1Zvino vadzivisi vavaJudha navaBhenjamini vakati vachinzwa kuti vatapwa vavakira Jehovha Mwari waIsiraeri temberi;
1[Ny nataon'ny Samaritana hisakanana ny Jiosy tsy hanao ny tempoly sy ny nandraran'ny mpanjakan'i Persia azy tsy hanao intsony] Ary nony ren'ny fahavalon'ny Joda sy ny Benjamina fa ireo efa nody avy tamin'ny fahababoana dia efa manao tempoly ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
2vakaswedera kuna Zerubhabheri, nokuvakuru vedzimba dzamadzibaba, vakati kwavari, Ngativake nemi, nekuti tinotsvaka Mwari wenyu, semiwo; tinomubayira kubva pamazuva aEsarihadhoni mambo waAsiria, wakatisvitsa pano.
2dia nanatona an'i Zerobabela sy ny lohan'ny fianakaviana izy ka nanao taminy hoe: Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa mitady an'Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin'ny andron'i Esara-hadona, mpanjakan'i Asyria, izay efa nampakatra anay ho atỳ.
3Asi Zerubhabheri, naJeshua, navamwe vakuru vedzimba dzamadzibaba aIsiraeri vakati kwavari, Imi hamungatongobatsirani nesu pakuvakira Mwari wedu imba; asi isu toga tichavakira Jehovha Mwari waIsiraeri, sezvatakarairwa namambo Koreshi mambo wePerisia.
3Fa Zerobabela sy Jesoa mbamin'ny namany lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely namaly azy hoe: Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin'ny hanaovana trano ho an'Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, araka izay efa nandidian'itompokolahy Kyrosy, mpanjakan'i Persia, anay.
4Ipapo vanhu venyika iyo vakashaisa maoko avanhu vaJudha simba, vakavatambudza pakuvaka;
4Ary ny tompon-tany nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano
5vakaripira vanhu vokuvaraira, kuti vakanganise zvavakanga vachida kuita, mazuva ose aKoreshi mambo wePerisia, kusvikira Dhariusi mambo wePerisia achizobata ushe.
5sady nanamby olona hanome hevitra hanohitra azy hahafoana ny heviny hatramin'ny andro nanjakan'i Kyrosy tany Persia ka hatramin'ny nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia.
6Zvino Ahasheroshi akati obata ushe, vakanyora tsamba yokukwirira vakanga vagere kwaJudha neJerusaremu.
6Ary raha vao nanjaka Ahasoerosy, dia nanoratra ho any aminy ireo hanendrikendrika ny mponina tany Joda sy Jerosalema.
7Zvino pamazuva aAritashasita, Bhishirami, naMitiredhati, naTabheeri nedzimwe shamwari dzake, vakanyorera Aritashasita mambo wePerisia; iyo tsamba yakanga yakanyorwa namabhii echiAramia, nokududzirwawo nechiAramia.
7Ary tamin'ny andron'i Artaksersesy no nanoratan'i Bislama sy Mitredata sy Tabela mbamin'ny namany sisa ho any amin'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia; ary ny soratra tamin'ny taratasy dia nataony tarehin-tsoratra Syriana sady nataony teny Syriana koa.[Heb. Aramiana]
8Rehumi mukuru naShimishai munyori vakanyorera mambo Aritashasita tsamba yokukwirira veJerusaremu yaiti,
8Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra dia nanoratra taratasy ho any amin'i Artaksersesy mpanjaka hanendrikendrika an'i Jerosalema toy izao:
9Rehumi mukuru, naShimishai munyori, namamwe makurukota avo, ivo vaDhinai, navaAfarisatiki, navaTariperi, navaAfarisi, navaArikevhi, navaBhabhironi, navaShushaniki, navaDhehai, navaErami,
9Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra ary ny namany sisa, dia ny Dinaita, ny Afarsatkita, ny Tarpelita, ny Afarsaita, ny Arkevita, ny Babyloniana, ny Sosanita, ny Dehavita sy ny Elamita,
10nedzimwe ndudzi dzakauya naOsinapari mukuru wakakurumbira, dzikaiswa paguta reSamaria, napanamamwe mativi enyika mhiri korwizi, namamwe mashoko akadai.
10mbamin'ny firenena sisa izay nentin'i Asnapara lehibe sady malaza ho babo, ka namponeniny tany an-tanàna Samaria sy tany amin'ny tany sasany etỳ an-dafin'ny ony etỳ...
11Ndicho chikoponorwa chetsamba yavakatuma kuna mambo Aritashasita , Varanda venyu, ivo varume vari mhiri korwizi, namamwe, mashoko akadai.
11Izao no teny amin'ny taratasy nampitondrainy ho any amin'i Artaksersesy mpanjaka: Ny lehilahy mpanomponao etỳ an-dafin'ny ony etỳ .....
12Mambo ngaaziviswe kuti vaJudha, vakabva kwenyu vakasvika kuno kwatiri paJerusaremu, vovaka guta rokumukira mambo, rakaipa; vapedza masvingo, nokugadzira nheyo.
12Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy, izay niakatra avy tany aminao hankatỳ aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, dia mahavita ny mandany izy izao ary manamboatra ny fanorenany koa.
13Zvino mambo ngaaziviswe, kuti kana guta iri rikavakwa, namasvingo aro akapera, havangabudisi mutero, kana zvipo, kana muripo wenzira, pashure uchatadzira homwe yamadzimambo.
13Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha hatao io tanàna io, ka hatsangana indray ny mandany, dia tsy hety handoa hetra, na haba, na sara, izy; ka dia hahatonga fatiantoka ho an'ny fanjakana izany any aoriana.
14Zvino isu, zvatinodya munyu unobva paimba yamambo, uye zvatisingafaniri kuona mambo achininipiswa, tatuma tsamba kuzozivisa mambo;
14Koa satria mahazo ny fivelomanay avy amin'ny lapan'ny mpanjaka izahay, dia tsy mety raha odianay tsy hita ny fatiantoky ny fanjakana, ka dia efa naniraka hampahafantatra ny mpanjaka izany izahay, [Heb. mihinana ny sira]
15kuti vanzvere pabhuku yenhau yamadzibaba enyu; muchaona mubhuku yenhau, kuti guta iri raimukira mambo, raitadzira madzimambo nenyika, uye kuti mukati maro vairamba vachimukira madzimambo kubva kare nakare. Guta iri rakaparadzwa nemhaka iyo.
15mba hizahana ny boky tantaran'ny razanao; dia ho hitanao eo amin'ny boky tantara, ka ho fantatrao fa tanàna fikomiana io tanàna io ka naha-fatiantoka ny mpanjaka sy ny tany maro, sady efa nisy fikomiana niseho tao hatrizay ela izay; koa izany no nandravana io tanàna io.
16Tinozivisa mambo kuti kana guta iri rikavakwazve, namasvingo akapera, nemhaka iyo hamungazovi nomugove mhiri korwizi.
16Ary mampahafantatra ny mpanjaka izahay fa raha hamboarina io tanàna io, ka vita ny mandany, dia tsy hanana fanjakana amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ intsony ianao.
17Ipapo mambo akatuma mhinduro kuna Rehumi mukuru, naShimishai munyori, nedzimwe shamwari dzavo dzaigara Samaria napamwe mhiri korwizi, achiti, Rugare ngaruve nemi, namamwe mashoko akadai.
17Dia nampitondrain'ny mpanjaka ny valiny ho any amin-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin'ny namany sisa izay nonina tany Samaria sy tany amin'ny tanàna sasany an-dafin'ny ony, nanao hoe: Fiadanana .....
18tsamba yamakatitumira, ndairavirwa zvakanaka.
18Ny taratasy izay nampitondrainareo ho atỳ aminay dia efa voavaky tsara teo anatrehako;
19Ndikaraira, vakanzvera vakaona kuti guta iri raimukira madzimambo kubva kare nakare, uye kuti mukati maro maiva nokumukira mambo nokurangana zvakaipa.
19ary izaho nandidy, ka nasaiko nizahana, dia hita fa nanandra-tena nikomy tamin'ny mpanjaka maro hatrizay ela izay tokoa io tanàna io, ka nisy fikomiana sy fihodinana niseho teo.
20Uye madzimambo ane simba aivapo paJerusaremu, aibata ushe ose pamhiri porwizi; ivo vaibudisirwa mutero, nezvipo, nomuripo wenzira.
20Ary efa nisy mpanjaka mahery izay nanjaka tany Jerosalema nanapaka ny tany rehetra any an-dafin'ny ony ka nandoavana hetra sy haba ary sara.
21Zvino temai chirevo chokuti vanhu avo varege basa ravo, guta iri rirege kuvakwa, kusvikira ini ndatema chirevo.
21Koa dia manaova didy hampitsahatra ireo olona ireo, mba tsy hamboarina io tanàna io, raha tsy mahazo teny avy atỳ amiko.
22Chenjerai, musanonoka pachinhu ichi; chakaipa chichakurireiko, kuzotadzira madzimambo?
22Ary tandremo tsara, fandrao misy tsy vitanareo izany; fa nahoana no havela handroso ny ratsy ka hahatonga fatiantoka ho an'ny fanjakana?
23Zvino mashoko etsamba yamambo Aritashasita akati aravirwa Rehumi, naShimishai munyori, namakurukota avo, vakakurumidza kuenda Jerusaremu kuvaJudha, vakavadzivisa nokumanikidza nesimba.
23Ary rehefa voavaky teo anatrehan-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin'ny namany ny taratasin'i Artaksersesy mpanjaka, dia niakatra faingana ho any Jerosalema ho any amin'ny Jiosy izy ka nampitsahatra azy an-keriny. [Heb. amin-tsandry aman-kery]Dia natsahatra tsy natao ny tranon'Andriamanitra, izay tany Jerosalema; ary mbola nitsahatra ihany izany hatramin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia.
24Ipapo basa reimba yaMwari paJerusaremu rakaregwa; rikaregwa kusvikira pagore rechipiri rokubata ushe kwaDhariusi mambo wePerisia.
24Dia natsahatra tsy natao ny tranon'Andriamanitra, izay tany Jerosalema; ary mbola nitsahatra ihany izany hatramin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia.