1Chirevo pamusoro peTire. Chemai, imi, zvikepe zveTarishishi; nekuti raparadzwa, hapachine imba, kana pangapindwapo; vakaratidzwa izvozvo vari panyika yeKitimi.
1[Faminaniana ny amin'loza hanjo an'i Tyro] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Tyro. Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany amin'ny tany Kitima no nanambarana izany taminy.
2imwi mugere pamahombekombe egungwa, nyararai, iyemi maifumiswa navatengesi veSidhoni, vanofamba negungwa.
2Mangina, ianareo mponina amoron-tsiraka! Ny mpandranto avy any Sidona, Izay mandeha eny ambonin'ny ranomasina, no efa nampanan-karena anao.[Heb. nameno]
3fuma yaro zvaiva zviyo zveShihori, zvibereko zveNairi, paitengeswa zvose zvamarudzi avanhu.
3Teny amin'ny rano be ny varin'i Sihora, dia ny vokatr'i Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary tonga tsenan'ny firenena izy.
4Nyara, iwe Sidhoni, nekuti gungwa rataura, nenhare yegungwa, richiti, Handina kurwadziwa, handina kubereka, handina kurera majaya, kana kukurisa mhandara.
4Aoka ho menatra ianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina.
5Kana shoko richisvika Egipita, vachava neshungu kwazvo pamusoro peshoko reTire.
5Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an'i Tyro.
6Yambukirai Tarishishi; chemai imwi mugere pamahombekombe egungwa.
6Mità ho any Tarsisy ianareo; Midradradradrà, ry mponina amoron-tsiraka.
7Gara ndiro guta renyu raifara, raivapo kubva kare nakare, raiiswa kurekure netsoka dzaro, kundogarako?
7Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo, izay efa naorina hatry ny fony fahagola sady nentin'ny tongony hivahiny any lavitra any? [Izao va no tanànanao miravoravo?]
8Ndianiko akafungira Tire izvozvo, iro raipavhurira korona, vatengesi varo vaiva machinda, navashambadziri varo vaiva vanokudzwa panyika?
8Iza no nikasa izany hamelezana an'i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin'ny tany ny mpivarony.
9Jehovha wehondo ndiye akazvifunga, kuti amhure kuzvikudza kwezvose zvinokudzwa, nokuzvidza vose vanokudzwa panyika.
9Jehovah, Tompon'ny maro, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonan'ny voninahitra rehetra, sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin'ny tany.
10Pararira panyika yako seNairi, iwe mukunda weTarishishi; hakuchine bhanhire rinokusunga.
10Ry Tarsisy zanakavavy, aoka ianao hanafotra ny taninao tahaka an'i Neily; Fa tsy misy fifehezana intsony.[Heb. fehin-kibo]
11Akatambanudzira ruoko rwake pamusoro pegungwa, akazunungusa ushe; Jehovha akaraira pamusoro peKanani, kuti nhare dzayo dziparadzwe.
11Ny tànan'i Jehovah nahifiny tambonin'ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin'i Kanana, mba horavana ny fiarovany mafy.
12Akati, Hauchazofari, iwe mukunda weSidhoni, mhandara yakamanikidzwa; simuka, uyambukire Kitimi; naikoko haungawani zororo.
12Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory ianao.
13Tarirai nyika yavaKaradhea; rudzi urwo haruchipo; vaAsiria vakaiita nyika yezvikara zverenje; vakamisa shongwe dzavo, vakawisa dzimba dzoushe dzaivamo, vakaiita dongo.
13Indro ny tanin'ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon'ny Asyriana fonenan'ny bibi-dia any an-efitra; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan'ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato.[Na: Indro ny tanin'ny Kaldeana, Izay tsy mbola firenena fahiny, Fa ny Asyriana no nanorina azy ho an'ny mponina any an-efitra]
14Chemai, imwi zvikepe zveTarishishi; nekuti nhare yenyu yaparadzwa.
14Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava ny fiarovanareo mafy.
15Zvino nenguva iyo Tire richakanganikwa makore makumi manomwe, zvakaenzana namakore amambo mumwechete; kana makore makumi manomwe apera, Tire richaitirwa sezvinoimbwa parwiyo rwechifeve, runoti,
15Ary amin'izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, toy ny andron'ny mpanjaka iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan'ilay tonon-kalon'ny janga manao hoe:
16Iwe chifeve, wakanganikwa, tora mbira upote neguta; ridza zvakanaka, imba nziyo dzakanaka, kuti urangarirwe.
16"Makà lokanga, ka miveziveze eran'ny tanàna ianao, ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao."
17Zvino kana makore makumi manomwe apera, Jehovha achashanyira Tire, ipapo richadzokera kumubayiro waro, ndokufeva noushe hwose bwenyika huri pasi pose.
17Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an'i Tyro, ka dia hiverina amin'ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin'ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao.Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an'i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an'izay mitoetra eo anatrehan'i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika. [Na: mateza]
18Zvarakashambadzira, nomubayiro waro, zvichava zvitvsene kuna Jehovha; hazvingachengetwi kana kuvigwa, nekuti zvarakashambadzira zvichava zvavanogara pamberi paJehovha, kuti vagute kwazvo, vafuke nguvo dzakanaka.
18Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an'i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an'izay mitoetra eo anatrehan'i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika. [Na: mateza]