaiunganidza chingwa vachiita zviyero zviviri, mumwe nomumwe omeri zvino vakuru vose veungano vakauya kuzoudza Mozisi.
22Ary nony tamin'ny andro fahenina dia nanangona avy sasaka noho ny isan'andro ny olona, dia indroan'ny vata omera ho an'ny isan-olona avy; dia avy ny lohan'ny fiangonana ka nanambara tamin'i Mosesy.
23Mozisi akati kwavari, Ndizvo zvakataurwa naJehovha, Mangwana izuva rezororo, isabata rakatsaurirwa Jehovha; gochai zvamunoda kugocha, bikai zvamunoda kubika; zvose zvasara muzvivige, muzvichengetere mangwana.
23Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an'i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina.
24Vakazviviga kusvikira mangwana, sezvavakanga varairwa naMozisi; zvino izvo hazvina kunhuwa, nehonye hadzina kuzovamo.
24Dia namela izany ho tra-maraina izy, araka izay nandidian'i Mosesy; ary tsy mba maimbo na niteraka olitra izany.
25Mozisi akati, Chidyai henyu izvozvo nhasi, nekuti nhasi isabata raJehovha. Nhasi hamungazviwani kusango.
25Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an'i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha.
26Munofanira kuzviunganidza mazuva matanhatu; asi zuva rechinomwe isabata; nezuva iroro hakungavi nechinhu.
26Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin'izany.
27Zvino nezuva rechinomwe vamwe vakabuda kunozviunganidza, asi havana kuwana chinhu.
27Ary nony tamin'ny andro fahafito dia nisy olona nivoaka hanangona, fa tsy nahita na dia kely akory aza.
28Zvino Jehovha akati kuna Mozisi, Munoramba kuchengeta mirairo yangu nemirau yangu kusvikira rinhiko?
28Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko?
29Tarirai, Jehovha zvaakakupai sabata, naizvozvo anokupai zvokudya zvamazuva maviri nezuva retanhatu; mumwe nomumwe wenyu ngaagare kwaagere, kurega kuvapo nomunhu anobuda kwaagere nezuva rechinomwe.
29Saino fa Jehovah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin'ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin'ny fitoerany avy ianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin'ny fitoerany amin'ny andro fahafito.
30Vanhu vakazorora nezuva rechinomwe.
30Dia nitsahatra ny olona tamin'ny andro fahafito.
31Zvino veimba yaIsiraeri vakatumidza izvozvo zita rinonzi Mana; chakanga chiri chichena setsanga yekorianderi; kunaka kwazvo kwakanga kwakafanana nezvingwa zvakabikwa nouchi.
31Ary ny anarany dia nataon'ny taranak'Isiraely hoe Mana; ary tahaka ny voan-drafy izy sady fotsy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny mofo misy tantely.
32Zvino Mozisi akati, Ndiro shoko rakarairwa naJehovha, Omeri izere ngaichengeterwe marudzi enyu, vaone chingwa chandakakugutsai nacho murenje, nguva yandakakubudisai munyika yeEgipita.
32Ary hoy Mosesy: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: Analao eran'ny vata omera izy hotehirizina hatramin'ny taranakareo fara mandimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Aho.
33Zvino Mozisi akati kuna Aroni, Tora hari uisemo omeri izere nemana, uigadzike pamberi paJehovha, kuti ichengeterwe marudzi enyu.
33Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Makà vilany, ka asio mana eran'ny vata omera eo anatiny, dia apetraho eo anatrehan'i Jehovah mba hotehirizina hatramin'ny taranakareo fara mandimby.
34Sezvakanga zvarairwa Mozisi naJehovha, saizvozvo Aroni akazvigadzika pamberi peChipupuriro, kuti zvichengetwepo.
34Ary araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nametrahan'i Arona izany teo anatrehan'ny Vavolombelona mba hotehirizina.
35Vana vaIsiraeri vakadya mana*makore makumi mana, kudzimara vachisvika panyika yakagarwa navanhu; vakadya mana*kudzimara vachisvika pamiganhu yenyika yeKanani.
35Ary ny Zanak'Isiraely nihinana mana mandritra ny efa-polo taona mandra-pahatongany tany amin'izay tany misy monina: eny, mana no nohaniny mandra-pahatongany tany amin'ny sisin'ny tany Kanana.Ary ny omera dia ampahalofon'ny vata efaha.
36Zvino omeri chegumi cheefa.
36Ary ny omera dia ampahalofon'ny vata efaha.