1Zvino iwe, Mwanakomana womunhu, porofita pamusoro pamakomo aIsiraeri, uti, Imi makomo aIsiraeri, inzwai shoko raJehovha.
1[Ny hitahian'i Jehovah ny tanin'ny Isiraely] Ary ianao, ry zanak'olona, maminania amin'ny tendrombohitry ny Isiraely, ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely, mihainoa ny tenin'i Jehovah:
2Zvanzi naIshe Jehovha, Muvengi wako zvaakati pamusoro pako, Toko waro! Uye, nzvimbo dzakakwirira dzekare inhaka yedu;
2Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan'ny fahavalo anareo hoe: Hià! efa lasanay ny havoana fahagola!
3naizvozvo porofita, uti, zvanzi naIshe Jehovha, Nemhaka iyi, zvavakakuitai dongo, nokukumedzai kumativi ose, kuti muve nhaka yamarudzi avanhu akasara, zvamakarehwa nemiromo yavanotaura, mukaitirwa makuhwa navanhu;
3Dia maminania, ka lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nandravany anareo sy ny nisafoahany nanenjika anareo avy amin'ny tany manodidina, ka dia efa lasan'ny jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon'ny molotry ny mpibedibedy fitenenana ka efa ambentinteny amin'ny firenena,
4naizvozvo, imwi makomo aIsiraeri, inzwai shoko raIshe Jehovha, zvanzi naIshe Jehovha kumakomo nokuzvikomo nokuhova nokumipata nokunzvimbo dzakaparadzwa nokumaguta akasiiwa, ava chinhu chinopambwa nechinosekwa namarudzi akasara anowapoteredza;
4Dia mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo, ry tendrombohitry ny Isiraely: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha ary amin'ny korontam-bato sy ny tanàna haolo, izay efa babo sy fandatsa ho an'ny firenena sisa amin'ny manodidina,
5naizvozvo zvanzi naIshe Jehovha, Zvirokwazvo, ndakataura nomoto wegodo rangu pamusoro pavakasara vamarudzi napamusoro peEdhomu rose, ivo vakazvitorera nyika yangu vachiti ive nhaka yavo, vachingofara nomoyo wavo wose vachishora nemweya yavo, kuti vairasire kure ipambwe.
5Eny, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny afon'ny fahasaro-piaroko no nitenenako tokoa Namely ny firenena sisa sy Edoma rehetra, Izay nahalasa ny taniko ho fananany Tamin'ny hafalian'ny fony tokoa sy tamin'ny fanahy mamingavinga, mba hangoronany azy ho babo.
6Naizvozvo porofita pamusoro penyika yaIsiraeri, uti kumakomo nokuzvikomo, nokuhova nokumipata, zvanzi naIshe Jehovha, Tarirai ndakataura negodo rangu nokutsamwa kwangu, nekuti makashorwa namarudzi;
6Koa maminania ny amin'ny tanin'ny Isiraely, ka lazao amin'ny tendrombohitra sy ny havoana ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: (Indro, tamin'ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no nitenenako): Noho ny nitondranareo latsa tamin'ny firenena,
7naizvozvo zvanzi naIshe Jehovha, Ndakapika ndichiti, zvirokwazvo marudzi anokupoteredza kose, ndiwo achashorwa.
7Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izaho efa nanangan-tanana nanao hoe; Ny firenena manodidina anareo no hitondra henatra.
8Asi imi, makomo aIsiraeri, muchabudisa matavi enyu, nokuberekera vanhu vangu vaIsiraeri michero nekuti kusvika kwavo kwaswedera.
8Fa ianareo kosa, ry tendrombohitry ny Isiraely, dia hisandrahaka sy hahavokatra ho an'ny Isiraely oloko; Fa efa antomotra ny hihavian'ireny.
9nekuti tarirai, ndinemwi, ndichatsaukira kwamuri, mucharimwa nokudzvarwa;
9Fa, indro, hitodika ho aminareo Aho ka hanatrika anareo; Dia hasaina sy hofafazana ianareo;
10ndichawanza vanhu pamusoro pako, iyo imba yose yaIsiraeri, ivo vose; maguta achagarwa, namatongo achavakwa;
10Ary hahamaro ny olona eny aminareo Aho, dia ny taranak'Isiraely rehetra rehetra, ary honenana ny tanàna, ka haorina indray ny efa rava;
11ndichawanza pamusoro penyu vanhu nezvipfuwo, vachawanda nokuberekana; ndichagarisa vanhu mukati menyu, sezvamakanga makaita kare, nokukuitirai zvakanaka zvinopfuura zvapakuvamba kwenyu; zvino muchaziva kuti ndini Jehovha.
11Dia hampitombo olona sy biby fiompy eny aminareo Aho, ka hitombo sy hiteraka ireo; Hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo, ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin'ny niandohanareo Aho; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
12Zvirokwazvo, ndichafambisa vanhu pamusoro penyu, ivo vanhu vangu vaIsiraeri; vachakuita wavo, uchava nhaka yavo, kubva zvino haungazovatoreri vana vavo.
12Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Isiraely oloko; Dia hanana anareo izy ka hahalasa anareo ho lovany, ary tsy hahalany fara azy intsony ianareo.[Heb. anao][Heb. ianao]
13Zvanzi naIshe Jehovha, Zvavanoti kwauri, iwe uri mupedzi wavanhu, wakatorera rudzi rwako vana;
13Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovany taminareo hoe: Hianao, ry tany, dia mandany olona, Sady mahalany fara ny firenenao,
14naizvozvo hauchazopedzi vanhu, kana kuva muvurayiri worudzi rwako vana, ndizvo zvinotaura Ishe Jehovha;
14Dia tsy handany olona intsony ianao, na hahalavo ny firenenao intsony, hoy Jehovah Tompo.
15handichazokunzwisi kunyadziswa kwamarudzi, haungazoshorwi navanhu, haungazogumbusi rudzi rwako, ndizvo zvinotaura Ishe Jehovha.
15Ary hataoko tsy mahare ny latsan'ny jentilisa intsony ianao Sady tsy hitondra ny fanaratsian'olona intsony; Ary tsy hahalavo ny firenenao intsony ianao, hoy Jehovah Tompo.
16Zvino shoko raJehovha rakasvikazve kwandiri, richiti,
16[Ny fifampiankinan'ny famonjena ny Isiraely sy ny fahamasinany] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
17Mwanakomana womunhu, nguva yavakagara panyika yavo, imba yaIsiraeri yakaisvibisa nomufambiro wavo nezvavaiita; mufambiro wavo pamberi pangu wakange wakaita setsvina yomukadzi ari kumwedzi kwake.
17Ry zanak'olona, ny taranak'Isiraely nonina tany amin'ny taniny, dia nandoto izany tamin'ny fanaony sy tamin'ny asany izy; fa tahaka ny fahalotoan'ny vehivavy mararin'ny fadim-bolana no fahalotoan'ny fanaony eo anatrehako.[Heb. lalany]
18Naizvozvo ndakateurira hasha dzangu pamusoro pavo nemhaka yeropa ravakateurira pamusoro penyika, zvavakaisvibisa nezvifananidzo zvavo;
18Ka dia naidiko ho aminy ny fahatezerako mirehitra noho ny rà nalatsany teo amin'ny tany sy noho ny nandotoany izany tamin'ny sampiny.
19ndikavaparadzira pakati pamarudzi, vakadzingirwa kunyika dzose; ndakavatonga zvakafanira mufambiro wavo nezvavakaita.
19Ary naeliko ho any amin'ny firenena izy ka nahahaka ho any amin'ny tany samy hafa; araka ny fanaony sy ny asany no nitsarako azy.[Heb. lalany]
20Zvino vakati vachisvika kumarudzi, kwavakaenda, vakamhura zita rangu dzvene, nekuti vanhu vakati pamusoro pavo, Ava ndivo vanhu vaJehovha, vakabuda panyika yake.
20Ary nony tonga tany amin'ny firenena izay nalehany izy, dia tonga fandotoana ny anarako masina tamin'ny nanaovan'ny olona azy hoe: Ireo no olon'i Jehovah, nefa niala tamin'ny tanin'i Jehovah izy.
21Asi ndakanga ndinehanya nezita rangu dzvene, rakanga ramhurwa neimba yaIsiraeri pakati pamarudzi kwavakaenda.
21Dia namindrako fo ny anarako masina, izay nolotoin'ny taranak'Isiraely tany amin'ny firenena izay nalehany.
22Naizvozvo chiti kuimba yaIsiraeri, zvanzi naIshe Jehovha, Handiiti chinhu ichi nokuda kwako, iwe imba yaIsiraeri, asi nokuda kwezita rangu dzvene ramakamhura pakati pamarudzi kwamakaenda.
22Koa atsovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak'Isiraely, fa noho ny anarako, masina, izay nolotoinareo tany amin'ny jentilisa izay nalehanareo.
23Zita rangu guru ndichariita dzvene, iro rakamhurwa pakati pamarudzi, ramakamhura imwi pakati pavo; zvino marudzi achaziva kuti ndini Jehovha, nenguva yandichaitwa mutsvene mamuri pamberi pavo, ndizvo zvinotaura Ishe Jehovha.
23Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo.
24nekuti ndichakubvisai pakati pamarudzi, nokukuunganidzai kunyika dzose, ndikuisei kunyika yenyu.
24Fa halaiko avy any amin'ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin'ny taninareo.
25Ndichasasa mvura yakachena pamusoro penyu, muve vakachena; ndichakunatsai matsvina enyu ose nezvifananidzo zvenyu zvose.
25Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.
26Ndichakupaiwo moyo mutsva, nokuisa mukati menyu mweya mutsva; ndichabvisa moyo webwe panyama yenyu, ndikupei moyo wenyama.
26Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.
27Uye ndichaisa Mweya wangu mukati menyu, nokukufambisai nemitemo yangu; muchachengeta zvandakarayira nokuzviita.
27Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.
28Muchagara munyika yandakapa madzibaba enyu; muchava vanhu vangu, neni ndichava Mwari wenyu.
28Ary honina any amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.
29Ndichakuponesai patsvina yenyu yose; ndichadana zviyo, nokuzviwanza, handingakuremedziyi nenzara.
29Ary hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo;
30Ndichawanza michero yemiti, nezvinomera muminda, kuti murege kuzoshorwa namarudzi avanhu zvichinzi mune nzara.
30ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan'ny jentilisa amin'ny mosary intsony ianareo.
31Ipapo mucharangarira mufambiro wenyu wakaipa, nezvamakaita zvisina kunaka; muchazvisema mumene pamusoro pezvakaipa zvenyu nezvinonyangadza zvenyu.
31Dia hotsarovanareo ny lalan-dratsinareo sy ny fanao tsy metinareo, ka dia haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny fahadisoanareo sy ny fahavetavetanareo.
32Handiiti izvozvi nokuda kwenyu, ndizvo zvinotaura Ishe Jehovha muzive izvozvo; nyarai muve nenyadzi pamusoro pomufambiro wenyu, imwi imba yaIsiraeri.
32Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, hoy Jehovah Tompo aoka ho fantatrareo izany; koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak'Isiraely.
33Zvanzi naIshe Jehovha, Nezuva randichakunatsai pazvakaipa zvenyu zvose, ndichagarisa vanhu mumaguta, namatongo achavakwa.
33Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin'ny helokareo rehetra dia hametrahako mponina ao amin'ny tanana, ary haorina indray ny efa rava.
34Nyika yakanga iri dongo icharimwa, iyo yakanga iri dongo pamberi pavose vaipfuura napo.
34Ary hasaina ny tany efa lao, fa tsy ho lao eo imason'ny mpandalo rehetra intsony izy.
35Ipapo vachati, Nyika iyi yaiva dongo, yafanana nomunda weEdheni; maguta akanga akaparadzwa akasiiwa aiva matongo, iwo avakirwa ogarwa.
35Fa holazainy hoe: Ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena; ary ny tanàna efa foana sy lao dia misy mponina sady asiana manda;
36Ipapo marudzi akasara kumativi enyu ose achaziva kuti ini Jehovha, ndini ndakavaka nzvimbo idzo dzaiva matongo, ndikasimazve pakanga pakaparadzwa; ini Jehovha ndakazvitaura, ndichazviita.
36ka dia ho fantatry ny jentilisa sisa manodidina anareo fa Izaho Jehovah no manorina indray ny efa rava sy mamboly izay efa foana. Izaho Jehovah no niteny sady hahatanteraka izany.
37Zvanzi naIshe Jehovha, Asi ndinoda kukumbirwa chinhu ichi neimba yaIsiraeri, kuti ndivaitire izvozvo; ndichavawanzira vanhu, vave seboka ramakwai.
37Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mbola hotadiavin'ny taranak'Isiraely Aho amin'ny hanaovako izao ho azy; hohamaroiko toy ny ondry ny olony.Toy ny ondry aman'osy masina, izay any Jerosalema amin'ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan'ny tanànany efa lao amin'ny olona maro toy ny ondry aman'osy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
38Sezvakaita boka ramakwai anobayirwa Jehovha, sezvakaita boka ramakwai muJerusaremu pamitambo yakatarwa, saizvozvo maguta aiva matongo achazadzwa namapoka avanhu; zvino vachaziva kuti ndini Jehovha.
38Toy ny ondry aman'osy masina, izay any Jerosalema amin'ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan'ny tanànany efa lao amin'ny olona maro toy ny ondry aman'osy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.