Shona

Malagasy

Isaiah

27

1Nezuva iro Jehovha acharova nomunondo wake mukukutu, mukuru, noune simba, revhiatani, iyo nyoka inokurumidza, iyo, nyoka yakagonyana; achauraya chikara chiri mugungwa.
1Amin'izany andro izany ny sabatr'i Jehovah, izay mafy sady lehibe no mahery, no ho entiny mamaly ny leviatana, dia ilay menarana mandositra, sy ny leviatana, dia ilay menarana miforoporotra, Ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina.
2Nezuva iro vachaimba vachiti, Munda wemizambiringa, chiuimbirai!
2Amin'izany andro izany no hihiranareo ny amin'ny tanim-boaloboka ahazoana divay mahery hoe:
3Ini Jehovha ndini muchengeti wawo; ndichaudiridza nguva imwe neimwe; ndichauchengeta masikati nousiku, kuti urege kutadzirwa nomunhu.
3Izaho Jehovah no mpiaro io; Isaky ny indray mipi-maso no andemako azy, Fandrao misy manimba azy; Na andro na alina dia miaro azy aho.
4Ini handina hasha; dai rukato nemhinzwa zvairwa neni! Ndaizvivamba, ndaizvipisa pamwechete.
4Tsy misy fahatezerana ato amiko; Enga anie ka hisy hery sy tsilo eto anatrehako hiadiako. Dia hiroatako ireo ka hodorako avokoa!
5Kana asingadaro, ngaabate simba rangu, ayanane neni, ngaayanane neni.
5Fa raha tsy izany, dia aoka hifikitra amin'ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; Eny, aoka hihavana amiko izy.
6Namazuva anouya Jakove achamera midzi; Isiraeri achatunga maruva nokutumbuka; vachazadza nyika yose nezvibereko.
6Amin'ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; Ary Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno izao tontolo izao amin'ny fahavokarany.
7Ko akavarova iye sezvaakarova avo vakavarova here? Ko vakaurawa nokuurawa kwaivo vakaurawa navo here?
7[Ny namaizan'i Jehovah ny Isiraely sy ny mbola hamindrany fo aminy] Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no moa namelezany azy koa? Ary tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa?
8Pakuvadzinga kwenyu makarwa navo nechiyero chakafanira; wakavabvisa nemhepo yake ine simba nezuva remhepo yokumabvazuva.
8Tamin'ny nandroahany azy dia voafetra no niadiany taminy; Nokororohiny tamin'ny rivony mahery izy tamin'ny andron'ny rivotra avy any atsinanana.
9Saka nenzira iyi zvakaipa zvaJakove zvichadzikunurwa; izvi ndizvo zvibereko zvose zvokubviswa kwezvivi zvake, kana achiita mabwe ose earitari ave samabwe omunyaka akaputswa-putswa, kuti miti yakatsaurwa nemifananidzo yezuva zvirege kuzomiswa.
9Ka izao no hamelana ny helok'i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin'ny anaovany ny vato rehetra amin'ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na sariny][Na: tsangam-bato]
10nekuti guta, rakakombwa norusvingo, rasiiwa riri roga, hwava hugaro hwasiiwa riri dongo, serenje; ndipo pachava namafuro emhuru, ndipo paichavata pasi, ichidya mashizha apo.
10Fa ho foana ny tanàna mimanda, ka dia ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny efitra: Ao no hihinanan'ny zanak'omby, ary ao no handriany sy handaniany ny rantsan-kazony.
11Kana matavi apo aoma, achavhumwa; vakadzi vachauya vachiapisa; nekuti vanhu ava havana njere; saka akavaita haangavi netsitsi navo, akavaumba haangavi norudo navo.
11Raha malazo ny rantsany, dia hotapatapahina, ka ho avy ny vehivavy hitaina azy, satria firenena tsy manam-pahalalana izy, dia tsy hiantra azy ny Mpanao azy, ary tsy hamindra fo aminy ny Mpamorona azy.
12Zvino nezuva iro Jehovha achapura zviyo kubvira pamvura yoRwizi kusvikira parukova rweEgipita; imwi muchaunganidzwa, muchiita mumwe-mumwe, imwi vana vaIsiraeti.
12Ary amin'izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon'i Jehovah hatramin'ny ony mandriaka ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta; Ary ianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak'Isiraely.[Na: fivelezam-bary]Ary amin'izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin'ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin'ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah ao amin'ny tendrombohitra masina any Jerosalema.
13Zvino nezuva iro hwamanda huru icharidzwa; vakanga voparara panyika yeAsiria, navakanga vadzingirwa kunyika yeEgipita, vachauya; vachanamata Jehovha pagomo dzvene paJerusaremu.
13Ary amin'izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin'ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin'ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah ao amin'ny tendrombohitra masina any Jerosalema.