1Zvino Jakove wakanzwa mashoko evanakomana vaRabhani vachiti: Jakove atora zvose zvababa vedu; nezvaiva zvababa vedu vachiita mbiri iyi.
1[Ny nandosiran'i Jakoba avy tany Mesopotamia hody any Kanana] Ary Jakoba nandre ny tenin'ny zanakalahin'i Labana nanao hoe: Efa lasan'i Jakoba avokoa izay rehetra nananan'ny raintsika; ary avy tamin'ny fananan'ny raintsika no nahazoany izao voninahitra rehetra izao.
2Jakove akaonawo chiso chaRabhani, zvino tarira, chakanga chisakaita kwaari sepakutanga.
2Ary hitan'i Jakoba ny tarehin'i Labana, fa indro tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha izy.
3Jehovha ndokuti kuna Jakove: Dzokera kunyika yemadzibaba ako nekuhama dzako; ndigova newe.
3Ary hoy Jehovah tamin'i Jakoba: Modia any amin'ny tanin'ny razanao sy any amin'ny havanao; ary homba anao Aho.
4Zvino Jakove wakatuma ndokudanira Rakeri naRea kusango kuboka rake,
4Ary Jakoba naniraka ka nampaka an-dRahely sy Lea hankany an-tsaha ho any amin'ny ondry aman'osiny
5ndokuti kwavari: Ndinoona chiso chababa venyu kuti hachisakaita kwandiri sepakutanga; asi Mwari wababa vangu wange aneni.
5ka nanao taminy hoe: Hitako ny tarehin'ny rainareo, fa tsy mba miramirana amiko tahaka ny taloha; fa Andriamanitry ny raiko no efa nomba ahy.
6Zvino munoziva kuti nesimba rangu rose dakashandira baba venyu.
6Ary fantatrareo fa tamin'ny heriko rehetra no nanompoako ny rainareo.
7Uye baba venyu vakandinyengedzera, vakashandura mubayiro wangu kagumi, asi Mwari haana kuvatendera kundiitira zvakaipa.
7Fa ny rainareo efa namitaka ahy ka efa nanova ny karamako im-polo; nefa tsy navelan'Andriamanitra hahatonga loza tamiko izy.
8Kana vakataura sezvizvi: Zvine mavara zvichava mubairo wako, ipapo boka rose rakabereka zvine mavara. Zvino vataura seizvi: Zvine mitsetse zvichava mubayiro wako, ipapo boka rose rakabereka zvine mitsetse.
8Raha nilaza hoe izy: Ny mara rehetra ho karamanao, dia niteraka mara ny ondry aman'osy rehetra: ary raha nilaza hoe indray izy: Ny sadika rehetra ho karamanao, dia niteraka sadika ny ondry aman'osy rehetra.
9Saizvozvo Mwari wakatora zvipfuwo zvababa venyu, akapa kwandiri.
9Dia nalain'Andriamanitra ny fananan'ny rainareo ka nomeny ahy.
10Zvino zvakaitika panguva iyo boka richitora mazamu, kuti ndakasimudza meso angu ndikaona muchiroto, zvino tarira, nhongo dzinokwira boka, dzaiva nemitsetse, nemavara, nedzakaita pfumbu.
10Ary rehefa mby amin'ny andro izay nikambanan'ny ondry aman'osy, dia natopiko ny masoko, ka hitako tamin'ny nofy, ary indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin'ny ondrivavy sy ny osivavy.
11Zvino mutumwa waMwari wakati kwandiri muchiroto: Jakove! Ndikati: Ndiri pano.
11Ary hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra tamiko tamin'ny nofy: Ry Jakoba; dia hoy izaho: Inty aho.
12Ndokuti: Simudza hako meso ako uone, nhongo dzose, dzinokwira boka, dzine mitsetse, dzine mavara, dzakaita pfumbu; nekuti ndaona zvose Rabhani zvaanoita kwauri.
12Ary hoy Izy: Mba atopazy ny masonao ka jereo, fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra izay mikambana amin'ny ondrivavy sy ny osivavy, satria efa hitako izay rehetra nataon'i Labana taminao.
13Ndini Mwari weBheteri, pawakazodza mbiru, pawakandipikira mhiko. Ikozvino, simuka, ubude munyika ino, udzokere kunyika yechizvarigo chako.
13Izaho no Andriamanitr'i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato sy nivoadianao tamiko; miaingà ankehitriny hiala amin'ity tany ity, ka modia any amin'ny tany nahaterahanao.
14Rakeri naRea ndokupindura vakati kwaari: Ko tichine mugove nenhaka kuimba yababa vedu here?
14Dia namaly Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: Mbola misy anjara sy lova ho anay va ao an-tranon'ny rainay?
15Ko hativerengwi sevatorwa kwavari here? nekuti vakatitengesa, uye vakapedzawo chose mari yedu.
15Tsy nataony toy ny vahiny va izahay? Fa efa namidiny izahay sady nohaniny lalandava ny volanay rehetra.
16Nekuti fuma yose Mwari yaakatorera baba vedu ndeyedu nevana vedu; naizvozvo ikozvino chose Mwari chaareva kwauri, chiite.
16Fa ny harena rehetra izay nalain'Andriamanitra tamin'ny rainay, dia anay sy an'ny zanakay izany; koa ankehitriny, izay rehetra nolazain'Andriamanitra taminao dia ataovy.
17Jakove ndokusimuka, ndokutasvisa vana vake nevakadzi vake pamakamera;
17Dia niainga Jakoba, ka nampitaingeniny ny rameva ny zanany sy ny vadiny;
18ndokutinha zvipfuwo zvake zvose, nenhumbi dzake dzose dzaakange awana, zvipfuwo zvaakange anazvo, zvaakange awana paPadhanaramu, kuti aende kuna Isaka baba vake kunyika yeKanani.
18dia nitondra ny ombiny sy ny ondry aman'osiny rehetra izy, mbamin'ny fananana rehetra izay efa nohariny, dia ny omby aman'ondry izay efa azony tany Mesopotamia, mba hankany amin'Isaka rainy any amin'ny tany Kanana.
19Zvino Rabhani wakange aenda kunoveura makwai ake, Rakeri ndokuba chifananidzo baba vake chavaiva nacho.
19Ary Labana efa lasa nandeha hanety ny ondry aman'osiny; dia nangalarin-dRahely ny sampin-drainy.
20Jakove akabva achiverevedza kuna Rabhani muSiriya, nekuti haana kumuzivisa kuti unotiza.
20Ary Jakoba dia nangala-dia tamin'i Labana Syriana, fa tsy nambarany taminy ny amin'ny handosirany.
21Zvino wakatiza iye nezvose zvaakange anazvo, ndokusimuka, ndokuyambuka rwizi, ndokuringisa chiso chake kugomo reGiriadhi.
21Ary nandositra izy ka nitondra ny fananany rehetra; dia niainga izy ka nita ny Ony, ary nizotra hankany an-tendrombohitra Gileada.
22Zvino zvakaudzwa Rabhani nezuva retatu kuti Jakove watiza.
22Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy nanambara tamin'i Labana fa lasa nandositra Jakoba.
23Iye akatora hama dzake naye akadzingirirana naye rwendo rwemazuva manomwe, vakamuwana mugomo reGiriadhi.
23Dia nitondra ny havany homba azy izy ka nanenjika azy lalan-kafitoana, dia nahatratra azy teo an-tendrombohitra Gileada.
24Mwari ndokuuya kuna Rabhani muSiriya muchiroto usiku, ndokuti kwaari: Zvichenjerere, zvimwe ungataura kuna Jakove chakanaka kana chakaipa.
24Fa Andriamanitra nankeo amin'i Labana Syriana tamin'ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
25Rabhani ndokuwana Jakove. Zvino Jakove wakange adzika tende rake mugomo; Rabhaniwo nehama dzake vakadzika matende avo mugomo reGiriadhi.
25Ary Labana dia nahatratra an'i Jakoba. Ary Jakoba dia efa nanorina ny lainy teo an-tendrombohitra; ary Labana sy ny havany kosa nanorin-day teo an-tendrombohitr'i Gileada.
26Zvino Rabhani ndokuti kuna Jakobho: Waitei, kuti waverevedza ndisingazivi, uchitora vakunda vangu nechisimba sevatapwa nemunondo?
26Ary hoy Labana tamin'i Jakoba: Inona izao ataonao izao, no dia nangala-dia tamiko ianao ka nitondra ny zanako-vavy toy ny babo azo tamin'ny sabatra?
27Watizirei pachivande, uchindiverevedza, usingandiudzi, kuti ndingadai ndakuoneka nemufaro nenziyo, nengoma nerudimhwa?
27Nahoana no nandositra mangingina ianao ka nangala-dia tamiko; ary tsy nanambara tamiko ianao mba hanaterako anao amin'ny fifaliana sy ny hira, amin'ny amponga-tapaka sy ny lokanga,
28Uye hauna kunditendera kutsvoda vanakomana vangu nevakunda vangu. Ikozvino waita sebenzi pakuita.
28sady tsy mba navelanao hanoroka ny zanako-lahy sy ny zanako-vavy aho? Fa izao dia efa nanao adaladala ianao.
29Zviri pasimba reruoko rwangu kukuitirai zvakaipa; asi Mwari wababa vako wakataura neni usiku hwazuro achiti: Zvichenjerere kuti urege kutaura naJakobho kana chakanaka kana chakaipa.
29Manankery hanisy ratsy anareo ny tanako; fa Andriamanitry ny rainareo efa niteny tamiko halina ka nanao hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
30Zvino ikozvino, kuenda waenda, nekuti wanga uchishuva zvikuru imba yababa vako; wabirei vamwari vangu?
30Ary ankehitriny, raha mandeha tokoa ianao, satria manina ny tranon'ny rainao indrindra ianao, nahoana no nangalarinao ny andriamanitro ?
31Jakove ndokupindura ndokuti kuna Rabhani: Nekuti ndakanga ndichitya, nekuti ndakati: Zvimwe munganditorera vakunda venyu nechisimba.
31Dia namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Satria natahotra aho; fa hoy izaho: Angamba halainao an-keriny amiko ny zanakao-vavy.
32Uyo wamunowana kwaari vamwari venyu ngaarege kurarama; zvino pamberi pehama dzedu, zviongororerei zvenyu zviri kwandiri, muzvitorere. Nekuti Jakove wakange asingazivi kuti Rakeri wakange aba.
32Izay hahitanao ny andriamanitrao dia aza velomina; eto anatrehan'ny havantsika savao izay ato amiko, ka ento ny anao. Fa tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no efa nangalatra azy.
33Rabhani ndokupinda mutende raJakove, nemutende raRea, nemutende revarandakadzi vaviri, asi haana kuzviwana. Zvino wakabuda mutende raRea, ndokupinda mutende raRakeri.
33Ary Labana niditra tao an-dain'i Jakoba sy tao an-dain'i Lea ary tao an-dain'ny ankiziny roa vavy, fa tsy nahita. Dia niala tao an-dain'i Lea izy ka niditra tao an-dain-Rahely.
34Zvino Rakeri wakange atora zvifananidzo, akazviisa muchigaro chekamera, ndokugara pamusoro pazvo. Rabhani ndokubata-bata pose mutende, asi haana kuzviwana.
34Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin'ny laselin'ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran'ny lay rehetra, fa tsy nahita.
35Iye ndokuti kuna baba vake: Ngazirege kusafadza pameso paishe wangu kuti handigoni kusimuka pamberi penyu; nekuti mutowo wevakadzi uri kwandiri. Iye akatsvakisisa, asi haana kuwana zvifananidzo.
35Ary hoy Rahely tamin'ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon'ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa tsy nahita ny sampy.
36Zvino Jakove wakatsamwa, ndokupikisana naRabhani; Jakove ndokupindura ndokuti kuna Rabhani: Kudarika kwangu chii, chivi changu chii, kuti mundidzingirire neshungu?
36Dia tezitra Jakoba ka nifamaly tamin'i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy ianao?
37Zvamabata-bata nhumbi dzangu dzose mawanei chenhumbi dzekumba kwenyu? Zviisei pano pamberi pehama dzangu nehama dzenyu kuti vatonge pakati pedu isu vaviri.
37Fa efa nosavanao avokoa ny entako rehetra, koa inona no fanaka avy tany an-tranonao hitanao tao? Apetraho eto anatrehan'ny havako sy ny havanao izany, hitsarany antsika roa lahy,
38Makore awa makumi maviri ndinemwi; nhunzvi dzenyu dzemakwai nenhunzvi dzenyu dzembudzi hazvina kusvodza, nemakondobwe enyu emapoka handina kuadya.
38Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin'ny ondrinao aho.
39Zvakabvamburwa handina kuzviuisa kwamuri; ini ndakazviripa; pamaoko angu makazvireva, zvakabiwa masikati kana zvakabiwa usiku.
39Izay voaviraviram-biby tsy mba nentiko tany aminao, fa izaho no nanolo azy; teo an-tanako no nitadiavanao azy, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina alina.
40Masikati ndakapedzwa nezuva, neveta usiku; hope dzangu dzikatiza kumeso angu.
40Nony antoandro matin'ny hain'andro aho, ary nony alina dia matin'ny fanala; ary nandositra ny masoko ny torimaso.
41Makore aya makumi maviri ndakange ndiri mumba menyu, ndakakushandirai makore gumi nemana nekuda kwevakunda venyu vaviri, nemakore matanhatu nekuda kwezvipfuwo zvenyu; mukashandura mubayiro wangu kagumi.
41Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany an-tranonao, ka efatra ambin'ny folo taona no nanompoako anao hahazoako azy mirahavavy zanakao, ary enin-taona kosa hahazoako ny ondry aman'osinao, ary efa nanova ny karamako im-polo ianao.
42Kunze kwekuti Mwari wababa vangu, Mwari waAbhurahamu, nekutya kwaIsaka, dai asaiva neni, zvirokwazvo ikozvino mungadai maindiendesa ndisina chinhu. Dambudziko rangu nebasa remaoko angu Mwari wakaona, akakutsiurai usiku hwazuro.
42Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr'i Abrahama, Ilay natahoran'Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran'ny tanako ka nananatra anao halina.
43Zvino Rabhani wakapindura akati kuna Jakove: Vakunda vakunda vangu, nevanakomana vanakomana vangu, boka iboka rangu, nezvose zvaunoona ndezvangu; nekuvakunda vangu ndichaitei nhasi, kana kuvana vavo vavakazvara?
43Dia namaly Labana ka nanao tamin'i Jakoba hoe: Ireo zazavavy ireo dia zanako-vavy ary ireo zazalahy ireo dia zanako-lahy; ary ireo ondry aman'osy ireo dia ondry aman'osiko; ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa; ary ahoana no hataoko anio amin'ireto zanako-vavy, na amin'ny zanany naterany?
44Zvino ikozvino, ngatiite sungano, ini newe; chive uchapupu pakati pangu newe.
44Koa ankehitriny avia hanao fanekena isika, dia izaho sy ianao, ka aoka ho vavolombelona amiko sy aminao izany.
45Jakove ndokutora ibwe, akarimisa rikava mbiru.
45Dia naka vato iray Jakoba ka nanangana azy ho tsangam-bato.
46Jakove ndokuti kuhama dzake: Unganidzai mabwe. Zvino vakatora mabwe, vakaita murwi; vakadya ipapo pamusoro pemurwi.
46Ary hoy Jakoba tamin'ireo havany: Manangòna vato; dia naka vato izy, ka nataony antontany; ary dia nihinana teo anilan'ny antontam-bato izy rehetra.
47Rabhani ndokuutumidza Jegarisahadhuta; asi Jakove akautumidza Garidhi.
47Ary ny anaran'ny antontam-bato dia nataon'i Labana hoe Jegara-sahadota; fa Jakoba kosa nanao azy hoe Galeda.
48Rabhani ndokuti: Murwi uyu uchapupu pakati pangu newe nhasi. Naizvozvo zita rawo rakanzi Garidhi,
48Ary hoy Labana: Ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika anio. Izany no nanaovany ny anarany hoe Galeda.
49uye Mizipa, nekuti wakati: Jehovha ngaarinde pakati pangu newe, kana tisingaonani umwe neumwe.
49Ary nataony hoe Mizpa koa izy, fa hoy izy: Jehovah hitazana ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika.
50Kana ukatambudza vakunda vangu, uye kana ukawana vamwe vakadzi kunze kwevakunda vangu, hakuna munhu unesu, asi tarira, Mwari chapupu pakati pangu newe.
50Raha tahìny hampahory ny zanako-vavy ianao, na hanambady afa-tsy ireo zanako-vavy ireo ihany, tsy misy olona eto amintsika, fa, indro, Andriamanitra no ho vavolombelona amintsika.
51Zvino Rabhani wakati kuna Jakove: Tarira murwi uyu, tarira mbiru iyi, yandakamisa pakati pangu newe.
51Ary hoy indray Labana tamin'i Jakoba: Indro ity antontam-bato ity, ary indro ity tsangam-bato ity izay naoriko eto anelanelantsika, izaho sy ianao;
52Murwi uyu ngauve chapupu, nembiru iyi ngaive chapupu, kuti ini handingapfuuri murwi uyu ndichienda kwauri, newe haungapfuuri murwi uyu nembiru uchiuya kwandiri kuti tiitirane zvakaipa.
52dia aoka ho vavolombelona ity antontam-bato ity, ary aoka ho vavolombelona ity tsangam-bato ity, mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity hankany aminao, ary mba tsy hihoaranao ity antontam-bato ity sy ity tsangam-bato ity hankatỳ amiko kosa hanisy ratsy.
53Mwari waAbhurahamu, naMwari waNahori, Mwari wababa vavo, ngaatonge pakati pedu. Jakove ndokupika neKutya kwababa vake Isaka.
53Ny andriamanitr'i Abrahama sy ny andriamanitr'i Nahora, dia ny andriamanitry ny rain'izy mirahalahy anie hitsara antsika. Fa Ilay natahoran'i Isaka rainy kosa no nianianan'i Jakoba.Dia namono zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra Jakoba ka nanasa ny havany mba hihinan-kanina; dia nihinana izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina,
54Jakove ndokubaya chibayiro mugomo, akadana hama dzake kuti vadye chingwa; vakadya chingwa, vakarara mugomo.
54Dia namono zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra Jakoba ka nanasa ny havany mba hihinan-kanina; dia nihinana izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina,
55Rabhani ndokumuka mangwanani-ngwani, ndokutsvoda vanakomana vake nevakunda vake, ndokuvaropafadza; Rabhani ndokuenda, ndokudzokera kunzvimbo yake.