Shona

Malagasy

Genesis

35

1Zvino Mwari wakati kuna Jakove: Simuka, ukwire kuBheteri, ugonogara ikoko; ugoitira ipapo aritari Mwari wakaonekera kwauri pawai­tiza pachiso chaEsau mukoma wako.
1[Ny nankanesan'i Jakoba tany Betela, sy ny nisehoan'Andriamanitra taminy indray] Ary hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba : Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an'Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan'i Esao rahalahinao.
2Jakove ndokuti kuimba yake nevose vaiva naye: Bvisai vamwari vendudzi vari pakati penyu, muzvinatse, mufuke dzimwe nguvo.
2Dia hoy Jakoba tamin'izay tao an-tranony mbamin'izay rehetra nomba azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay ny fitafianareo;
3Ngatisi­muke, tikwire kuBheteri; ndichaitira ipapo Mwari aritari, iye wakandipindura pazuva rekutambudzika kwangu, uye wakava neni panzira yandaifamba nayo.
3ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an'Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin'ny andron'ny fahoriako ary nomba ahy tamin'ny lalana izay nalehako.
4Zvino vakapa Jakove vamwari vose vendudzi vaiva pamaoko avo, nemhete dzaiva panzeve dzavo; Jakove akazviviga pasi pemuouki* waiva paShekemu.
4Dia natolony teo amin'i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin'i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin'i Sekema ireo.
5Zvino vakafamba; uye kutya Mwari kwaiva pamusoro pemaguta akavapoteredza, uye havana kudzingirira vanakomana vaJakove.
5Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin'Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak'i Jakoba izy.
6Jakove ndokusvika paRuzi, riri panyika yeKanani, ndiro Bheteri, iye nevanhu vose vaiva naye.
6Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin'ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy.
7Zvino wakavakapo aritari, akatumidza nzvimbo kuti Eri-Bheteri, nekuti ipapo Mwari wakaonekera kwaari pakutiza kwake pachiso chemu­koma wake.
7Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-betela no anaran'izany tany izany; fa teo no nisehoan'Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan'ny rahalahiny.
8Zvino Debhora mureri waRa­bheka wakafa, akavigwa zasi kweBheteri munyasi memuouki; naizvozvo wakatumidza zita rapo Aronibhakuti.
8Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr'i Betela, teo ambanin'ny hazo ôka; ary ny anaran'io dia nataony hoe Alona-bakota.
9Zvino Mwari wakazviratidzazve kuna Jakove pakubva kwake Padhani-Aramu, akamuropafadza.
9Ary Andriamanitra niseho indray tamin'i Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia izy, ka nitahy azy.
10Mwari ndokuti kwaari: Zita rako ndiJakove; zita rako harichazonzi Jakove, asi Isiraeri richava zita rako; akatumidza zita rake kuti Isiraeri.
10Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany.
11Zvino Mwari akati kwaari: Ndini Mwari Wemasimbaose; bereka uwa­nde; rudzi, hongu, boka rendudzi zvichabva kwauri, nemadzishe achabuda pachiuno chako.
11Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin'ny haterakao;
12Uye nyika yandakapa Abhurahamu naIsaka ndichapa kwauri, nekumbeu yako shure kwako ndichaipa nyika.
12ary ny tany izay nomeko an'i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany.
13Mwari ndokukwira achibva kwaari panzvimbo paakataura naye.
13Ary Andriamanitra niakatra niala taminy, teo amin'ilay niresahany taminy.
14Jakove ndoku­misa mbiru panzvimbo paakataura naye, mbiru yebwe; akadurura pamusoro payo chipiriso chechinwiwa, akadi­ra pamusoro payo mafuta.
14Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo amin'ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa.
15Jakove ndokutumidza zita renzvimbo Mwari paakataura naye, Bheteri.
15Ary ny anaran'ny tany izay niresahan'Andriamanitra taminy dia nataon'i Jakoba hoe Betela.
16Zvino vakafamba vachibva Bheteri; chichiri chi­nhambo kusvika Efurata; Rakeri akapona, akarwadziwa pakupona.
16[Ny nialan'i Jakoba tany Betela, sy ny nahafatesan-dRahely tany an-dalana, ary ny anaran'ny zanakalahin'i Jakoba roa ambin'ny folo] Dia nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny.
17Zvino zvikaitika pakurwadziwa achipona, kuti nyamukuta wakati kwaari: Usatya, nekuti uchava nemwanakomanazve.
17Ary nony sarotiny toy izany izy, dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza matahotra ianao; fa izato koa no zazalahy ho anao.
18Zvino zvakaitika mweya wake wobuda, nekuti wakafa, kuti wakatumidza zita rake Bhenoni; asi baba vake vakamutumidza Bhenjamini.
18Ary rehefa hiala aina (fa maty izy), dia nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa nanao azy hoe Benjamina.
19Rakeri ndokufa, akavigwa panzira inoenda Efurata, ndiro Bhetere­hemu.
19Dia maty Rahely ka nalevina teo amin'ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
20Jakove ndokumisa mbiru pa­musoro peguva rake; ndiyo mbiru yeguva raRakeri kusvikira zuva ranhasi.
20Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo ambonin'ny fasany, dia ilay tsangam-bato ao amin'ny fasan-dRahely mandraka androany.
21Isiraeri ndokufamba, akadzika tende rake mhiri kweshongwe yeEdheri.
21Dia lasa nifindra Isiraely ka nanorina ny lainy tao ankoatr'i Migdaledera.
22Zvino zvakaitika Isiraeri agere munyika, kuti Rubheni wakaenda akanorara naBhiriha, murongo wababa vake, Isiraeri ndokuzvinzwa.
22Ary raha nonina teo amin'izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin'i Bila, vaditsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely.
23vanakomana vaRea: Rubheni, dangwe raJakove, naSimioni, naRevhi, naJudha, nalsakari, naZebhu­roni;
23Ary ny zanakalahin'i Jakoba dia roa ambin'ny folo mirahalahy: ny zanak'i Lea dia Robena, lahimatoan'i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona;
24vanakomana vaRakeri: Josefa naBhenjamini;
24ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjamina;
25uye vanakomana vaBhiriha, murandakadzi waRakeri: Dhani naNafu­tari;
25ary ny zanak'i Bila, ankizivavin-dRahely, kosa dia Dana sy Naftaly;
26uye vanakomana vaZiripa, muranda­kadzi waRea: Gadhi naAsheri. Ndivo vanakomana vaJakove, vaakaberekerwa paPadhani-Aramu.
26ary ny zanak'i Zilpa, ankizivavin'i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin'i Jakoba izay naterany tany Mesopotamia.
27Jakove ndokusvika kuna Isaka baba vake paMamure, paKi­riyati-Abha ndiro Hebhuroni, Abhurahamu paaigara naIsaka vari vato­rwa.
27Ary Jakoba nankany amin'Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian'i Abrahama sy Isaka.
28Zvino mazuva aIsaka aiva makore zana nemakumi masere.
28Ary ny andro niainan'Isaka dia valo-polo amby zato taona.Dia niala aina Isaka ka maty, ary voangona any amin'ny razany, rehefa tratrantitra sady ela niainana izy; ary dia nandevina azy Esao sy Jakoba zananilahy.
29Isaka ndokupera, akafa, akaunganidzwa pamarudzi ekwake, akwegura, azara nemazuva; vanakomana vake Esau naJakove vakamuviga.
29Dia niala aina Isaka ka maty, ary voangona any amin'ny razany, rehefa tratrantitra sady ela niainana izy; ary dia nandevina azy Esao sy Jakoba zananilahy.