1Nenguva iyoyo Judha akabva kuvana vababa vake, akaburuka, akatsaukira kuno mumwe murume muAdhuramu, ainzi Hira.
1[Ny fanambadian'i Joda, sy ny zanany naterany, ary ny nijangajangany tamin'i Tamara] Ary tamin'izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin'ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany.
2Judha akaonapo mukunda womumwe munhu muKanani, ainzi Shua, akamutora, akapinda kwaari.
2Ary teo no nahitan'i Joda ny zanakavavin'i Soa, lehilahy Kananita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy.
3Iye akava nemimba, akabereka mwanakomana, akamutumidza zita rinonzi Eri.
3Dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Era.
4Akava nemimbazve, akabereka mwanakomana, akamutumidza zita rinonzi Onani.
4Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana.
5Akava nemimbazve, akabereka mwanakomana, akamutumidza zita rinonzi Shera; iye aiva paKezibhi mukadzi wake achimubereka.
5Dia nanan'anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin'ny niterahan'ny vadiny an'i Sela.
6Zvino Judha akatorera dangwe rake Eri mukadzi ainzi Tamari.
6Ary Joda naka vady ho an'i Era lahimatoany, Tamara no anarany.
7Asi dangwe raJudha, aiva munhu akaipa pamberi paJehovha; Jehovha akamuuraya.
7Fa ratsy fanahy teo imason'1 Jehovah Era, lahimatoan'i Joda; dia novonoin'i Jehovah izy.
8Zvino Judha akati kuna Onani, Pinda kumukadzi womukoma wako, umuwane, umuitire zvakafanira munin'ina womurume, umutsire mukoma wako vana.
8Ary hoy Joda tamin'i Onana: Vadio ny vadin'ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy maso ny rahalahinao.
9Zvino Onani akaziva kuti vana avo havangavi vake; naizvozvo wakati kana opinda kumukadzi womukoma wake, orasira mbeu pasi, kuti arege kupa mukoma wake vana.
9Ary fantatr'i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin'ny vadin'ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin'ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an'ny rahalahiny.
10Chinhu ichi chaakaita chakanga chakaipa pamberi paJehovha; akamuuraya naiyewo.
10Ary ratsy teo imason'i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.
11Ipapo Judha akati kuna Tamari, mukadzi womwana wake, Chigara hako uri chirikadzi paimba yababa vako, kusvikira Shera, mwanakomana wangu, akura; nekuti akati, Zvimwe angafa savakoma vake. Tamari akandogara kumba kwababa vake.
11Ary hoy Joda tamin'i Tamara vinantoni-vavy: Tomoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben'i Sela zanako-lahy (fa hoy izy: Fandrao maty koa tahaka ny rahalahiny izy); dia nandeha Tamara ka nitoetra tao an-tranon-drainy.
12Mazuva mazhinji akati apfuura, mukunda waShua, mukadzi waJudha, akafa; zvino Judha akati anyaradzwa, akakwira kuvaveuri vamakwai ake paTimuna, iye naHira, shamwari yake muAdhuramu.
12Ary rehefa ela, dia maty ny vadin'i Joda, dia ilay zanakavavin'i Soa; ary rehefa nionona ny alahelon'i Joda, dia niakatra tany amin'ny mpanety ondriny tany Timna izy sy Hira Adolamita sakaizany.
13Tamari akaudzwa, zvichinzi, Tarira baba vomurume wako vanokwira Timuna kundoveura makwai avo;
13Dia nisy nanambara tamin'i Tamara hoe Indro, ny rafozanao miakatra ho any Timna hanety ny ondriny.
14ipapo iye akabvisa nguvo dzouchirikadzi hwake, akazvifukidza nechokufukidzira chake, akazviputira, akagara pasuwo reEnaimu, guta riri panzira inoenda Timuna; nekuti akanga aona kuti Shera akura, akasamupiwa iye kuti ave mukadzi wake.
14Ary nanaisotra ny akanjony fanaon'ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin'i Enaima, izay eo amin'ny lalana mankany Timna; satria efa hitan'i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen'i Joda ho vadin'i Sela izy.
15Zvino Judha akati achimuona, akati chifeve, nekuti akanga afukidza chiso chake.
15Ary hitan'i Joda izy ka nataony fa vehivavy janga, satria efa nanarona ny tavany izy.
16Akatsaukira kwaari panzira, akati, Douya, ndipinde kwauri; nekuti akanga asingazivi, kuti mukadzi womwanakomana wake. Iye akati, Unogondipeiko, kuti upinde kwandiri?
16Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho (fa tsy fantany ho vinantony izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no homenao ahy, raha handry amiko ianao?
17Akati, Ndichakutumira mbudzana inobva kuzvipfuwo zvangu. Akati, Uchandipa rubatso kusvikira waituma here?
17Dia hoy izy: Hampanatitra zanak'osy avy amin'ny ondry aman'osy aho. Fa hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va ianao mandra-pampanatitrao azy?
18Akati, Ndichagokupa rubatso rweiko? Iye akati, Chimhete chako, norwonzi rwako, netsvimbo yako iri paruoko rwako. Akamupa izvozvo, akapinda kwaari, akava nemimba naye.
18Ary hoy izy: Inona no fampitanana homeko anao? Ary hoy ravehivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry taminy izy, ka nanan'anaka taminy ravehivavy.
19Akasimuka, akaenda, akabvisa chokufukidzira chake, akafuka nguvo dzouchirikadzi hwake.
19Ary niainga ravehivavy ka lasa nandeha, dia nanala ny fisalobonana izay notafiny ka niakanjo ny akanjony fanaon'ny mpitondratena indray.
20Zvino Judha akatuma mbudzana noruoko rweshamwari yake, muAdhuramu, kuti atore rubatso paruoko rwomukadzi, asi haana kumuwana.
20Dia nampitondrain'i Joda ilay Adolamita sakaizany ny zanak'osy, hangalany ilay fampitanana amin-dravehivavy; kanjo tsy hitany izy.
21Akabvunza vanhu vokwake, achiti, Chiripiko chifeve chiya, chakanga chiri paEnaimu panzira? Vakati, Kwakanga kusina chifeve pano.
21Dia nanontany ny olona teo amin'ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay tamoron-dalana teo Enaima ? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo.
22Akadzokera kuna Judha, akati, Handina kumuwana; navanhu voko vakati, Kwakanga kusina chifeve pano.
22Dia niverina tany amin'i Joda izy ka nanao hoe: Tsy nahita azy aho; ary nolazain'ny olona tompon-tany fa tsy nisy vehivavy janga teo.
23Ipapo Judha akati, Ngaazvitore hake, kuti tirege kunyadziswa; tarira ndatuma mbudzana iyi, iwe ukasamuwana.
23Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak'osy ity, nefa ianao tsy nahita an-dravehivavy.
24Zvino mwedzi inenge mitatu yakati yapfuura, Judha akaudzwa, zvichinzi, Tamari, mukadzi womwanakomana wako, akaita upombwe; wava nemimba noupombwe hwake. Judha akati, Uyai naye, apiswe.
24Ary rehefa afaka tokony ho telo volana, dia nisy nanambara tamin'i Joda hoe: Efa nijangajanga Tamara vinantovavinao; ka indro, efa manan'anaka tamin'ny fijangajangana izy. Dia hoy Joda: Avoahy izy hodorana.
25Zvino vakati vachiuya naye, akatuma shoko kuna baba vomurume wake, achiti, Ndine mimba nomurume ane nhumbi idzi, akati, Docherekedzai kuti izvi ndezvani, zvinoti, chimhete norwonzi, netsvimbo.
25Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin'ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon'ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay tompon'ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto.
26Judha akazviziva, akati, Iye wakarurama kukunda ini, nekuti handina kumupa Shera, mwanakomana wangu. Haana kuzomuzivazve.
26Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin'i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy.
27Zvino nenguva yokubereka kwake vana vaviri vakanga vari mudumbu rake.
27Ary tamin'ny andro niterahany, indro, nisy zaza kambana tao an-kibony.
28Zvino akati achibereka, mumwe akabudisa ruoko; ipapo mbuya vakatora rwodzi rutsvuku, vakarusungira paruoko rwake, vachiti, Uyu atanga kubuda.
28Ary raha niteraka izy, dia niseho ny tanan'ny anankiray, ary naka kofehy mena ny mpampivelona, ka nafehiny tamin'ny tànany, sady hoy izy: Ity no niseho voalohany.
29Zvino uyu akati adzosera ruoko rwake, munununa wake akabuda; ivo vakati, Wazvipasanurira seiko? Naizvozvo akamutumidza zita rinonzi Perezi.
29Ary rehefa nahemony ny tànany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona: Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany.Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin'ny tànany; dia nataony hoe Zera no anarany.
30Pashure mukoma wake akabuda, akanga aine rwodzi rutsvuku paruoko rwake; zita rake rikatumidzwa Zera.
30Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin'ny tànany; dia nataony hoe Zera no anarany.