1Zvanzi naJehovha, Burukira kumba kwamambo waJudha, undotaurapo shoko iri,
1[Anatra mafy noho ny faharatsian'ny mpanjakan'ny Joda] Izao no lazain'i Jehovah: Midina any amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe:
2uti, Inzwa shoko raJehovha, iwe mambo waJudha, ugere pachigaro choushe chaDhavhidhi,iwe navaranda vako, navanhu vako vanopinda napamasuwo awa.
2Henoy ny tenin'i Jehovah, ry mpanjakan'ny Joda, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin'ireto vavahady ireto:
3Zvanzi naJehovha, Tongai zvakarurama nezvakatendeka, murwire wakabirwa muruoko rwounomumanikidza;mutorwa, nenherera, nechirikadzi, regai kuvaitira zvisakarurama, regai kuvaitira nesimba; uye musateura ropa risina mhosva panzvimbo ino.
3Izao no lazain'i Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin'ny tanan'ny mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ary aza mandatsaka rà marina amin'ity fitoerana ity.
4nekuti kana muchiita chinhu ichi nomoyo wose, pamasuwo eimba iyi pachapinda madzimambo, achagara pachigaro choushe chaDhavhidhi, achifamba nengoro nokutasva mabhiza, iye navaranda vake navanhu vake.
4Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida hiditra amin'ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.
5Asi kana mukaramba kunzwa mashoko awa, ndinopika neni ndimene, kuti imba ino ichava dongo ndizvo zvinotaura Jehovha.
5Fa raha tsy hihaino izany teny izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako, hoy Jehovah, fa ho lao tokoa ity trano ity.
6nekuti zvanzi naJehovha, Uri Giriyadhi kwandiri, nomusoro weRebhanoni; asi zvirokwazvo ndichakuita renje, namaguta asingagarwi navanhu.
6Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an'i Gileada sy ny tampon'i Libanona amiko ianao, nefa hataoko tonga efitra sy tanàna tsy onenana.
7Ndichakugadzirira vaparadzi, mumwe nomumwe ane nhumbi dzake dzokurwa; vachatema misidhari yenyu inodikamwa, vachiikandira mumoto.
7Ary hanendry mpandrava hamely anao Aho, Izay samy hitondra ny fiadiany avy; Dia hokapain'ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.[heb. hanamasina]
8Marudzi mazhinji avanhu achapfuura napaguta rino, mumwe nomumwe uchati kunowokwake, Jehovha wakaitireiko guta rino guru zvakadaro?
8Ary firenena maro no handalo ity tanàna ity, ka samy hanao amin'ny namany avy hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao izao tamin'ity tanàna lehibe ity?
9Ipapo vachapindura, vachiti, nekuti vakasiya sungano yaJehovha, Mwari wavo, vakanamata vamwe vamwari, vachivashumira.
9Dia hovaliana hoe: Noho ny nahafoizany ny faneken'i Jehovah Andriamaniny sy ny nivavahany tamin'andriamani-kafa sy ny nanompoany ireny.
10Musachema wakafa, kana kumuwungudzira; asi mucheme kwazvo iye unoenda, nekuti haangadzokizve, kana kuonazve nyika yake yaakaberekerwa.
10Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko babo; Fa tsy hiverina intsony izy, na hahita ny tany nahaterahany.
11nekuti zvanzi naJehovha pamusoro paSharumi, mwanakomana waJosiya, mambo waJudha, wakabata ushe panzvimbo ino, Iye haangadzokeripozve;
11Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Saloma, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia ilay nanjaka nandimby an'i Josia rainy, saingy efa niala tamin'ity tany ity: Tsy hiverina atỳ intsony izy,
12asi kwaakatapirwa, ndiko kwaachandofirako; haangazoonizve nyika ino.
12Fa ho faty any amin'ny tany izay nitondrana azy ho babo ka tsy hahita ity tany ity intsony.
13Une nhamo iye unovaka imba yake nokusarurama, namakamuri ake okumusoro achiita zvisakarurama; unobatisa wokwake asingamupi chinhu, asingamupi mubayiro wokubata kwake;
13Lozan'izay manorina ny tranony amin'ny tsy rariny sy ny ati-tranony ambony amin'ny fitaka ka mampiasa maina ny namany, fa tsy mandoa ny karamany,
14iye, unoti, Ndichazvivakira imba huru namakamuri okumusoro akafara, achizviitira mahwindo; zvino yoitirwa denga romusidhari, ichizodzwa muti mutsvuku.
14Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy ati-trano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko mena.
15Ko ungabata ushe, zvaunotsvaka kupfuura vamwe nemisidhari here? Ko baba vako havana kudya nokumwa, vachiita , zvakarurama nezvakatendeka here? Ipapo vakagara nomufaro.
15Moa dia ho mpanjaka ianao, saingy ataonao be sedera noho ny an'ny sasany ny tranonao? Tsy efa nihinana sy nisotro va rainao sady nanao fitsarana sy fahamarinana? Tamin'izany dia nambinina izy.
16Vaitamba mhaka dzavarombo navanoshaiwa; ipapo vaiva nomufaro. Ko izvozvi hakuzi kundiziva here? Ndizvo zvinotaura Jehovha.
16Nitsara ny tenin'ny ory sy ny malahelo izy; Tamin'izany dia nambinina izy. Tsy izany va no fahalalana Ahy? hoy Jehovah.
17Asi meso ako nomoyo wako hazvirangariri zvimwe, asi kuchiva kwako nokuteura ropa risina mhosva, nokumanikidza, nokuita nesimba; kuti uzviite.
17Nefa tsy misy alehan'ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany sy ny fandatsahana rà marina ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny.
18Naizvozvo zvanzi naJehovha pamusoro paJehoiakimu mwanakomana waJosiya, mambo waJudha, Havangamuchemi, vachiti, Haiwa, munin'ina wangu! Kana, Haiwa, hanzvadzi! Havangachemi, vachiti, Haiwa, ishe! Kana, Haiwa, hukuru hwake!
18Ary noho izany dia izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda: Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny!
19Uchavigwa sokuvigwa kwembongoro, uchakweverwa nokurashwa kunze kwamasuwo eJerusaremu.
19Halevina toy ny fandevina boriky izy, ka hotaritarihina sy hariana any ivelan'ny vavahadin'i Jerosalema.
20Kwirai Rebhanoni, mudanidzire; danidzirai nenzwi renyu paBhashani; danidzirai muri paAbharimi; nekuti vadikani venyu vose vakaparadzwa.
20Miakara any Libanona, ka mitaraina; Dia asandrato any Basana ny feonao, ary mitaraina any Abarima; Fa ringana avokoa ireo tia anao.
21Ndakataura newe pakufara kwako; asi iwe wakati, Handidi kunzwa. Ndiwo wakange uri mutowo wako kubvira pahuduku hwako, kuti hauna kuteerera inzwi rangu.
21Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola nipetraka tsy nanana ahiahy; Nefa hoy ianao: Izaho tsy hihaino. Fanaonao hatry ny fony ianao mbola tanora ny tsy mihaino ny teniko.
22Mhepo ichaparadza vafudzi vako vose, navadikani vako vachatapwa, zvirokwazvo nenguva iyo uchanyadziswa nokukanganiswa nokuda kwezvakaipa zvako zvose.
22Ny mpitondra anao rehetra ho paohin'ny rivotra, ary ireo tia anao ho lasan-ko babo, eny, ho menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra.[Heb. mpiandry ondry]
23Haiwa, iwe, ugere Rebhanoni, unovaka dendere rako mumisidhari, uchanzwisisa hurombo kwazvo sei kana uchizowirwa nokurwadziwa, sokurwadziwa komukadzi unosurumuka!
23Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin'ny sedera, indrisy ny fisentoanao, raha iharan'ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka![Na: fahantranao]
24Nohupenyu hwangu ndizvo zvinotaura Jehovha kunyange Konia, mwanakomana waJehoiakimu, mambo waJudha, aiva chindori chokutsikisa nacho paruoko rwangu rworudyi, kunyange zvakadaro ndaikubvisa ipapo.
24Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, na dia ho peratra fanombohan-kase amin'ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao,
25Ndichakuisa muruoko rwavanotsvaka kukuuraya, nomuruoko rwaivo vaunotya, muruoko rwaNebhukadhirezari mambo weBhabhironi, nomumaoko avaKaradhea.
25Ka hatolotro eo an-tànan'izay mitady ny ainao sy eo an-tànan'izay atahoranao, dia eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo amin'ny tanan'ny Kaldeana.
26Iwe namai vako vakakubereka ndichakudzingirai kuneimwe nyika kwamusina kuberekerwa; ipapo muchandofirapo.
26Ary ianao sy ny reninao niteraka anao dia hariako any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo, ka any no hahafatesanareo.
27Asi kunyika kunopanga moyo yavo kudzokera, havangadzokeriko.
27Fa ny tany iriny hiverenana dia tsy hiverenany.
28Ko munhu uyu Konia mudziyo wakaputsika unozvidzwa here? Iye mudziyo usingafadzi munhu here? Vakadzingirweiko, iye navana vake, vakadzingirwa kunyika yavasingazivi?
28Moa ity lehilahy Jekonia ity dia vilany vingavingaina sy efa hotorotoroina ary fanaka tsy mahafinaritra va? Koa nahoana no nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin'ny tany tsy fantany?
29Iwe nyika, nyika, nyika, inzwa inzwi raJehovha.
29Ry tany! ry tany! ry tany! Henoy ny tenin'i Jehovah.Izao no lazain'i Jehovah Soratanareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin'ny androny; Fa tsy hisy amin'ny taranany izay hambinina Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, na hanapaka ao amin'ny Joda intsony
30Zvanzi naJehovha, Nyora kuti munhu uyu haana vana, munhu usingazofari pamazuva ake; nekuti hakuchina murume pakati pavana vake uchava nomufaro,uchagara pachigaro choushe chaDhavhidhi, achibata ushe hwaJudha,
30Izao no lazain'i Jehovah Soratanareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin'ny androny; Fa tsy hisy amin'ny taranany izay hambinina Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, na hanapaka ao amin'ny Joda intsony