Shona

Malagasy

Isaiah

10

1Vane nhamo vanotema mitemo isina kururama, navanyori vanonyora zvisakarurama;
1Lozan'izay mamorona fikasana tsy marina sy izay mpanoratra manoratra fampahoriana,
2kuti vadzivise varombo pakururamisirwa, nokutorera varombo vavanhu vangu zvavanofanira kuva nazvo, kuti vapambe chirikadzi, vatorere nherera zvinhu zvavo.
2Hampialany ny mahantra amin'ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin'izay ory eo amin'ny oloko, Handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!
3Asi muchaiteiko pazuva rokutongwa, nerokuparadzwa kuchabva kure? Muchatizira kuna ani kundobatsirwa? fuma yenyu muchaivigepiko?
3Ary ahoana no hataonareo amin'ny andro famaliana sy amin'ny fandravana izay avy amin'ny lavitra? Ho any amin'iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo? [Heb. voninahitrareo]
4Vachangokotama havo pakati pavasungwa, vachawira pasi pakati pavakaurawa. Kunyange zvakadaro, kutsamwa kwake hakuna kudzorwa, asi ruoko rwake rwakaramba rwakatambanudzwa nazvino.
4Tsy misy azony atao afa-tsy ny mihohoka voatsindrin'ny mpifatotra sy ny lavo voatsindrin'ny voavono. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.[Na: Izay tsy mihohoka voatsindrin'ny babo dia ho lavo voatsindrin'ny voavono; na: Raha misaraka amiko, dia hihohoka, etc]
5Nhaiwe Asiria, shamhu yokutsamwa kwangu, wakabata muruoko rwake tsvimbo yeshungu dzangu!
5[Ny amin'ny fanjakan'i Asyria sy ny mbola handravana azy] Endrey! ry Asyria, tsorakazon'ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!
6Ndichamutuma kundorwa norudzi runomhura Mwari, ndichamurayira kundorwa navanhu vandinotsamwira, kuti andotora zvakapambwa, andotora zvakatapwa, azvitsikire pasi sedope riri munzira dzomumusha.
6Hamely firenena mihatsaravelatsihy no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan'ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.[Na: ratsy fanahy]
7Asi iye haafungi kuita izvozvo, nomoyo wake haarangariri zvakadaro; asi iye anorangarira kuparadza nokupedza marudzi mazhinji.
7Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izany no heverin'ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao am-pony.
8nekuti iye anoti, Ko machinda angu ose haazi madzimambo here?
8Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governorako ireny?
9Ko Karino harina kuitirwa zvakaitirwa Karikemishi here? NeHamati seAripadhi here? NeSamaria seDhamasiko here?
9Tsy tahaka an'i Karkemisy va Kalno? Tsy tahaka an'i Arpada va Hamata? Ary tsy tahaka an'i Damaskosy va Samaria ?
10Ruoko rwangu sezvarwakasvikira ushe bwezvifananidzo, kunyange zvifananidzo zvavo zvakavezwa zvakanga zvichipfuura zvapaJerusaremu neSamaria,
10Tahaka ny nahatraran'ny tanako ny fanjakan'ny andriamani-tsi-izy, na dia nihoatra noho ny an'i Jerosalema sy ny an'i Samaria aza ny sampin'ireo,[Heb. sarin-javatra voasokitra]
11handingaitiri Jerusaremu nezvifananidzo zvaro sezvandakaitira Samaria nezvifananidzo zvaro here?
11Dia tsy tahaka ny nataoko tamin'i Samaria sy ny andriamanini-tsi-izy va no hataoko amin'i Jerosalema sy ny sampiny koa ? [Heb. sarin-javatra voasokitra]
12Saka zvino kana Ishe apedza basa rake rose pagomo reZiyoni napaJerusaremu, ndicharova zvibereko zvomoyo unozvikudza wamambo weAsiria, namanyawi okuzvikudza kwake.
12Kanefa rehefa vitan'ny Tompo ny asany rehetra ao an-tendrombohitra Ziona sy Jerosalema, dia hovaliany kosa ny vokatry ny fiavonavonan'ny fon'ny mpanjakan'i Asyria sy ny reharehan'ny fiandranandran'ny masony; [Heb: hovaliako]
13nekuti akati, Ndakazviita nesimba roruoko rwangu, uye nouchenjeri hwangu, nekuti ndine njere; ndakabvisa miganho yavanhu, ndakapamba fuma yavo; semhare ndakawisira pasi vaigara pazvigaro zvoushe;
13Fa izy manao hoe: Tamin'ny herin'ny tanako no nanaovako izany, sy tamin'ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny faritanin'ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka; [Na: Ary tahaka ny fanaon'ny lehilahy mahery no nanonganako mpanapaka]
14ruoko rwangu rwakawana fuma yamarudzi avanhu sedendere; ndakaunganidza nyika yose, somunhu anounganidza mazai akasiiwa; hapana akapfakanyisa bapiro, kana kushamisa muromo, kana kurira.
14Ary tahaka ny fakàna ny ao amin'ny akanim-borona no nakan'ny tanako ny haren'ny firenena; Ary tahaka ny famory atody nilaozan-dreniny no namoriako ny any amin'ny tany rehetra, Ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka.
15Ko sanhu ringazvirumbidza pamusoro poanotema naro here? Kana jeko ringazvikudza pamusoro paanobata naro here? Zvaifanana netsvimbo inozunungusa vanorova nayo, kana mudonzvo unosimudza chinhu chisati chiri huni.
15Ny famaky va hirehareha amin'izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin'izay manatsofa aminy? Toy ny tsorakazo, raha manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina, raha manandratra ny tompony! [Heb. manandratra izay tsy hazo]
16Naizvozvo Ishe, Ishe wehondo, achatuma kuonda pakati pavakakora vake; pasi pokubwinya kwake pachabatidzwa chinopisa chakafanana nokupisa komoto.
16Koa izany no anateran'ny Tompo, dia ny Tompon'ny maro, fahahiazana amin'ny tremalahiny; Ary ao ambanin'ny voninahiny dia hisy mirehitra toy ny firehitry ny afo.
17Chiedza chavaIsiraeri chichava moto, noMutsvene wake murazvo womoto; uchapisa nokupedza mhinzwa yake norukato rwake nezuva rimwe.
17Ary ny fahazavan'ny Isiraely ho tonga afo, ary ny Iray Masiny ho tonga lelafo, ka hodorany ho levona indray andro monja ny tsilony sy ny heriny;
18Uchapedza kubwinya kwedondo rake, nokomunda wake wakaorera, mweya nomuviri kamwe, zvifanane nendonda inongoramba ichipera simba.
18Ary ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra dia holevoniny, na ny fanahiny, na ny nofony, ka ho tahaka ny fifezak'izay marary mafy izany.[Na: ho tahaka ny fahatoranan'ny mpitondra faneva]
19Miti yakasara yedondo rake ichava mishoma, inganyorwa nomwana.
19Ary ho vitsy ny hazo sisa any an'alany, ka na dia izay mbola zaza aza hahasoratra azy.
20Zvino nezuva iro vakasara vaIsiraeri, navanenge vapukunyuka paimba yaJakove, havangazosendamiri kunowakavarova, asi vachasendamira kuna Jehovha, Mutsvene waIsiraeri, nezvokwadi.
20Ary amin'izany andro izany ny Isiraely sisa, izay tsy ringana amin'ny taranak'i Jakoba, dia tsy hiankina amin'izay namely azy intsony; Fa Jehovah, Iray Masin'ny Isiraely, ihany no hiankinany marina tokoa.
21Vakasara vachadzoka, ivo vakasara vaJakove, kuna Mwari ane simba.
21Ary izay sisa amin'i Jakoba dia hiverina ho amin'Andriamanitra Mahery.
22nekuti kunyange vanhu venyu, imwi Isiraeri, vakaita sejecha regungwa, vakasara vavo voga vachadzoka; nekuti vakatemerwa kuparadzwa kuzere nokururama.
22Fa na dia tahaka ny fasika any amin'ny ranomasina aza ny isan'ny Isiraely olonao, dia izay sisa aminy ihany no hiverina; Voatendry ny fandringanana izay hanafotra ho famaliana marina;
23nekuti Ishe, Jehovha wehondo, achapedzisa kuparadza, kwakagara kwatemwa, panyika yose.
23Fa fahafonganana voatendry no hataon'i Jehovah, Tompon'ny maro, Ao amin'ny tany.
24Saka zvanzi nashe, Jehovha wehondo, Imi vanhu vangu vagere Ziyoni, musatya muAsiria, kunyange akakurovai neshamhu nokukusimudzirai tsvimbo yake, sezvaakaitira Egipita.
24Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, raha mamely anao amin'ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina aminao, tahaka ny fanao tany Egypta;
25nekuti kwasara chinguva chiduku, kutsamwa kwangu kuchapera, hasha dzangu dzichavaparadza.
25Fa rehefa afaka vetivety, dia hitsahatra ny fahavinirana, ary ny fahatezerako dia handringana azy kosa.
26Jehovha wehondo achamusimudzira tyava, sapakurohwa kwavaMidhiani padombo reOrebhi; shamhu yake ichava pamusoro pegungwa, achaisimudza sezvaakaitira Egipita.
26Eny, Jehovah, Tompon'ny maro, hamely azy amin'ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin'ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta.
27Zvino nezuva iro mutoro wake uchabviswa pamafudzi ako, nejoko rake pamutsipa wako, joko richaparadzwa nokuda kwamafuta.
27Ary amin'izany andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany ary ny bao fitondrany ho afaka amin'ny vozonao, ary ho tapaka ny bao fitondrana noho ny fihatavezany.[Heb. simba]
28Asvika paAiati, apfuura napaMigironi, achengeta nhumbi dzake paMikimashi;
28Injao! tonga any Aiata izy, mamaky an'i Migrona izy ary mametraka ny entany ao Mikmasy,
29vakwira napamupata, vakavata paGebha usiku; Rama rinodedera, Gibhiya raSauro ratiza.
29Mihoatra ao an-kadilanana izy Ao Geba isika no handry, hoy izy; Mangovitra Rama, mandositra Gibean'i Saoly;
30Danidzira nenzwi rako, iwe mukunda weGarimi ! Teerera, iwe Raishi! Iwe Anatoti wourombo!
30Mikiakiaha mafy, ry zanakavavin'i Galima, Mampandria sofina, ry Laisy. Indrisy, ry Anatota mahantra!
31Madhimena wotiza, vagere Ghebhimi vorongedza kutiza.
31Lasa mandositra Madmena, ny mponina any Gebima mitondra ny entany mandositra.
32Zuva ranhasi achazorota paNobhi; anozunungusira gomo romukunda weZiyoni, icho chikomo cheJerusaremu, ruoko rwake.
32Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy, dia ny havoan'i Jerosalema.
33Tarirai, Ishe, Jehovha wehondo, achatema mashizha nokutyisa; akareba achatemwa, naakakwirira achawiswa pasi.
33Indro, Jehovah, Tompon'ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin'ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry;Ary kapaina vy ny ala mikirindro, ary Libanona dia alamaky ny iray Mahery.
34Achatema nedare matenhere edondo, Rebhanoni richawiswa neane simba.
34Ary kapaina vy ny ala mikirindro, ary Libanona dia alamaky ny iray Mahery.