1Zvino Josefa haana kugona kuzvidzora pamberi pavose vakanga vamire naye, akadana, achiti, Budisai vanhu vose vari pano neni. Zvino kwakanga kusina munhu akamira naye Josefa achizvizivisa kuvana vababa vake.
1Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan'izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin'i Josefa, raha nanao izay hahafantaran'ny rahalahiny azy izy.
2Akachema kwazvo, vaEgipita naveimba yaFarao vakazvinzwawo.
2Dia nitomany mafy izy, ka ren'ny Egyptiana, ary ren'ny tao an-tranon'i Farao koa.
3Ipapo Josefa akati kuvana vababa vake, Ndini Josefa! Baba vangu vachiri vapenyu Here? Vana vababa vake vakasagona kumupindura, nokuti vakanga vachitya pamberi pake.
3Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo.
4Josefa akati kuvana vababa vake, Doswederai henyu kwandiri. Zvino vakaswedera. lye akati, Ndini Josefa, mwana wababa venyu wamakatengesa ndikaiswa Egipita.
4Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Egypta.
5Zvino musazvidya moyo, kana kuzvitsamwira, zvamakanditengesera kuno; nekuti Mwari akandituma pamberi penyu, kuti ndichengete upenyu.
5Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan'Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.
6nekuti zvino ava makore maviri enzara panyika ino; mamwe makore mashanu achiko, avasingazorimi nokukohwa nawo.
6Fa roa taona izao no efa nisian'ny mosary teto amin'ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.
7Mwari akandituma pamberi penyu kuti ndikuchengetei, muve navamwe vachasara panyika, ndikuraramisei kuti musunungurwe nokusunungurwa kukuru.
7Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin'ny tany, fa hamelona anareo amin'ny famonjena lehibe.
8Zvino hamuzimi makandituma pano, asi Mwari; iye akandiita baba kuna Farao nashe weimba yake yose, nomubati wenyika yose yeEgipita.
8Ary amin'izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho atỳ, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain'i Farao, sy ho tompon'ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra.
9Kurumidzai, mukwire kuna baba vangu, mundoti kwavari, Zvanzi naJosefa, mwanakomana wenyu, Mwari akandiita ishe weEgipita rose; burukirai kwandiri musanonoka;
9Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin'ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin'i Josefa zanakao: Efa nataon'Andriamanitra ho tompon'i Egypta rehetra aho; ka midìna hankatỳ amiko, fa aza mijanona;
10mugare panyika yeGosheni, mugova pedo neni, imwi, navanakomana venyu, navana vavana venyu, namakwai enyu, nemombe dzenyu, nezvose zvamunazvo;
10dia honina eo amin'ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman'osinao sy ny ombinao mbamin'izay rehetra anananao.
11ndichakuchengetaipo, nekuti mamwe makore mashanu enzara achiripo, kuti murege kuzova varombo, imwi, naveimba yenyu, nezvose zvamunazvo.
11Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao.
12Tarirai meso enyu anoona, nameso omunin'ina wangu Bhenjamini kuti muromo wangu unotaura kwamuri.
12Ary, indro, hitan'ny masonareo sy ny mason'i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo.
13Mundoudza baba vangu kukudzwa kwangu kose paEgipita, nezvose zvamaona; mukurumidze kuburutsira baba vangu kuno.
13Dia hambaranareo amin'ikaky ny voninahitro rehetra atỳ Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana ianareo, ka ento midina atỳ ikaky.
14Akawira pamutsipa waBhenjamini, munin'ina wake, akachema, naiye Bhenjamini akachema pamutsipa wake.
14Dia namihina ny vozon'i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba nitomany teo amin'ny vozony.
15Akatsvoda vakoma vake vose, akachema pamusoro pavo; shure kwaizvozvo vakoma vake vakataura naye.
15Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny.
16Zvino mukurumbira wazvo wakanzwika mumba maFarao, zvichinzi, Vana vababa vaJosefa vasvika! Farao navaranda vake vakafara naizvozvo.
16Ary re tao an-tranon'i Farao ny teny hoe: Tonga ny rahalahin'i Josefa; dia sitrak'i Farao sy ny mpanompony izany.
17Farao akati kuna Josefa, Iti kuvana vababa vako, Itai chinhu ichi: Takudzai zvipfuwo zvenyu, mufambe, muende kunyika yeKanani;
17Ary hoy Farao tamin'i Josefa: Lazao amin'ny rahalahinao: Izao no ataovy: ataingeno ny entana ho entin'ny bibinareo, ka mankanesa any amin'ny tany Kanana;
18mundotora baba venyu navedzimba dzenyu muuye kwandiri; ndichakupai zvinhu zvakaisvonaka zvenyika yeEgipita, mudye zvakakora zvenyika.
18ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa atỳ amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin'ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin'ny tany ianareo.
19Zvino chiitai sezvamarairwa; torerai vana venyu vaduku navakadzi venyu ngoro panyika yeEgipita, mundotora baba venyu, muuye.
19Ary ankehitriny efa nomena teny ianao, ka izao no ataovy: makà sariety amin'ny tany Egypta hitondranareo ny vady aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa atỳ.
20Musafunga nhumbi dzenyu, nekuti zvakaisvonaka zvenyika yose yeEgipita ndezvenyu.
20Aza malahelo ny amin'ny fanakareo; fa anareo izay tsara eto amin'ny tany Egypta rehetra.
21Vanakomana vaIsiraeri vakaita saizvozvo. Josefa akavapa ngoro, sezvaakarairwa naFarao, akavapa mbuva yokufamba nayo.
21Ary nataon'ny zanak'Isiraely izany, ka dia nomen'i Josefa sariety izy, araka ny tenin'i Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dalana izy.
22Akapa vose, mumwe nomumwe nguvo dzakanaka; asi Bhenjamini akamupa mashekeri ana mazana matatu esirivha nenguvo dzakanaka shanu.
22Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova.
23Nababa vake akavatumira mbongoro dzine gumi, dzakanga dzakatakura zvinhu zvakaisvonaka zveEgipita, namakadzi emadhongi gumi akanga akatakura zviyo, nechingwa, nezvokudya zvababa vake zvorwendo.
23Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an'ny rainy ho entiny eny an-dalana.
24Zvino akatendera vana vababa vake kuenda, vakabva; akati kwavari, Chenjerai, musatukana munzira.
24Dia nampandehaniny ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dalana ianareo.
25Ipapo vakabva Egipita, vakakwira, vakandosvika kunyika yeKanani kuna Jakove, baba vavo.
25Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin'i Jakoba rainy tany amin'ny tany Kanana.
26Vakavaudza, vakati, Josefa achiri mupenyu; ndiye mubati wenyika yose yeEgipita. Ipapo moyo wavo wakati rukutu, nekuti havana kutenda.
26Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon'i Jakoba, fa tsy nino azy izy.
27Vakavaudza mashoko ose aJosefa; zvino vakati vaona ngoro dzakanga dzatumwa naJosefa kuzovatakura, mweya waJakove, baba vavo, ukavandudzwa;
27Dia nolazain'izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain'i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain'i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin'i Jakoba rainyAry hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho.
28Isiraeri akati, Zvaringana! Josefa, mwanakomana wangu achiri mupenyu; ndichaenda ndimuone ndisati ndafa.
28Ary hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho.