Shona

Malagasy

Exodus

5

1Shure kwaizvozvo Mozisi naAroni vakaenda, vakati kuna Farao, Zvanzi naJehovha, Mwari waIsiraeri, Tendera vanhu vangu kuenda, kuti vandiitire mutambo murenje.
1[Ny nihaonan'i Mosesy sy Arona tamin'i Farao, sy ny nampitomboan'i Farao, ny fanompoan'ny Zanak'Isiraely] Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin'i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra.
2Farao akati, Jehovha ndiye aniko, kuti nditeerere inzwi rake, kuti nditendere vaIsiraeri kuenda? Handimuzivi iye Jehovha, neni handingatenderi vaIsiraeri kuenda.
2Fa hoy Farao: Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely.
3Vakati, Mwari wavaHebheru akasangana nesu; dotitenderai kuenda rwendo rwamazuva matatu murenje, tindobayira Jehovha Mwari wedu; kuti arege kutirova nedenda kana nomunondo.
3Ary hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay; koa trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray; fandrao Izy hamely anay amin'ny areti-mandringana, na amin'ny sabatra.
4Ipapo mambo weEgipita akati kwavari, imwi Mozisi naAroni, munotsausireiko vanhu pamabasa avo? Endai kumirimo yenyu.
4Ary hoy ny mpanjakan'i Egypta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka ny olona amin'ny asany? mandehana any amin'ny fanompoanareo mafy.
5Farao akati, Tarirai, vanhu venyika ino vatova vazhinji, zvino imwi moda kuvazorodza pamirimo yavo.
5Ary hoy koa Farao: Indro, efa maro ankehitriny ny olona eto amin'ny tany, ka ianareo mampitsahatra azy amin'ny fanompoany mafy.
6Nomusi iwoyo Farao akaraira varairi vamabasa avanhu, navatariri vavo, akati,
6Ary tamin'izany andro izany Farao nandidy ny mpampiasa ny olona mbamin'ny mpifehy azy ka nanao hoe:
7Musaramba muchipa vanhu uswa hwokuita zvitina nahwo, sezvamakaita kusvikira zvino; ngavaende vandozviunganidzira uswa vega.
7Aza omenareo mololo hanaovana biriky tahaka ny teo aloha intsony ny olona; fa izy ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy.
8Asi zvitina zvavakaita kusvikira zvino, muvatarire izvozvo; musazvitapudza, nekuti havana chavanobata, saka vanodana, vachiti, Titenderei tindobayira Mwari wedu.
8Kanefa ny isan'ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola hampanaovinareo azy ihany, fa aza ahenanareo; fa malaina izy, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an'Andriamanitray.
9Varume ngavawedzerwe basa rinorema, varemerwa naro; kuti varege kurangarira mashoko enhema.
9Hamafio ny fanompoan'ny olona mba hifotorany amin'izany, fa aza avela hihaino izay lainga foana izy.
10Ipapo varairi vamabasa avanhu navatariri vavo vakabuda, vakataura navanhu, vakati, Zvanzi naFarao, Handichakupiyi uswa.
10Dia nivoaka ny mpampiasa ny olona mbamin'ny mpifehy azy ka niteny tamin'ny olona nanao hoe: Izao no lazain'i Farao: Izaho tsy mba hanome mololo anareo intsony;
11Endai mega mundozvitorera uswa pamungauwana, nekuti basa renyu haritapudzwi.
11fa mandehana ianareo ka manangona mololo any amin'izay hahitanareo, satria tsy hahena ny fanompoanareo na dia kely akory aza.
12Zvino vanhu vakapararira kunyika yose yeEgipita kuzounganidza mashanga panzvimbo youswa.
12Dia niely eran'ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon'ny mololo.
13Varairi vamabasa vakavakurudzira, vachiti, Pedzai basa renyu, mabasa amaifanira kuita mazuva ose muchino uswa.
13Ary ny mpampiasa nandodona azy ka nanao hoe: Vitao ny asanareo, izay anjara-fanompoana isan'andro, tahaka ny fony mbola nisy mololo ihany.
14Navatariri vavana vaIsiraeri, vakanga vaiswa pamusoro pavo navarairi vaFarao, vaisirohwa, zvichinzi makaregerei kupedza basa renyu razuro neranhasi muchiita zvitina sezvamakaita kusvikira zvino?
14Ary ny mpifehy ny Zanak'Isiraely, izay notendren'ny mpampiasa avy amin'i Farao mba hifehy azy, dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin'ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha ?
15Zvino vatariri vavana valsiraeri vakauya vachichema kuna Farao, vachiti, Munoitireiko kudaro navaranda venyu?
15Dia nankao amin'i Farao ny mpifehy ny Zanak'Isiraely ka nitaraina taminy hoe: Nahoana no manao toy izany amin'ny mpanomponao ianao?
16Varanda venyu havapiwi uswa, asi vanoti kwatiri, Itai zvitina; tarirai varanda venyu vanorohwa, asi mhaka iri kuvanhu venyu.
16Tsy omena mololo tsinona izahay mpanomponao, nefa mbola asaina manao biriky ihany; ary, indreto, izahay mpanomponao no kapohina, ka manota ny vahoakanao.
17Asi iye akati, Hamuna chamunobata, hamuna chamunobata, saka munoti, Titenderei kundobayira Jehovha.
17Fa hoy Farao: Malaina dia malaina ianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah.
18Naizvozvo endai zvino, mubate, nekuti hamuchapiwi uswa, asi munofanira kupedza zvitina zvakatarwa.
18Ary ankehitriny, mandehana, ataovy izay fanompoanareo, fa tsy hisy mololo homena anareo; nefa ny anjara-birikinareo dia mbola hatolotrareo ihany.
19Zvino vatariri vavana valsiraeri vakaona kuti vari panjodzi, zvazvakanzi, Hamungatapudzi pazvitina zvenyu, zvamunofanira kuita mazuva ose.
19Ary hitan'ny mpifehy ny Zanak'Isiraely fa efa azon-doza izy noho ny nanaovana hoe: Tsy hahenanareo ny isan'ny birikinareo amin'ny anjara-fanompoana isan'andro.
20Vakasangana naMozisi naAroni, vakanga vamire panzira pakubuda kwavo pamberi paFarao;
20Ary izy ireo dia nihaona tamin'i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin'i Farao izy;
21vakati kwavari, Jehovha ngaakutarirei akutongei, nekuti matinyadzisa pamberi paFarao navaranda vake, mukaisa munondo muruoko rwavo wokutiuraya nawo.
21dia hoy izy tamin'izy roa lahy: Jehovah anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan'i Farao sy eo anatrehan'ny mpanompony izahay, ka nasianareo sabatra eo an-tànany hamonoany anay.
22Ipapo Mozisi akadzokera kuna Jehovha, akati, Ishe, maitireiko vanhu ava zvakaipa? Manditumireiko?
22Ary Mosesy niverina ho any amin'i Jehovah ka nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin'ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao?Fa hatrizay nankanesako tao amin'i Farao mba hiteny amin'ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin'ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao.
23Nekuti kubva panguva yandakaenda nayo kuna Farao kundotaura nezita renyu, iye akaitira vanhu ava zvakaipa; hamuna kutongorwira vanhu venyu.
23Fa hatrizay nankanesako tao amin'i Farao mba hiteny amin'ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin'ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao.