1Zvino shoko raJehovha rakasvikazve kwandiri, richiti,
1[Fanoharana ny amin'Ohola sy Oholiba hampiseho ny nijangajangan'i Samaria sy Jerosalema] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2Mwanakomana womunhu, kwakanga kuna vakadzi vaviri, vanasikana vamai vamwe;
2Ry zanak'olona, nisy vehivavy mirahavavy iray tam-po;
3ivo vakapata muEgipita, vakapata vachiri vaduku; mazamu avo akabatwa ipapo, minyato yohumhandara hwavo yakabatwa-batwapo.
3ary nijangajanga tany Egypta izy; fony izy mbola tanora no nijangajanga; tao no nisafosafoana ny tratrany, ary tao no nitsapatsapana ny nonon'ny fahavirijinany.
4Mazita avo akanga ari Ohora, mukuru, naOhoribha munin'ina wake; ivo vakazova vangu, vakabereka vanakomana navanasikana. Zvino kana ari mazita avo, Samaria ndiOhora, Jerusaremu ndiOhoribha.
4Ny anaran'ny zokiny dia Ohola, ary ny rahavaviny dia Oholiba; ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin'ny anarany: Samaria no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba.[Ohola = lainy][Oholiba = Ny laiko no ao aminy]
5Ohora wakapata, ari wangu, akadana navadikamwi vake, ivo vaAsiria vaigara pedo naye,
5Ary raha mbola vadiko Ohola, dia nijangajanga izy; maimay izy tamin'ireo lehilahiny, dia ny Asyriana mifanolotra aminy,
6vaifuka micheka mitema, vaiva vabati namadzishe, ose ari majaya anodikamwa, vatasvi vaifamba namabhiza.
6izay mitafy mangamanga, dia ny governora sy ny lefiny, tovolahy bikàna izy rehetra sady mpitaingin-tsoavaly.
7Iye akapata navo, ivo varume vakatsaurwa vose pakati pevana vaAsiria, zvino waizvisvibisa nezvifananidzo zvavose vaidikamwa naye.
7Nijangajanga tamin'ireny izy, dia tamin'izay tsara indrindra tamin'ny zanakalahin'i Asyria sy tamin'izay rehetra nahamaimay azy; tamin'ny sampiny rehetra no nandotoany tena.
8Uye haana kuzorega kupata kwake kwaakabva nako Egipita; nekuti varume vakavata naye achiri muduku, vakabatabata minyato yohumhandara hwake, vakadurura hupombwe hwavo pamusoro pake.
8Ary ny fijangajangana izay fanaony hatrany Egypta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian'ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran'ny fahavirijinany sady nanaram-po nijangajanga taminy.
9Naizvozvo ndakamuisa mumaoko avadikamwi vake, mumaoko avaAsiria, vaakadana navo.
9Ary noho izany dia natolotro ho eo an-tànan'ireo lehilahiny izy, dia eo an-tànan'ny Asyriana izay nahamaimay azy.
10Ivo vakafukura kunyadza kwake, vakatora vanakomana navanasikana vake, vakamuuraya iye nomunondo, zita rake rikazosekwa pakati pavakadzi; nekuti vakamutonga.
10Ireny no nampiseho ny fitanjahany; ny zananilahy sy ny zananivavy dia lasan'ireny, ary ny tenany novonoiny tamin'ny sabatra, ka dia tonga ambentinteny tamin'ny vehivavy izy ary efa niharan'ny fitsarana.
11Zvino munin'ina wake Ohoribha wakazviona hake, kunyange zvakadaro iye wakange akanyanya pakudana kwake navadikamwi, uye kupata kwake kwakapfuura kupata komukuru wake.
11Ary nony hitan'i Oholiba rahavaviny izany, dia vao mainka nataony manoatra noho ny azy indray ny fahamaimaizany, ary ny fijangajangany manoatra noho ny an'ny rahavaviny,
12Iye akadana navaAsiria, vaiva vabati namadzishe, vaigara pedo naye, vakafuka zvakaisvonaka kwazvo, vari vatasvi vanofamba namabhiza, ose ari majaya anodikamwa.
12Maimay tamin'ny Asyriana mifanolotra aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tovolahy bikàna izy rehetra.
13Zvino ndakaona kuti wasvibiswa; ivo vose vakafamba nenzira imwe.
13Dia hitako fa efa nandoto ny tenany izy, fa lalana iray ihany no nalehan'izy mirahavavy;
14Akawedzera kupata kwake; nekuti wakaona zvifananidzo zvavarume vakavezwa pamadziro, zviri zvifananidzo zvaKaradhea, zvakavezwa nomuti mutsvuku,
14ary mbola nampandrosoiny ihany ny fijangajangany, fa nahita sariolona voasoratra teo amin'ny rindrina izy sy ny sarin'ny Kaldeana voasoratra tamin'ny loko mena.
15vakasunga zviuno zvavo nebhanhire, vane ngowani dzemicheka pamisoro yavo, vose vakaita samachinda kana vachionekwa, vakafanana navaBhabhironi paKaradhea, iyo nyika yokuberekwa kwavo.
15samy nisy fehin-kibo nifehy teo am-balahany sy hamama voanato nisy rambony teo an-dohany; ny fijery azy rehetra dia toy ny fijery zanak'andriana, dia tahaka ny zanakalahin'i Babylona, izay teraka tany amin'ny tany Kaldea.
16Zvino wakati achivaona, akavada kwazvo, akatuma nhume kwavari paKaradhea.
16Ary raha vao hitan'ny masony ireny, dia maimay taminy izy ka naniraka olona ho any aminy tany Kaldea.
17VaBhabhironi vakauya kwaari ari panhovo dzorudo, vakamusvibisa nohupombwe hwavo, iye akasvibiswa pamwechete navo, mweya wake ukazorambana navo.
17Ary tonga tany aminy ho ao amin'ny fandriam-pitiavana ireny zanakalahin'i Babylona ka nandoto azy tamin'ny fijangajangany; ary nony efa voaloton'ireny izy, dia niombotra niala taminy kosa ny fanahiny.
18Zvino wakati afukura kupata kwake, nokufukura kunyadza kwake, mweya wangu ukarambana naye, mweya wangu sezvawakarambana nomukuru wake.
18Ary rehefa naneho ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy, dia niombotra niala taminy ny fanahiko, toy ny efa niombotan'ny fanahiko niala tamin'ny rahavaviny ihany.
19Kunyange zvakadaro akaramba achiwedzera kupata kwake, achirangarira mazuva ohuduku hwake, aakapata nawo panyika yeEgipita.
19Dia nampitombo ny fijangajangany ihany izy, ka dia nahatsiaro ny andro fahatanorany, izay nijangajangany tany amin'ny tany Egypta.
20Akadana zvikuru navadikamwi vake, vane nyama yakaita senyama yembongoro, zvinodhachwa navo zvakaita sezvinodhachwa namabhiza.
20Fa izy dia maimay tamin'ireo lehilahiny, izay manana nofo tahaka ny nofom-boriky, ary ny avy aminy dia toy ny avy amin'ny soavaly.
21Zvino ukayeudzwa zvakashata zvohuduku hwako, panguva yawakabatwa-batwa minyato yako navaEgipita nokuda kwamazamu ohumhandara hwako.
21Nitady ny fijangajangan'ny fahatanoranao ianao, dia ilay nitsapatsapan'ny Egyptiana ny nononao, satria nonon'ny fahavirijinanao ireo.
22Naizvozvo iwe Ohoribha, ndizvo zvinotaura Ishe Jehovha tarira, ndichakumutsira vadikamwi vako, vakazorambwa nomweya wako, ndichavauyisa kwauri kuzorwa newe kumativi ose;
22Koa izao, ry Oholiba, no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hotairiko hamely anao ireny lehilahinao, izay efa niombotan'ny fanahinao, ka ho entiko avy amin'ny tany manodidina izy mba hamely anao,
23vanoti, vaBhabhironi, navaKaradhea vose, Pekodhi naShoa naKoa, navaAsiria pamwechete navo, iwo majaya anodikamwa, vose vari vabati namadzishe, machinda navarume vane mbiri, vose vakatasva mabhiza.
23dia ireny zanakalahin'i Babylona mbamin'ny Kaldeana rehetra, mpanapaka sy manan-jo sy andrian-dahy, ary ny Asyriana rehetra koa miaraka aminy; tovolahy bikàna izy rehetra, dia ny governora sy ny lefiny, zanak'andriana sy olom-boafidy, sady mpitaingin-tsoavaly avokoa izy rehetra.[Na: Pekoda sy Soa ary Koa]
24Vachauya kuzorwa newe nenhumbi dzokurwa, nengoro, nezvinofamba namakumbo engoro, neboka ravanhu vazhinji; vachazvirongedza kuzorwa newe nenhovo huru nenhovo duku nengowani kumativi ose; ini ndichavapa simba rokutonga, vakutonge nokutonga kwavo.
24Ary ho avy izy mitondra fiadiana sy kalesy sy kodia mbamin'ny firenena betsaka hamely anao, izay hanisy ampinga lehibe sy ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina hamelezana anao, ary hatolotro azy ny fitsarana, ka hitsara anao araka ny fitsarany izy.
25Ndichamutsa godo rangu kuzorwa newe, ivo vakuitire hasha; vachabvisa mhino dzako nenzeve dzako, vakasara kwauri vachaurawa nomunondo, vachatora vanakomana vako navanasikana vako; vakasara kwauri vachapera nomoto.
25Ary ho entiko hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hamely anao amin'ny fahatezerana ireny: hesoriny ny oronao sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon'ny sabatra, ka ho lasan-ko babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay sisa aminao holevonin'ny afo.
26Vachakubvisirawo nguvo dzako, nokukutorera hukomba hwako hwakanaka.
26Ary hendahany ny lambanao, sady hesoriny aminao ny firavakao soa.
27Saizvozvo ndichakugumisira zvakashata zvako nokupata kwako kwawakabva nako kunyika yeEgipita, kuti urege kuzozvitarirazve nameso ako, kana kuzorangarira Egipita.
27Ary hatsahatro ny fahavetavetanao, dia ny fijangajanganao izay fanaonao hatrany amin'ny tany Egypta, fa tsy ihandrandrainao aminy intsony ny masonao, sady tsy; hotsarovanao intsony Egypta.
28nekuti zvanzi naIshe Jehovha, ndichakuisa mumaoko avaunovenga, mumaoko aivo vakarambwa nomweya wako;
28Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hatolotro eo an-tànan'izay halanao ianao, dia eo an-tanan'izay efa niombotan'ny fanahinao;
29ivo vachakuitira ruvengo, vachakutorera zvose zvawakabatira, vakakurega usina chawakafuka wakashama; kunyadza kokupata kwako kuchafukurwa, zvakaipa zvako pamwechete nokupata kwako.
29ary hamely anao amin'ny fankahalana izy, ka hesoriny ny vokatry ny asanao, dia hilaozany mitanjaka sy mihanjahanja ianao, ary hiseho ny fitanjahan'ny fijangajanganao, dia ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
30Uchaitirwa zvinhu izvi nemhaka yokuti wakapata namarudzi avanhu, uye nemhaka yokuti wakasvibiswa nezvifananidzo zvavo.
30Havo aminao izany zavatra izany noho ny nijangajanganao nanaraka ny jentilisa sy noho ny nandotoanao tena tamin'ny sampiny.
31Iwe wakafamba nenzira yomukuru wako; saka ndichaisa mukombe wake muruoko rwako.
31Tamin'ny nalehan'ny rahavavinao no nalehanao koa, ka dia hataoko eo an-tananao ny kapoakany.
32Zvanzi naIshe Jehovha, Uchamwira pamukombe womukuru wako, wakadzika mukuru; uchasekwa nokudadirwa, nekuti iwe une zvizhinji zvirimo.
32Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'ny kapoaky ny rahavavinao no hisotroanao, dia ilay lalina àty sady lehibe; ho fihomehezana sy ho fanakorana tsy tanty ianao.
33Uchazara nokubatwa nokuchema; mukombe womukuru wako Samaria mukombe wokushamiswa nokuparadzwa.
33Ho feno fahamamoana sy alahelo ianao; kapoaka fahatalanjonana sy fandringanana ny kapoak'i Samaria rahavavinao.
34Uchaumwa nokuupedza chose, uchatsenga zvaenga zvawo, nokudzura mazamu ako; nekuti ndini ndakataura izvozvo, ndizvo zvinotaura Ishe Jehovha.
34Hosotroinao sy hotrohinao izy, ary hokikisanao ny vakivakiny sady handriatanao ny nononao; fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.
35Naizvozvo zvanzi naIshe Jehovha, Zvawakandikangamwa, ukandirasira shure kwako, naizvozvo chiva nemhosva yezvakashata zvako, neyokupata kwako.
35Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
36Jehovha akatiwo kwandiri, Mwanakomana womunhu, chitonga Ohora naOhoribha, uvazivise zvinonyangadza zvavo.
36Jehovah niteny tamiko hoe: Ry zanak'olona, tsy hotsarainao va Ohola sy Oholiba? Dia asehoy azy ny fahavetavetany,
37nekuti wakafeva, ropa riri pamaoko avo; wakafeva nezvifananidzo zvavo; vakapinzawo vanakomana vavo vavakandiberekera mumoto, kuti zvidyiwe nazvo.
37fa efa nijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zananilahy naterany ho Ahy dia nampamakiny ny afo ho an'ireny mba ho levona.
38Vakandiitirawo chinhu ichi, vakasvibisawo nzvimbo yangu tsvene nezuva iro, vakamhura masabata angu.
38Izao koa no nataony tamiko: Nandoto ny fitoerako masina izy tamin'izany andro izany sady nandoto ny Sabatako koa.
39nekuti vakati vabayira zvifananidzo zvavo vana vavo, vakapinda nezuva iro munzvimbo yangu tsvene kuti vaimhure; tarirai, ndizvo zvavakaita mukati meimba yangu.
39Ary nony efa novonoiny ho an'ny sampiny ny zanany, dia nidirany tamin'iny andro iny ihany ny fitoerako masina ka nolotoiny; koa, he! izany no nataony teo anatin'ny tranoko.
40Makatumawo nhume kundodana varume vanobva kure nhume yakatumwako kwavari ivo vakauya, iwe ukazvishamba nokuda kwavo, ukazodza meso ako nomuti, nokuzvishongedza nezvishongo,
40Ary koa, naniraka ho any amin'ny olona avy lavitra ianao; eny, nanirahanao ireo, ka, indreo, tonga izay efa nandroanao sy nanosoranao loko mainty ny masonao sy niravahanao.[Heb. ianareo]
41ukagara panhovo dzakaisvonaka, dzakanga dzakagadzirirwa tafura pamberi padzo, pawakagadzika zvinonhuhwira zvangu namafuta angu.
41ary nipetrahanao tamin'ny farafara marevaka, sady nisy latabatra voavelatra teo anoloany, izay nametrahanao ny ditin-kazo manitro sy ny diloiloko.
42Inzwi ravazhinji vakanga vachifara rakanga rinaye; zvino pamwechete navarume vakabva kuvazhinji, vakauya nevakariri vedoro, vaibva kurenje, vakaisa zvishongo pamaoko avo, nekorona dzakanaka pamisoro yavo.
42Ary teo aminy nisy ny feon'ny maro izay mipetraka tsy manana ahiahy, ary afa-tsy ny ankabiazam-bahoaka dia nisy mpiboboka nentina avy tany an-efitra; ary nasian'ireo haba teny an-tànan'izy mirahavavy sy satro-boninahitra tsara tarehy teny an-dohany.
43Zvino ndakati kuna iye akanga apera nokufeva kwake, Zvino vachaita hupombwe naye, naiye navo.
43Dia hoy Izaho ny amin'ilay efa tontan'ny fijangajangana ela: Amin'izao dia mbola hisy hijangajanga amin'io ihany va?
44Ipapo vakapinda kwaari, sezvavanopinda kuchifeve; saizvozvo vakapinda kuna Ohora naOhoribha, ivo vakadzi vakashata.
44Eny, mbola nankao aminy ihany ny olona toy ny ankanesany ao amin'ny vehivavy janga, dia toy ny efa nankanesany tao amin'i Ohola sy Oholiba, vehivavy janga.
45Naizvozvo varume vakarurama vachavatonga sezvinotongwa zvifeve, sezvinotongwa vakadzi vakateura ropa, nekuti zvifeve, ropa riri pamaoko avo.
45Ary olona marina no hitsara azy araka izay fitsara vehivavy mijangajanga sy mandatsa-drà, satria mijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany.
46nekuti zvanzi naIshe Jehovha, Ndichauyisa boka ravarwi kuzorwa navo, ndichavaregera kuti vadzungaidzwe kose-kose vapambwe.
46Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ho entiko hamely azy ny olona maro, ka natolotro ho mpanjenjena sy ho babo izy.[Na: ho fampangovitana]
47Boka iro richavataka namabwe, nokuvabaya neminondo yavo; vachauraya vanakomana vavo navanasikana vavo, nokupisa dzimba dzavo nomoto.
47Ary ireo olona maro ireo dia hitora-bato azy sy hitetitetika azy amin'ny sabatra; hovonoiny ny zananilahy sy ny zananivavy, ary hodorany amin'ny afo koa ny tranony.
48Saizvozvo ndichagumisa zvakashata panyika, kuti vakadzi vose vadzidziswe kuti varege kutevera zvakashata zvenyu.
48Toy izany no hampitsaharako ny fahavetavetana amin'ny tany, mba hahazo anatra ny vehivavy rehetra tsy hanao araka ny fahavetavetanareo.Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
49Vachakutsivirai zvakashata zvenyu, imwi muchava nezvivi zvezvifananidzo zvenyu, zvino muchaziva kuti ndini Ishe Jehovha.
49Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.