1Zvivi zvaJudha zvakanyorwa nepeni yamatare, nomuromo wedhaimani; zvakatemwa pamabwendefa emoyo yavo, napanyanga dzamaaritari enyu
1Ny fahotan'ny Joda dia voasoratra tamin'ny fanoratana sy tamin'ny diamondra fanoratana; voasoratra ao am-pony tahaka ny amin'ny vato fisaka sy eo amin'ny tandroky ny alitarany izany,[Heb. alitaranareo]
2nguva dzose kana vana vavo vachirangarira maaritari avo nemiti yavo yakatsaurwa pamiti mitema pazvikomo zvakakwirira.
2Dia amin'izay hahatsiarovan'ny zanany ny alitarany sy ny Aserahany, akaikin'ny hazo maitso, ambonin'ny havoana andrandraina.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
3Iwe gomo rangu riri kusango, nhumbi dzako nefuma yako yose ndichazvitapisa, nenzvimbo dzako dzakakwirira, nokuda kwezvivi zvenyu zviri mumiganho yenyu yose.
3Ry tendrombohitro any an-tsaha, ny fanananao sy ny rakitrao rehetra dia hatolotro ho babo, eny, na dia ny fitoerana avonao koa aza noho ny fahotana tao anatin'ny faritaninao rehetra.
4Nemi, iyemi mumene, mucharega nhaka yenyu yandakakupai; ndichakuitai varanda vavavengi venyu munyika yamusingazivi, nekuti makabatidza moto pakutsamwa kwangu, uchapfuta nokusingaperi.
4Ary avy amin'ny tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary hampanompoiko ny fahavalonao any amin'ny tany izay tsy fantatrao ianao; Fa narehitrareo ny afon'ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay.[Heb. fa misy afo narehitrareo tamin'ny fahatezerako]
5Zvanzi naJehovha, Ngaatukwe iye munhu unovimba nomumwe munhu, unoita nyama yomunhu ruoko rwake, unomoyo unotsauka kuna Jehovha.
5[Ny amin'ny fahatokiana olona sy ny fahatokiana an'Andriamanitra, ary ny vavaka nataon'i Jeremia nangatahany famonjena] Izao no lazain'i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin'i Jehovah ny fony.
6nekuti uchafanana negwenzi murenje, haangaoni kana zvakanaka zvichisvika, asi uchagara panzvimbo dzakaoma kwazvo murenje, munyika yebare isingagarwi navanhu.
6Fa ho tahaka ny olona mahantra any an-tani-hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; Fa honina any amin'ny tany karankaina any an-efitra, dia any amin'ny tany sira izay tsy onenana.[Na: ny anjavidy]
7Wakaropafadzwa iye munhu unovimba naJehovha, wakaita Jehovha chivimbo chake.
7Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah, dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
8nekuti uchava somuti wakasimwa pamvura, unotuma midzi yawo kurwizi, usingatyi kana kupisa kuchisvika, asi mashizha awo achava matema; haungarangariri pagore rokusanaya kwemvura, kana kurega kubereka zvibereko.
8Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany.
9moyo unonyengera kupfuura zvinhu zvose, wakaora chose, ndiani ungauziva?
9Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy?
10Ini Jehovha, ndinonzvera moyo, ndinoidza itsvo, kuti ndipe mumwe nomumwe zvakafanira mugariro wake, uye zvakafanira zvibereko zvamabasa ake.
10Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany
11segwari rinogarira mazai arisina kukandira rimene, ndizvo zvakaita iye unozviwanira fuma nokusarurama; ichamusiya pakati pamazuva ake, pakupedzisira kwake richava benzi.
11Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin'ny rariny: Handao azy amin'ny an-tenatenan'androny izany, ka ho adala no farany.[Na: Hilaozan'izany eo an-tenatenan'androny izy]
12Nzvimbo yeimba yedu tsvene chigaro choushe chakaisvonaka, chakanga chakakwirira kubva pakutanga.
12Seza fiandrianana be voninahitra sady avo hatramin'ny voalohany ny fitoera-masintsika.
13imwi Jehovha, tariro yaIsiraeri, vose vanokurashai vachanyadziswa; vanotsauka kwandiri vachanyorwa muvhu, nekuti vakarasha Jehovha, iro tsime remvura mhenyu.
13Ry Jehovah, Fanantenan'ny Isiraely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao, ary hosoratana amin'ny vovoka izay miala aminao, satria izy efa nahafoy an'i Jehovah, loharano velona.[Heb. amiko]
14Ndiporesei Jehovha, ipapo ndichaporeswa; ndiponesei, ipapo ndichaponeswa; nekuti ndimi wandinorumbidza.
14Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako.
15Tarirai, vanoti kwandiri, Shoko raJehovha riripiko? Ngariuye zvino.
15Indro, ireo dia manao amiko hoe: Aiza ny tenin'i Jehovah? Aoka ho tanteraka izany.
16Kana ndirini, handina kukurumidza kusakuteverai somufudzi, handina kushuva zuva renjodzi imwi munoziva; zvakabuda mumoromo mangu zvakanga zviri pamberi penyu.
16Fa izaho tsy nihifikifika niala tsy ho mpiandry manaraka Anao; Ary ny andro hihavian'ny loza dia tsy nohaikaiko, eny, fantatrao izany; Izay efa nivoaka tamin'ny molotro dia miharihary eo anatrehanao.
17Musava kwandiri chinhu chinotyisa; imwi muri hutiziro hwangu nezuva rezvakaipa.
17Enga anie ka tsy ho fampitahorana ahy Hianao! Aroko amin'ny andro fahoriana Hianao!
18Vanonditambudza ngavanyadziswe, asi ini ndirege kunyadziswa; ngavavhunduswe ivo, asi ini ndirege kuvhunduswa; uyisai kwavari zuva rezvakaipa, muvaparadze nokuparadza kwakapamhidzirwa.
18Aoka ho menatra izay manenjika ahy, fa izaho kosa aoka tsy mba ho menatra; Aoka hivadi-po ireo, fa izaho kosa aoka tsy mba hivadi-po; Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary ny fahatorotoroana roa heny no anorotoroy azy.
19Jehovha wakati kwandiri, Enda undomira musuwo ravana vavanhu, panopinda madzimambo aJudha, napavanobuda, napamasuwo ose eJerusaremu,
19[Ny amin'ny hanamasinana ny Sabata] Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Mandehana ka mitsangàna eo amin'ny vavahadim-bahoaka, dia ilay fandehanan'ny mpanjakan'ny Joda miditra sy mivoaka, ary eo amin'ny vavahady rehetra eto Jerosalema
20uti kwavari, Inzwai shoko raJehovha, imwi madzimambo aJudha, navaJudha vose, navose vagere Jerusaremu vanopinda napamasuwo awa.
20ka lazao amin'ny olona hoe: Henoinareo ny tenin'i Jehovah ry mpanjakan'ny Joda sy ry Joda rehetra ary ianareo mponina rehetra eto Jerosalema, izay miditra amin'ireto vavahady ireto.
21Zvanzi naJehovha, Zvichenjerei, murege kutakura mutoro nezuva resabata, kana kupinda nawo napamasuwo eJerusaremu,
21Izao no lazain'i Jehovah: Tandremo ny fanahinareo, ka aza mitondrantana amin'ny andro Sabata, ary aza mampiditra entana: amin'ny vavahadin'i Jerosalema;
22musabuda makatakura mutoro padzimba dzenyu nezuva resabata, kana kubate basa ripi neripi; asi mutsaure zuva resabata, sezvandakaraira madzibaba enyu.
22ary aza mitondra entana mivoaka avy amin'ny tranonareo amin'ny andro Sabata, na manao raharaha akory; fa hamasino ny andro Sabata araka izay efa nandidiako ny razanareo.
23Asi havana kuteerera, kana kurerekera nzeve dzavo; asi vakaomesa mitsipa yavo kuti varege kunzwa, varege kudzidziswa.
23Nefa tsy nihevitra izy, na nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony mba tsy hihaino na hino anatra.
24Zvino zvanzi naJehovha, Kana mukanyatsa kunditeerera, mukasapinda nomutoro napamasuwo eguta rino nezuva resabata, asi muchitsaura zuva resabata, musingabati basa ripi neripi naro;
24Ary raha mihaino Ahy tokoa ianareo hoy Jehovah, ka tsy mampiditra entana amin'ny vavahadin'ity tanàna ity amin'ny andro Sabata, ka tsy manao raharaha amin'izany,
25ipapo pachapinda napamasuwo eguta rino madzimambo namachinda anogara pachigaro choushe chaDhavhidhi, anofamba nengoro namabhiza, iwo namachinda awo, navarume vaJudha, navagere Jerusaremu; guta rino richavapo nokusingaperi.
25izay mpanjaka sy mpanapaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida dia hiditra amin'ny vavahadin'ity tanàna ity mitaingina kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka sy ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna ity.
26Vachabva kumaguta aJudha, napanzvimbo dzakapoteredza Jerusaremu, napanyika yaBhenjamini, napanyika yamapani, napanyika yamakomo, nokurutivi rwezasi, vachiuya nezvipiriso zvinopiswa, nezvibayiro, nezvipiriso zvohupfu, nezvinonhuhwira, vachiuya nezvokuvonga nazvo kuimba yaJehovha.
26Ary ho avy ny olona avy amin'ny tanànan'ny Joda sy ny manodidina an'i Jerosalema sy ny tanin'ny Benjamina sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany havoana ary ny tany atsimo ka hitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanatitra hohanina sy ditin-kazo mani-pofona ary hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon'i Jehovah.[Heb. Sefela]Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra amin'ny vavahadin'i Jerosalema ihany amin'ny andro Sabata, dia handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema.
27Asi kana mukaramba kunditeerera, mukaramba kutsaura zuva resabata, muchitakura mutoro muchipinda nawo napamasuwo eJerusaremu nezuva resabata, ipapo ndichabatidza moto pamasuwo aro, uchapedza dzimba dzamambo dzeJerusaremu usingazodzimwi.
27Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra amin'ny vavahadin'i Jerosalema ihany amin'ny andro Sabata, dia handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema.