1Nomwedzi wechitatu wokubuda kwavana valsiraeri panyika
1[Ny nitobian'ny Zanak'Isiraely teo an-efitr'i Sinay, sy ny fanekena nataon'Andriamanitra taminy] TAMIN'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta, dia tamin'izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr'i Sinay.
2Vakati vabva paRefidhimu, vakasvika murenje reSinai, vakadzika matende avo murenje; valsiraeri vakavakapo misasa pamberi pegomo.
2Ary rehefa nifindra niala teo Refidima izy ka tonga tany amin'ny efitr'i Sinay, dia nitoby teo amin'ny efitra; dia tandrifin'ny tendrombohitra no nitobian'ny Isiraely teo.
3Zvino Mozisi akakwira kuna Mwari, Jehovha ari mugomo akamudana, akati, Unofanira kutaura kudai kuna veimba yaJakove, uudze vana vaIsiraeri, uti,
3Ary Mosesy niakatra ho ao amin'Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin'ny taranak'i Jakoba sy hambaranao amin'ny Zanak'Isiraely:
4Makaona zvandakaitira vaEgipita, uye kuti ndakakutakurai imwi pamapapiro egondo, ndikakusvitsai kwandiri.
4Hianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko.
5Naizvozvo zvino kana mukateerera inzwi rangu nomoyo wose, mukachengeta sungano yangu, muchava fuma yangu chaiyo pakati pendudzi dzose, nekuti nyika ndeyangu;
5Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
6muchava kwandiri ushe hwevapristi, norudzi rutsvene. Ndiwo mashoko aunofanira kundoudza vana vaIsiraeri.
6Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely.
7Zvino Mozisi akadzoka, akadana vakuru vavanhu, akaisa pamberi pavo mashoko iwayo ose, aakanga arairwa naJehovha.
7Dia nandeha Mosesy ka nampaka ny loholon'ny vahoaka, dia nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian'i Jehovah azy.
8Ipapo vanhu vose vakapindura pamwechete, vachiti, Zvose zvataurwa naJehovha tichazviita. Mozisi akandoudza Jehovha mashoko avanhu.
8Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin'i Mosesy tao amin'i Jehovah kosa ny tenin'ny olona.
9Zvino Jehovha akati kuna Mozisi, Tarira ndinouya kwauri mugore gobvu, kuti vanhu vanzwe kana ndichitaura newe, vagotenda misi yose.
9[Ny fiomanan'ny Zanak'Isiraely alohan'ny nanomezan'Andriamanitra azy ny Lalàna] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin'ny rahona maizina, mba ho ren'ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Jehovah ny tenin'ny olona.
10Zvino Jehovha akati kuna Mozisi, Enda kuvanhu, uvatsaure nhasi namangwana, vasuke nguvo dzavo,
10Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandehana ho eny amin'ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy:
11vagare vakazvigadzira nezuva retatu, nekuti nezuva retatu Jehovha achaburuka pamberi pavanhu vose pamusoro pegomo reSinai.
11ary aoka samy hiomana ho amin'ny andro fahatelo izy; fa amin'ny andro fahatelo no hidinan'i Jehovah ho eo imason'ny olona rehetra eo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay.
12Iwe utarire vanhu miganhu yakavapoteredza, uti kwavari, Chenjerai kuti murege kukwira mugomo, kana kubata jinga raro; ani naani anobata gomo achaurawa zvirokwazvo;
12Dia hanisy fefy manodidina ho an'ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin'ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa;
13ngaarege kubatwa noruoko, asi atakwe zvirokwazvo namabwe, kana apfurwe; kana chiri chipfuwo, kana munhu, haafaniri kurarama; asi kana hwamanda ichiramba ichirira, ngavakwire mugomo.
13tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin'ny tendrombohitra izy.
14Zvino Mozisi akaburuka mugomo, akaenda kuvanhu, akatsaura vanhu; ivo vakasuka nguvo dzavo.
14Dia nidina avy tao amin'ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin'ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.
15Akati kuvanhu, Garai makazvigadzira nezuva retatu; musaswedera kumukadzi.
15Ary hoy izy tamin'ny olona: Miomàna ianareo ho amin'ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory.
16Zvino nezuva retatu koedza kutinhira kukavapo pamusoro pegomo, nemheni, negore dema, nenzwi rehwamanda rine simba guru; vanhu vose vakanga vari pamisasa vakadedera.
16Ary nony tamin'ny marain'ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
17Zvino Mozisi akaudza vanhu kuti vabude pamisasa vasangane naMwari, vamire pajinga regomo.
17Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin'Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin'ny tendrombohitra izy.
18Gomo rose reSinai rakanga richipfungaira, nekuti Jehovha akanga aburukira pamusoro paro mumoto; utsi hwaro ukakwira soutsi bwevira; gomo rose rikazununguka kwazvo.
18Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra.
19Zvino inzwi rehwamanda rakati richirira nokurira kwazvo, Mozisi akataura, Mwari akamupindura nenzwi.
19Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy.
20Ipapo Jehovha akaburukira pamusoro pegomo reSinai, Jehovha akadana Mozisi kuti akwire kumusoro wegomo, Mozisi akakwira.
20Ary Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon'ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an'i Mosesy hankeo an-tampon'ny tendrombohitra; dia niakatra Mosesy.
21Zvino Jehovha akati kuna Mozisi, Buruka, undoraira vanhu kuti varege kupaza kuna Jehovha kundotarira, kuti vazhinji vavo varege kufa.
21Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin'i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro.
22Navapristi vanoswedera kuna Jehovha, ngavazvitsaure, kuti Jehovha arege kuvaparadza.
22Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an'i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah.
23Mozisi akati kuna Jehovha, Vanhu havangagoni kukwira kugomo reSinai, nekuti makatiraira, muchiti, Tarirai miganhu pagomo muritsaure.
23Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tsy mahazo miakatra ho eto amin'ny tendrombohitra Sinay ny olona; fa Hianao nandidy anay ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka hamasino izy.
24Jehovha akati kwaari, Enda uburuke, mukwirezve, iwe naAroni, anewe; asi vapiristi navanhu ngavarege kupaza kuna Jehovha, kuti arege kuvaparadza.
24Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana midina, nefa miakara ianao, ka ento hiaraka aminao Arona; fa ny mpisorona sy ny olona dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin'i Jehovah, fandrao haringana izy.Ary Mosesy dia nidina nankeny amin'ny olona ka niteny taminy.
25Ipapo Mozisi akaburukira kuvanhu, akandovaudza.
25Ary Mosesy dia nidina nankeny amin'ny olona ka niteny taminy.