1Jehovha akati kuna Mozisi, Tarira, ndakuita saMwari kuna Farao; Aroni, mukoma wako, achava muporofita wako.
1Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, efa nataoko andriamanitra ho an'i Farao ianao; ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao.
2Taura zvose zvandinokuraira; Aroni, mukoma wako, achataura naFarao, kuti atendere vana vaIsiraeri, vabude munyika yake.
2Hianao hilaza izay rehetra nandidiako anao, ary Arona rahalahinao kosa hilaza amin'i Farao, mba handefasany ny Zanak'Isiraely hiala amin'ny taniny,
3Ini ndichaomesa moyo waFarao, ndichawanza zviratidzo zvangu nezvishamiso zvangu panyika yeEgipita.
3Ary Izaho hanamafy ny fon'i Farao sy hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin'ny tany Egypta.
4Asi Farao haangakuteerereyi; ipapo ndichaisa ruoko rwangu pamusoro ndikabudisa hondo dzangu, ivo vanhu vangu, vana vaIsiraeri, munyika yeEgipita nokutonga kukuru.
4Fa tsy hihaino anareo Farao, ka dia hamely an'i Egypta ny tanako, ary fitsarana lehibe no hitondrako ny antokon'ny Zanak'Isiraely oloko hiala amin'ny tany Egypta.
5VaEgipita vachaziva kuti ndini Jehovha, kana ndichitambanudza ruoko rwangu pamusoro ndichibvisa vana vaIsiraeri pakati pavo.
5Dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa maninjitra ny tanako amin'i Egypta Aho ka mitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any.
6Mozisi naAroni vakaita saizvozvo; sezvavakanga varairwa naJehovha, vakaita saizvozvo.
6Dia nataon'i Mosesy sy Arona izany: araka izay nandidian'i Jehovah azy no nataony.
7Mozisi akanga ana makore makumi masere, naAroni makore makumi masere namatatu, panguva yavakataura naFarao.
7Ary efa valo-polo taona Mosesy, ary efa telo amby valo-polo taona kosa Arona, raha niteny tamin'i Farao izy mirahalahy.
8Zvino Jehovha akataura naMozisi naAroni, akati,
8Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona:
9Kana Farao achitaura nemi, akati, Tiratidzei chinoshamisa, uti kuna Aroni, Tora tsvimbo yako, uikandire pasi pamberi paFarao, ishanduke nyoka.
9Raha miteny aminareo Farao ka manao hoe: Manaova fahagagana hanambara anareo, dia lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka atsipazo eo anatrehan'i Farao, dia ho tonga menarana iny.
10Mozisi naAroni vakapinda kuna Farao, vakaita sezvavakarairwa naJehovha, Aroni akakandira tsvimbo pasi pamberi paFarao napamberi pavaranda vake, ikashanduka nyoka.
10Ary Mosesy sy Arona nankao amin'i Farao ka nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah; dia natsipin'i Arona teo anatrehan'i Farao sy teo anatrehan'ny mpanompony ny tehiny, ka tonga menarana iny.
11Ipapo Farao akadanawo vakachenjera navaroyi; naivowo, idzo n'anga dzeEgipita, vakaita saizvozvo nouroyi hwavo.
11Dia nampanalain'i Farao ny olon-kendry sy ny mpanana ody; ary ireo ombiasy teo Egypta ireo dia nanao toy izany tamin'ny fankatovany.
12nekuti mumwe nomuwe akakandira pasi tsvimbo yake, dzikashanduka nyoka; asi tsvimbo yaAroni yakamedza tsvimbo dzavo.
12Fa samy nanipy ny tehiny avy izy ireo, ka tonga menarana ireny; nefa ny tehin'i Arona nitelina ny tehin'ireo.
13Zvino moyo waFarao ukawomeswa, akasavateerera; sezvakarehwa naJehovha.
13Dia nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain'i Jehovah.
14Zvino Jehovha akati kuna Mozisi, moyo waFarao mukukutu, haadi kutendera vanhu kuenda.
14[Ny loza folo loha namelezan'Andriamanitra ny tany Egypta. Voalohany: ny rano tonga rà] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Efa mafy ny fon'i Farao, ka mandà tsy handefa ny olona izy.
15Enda kuna Farao mangwanani; tarira, achabuda achienda kumvura, iwe undomira pamahombekombe erwizi kuti usangane naye, wakabata muruoko rwako tsvimbo iya yakashanduka nyoka.
15Mankanesa ao aminy ianao rahampitso; indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy; dia mijanona eo amoron'i Neily ianao ambara-pihaviny (ary ny tehina, ilay novàna ho menarana, ho entinao eny an-tananao),
16Ugoti kwaari, Jehovha, Mwari wavaHebheru, akandituma kwauri, achiti, Tendera vanhu vangu kuenda vandinamate murenje; zvino tarira, kusvikira zvino hauna kunditeerera.
16dia lazao aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy nankaty aminao hanao hoe: Alefaso ny oloko mba hanompoany Ahy any an-efitra; fa, indro, tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny.
17Zvanzi naJehovha, Uchaziva kuti ndini Jehovha nechinhu ichi: Tarira ndicharova mvura iri murwizi netsvimbo iri muruoko rwangu, ikashanduka ropa.
17Koa izao no lazain'i Jehovah: Izao no hahafantaranao fa Izaho no Jehovah: indro, ny tehiko etỳ an-tanako no hikapohako ny rano ao Neily, ka ho tonga rà izy.
18Hove dziri murwizi dzichafa, rwizi ruchanhuwa; vaEgipita vachanetswa nokutsvaka kumwa mvura yorwizi.
18Dia ho faty ny hazandrano ao Neily, ka ho maimbo Neily, ary tsy ho tian'ny Egyptiana intsony ny hisotro ny rano ao.
19Jehovha akatiwo kuna Mozisi, Uti kuna Aroni, Tora tsvimbo yako, utambanudzire ruoko rwako pamusoro pemvura yavaEgipita, pamusoro penzizi dzavo, napamusoro pehova dzavo, napamusoro pamadziva avo, napamusoro pamakungwa avo ose, zvishanduke ropa; rivepo panyika yose yeEgipita, mumidziyo yamatanda nemidziyo yamabwe.
19Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro ambonin'ny ranon'i Egypta ny tananao, dia ambonin'ny sampan-dranony sy ambonin'ny lahin-dranony, sy ambonin'ny heniheniny, ary ambonin'ny kamoriny rehetra, mba ho tonga rà ireny; ary hisy rà eran'ny tany Egypta rehetra, na amin'ny fitoeran-drano hazo na amin'ny fitoeran-drano vato.
20Mozisi naAroni vakaita sezvavakarairwa naJehovha, vakasimudza tsvimbo, vakarova mvura yakanga iri murwizi pamberi paFarao napamberi pavaranda vake, mvura yose yomurwizi ikashanduka ropa.
20Ary nataon'i Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian'i Jehovah; dia nanainga ny tehina izy ka namely ny rano tao Neily teo imason'i Farao sy teo imason'ny mpanompony, dia tonga rà ny rano rehetra tao Neily;
21Hove dzomurwizi dzikafa, rwizi rukanhuwa, vaEgipita vakasagona kumwa mvura yorwizi ropa rikavapo panyika yose yeEgipita.
21koa maty ny hazandrano izay tao Neily, dia maimbo Neily, ka tsy azon'ny Egyptiana nosotroina ny rano avy ao; ary ny rà dia nanerana ny tany Egypta rehetra.
22n'anga dzeEgipita dzikaitawo saizvozvo nouroyi hwadzo; asi moyo waFarao wakaomeswa, akasavateerera, sezvakanga zvarehwa naJehovha.
22Ary ny ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin'ny fankatovany; ka dia nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain'i Jehovah.
23Ipapo Farao akadzoka, akapinda mumba make; haana kurangarira nechinhu ichiwo.
23Dia niverina Farao ka nankao an-tranony, kanefa tsy mba nahoany akory, na dia izany aza.
24VaEgipita vose vakachera nhivi dzorwizi vachitsvaka mvura yokumwa; nekuti vakanga vasingagoni kumwa mvura yorwizi.
24Dia nihady rano hosotroiny teo amoron'i Neily ny Egyptiana rehetra; fa tsy azony nisotroana ny rano tao Neily.
25Mazuva manomwe akapera kubva pakurohwa korwizi naJehovha.
25Ary nisy hafitoana taorian'ny namelezan'i Jehovah an'i Neily.
26[Faharoa: ny sahona] Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
27Fa raha mandà ka tsy mandefa azy ianao, indro, Izaho hamely ny taninao rehetra amin'ny sahona;
28dia hisy sahona betsaka any Neily, ary hiakatra ireny ka hankao amin'ny tranonao sy ny trano fandrianao sy eny ambonin'ny farafaranao sy any amin'ny tranon'ny mpanomponao sy amin'ny vahoakanao ary eny amin'ny fanendasa-mofonao sy eny amin'ny vilia fanaova-mofonao.Dia ho aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra no hiakaran'ny sahona.
29Dia ho aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra no hiakaran'ny sahona.