Shona

Malagasy

Isaiah

14

1nekuti Jehovha achanzwira Jakove tsitsi, achasanangura Isaraeri nokuvagadza munyika yavo; mutorwa achandogara navo, vachanamatira imba yaJakove.
1Fa Jehovah hamindra fo amin'i Jakoba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin'ny taniny; ary ny vahiny hikambana aminy, ary ny taranak'i Jakoba ho namany
2Marudzi achavatora, nokuvaisa kunzvimbo yavo; imba yavaIsiraeri ichavabata panyika yaJehovha vave varanda navashandiri vavo; vachatapa ivo vaiva vatapi vavo, vachabata ivo vaivamanikidza.
2Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; ary ny taranak'Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin'ny tanin'i Jehovah; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy; ary hampanompo izay nampahory azy.
3Zvino nezuva iro kana Jehovha achikuzorodza pakuchema kwako napakutambudzika kwako, napakubata kwako kunorema kwawakabatiswa nako,
3[Hira fifaliana hataon'ny Isiraely noho ny nanetrena ny mpanjakan'i Babylona] Ary amin'ny andro hanomezan'i Jehovah fitsaharana anao ho afaka amin'ny fahorianao sy ny fitebitebin'ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao,
4uchaimba rwiyo urwu pamusoro pamambo weBhabhironi, uchiti, Haiwa mumanikidzi wapera sei! Kutambudzika kwapera sei!
4dia hataonao izao oha-teny ny amin'ny mpanjakan'i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny. tsy ao intsony ilay tanàna volamena! [Na: mampandoa hetra]
5Jehovha avhuna mudonzvo wowakaipa, netsvimbo youshe yavabati.
5Jehovah efa nanapatapaka ny tehin'ny ratsy fanahy. Dia ny tehina fanapahan'ny mpanapaka,
6Iye airova marudzi avanhu nehasha nokurova kusingaperi, aibata ndudzi dzavanhu nokutambudza kusina kudzorwa nomunhu.
6Izay namely firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady nampanompo firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny fanenjehana tsy misy antra.
7Nyika yose yozorora, yanyarara; vanofara nokuimba.
7Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; Velominy ao ny hoby,
8Zvirokwazvo miti yemisipiresi inofara nokuda kwako, nemisidhari yeRebhanoni, ichiti, Chinguva chawaparadzwa, hapano mutemi anokwira kutitema.
8Eny, ny hazo kypreso sy ny sedera any Libanona hifaly anao hoe: Hatrizay niambohoanao izay dia tsy nisy mpikapa niakatra tatỳ aminay.
9Sheori pasi rine nyongano pamusoro pako kuzosangana newe pakuuya kwako; rinokumutsira vakafa, ivo vose vaiva vakuru panyika; ramutsa madzimambo ose amarudzi avanhu pazvigaro zvavo zvoushe.
9Taitra ny fiainan-tsi-hita any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin'ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy rehetra tambonin'ny tany; Aingainy hiala amin'ny seza fiandrianana ny mpanjakan'ny firenena rehetra.[Heb. Sheola][Heb. osilahy]
10Ivo vose vachapindura, vachiti kwauri, Newe wava usina simba sesu kanhi? Iwe wafanana nesu kanhi?
10Izy rehetra samy hiteny aminao hoe: Hay! ianao koa mba efa osa tahaka anay! Efa tonga tahaka anay ianao!
11Kuzvikudza kwako kwaderedzwa kusvikira paSheori, nokurira koudimbwa hwako; honye dziri pasi pako, nehonye dzinokufukidza.
11Efa navarina ho etỳ amin'ny fiainan-tsi-hita ny tabihanao mbamin'ny feon'ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.[Heb. Sheola]
12Haiwa, wawa seiko uchibva kudenga, iwe nyamasase, iwe mwanakomana wamambakwedza! Wakandwa seiko pasi, iwe wokuwisira marudzi pasi!
12Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.
13Iwe wakati mumoyo mako, Ndichakwira kudenga, ndichakwiridza chigaro changu choushe kumusoro kwenyeredzi dzaMwari; ndichagara pamusoro pegomo reungano, pamigumo yamativi okumusoro;
13Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;
14ndichakwira kumusoro kwamakore, ndichazvienzanisa neWekumusoro-soro.
14Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra;
15Kunyange zvakadaro uchaderedzwa kusvikira paSheori, kusvikira pakadzika pegomba.
15Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka ianao.[Heb. Sheola]
16Vanokuona vachakucherekedza, vachakutarira, vachiti, Ko uyu ndiye munhu aidederesa nyika, aizunungusa ushe;
16Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe: Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana
17aishandura nyika ifanane nerenje, aiparadza maguta ayo, airamba kusunungura vasungwa vake vaende kumusha here?
17Ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany Ary tsy nandefa ny mpifatotra hody?
18Madzimambo ose amarudzi, iwo ose, anovata achikudzwa, mumwe nomumwe paimba yake.
18Ny mpanjaka rehetra amin'ny firenena samy mandry amin'ny voninahitra avokoa, ary samy ao am-pasany avy;[Heb. tranony]
19Asi iwe waraswa kure neguva rako, sedavi rinonyangadza, wafukidzwa navakaurawa, vakabayiwa nomunondo, vanoburukira kumabwe egomba, somutumbi watsikwa netsoka.
19Fa ianao kosa dia nariana niala lavitra ny fasanao, tahaka ny solofon-kazo ratsy izay ariana, sady voatsindrin'ny fatin'ny voavono ianao, dia ireo voatrabaky ny sabatra, ka midina ho ao amin'ny vato ao an-davaka, tahaka ny faty hitsakitsahin'ny tongotra.
20Haungavigwi pamwechete navo, nekuti wakaparadza nyika yako, vakauraya vanhu vako; vana vavakaipa havangarehwi nokusingaperi.
20Tsy halevina tahaka ireny ianao, satria efa nanimba ny taninao sady efa namono ny olonao; tsy hotononina mandrakizay ny taranaky ny mpanao ratsy!
21Gadzirirai vana vake pavangaurawa nokuda kokushata kwamadzibaba avo; varege kuzomuka, vagare nhaka yenyika, vazadze pasi pose namaguta.
21Manamboara famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany; tsy hitsangana hanana ny tany izy, Na hanorina tanana eran'izao tontolo izao.
22Zvanzi naJehovha wehondo, Ndichavamukira, ndichatorera Bhabhironi zita navakasara, navana, navana vavana, ndizvo zvinotaura Jehovha.
22Fa hitsangana hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary hofoanako ny anaran'i Babylona sy izay sisa ao mbamin'ny zanany sy ny taranany, hoy Jehovah.
23Ndichariita nzvimbo inogarwa nenungu, uye madziva emvura; ndicharitsvaira nomutsvairo wokuparadza, ndizvo zvinotaura Jehovha wehondo.
23Ary hataoko fonenan'ny sokina sy fihandronan'ny rano izy, ary hofafako kifafa fandringanana izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
24Jehovha wehondo akapika, achiti, Zvirokwazvo, sezvandakafunga, ndizvo zvichaitika; sezvandakarangarira, zvichamira saizvozvo.
24Jehovah, Tompon'ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy,
25Kuti ndichavhuna muAsiria munyika yangu, ndichamutsika netsoka dzangu pamakomo angu; nenguva iyo joko rake richabva kwavari, nomutoro wake uchabva pamafudzi avo.
25Dia ny hanorotoro ny Asyriana ao amin'ny taniko, ary ny hanitsakitsaka azy eny an-tendrombohitro; ny zioga fitondrany dia hiala amin'ireo, ary ny entany ho afaka amin'ny sorony
26Ndicho chirevo chakatemerwa nyika yose; ndirwo ruoko rwakatambanudzwa pamusoro pamarudzi ose.
26Izany no fikasana ny amin'ny tany rehetra, ary izany no tanana ahinjitra amin'ny firenena rehetra.
27nekuti Jehovha wehondo wakatema chirevo, ndiani angapindurazve? Ruoko rwake rwakatambanudzwa, ndiani angarudzosa.
27Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany?
28Negore rokufa kwamambo Ahazi chirevo ichi chakarehwa,
28[Faminaniana ny loza hanjo an'i Filistia] Tamin'ny taona nahafatesan'i Ahaza mpanjaka no nisy izao faminaniana ny loza hanjo izao:
29Iwe nyika yeFirisitia, iwe nyika yose, usafara zvako nekuti shamhu yakanga yakurova yavhunika; nekuti pamudzi wenyoka pachabuda mvumbi, chibereko chayo chichava nyoka yomoto inoburuka.
29Aza mifaly, ry Filistia rehetra, saingy tapaka ny tsorakazo namely anao; fa avy ao an-kibon'ny bibilava no hihavian'ny menarana, ary ny aterany ho tonga menaran'afo manidina.[Heb. fakan'][Heb. sarafa]
30Matangwe avarombo achadya, navanoshayiwa vachavata pasi vakafara; ndichauraya mudzi wako nenzara, vakasara vako vachaurawa.
30Ny faraidina indrindra hihinana, ary ny mahantra handry fahizay; Fa hataoko maty mosary kosa izay tsy ringana aminao, eny, izay sisa aminao ho matiny.[Heb. matoan'ny mahantra][Heb. ny fakanao]
31Chema, iwe suwo; danidzira, iwe guta; wanyauka, iwe nyika yeFirisitia, iwe nyika yose; nekuti kurutivi rwokumusoro kunobva utsi, hapana anotiza pahondo dzake.
31Midradradradrà, ry vavahady, ary mitaraina, ry tanàna; Aoka ho ketraka avokoa ianao, ry Filistia! Fa misy setroka mitranga avy any avaratra, ary tsy misy miala amin'ny laharany akory ny miaramilany.Ary inona moa no valiny ho entin'ny iraky ny jentilisa? Izao: Jehovah efa nanorina an'i Ziona, ary ao no hialofan'izay olony ory.
32Zvino nhume dzorudzi urwu vachadzipindurei? Kuti, Jehovha akavamba Ziyoni, vanotambudzika navanhu vake vachavandiramo.
32Ary inona moa no valiny ho entin'ny iraky ny jentilisa? Izao: Jehovah efa nanorina an'i Ziona, ary ao no hialofan'izay olony ory.