Shona

Malagasy

Isaiah

47

1Buruka, ugare muguruva, iwe mhandara, mukunda weBhabhironi; gara pasi pasine chigaro choushe, iwe mukunda wavaKaradhea; nekuti hauchazonzi unoundere nechidikamwa.
1[Ny handravana an'i Babylona] Mialà, ka mipetraha amin'ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin'ny tany, fa tsy amin'ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao.
2Tora guyo nehuyo ukuye upfu; bvisa chifukidziro chechiso chako, kurura rokwe rako, fukura gumbo rako, yambuka nzizi.
2Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr'akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.
3Kusafuka kwako kuchava pachena, kunyadzwa kwako kuchaonekwa; ndichazvitsiva, ndisingarangariri munhu.
3Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona.[Na: tsy hiera amin'olona; na: tsy hihaona amin'olona]
4Mudzikunuri wedu, zita rake rinonzi Jehovha wehondo, Mutsvene walsiraeri.
4Ny anaran'ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon'ny maro, Iray Masin'ny Isiraely.
5Gara unyerere, upinde murima, iwe mukunda wavaKaradhea; nekuti hauchazonzi Vahosi hwovushe huzhinji.
5Mipetraha mangingina, ka midìra ao amin'ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin'ny fanjakana intsony ianao.
6Ndakanga ndakatsamwira vanhu vangu, ndakamhura nhaka yangu, ndikavaisa mumaoko ako; iwe hauna kuvanzwira tsitsi, wakaisa joko rako rinorema kwazvo pamusoro pavatana.
6Tezitra tamin'ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.
7Ukati, Ndichava vahosi nokusingaperi; naizvozvo hauna kuisa zvinhu izvi muhana yako, hauna kurangarira kuguma kwazvo.
7Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany.
8Naizvozvo zvino chinzwa chinhu ichi, iwe unozvinofadza, ugere zvakasimba, unoti mumoyo mako Ndini ndoga, hakuna mumwe kunze kwangu; handingagari ndiri chirikadzi, handingazivi kufirwa navana.
8Koa mihainoa, ianao izay mihantahanta sady mipetraka tsy manana ahiahy ka manao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; tsy hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita fahafoanan'anaka.
9Asi zvinhu izvi zviviri zvichakuwira nechinguva chiduku, nezuva rimwe chete, kufirwa navana, nouchirikadzi; zvichakuwira nechiyero chizere, pakati paun'anga hwako huzhinji, nouroyi hwako hwakawanda.
9Kanjo hanjo anao tampoka amin'ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan'anaka sy ny fananoan-tena; Hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao.
10nekuti wakavimba nezvakaipa zvako; wakati, Hakuna anondiona; wakakanganiswa nouchenjeri hwako nezivo yako, ukati mumoyo mako, Ndini ndoga, hakuna mumwe kunze kwangu.
10Fa nitoky tamin'ny faharatsianao ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.[Na: hafetsenao]
11Nezvakaipa zvichakuwira, zvausingazivi kuvamba kwazvo; uchawirwa nenjodzi, yausingagoni kubvisa; kuparadzwa kuchakuwira pakarepo, kwausingazivi.
11Kanjo hanjo anao ny fahoriana, nefa tsy ho fantatrao izay fanafany; Ary hahazo anao ny loza, nefa tsy ho hainao ny fanàlany; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana izay tsy ampoizinao.[Na: iposahany]
12Zvino uya nouroyi hwako noun'anga hwako huzhinji, hwawakabata nahwo kubva pauduku hwako, zvimwe ungabatsirwa, zvimwe ungava nepundutso.
12Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan'ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.
13Waneta nokuwanda kwamano ako; zvino, vanodudzira zvokudenga, navanocherekedza nyeredzi, navanofembera zvomwedzi mumwe nomumwe ngavasimuke, vakuponese pazvinhu zvichakuwira.
13Sasatra noho ny hamaroan'ny fisainanao ianao; aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao. [Heb. mpizarazara] [Na: Aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao amin'izay hanjo anao]
14Tarira, vachaita samashanga, vachapiswa nomoto, havangagoni kuzvirwira pasimba romurazvo; haungavi zimbe rokudziya, kana moto wokudziya.
14Indro, fa ho tahaka ny vodivary ireo; ho main'ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin'ny herin'ny lelafo akory; tsy misy vainafo hamindroana, na afo hitaninana aza.Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin'ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.
15Ndizvo zvichaita zvose zvawakabatira; vakashambadzirana newe kubva pauduku hwako, vachadzungaira mumwe nomumwe nenzira yake; pachashaikwa anokuponesa.
15Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin'ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.