Shona

Malagasy

Isaiah

51

1Teererai kwandiri, imwi munotevera kururama, imwi munotsvaka Jehovha; cherechedzai dombo pamakatemwa, negomba romugodhi pamakacherwa.
1[Ny fiposahan'ny famonjena, sy ny fanesorana ny kapoaky ny fahatezeran'i Jehovah] Mihanoa Ahy, ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an'i Jehovah: Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo. [Heb. Jereo]
2Tarairai Abhurahamu, baba venyu, naSara akakuberekai; nekuti ndakamudana achiri mumwechete, ndikamuropafadza, ndikamuita vazhinji.
2Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko. [Heb. Jereo]
3nekuti Jehovha akanyaradza Ziyoni; akanyaradza matongo aro ose, akashandura renje raro rive seEdheni, negwenga raro rive somunda waJehovha; mufaro nokufarisisa zvichawanikwamo, nokuvonga nenzwi rokuimba.
3Fa Jehovah mampionona an'i Ziona; Eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy Ka manao ny efitra ao ho tahaka an'i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan'i Jehovah; Hafaliana sy haravoana no hita ao mbamin'ny fisaorana sy ny feo fiderana.
4Teererai kwandiri, imwi vanhu vangu; rerekai nzeve dzenyu kwandiri, imwi rudzi rwangu; nekuti ndichatema murayiro, zvakarurama zvangu ndichazviita chiedza chavanhu.
4Mihainea Ahy, ry vahoakako, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena.
5Kururama kwangu kuri pedo, ruponeso rwangu rwabuda, uye maoko angu achatonga vanhu; zvivi zvichandimirira, zvichavimba noruoko rwangu.
5Akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; izaho no hantenain'ny nosy, ary ny sandriko no andrasany.
6Tarirai kudenga nameso enyu, mucherechedze nyika pasi; nekuti denga rose richanyangarika soutsi, nenyika ichasakara senguvo; vageremo vachafa sohunyunyu; asi ruponeso rwangu ruchava nokusingaperi, kururama kwangu hakungaperi.
6Andrandrao ho amin'ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka, ary tany ho tahaky ny lamba mangarahara, ary ny mponina ao dia ho faty tampoka; fa ny famonjena kosa haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako tsy mba ho rava.[Na: tahaka ny fahafatin'ny moka]
7Nditeererei, imwi munoziva kururama; vanhu vanomurayiro wangu pamoyo yenyu; musatya kuzvidza kwavanhu, kana kuvhunduswa nokutuka kwavo.
7Mihainoa ahy, ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao; aza matahotra ny latsa ataon'ny zanak'olombelona, na manahy noho ny faharatsiany.
8nekuti zvipfukuto zvichavadya senguvo, nerukonye guchavadya semvere; asi kururama kwangu kuchavapo nokusingaperi, noruponeso rwangu kusvikira kumarudzi namarudzi.
8Fa ny kalalao hihinana azy tahaka ny fihinan-damba, ary lolo fotsy hihinana azy tahaka ny fihinam-bolon'ondry; fa ny fahamarinako haharitra mandrakizay, ary famonjena hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby.
9Muka, muka zvifukidze nesimba, iwe ruoko rwaJehovha; muka sapamazuva akare, sapamarudzi enguva dzakarekare. Ko hamuzimi makagura Rahabhi, mukakuvadza chikara here?
9Mifohaza, mifohaza, ry sandrin'i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin'ny andro fahiny! dia tamin'ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona? [Na: mamba; izahao Ezek. xxix. 3]
10Ko hamuzimi makapwisa gungwa, nemvura yakadzika , mukaitawo nzvimbo dzakadzika dzegungwa nzira pangayambuka vakadzikunurwa here?
10Tsy Hianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin'ny lalina indrindra, ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana halehan'ny navotana?
11Naizvozvo Vakasunungurwa vaJehovha vachadzoka, vachaenda Ziyoni vachiimba; nomufaro usingaperi uchava pamisoro yavo, vachawana mufaro nokufarisisa, kuchema nokugomera kuchatiza.
11Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
12Ini, iyeni, ndini ndinokunyaradzai; ndiwe aniko, uchatya munhu anozofa, kana Mwanakomana womunhu, achaitwa souswa;
12Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak'olombelona mety maty sy ny zanak'olona hatao tahaka ny ahitra
13uye wakakangamwa Jehovha muiti wako akatatamura matenga ose,nekuteya nheyo dzenyika; ukaramba uchingotya mazuva ose nokuda kwehasha dzomumanikidzi, seakazvigadzira kuparadza here? uye hasha dzomumanikidzi dziripiko?
13ka manadino an'i Jehovah, Mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, sady matahotra lalandava mandritra ny andro ianao noho ny fahatezeran'ny mpampahory, raha mikendry hamono izy? Fa aiza intsony izay fahatezeran'ny mpampahory?
14Musungwa wakatapwa achakurumidza kusunungurwa,Vuye haangafi nokuburukira mugomba, zvokudya zvake hazvingashaikwi.
14Izay mitanondrika dia ho afaka faingana; Tsy ho faty havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina.
15nekuti ndini Jehovha Mwari wako, anoparadzanisa gungwa, rine mafungu anotinhira; Jehovha wehondo ndiro zita rake.
15Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarako. [Na: Izay mampitsahatra ny rano, raha mirohondrohona ny onjany] [Heb. anarany]
16Ndakaisa mashoko angu mumuromo mako, ndikakufukidza mumumvuri woruoko rwangu, kuti ndivambe matenga , nokuteya nheyo dzenyika, nditi kuZiyoni, Imi muri vanhu vangu.
16Ary nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin'ny aloky ny tanako no nanaronako anao, hanao ny lanitra sy hanorina ny tany Aho ary hanao an'i Ziona hoe: Oloko ianao. [Heb. Hamboly]
17Muka, muka, simuka, iwe Jerusaremu,iwe wakamwa paruoko rwaJehovha mukombe wokutsamwa kwake; wakamwa manzete emukombe wose wokudederesa, ukaapedza kwazvo.
17Mifohaza, mifohaza, mitsangana, ry Jerosalema ô, izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin'ny tànan'i Jehovah; eny, ny kapoaka gobilia mampiraikiraiky dia efa nisotroanao, ka notrohinao mbamin'ny faikany.
18Hakuna nomumwe pakati pavanakomana vake vose vaakabereka angamutungamirira, hakuna angamubata noruoko pakati pavanakomana vose vaakarera.
18Tsy misy mitondra azy ny zananilahy rehetra izay naterany; ary tsy misy mitantana azy ny zananilahy rehetra izay notezainy.
19Zvinhu izvi zviviri zvakuwira; ndianiko achakunzwira tsitsi? Kusiiwa nokuparadzwa, nenzara nomunondo; ndingakunyaradza sei?
19Izao zavatra roa Izao no hanjo anao (Iza no hanony ny alahelonao?): Fandravana sy fandringanana ary mosary sy sabatra, koa hataoko ahoana no fampionona anao?
20Vanakomana vako vaziya, vavete pamigumo yenzira dzomumusha, senzombe yesango yabatwa mumambure; vazadzwa nokutsamwa kwaJehovha nokutuka kwaMwari wako.
20Ny zanakao-lahy efa reraka, ka miapokapoka eny an-joron-dalambe rehetra eny izy, tahaka ny diera ao anatin'ny fandrika harato eny, tahaka ny olona rakotry ny fahatezeran'i Jehovah sy ny teny mafy ataon'Andriamanitrao.
21Naizvozvo zvino chinzwa chinhu ichi, iwe unotambudzika, wakabatwa, asi kwete newaini,
21Koa mihainoa izao, ianao ry ilay ory sady mamo tsy amin-divay:
22Ndizvo zvinotaura IShe wako Jehovha, naMwari wako,unoreverera vanhu vake, Tarirai, ndakabvisa muruoko rwako mukombe wokudzedzeresa, iwo manzete emukombe wokutsamwa kwangu, haungazoamwizve.
22Izao no lazain'i Jehovah Tomponao, dia Andriamanitrao, Izay mandaha-teny ho an'ny olony: Indro, esoriko eny an-tananao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaka gobilian'ny fahatezerako; Tsy hisotroanao intsony iny,Fa hataoko eo an-tànan'izay mampahory anao kosa, dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny lalambe ho an'izay mandeha eo.
23Asi ndichauisa muruoko rwavanokutambudza, ivo vakati kumweya wako, Kotama,kuti tipfuure napamusoro; iwe ukaita musana wako sapasi, senzira yomumusha yavanopfuura.
23Fa hataoko eo an-tànan'izay mampahory anao kosa, dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny lalambe ho an'izay mandeha eo.