1Zvino awa ndiwo mashoko orugwaro rwakatumwa nomuporofita Jeremiya ari paJerusaremu kuvakuru vakanga vasara kuna vakatapwa, nokuvapristi nokuvaporofita, nokuvanhu vose, vakanga vakatapwa paJerusaremu naNebhukadhinezari, vakaiswa Bhabhironi,
1[Taratasy nampitondrain'i Jeremia ho any amin'ny babo tany Babylona] Ary izao no fitenin'ny taratasy izay nampitondrain'i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema ho any amin'ny sisa amin'ny loholona voababo sy ho amin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, izay nobaboin'i Nebokadnezara ka nentiny avy tany Jerosalema ho any Babylona
2Shure kokubva paJerusaremu kwamambo Jekonia, namai vake, navaranda, namachinda aJudha neeJerusaremu, navavezi, navapfuri,
2(rehefa lasa niala tany Jerosalema Jekonia mpanjaka sy ny reniny sy ny tandapa sy ny mpanapaka ny Joda sy Jerosalema mbamin'ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy),
3noruoko rwaErasa, mwanakomana waShafani, naGemaria, mwanakomana waHirikia, vakanga vatumwa Bhabhironi naZedhekia mambo waJudha kuna Nebhukadhinezari mambo weBhabhironi, achiti,
3dia ilay teny nampitondrainy an'i Elasa, zanak'i Safana, sy Gemaria, zanak'i Hilkia, izay nirahin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho any Babylona, ho any amin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao hoe:
4Zvanzi naJehovha wehondo, Mwari waIsiraeri, kuna vose vakatapwa, vandakatapisa Jerusaremu vaiswe Bhabhironi.
4Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny babo rehetra izay natolotro ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona:
5Zvivakirei dzimba, mugaremo; simai minda, mudye zvibereko zvayo;
5Manaova trano ianareo, ka mitoera aminy; ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra avy aminy.
6wanai vakadzi, mubereke vanakomana navanasikana; wanisai vanakomana venyu vakadzi, navanasikana venyu muvaise kuvarume, kuti vabereke vanakomana navanasikana, muwandeko, murege kutapudzwa.
6Manambadia, ka miteraha zazalahy sy zazavavy; analao vady ny zanakalahinareo, ary ampanambadio ny zanakavavinareo, mba hiterahany zazalahy sy zazavavy, ka hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy.
7Mutsvake rugare rweguta kwandakakutapisai, murinyengeterere kuna Jehovha; nekuti norugare rwaro imwi muchava norugarewo.
7Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo.
8nekuti zvanzi naJehovha wehondo, Mwari waIsiraeri, Vaporofita venyu, vari pakati penyu, navauki venyu, ngavarege kukunyengerai; regai kuteerera kurota kwenyu kwamunoroteswa.
8Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aza mety hofitahin'ny mpaminaninareo sy ny mpanao fankatovanareo, izay ao aminareo, ary aza mino ny nofinareo izay nofisinareo.[Na: izay nampanonofisinareo]
9nekuti vanokuporofitirai nhema nezita rangu, ini handina kuvatuma, ndizvo zvinotaura Jehovha.
9Fa lainga no vinaniny aminareo amin'ny anarako; tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah.
10nekuti zvanzi naJehovha, Kana makore makumi manomwe aperera Bhabhironi, ndichakushanyirai, nokukusimbisirai shoko rangu rakanaka, ndichikudzoserai kunzvimbo ino.
10Fa izao no lazain'i Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin'i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin'ity tany ity ianareo.
11nekuti ndinoziva ndangariro dzandinorangarira pamusoro penyu, ndizvo zvinotaura Jehovha, ndangariro dzorugare, dzisati dziri dzezvakaipa, kuti ndikupei mugumo une tariro.
11Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.[Heb. farany sy fanantenana]
12Muchadana kwandiri, muchandonyengetera kwandiri, neni ndichakunzwai.
12Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.
13Muchanditsvaka, mukandiwana, kana muchinditsvaka nomoyo wenyu wose.
13Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.
14Ndichawanikwa nemi, ndizvo zvinotaura Jehovha, ndichakudzosai pakutapwa kwenyu, nokukuunganidzai kumarudzi ose, nokunzvimbo dzose kwandakanga ndakudzingirai, ndizvo zvinotaura Jehovha; ndichakudzoseraizve kunzvimbo kwandakanga ndakutapisai.
14Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah; ary hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka hangoniko avy any amin'ny firenena rehetra sy avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako anareo, hoy Jehovah, ka hampodiko ho any amin'ilay tany efa nanolorako anareo hobaboina.
15Zvamakati, Jehovha wakatimutsira vaporofita paBhabhironi;
15Fa hoy ianareo: Jehovah nanangana mpaminany ho anay eto Babylona.
16zvanzi naJehovha pamusoro pamambo ugere pachigaro choushe chaDhavhidhi, napamusoro pavanhu vose vagere muguta rino, idzo hama dzenyu dzisina kuenda nemwi pakutapwa kwenyu;
16Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny amin'ny vahoaka rehetra izay monina amin'ity tanàna ity, dia ny rahalahinareo izay tsy mba lasan-ko babo niaraka taminareo.
17zvanzi naJehovha wehondo, Tarirai, ndichatuma pamusoro pavo munondo, nenzara, nehosha yakaipa, ndichavaita samaonde akaipa kwazvo, asingabviri kudyiwa nokuipa kwawo.
17izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana, ka hataoko toy ny aviavy ratsy dia ratsy izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy.
18Ndichateverera nomunondo, nenzara, nehosha yakaipa; ndichavaita chinhu chinotyisa ushe hwose bwenyika, vave chinhu chinotukwa, nechishamiso, nechinoridzirwa muridzo, nechinoshoorwa pakati pamarudzi ose kwandakavadzingira;
18Ary henjehiko amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, ho fanozonana sy figagana sy zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an'ny firenena izay nandroahako, azy[Na: ho fampangovitana]
19zvavasina kuteerera mashoko angu, ndizvo zvinotaura Jehovha, andakatuma kwavari navaranda vangu vaporofita, ndichimuka mangwanani ndichivatuma; asi makaramba kuteerera, ndizvo zvinotaura Jehovha.
19noho ny tsy nihainoany ny teniko, hoy Jehovah, izay nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko ho any aminy, teny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy, nefa tsy nihaino ianareo, hoy Jehovah.
20Naizvozvo chinzwai shoko raJehovha, imwi mose makatapwa, vandakadzinga paJerusaremu ndikavaisa Bhabhironi.
20Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo babo rehetra izay nesoriko tany Jerosalema ho atỳ Babylona.
21Zvanzi naJehovha wehondo, Mwari waIsiraeri, pamusoro paAhabhi mwanakomana waKoraia, napamusoro paZedhekia mwanakomana waMaaseia, vanokuporofitirai nhema nezita rangu, Tarirai, ndinovaisa muruoko rwaNebhukadhirezari mambo weBhabhironi; iye uchavauraya pamberi penyu;
21Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'i Ahaba, zanak'i Kolaia, sy ny amin'i Zedekia, zanak'i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo amin'ny anarako: Indro, hatolotro eo an-tanan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izy, ka dia hovonoiny eo imasonareo.
22vatapwa vose vaJudha, vari Bhabhironi, vachatora kwavari shoko rokutuka naro, vachiti, Jehovha akuite saZedhekia uye saAhabhi, vakagochwa pamoto namambo weBhabhironi.
22Ary izy roa lahy dia hataon'ny babo rehetra amin'ny Joda izay any Babylona ho fanozonana hoe: Hataon'i Jehovah tahaka an'i Zedekia sy Ahaba, izay nodoran'ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny afo, anie ianao,
23nekuti vakaita nohupenzi pakati paIsiraeri, vakaita hupombwe navakadzi vovokwavo, vakareva mashoko enhema nezita rangu, andisina kuvaraira; ini ndini ndinoziva, ndini chapupu, ndizvo zvinotaura Jehovha.
23noho ny nanaovany izay fady indrindra tao amin'ny Isiraely sy ny nijangajangany tamin'ny vadin'ny namany ary ny nitenenany lainga tamin'ny anarako, izay tsy nandidiako azy; Izaho no mahalala, ka ho vavolombelona Aho, hoy Jehovah.[Heb; fahadalana]
24Zvino kuna Shemaia muNeheramite, unofanira kutaura uchiti,
24Ary Semaia Nehelamita dia hilazanao hoe:
25Zvanzi naJehovha wehondo, Mwari waIsiraeri, Zvawakatuma magwaro nezita rako kuvanhu vose vari paJerusaremu, nokuna Zefaniya mwanakomana womupristi Maaseia, nokuvapristi vose, uchiti,
25Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nampitondranao taratasy tamin'ny anaranao ho amin'ny vahoaka rehetra izay any Jerosalema sy amin'i Zefania mpisorona, zanak'i Mahaseia, ary amin'ny mpisorona rehetra hafa koa nanao hoe:
26Jehovha wakakuita mupristi panzvimbo yomupristi Jehoiadha, kuti mumba maJehovha muve navatariri, kuti asunge mumatanda namaketani mumwe nomumwe unopenga, achizviita muporofita.
26Jehovah efa nanao anao ho mpisorona ho solon'i Joiada mpisorona, mba hanendry izay ho mpiandraikitra ny tranon'i Jehovah, hisakana izay rehetra very saina sy manao azy ho mpaminany, ka dia hasianao boloky hazo ny vozony sy ny tongony;
27Ko zvino wakaregerei kutuka Jeremiya weAnatoti, unozviita muporofita pamberi penyu,
27koa nahoana ianao no tsy nananatra mafy an'i Jeremia avy any Anatota, izay manao azy ho mpaminany aminareo?
28zvaakatuma shoko kwatiri paBhabhironi, achiti, Nguva irefu, vakai dzimba mugaremo; simai minda, mudye zvibereko zvayo?
28Fa naniraka ho aminay any Babylona izy nanao hoe: Mbola haharitra ela izao, koa manaova trano ianareo, dia mitoera aminy, ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra aminy.
29Zvino mupristi Zefaniya akaravira muporofita Jeremiya rugwaro urwu.
29Ary Zefania mpisorona namaky izany taratasy izany teo anatrehan'i Jeremia mpaminany.
30Ipapo shoko raJehovha rakauya kuna Jeremiya, richiti,
30Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
31Tumira vakatapwa vose shoko rinoti, Zvanzi naJehovha pamusoro paShemaia muNeheramiti, Shemaia zvaakakuporofitirai, ini ndisina kumutuma, akakutendisai nhema,
31Maniraha ho any amin'ny babo rehetra, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Semaia Nehelamita: Noho ny naminanian'i Semaia taminareo, kanefa tsy nirahiko izy tsinona, fa nampitoky anareo tamin'ny laingadia izao no lazain'i Jehovah: Indro, efa hamaly an'i Semaia Nehelamita sy ny taranany Aho: tsy hanana zanakalahy honina amin'ity firenena ity izy sady tsy hanam-pifaliana amin'ny hahitana ny soa izay hataoko amin'ny oloko, hoy Jehovah, satria fiodinana tamin'i Jehovah no notoriny.
32naizvozvo zvanzi naJehovha, Tarirai, ndicharova Shemaia muNeheramiti, navana vake; haangavi nomunhu ungagara pakati pavanhu ava, uye haangaoni zvakanaka zvandichaitira vanhu vangu ndizvo zvinotaura Jehovha nekuti wakataura zvinomukira Jehovha.
32dia izao no lazain'i Jehovah: Indro, efa hamaly an'i Semaia Nehelamita sy ny taranany Aho: tsy hanana zanakalahy honina amin'ity firenena ity izy sady tsy hanam-pifaliana amin'ny hahitana ny soa izay hataoko amin'ny oloko, hoy Jehovah, satria fiodinana tamin'i Jehovah no notoriny.