1Shure kwaizvozvo mudiri wamambo weEgipita nomubiki wake vakatadzira tenzi wavo, mambo weEgipita.
1[Ny nilazan'i Josefa ny nofin'izy roa lahy tandapan'i Farao] Ary taorian'izany ny mpitondra kapoakan'ny mpanjakan'i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin'ny mpanjakan'i Egypta tompony.
2Farao akatsamwira kwazvo varanda vake vaviri, ivo mukuru wavadiri nomukuru wavabiki.
2Ary tezitra indrindra tamin'ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo.
3Akavasunga kuti vachengetwe mumba momukuru wavarindi, mutirongo, pakanga pakasungwa Josefa.
3Dia nataony tao an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-tranon'ny mpifehy ny mpiambina, tao anatin'ny trano-maizina izay nifatoran'i Josefa.
4Mukuru wavarindi akaraira Josefa kuvachengeta; iye akavabatira, vakaita nguva vachichengetwa.
4Ary Josefa notendren'ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin'izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin'ny trano-maizina izy roa lahy.
5Zvino vose vaviri vakarota hope usiku humwe, mumwe nomumwe kurota kwake, kurota kumwe nokumwe kune dudziro yako, ivo mudiri nomubiki vamambo weEgipita, vakanga vakasungwa mutirongo.
5Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon'ny mpanjakan'i Egypta, izay nifatotra tao amin'ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy.
6Zvino fume mangwana Josefa akapinda kwavari, akavatarira, akaona kuti havafari.
6Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy.
7Akabvunza varanda vaFarao vakanga vachengetwa pamwechete naye mumba matenzi wake, akati, Nhasi makasuwa neiko?
7Dia nanontanian'i Josefa ny tandapan'i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon'ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo ankehitriny?
8Vakati kwaari, Tarota hope, asi hakuna munhu anogona kudzidudzira. Josefa akati kwavari, Kududzira hakuzi kwaMwari here? Dondirondedzerai henyu.
8Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin'Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna ianareo, lazao amiko izany.
9Zvino mukuru wavadiri akarondedzera kurota kwake kuna Josefa, akati, kwaari, muchiroto kwangu ndakaona muzambiringa pamberi pangu; pamuzambiringa pakanga pana matavi matatu;
9Dia nambaran'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka tamin'i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako;
10ukaita sokutumbuka, ukabudisa maruva; masumbu awo akabereka mazambiringa akaibva;
10ary ilay tahom-boaloboka nisampana telo, ka nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny, ary ny sampahony nahavanona voaloboka masaka.
11mukombe waFarao wakange uri muruoko rwangu; zvino ndikatora mazambiringa, ndikaasvinira mumukombe waFarao, ndikaisa mukombe muruoko rwaFarao.
11Ary teny an-tanako ny kapoakan'i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin'ny kapoakan'i Farao, dia natolotro teo an-tànan'i Farao ny Kapoaka.
12Josefa akati kwaari, Kududzirwa kwadzo ndiko: Matavi matatu mazuva matatu;
12Ary hoy Josefa taminy: Izao no heviny: Ny sampany telo dia hateloana.
13mazuva matatu agere kupera Farao achasimudza musoro wako, nokukudzosera kubasa rako; ipapo uchaisa mukombe waFarao muruoko rwakezve, sezvawaiita kare uchiri mudiri wake.
13Ato anatin'ny hateloana dia hasandratr'i Farao ianao ka hampodiny ho ao amin'ilay nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan'i Farao ho eo an-tanany ianao tahaka ilay fanao fahiny, fony ianao mpitondra kapoakany.
14Asi undirangarire hako kana woitirwa zvakanaka; undiitire tsitsi, undireverere kuna Farao, kuti ndibudiswe paimba ino;
14Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa ianao, ka trarantitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin'i Farao aho, ka avoahy amin'ity trano ity;
15nekuti zvirokwazvo, ndakabiwa kunyika yavaHebheru; napano handina kuita chinhu chakafanira kuti vandiise mugomba iri.
15fa nangalarina mihitsy avy tany amin'ny tanin'ny Hebreo aho, ary atỳ koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin'ity lavaka ity aho,.
16Zvino mukuru wavabiki akati aona kuti dudziro yakanaka, akati kuna Josefa, Neniwo ndakanga ndiri pakurota kwangu, ndikaona tswanda nhatu dzechingwa chichena dzakanga dziri pamusoro wangu;
16Ary rehefa hitan'ny lehiben'ny mpanao mofo fa tsara ny filazana ny hevitry ny nofy, dia hoy izy tamin'i Josefa: Izaho koa nanonofy, ka, indro, niloloha karaba telo feno mofo fotsy aho;
17mutswanda yapamusoro makanga mune zvokudya zvamarudzi ose zvakabikwa zvaFarao; shiri dzikazvidya mutswanda yaiva pamusoro wangu.
17ary teo anatin'ny karaba ambony indrindra dia nisy ny fihinan'i Farao samy hafa karazana rehetra fanaon'ny mpanao mofo; ary nohanin'ny vorona teo anatin'ny karaba izay nololohaviko izany.
18Ipapo Josefa akapindura, akati, Kududzirwa kwadzo ndiko: Tswanda nhatu mazuva matatu;
18Dia namaly Josefa ka nanao hoe: Izao kosa no heviny. Ny karaba telo dia hateloana.
19mazuva matatu agere kupera, Farao achasimudza musoro wako akaubvisa pamusoro pako, akusungirire pamuti; shiri dzichadya nyama yako dzichiibvisa kwauri.
19Ato anatin'ny hateloana dia hasandratr'i Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka hahantony amin'ny hazo ianao) dia hohanin'ny vorona ny nofonao.
20Zvino nomusi wetatu, musi wokuzvarwa kwaFarao, iye akaitira varanda vake vose mutambo. Akasimudza musoro womukuru wavadiri, nomusoro womukuru wavabiki pakati pavaranda vake,
20Ary tamin'ny andro fahatelo, izay niherenan'ny taona nahaterahan'i Farao, dia nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lohan'ny lehiben'ny mpanao mofo teo amin'ny mpanompony.
21akadzosera mukuru wavadiri kubasa rake rokudira kwake, akapa mukombe waFarao muruoko rwaFarao;
21Ary ny lehiben'ny mpitondra kapoaka dia nampodiny tamin'ny fitondrany kapoaka indray, ka dia nanolotra ny kapoaka ho eo an-tànan'i Farao izy;
22asi akasungirira mukuru wavabiki sezvavakanga vadudzirwa naJosefa.
22fa ny lehiben'ny mpanao mofo kosa dia nahantony, araka izay efa nolazain'i Josefa tamin'izy roa lahy avy.Kanjo tsy mba nahatsiaro an'i Josefa ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy.
23Asi mukuru wavadiri haana kurangarira Josefa, asi akamukangamwa.
23Kanjo tsy mba nahatsiaro an'i Josefa ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy.