Shona

Malagasy

Jeremiah

33

1Zvino shoko raJehovha rakasvikazve rwechipiri kuna Jeremiya, achakapfigirwa muruvazhe rwavarindi, richiti,
1[Teny anankiray koa ny amin'ny mbola hampodiana sy ny Isiraely sy ny voninahitra mbola ho azony] Ary tonga fanindroany tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, raha mbola voahazona teo an-kianjan'ny trano fiambenana ihany izy, nanao hoe:
2Zvanzi naJehovha, iye unozviita, iye Jehovha unozviumba nokuzvisimbisa, Jehovha ndiro zita rake,
2Izao no lazain'i Jehovah, Mpanao izany, dia Jehovah Izay namorona izany mba hampitoetra azy; Jehovah no anarany;
3Danai kwandiri, ndichakupindurai, ndichakuratidzai zvinhu zvikuru zvakavanzika, zvamusingazivi.
3Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
4nekuti zvanzi naJehovha Mwari waIsiraeri pamusoro pedzimba dzeguta rino, napamusoro pedzimba dzamadzimambo aJudha, dzakakoromorwa kuzorwa nemirwi yokurwa neminondo,
4Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely; Ny amin'ny trano amin'ity tanàna ity sy ny amin'ny lapan'ny mpanjakan'ny Joda, izay noravana noho ny tovon-tany sy ny sabatra,
5Vanouya havo kuzorwa navaKaradhea, asi vanongodzizadza nezvitunha zvavanhu vandakauraya nokutsamwa kwangu nehasha dzangu, ndikavanzira guta rino chiso changu nokuda kokuipa kwavo kose.
5Raha mandroso hiady amin'ny Kaldeana izy ka mameno ny trano amin'ny fatin'olona, izay novonoiko tamin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako, sady nanafenako ny tavako tamin'ity tanàna ity noho ny faharatsiany rehetra:
6Tarirai, ndichavavigira mufaro pamuviri nokupora, ini ndichavaporesa; ndichavaratidza rugare rwakawanda nezvokwadi yakawanda.
6Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren'ny fiadanana sy ny fahamarinana.
7Ndichadzosa kutapwa kwaJudha nokutapwa kwalsiraeri, ndichavavaka sapakutanga.
7Ary ny Joda sy ny Isiraely dia hampodiko avy amin'ny fahababoany, ka haoriko ho toy ny taloha izy.
8Ndichavanatsa pazvakaipa zvavo zvose zvavakanditadzira nazvo, ndichakangamwira zvakaipa zvavo zvose zvavakanditadzira nazvo, nezvavakandidarikira nazvo.
8Ary hodioviko ho afaka amin'ny helony rehetra izy, izay nanotany tamiko; Ka havelako ny helony rehetra, izay nanotany sy niodinany tamiko.
9Guta rino richava kwandiri mbiri yomufaro, nokurumbidzwa nokukudzwa, pamberi pamarudzi ose enyika, achanzwa zvakanaka zvose zvandichavaitira; vachatya nokudedera pamusoro pezvakanaka zvose norugare rwose zvandicharivigira.
9Ary ho anarana mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, izay handre ny soa rehetra ataoko aminy; Dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy.
10Zvanzi naJehovha, Panzvimbo yamunoti yakaparadzwa, haina vanhu kana zvipfuwo, imo mumaguta aJudha, nomunzira dzomuJerusaremu, mangova nedongo, musina vanhu vageremo, kana zvipfuwo, pachanzwikwazve
10Izao no lazain'i Jehovah: Mbola ho re indray eto amin'ity tany ity, izay ataonareo hoe Rava, ka tsy misy olona na biby fiompy intsony dia eto amin'ny tanànan'ny Joda sy ao amin'ny lalamben'i Jerosalema izay efa lao, ka tsy misy olona na mponina na biby fiompy
11inzwi romufaro nokufarisisa, inzwi rechikomba nenzwi romwenga, nenzwi ravanoti, Vongai Jehovha wehondo, nekuti Jehovha wakanaka, nekuti tsitsi dzake dziripo nokusingaperi; uye neravanouya nezvipiriso zvokuvonga mumba maJehovha. nekuti ndichadzosa kutapwa kwenyika zvive sapakutanga ndizvo zvinotaura Jehovha.
11Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina ary ny feon'izay manao hoe: Miderà an'i Jehovah, Tompon'ny maro, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon'i Jehovah; Fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany, hoy Jehovah.[Heb. hampodiko avy amin'ny fahababoana]
12Zvanzi naJehovha wehondo, Panzvimbo ino yakaparadzwa, isina vanhu kana zvipfuwo, napamaguta aripo, pachavazve namafuro avafudzi, vanovatisa makwai avo pasi.
12Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Eto amin'ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity sy amin'ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan'ny mpiandry ondry hampandriany ny ondry aman'osiny,
13Mumaguta enyika yamakomo, mumaguta amapani, mumaguta orutivi rwezasi, napanyika yaBhenjamini, napanzvimbo dzakapoteredza Jerusaremu, nomumaguta aJudha, makwai achapfuurazve pasi poruoko rwounowaverenga, ndizvo zvinotaura Jehovha.
13Dia amin'ny tanàna any amin'ny tany havoana sy amin'ny tanàna any amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka, ary amin'ny tanana any amin'ny tany atsimo sy amin'ny tanin'ny Benjamina sy amin'ny manodidina an'i Jerosalema ary amin'ny tanànan'ny Joda, ary ny ondry aman'osy mbola handroso araka ny fitondran'ny mpanisa azy, hoy Jehovah.
14Tarirai, mazuva anouya, ndizvo zvinotaura Jehovha, andichaita shoko iro rakanaka randakataura pamusoro peimba yaIsiraeri napamusoro peimba yaJudha.
14Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanatanterahako ny teny soa, izay nolazaiko ny amin'ny aranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda.
15Namazuva iwayo, nenguva iyo, ndichamedzera Dhavhidhi davi rokururama; iye ucharuramisira vanhu nokuita zvakarurama panyika.
15Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany dia hampaniry Rantsana marina ho an'i Davida Aho; Ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin'ny tany Izy.[Na: Solofo]
16Namazuva iwayo Judha vachaponeswa, Jerusaremu richagara rakachengetwa; zita rarichatumidzwa ndireri, Jehovha ndiye kururama kwedu.
16Amin'izany andro izany dia hovonjena ny Joda, ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana azy: Jehovah Fahamarinantsika.
17nekuti zvanzi naJehovha, Dhavhidhi haangatongoshaiwi munhu unogara pachigaro choushe cheimba yaIsiraeri;
17Fa izao no lazain'i Jehovah: Davida tsy ho diso zanakalahy Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny taranak'Isiraely;
18navapristi vaRevhi havangashaiwi munhu pamberi pangu ungapisa zvipiriso zvinopiswa nokupisa zvipiriso zvoupfu, nokugara achibayira.
18Ary ny Levita mpisorona tsy ho diso zanakalahy ho eo anatrehako, Mba hanaterany mandrakariva fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary fanatitra hafa alatsa-drà.[Na: sy handoroany fanatitra hohanina]
19Zvino shoko raJehovha rakasvika kuna Jeremiya, richiti,
19Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
20Zvanzi naJehovha, Kana mungagona kuputsa sungano yangu yamasikati nesungano yangu yousiku, kukarega kuva namasikati novusiku nenguva yazvo;
20Izao no lazain'i Jehovah: Raha mahafoana ny fanekeko ny amin'ny andro sy ny fanekeko ny amin'ny alina ianareo, mba tsy hisy andro sy alina amin'ny fotoany,
21ipapo sungano yangu naDhavhidhi muranda wangu ingaputswawo, akasava nomwanakomana ungabata ushe pachigaro chake choushe; saizvozvowo navaRevhi, vapristi, vashumiri vangu.
21Dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin'i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin'ny seza fiandrianany, sy ny amin'ny Levita mpisorona, mpanompoko.
22Hondo yokudenga sezvaisingabviri kuverengwa, kana jecha regungwa kuyerwa, saizvozvo ndichawanza vana vaDhavhidhi muranda wangu, navaRevhi vanondishumira.
22Toy ny hamaroan'ny kintana eny amin'ny lanitra, izay tsy azo isaina, ary toy ny fasika any amin'ny ranomasina, izay tsy azo afàtra, dia toy izany no hanamaroako ny taranak'i Davida mpanompoko sy ny Levita, izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy.
23Ipapo shoko raJehovha rakasvika kuna Jeremiya, richiti,
23Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
24Haurangariri zvakataurwa navanhu ava, zvavakati, Marudzi maviri akatsaurwa naJehovha, akarashwa naye? Saizvozvo vanozvidza vanhu vangu, vachiti havachiri rudzi pamberi pavo.
24Tsy hitanao va izay nolazain'ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin'i Jehovah dia efa nariany; Toy izany no anamavoany ny oloko, ka dia tsy vanon-ko firenena eo imasony intsony izy.
25Zvanzi naJehovha, Kana sungano yangu yamasikati novusiku isipo, kana ndisina kutemera denga napasi mirairo;
25Izao no lazain'i Jehovah: Raha tsy amin'ny andro sy ny alina ny fanekeko, ary raha tsy notendreko ny lalàna fitondrana ny lanitra sy ny tany,Dia hariako ny taranak'i Jakoba sy Davida mpanompoko, ka ny taranany tsy mba hanalako ho mpanapaka ny taranak'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; Fa hampodiko avy amin'ny fahababoana izy ka hamindrako fo.
26ipapo ndicharashawo vana vaJakove, navaDhavhidhi muranda wangu, kuti ndirege kutora vamwe vavana vake vave vabati vavana vaAbhurahamu nalsaka naJakove; nekuti ndichadzosa kutapwa kwavo nokuvanzwira nyasha.
26Dia hariako ny taranak'i Jakoba sy Davida mpanompoko, ka ny taranany tsy mba hanalako ho mpanapaka ny taranak'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; Fa hampodiko avy amin'ny fahababoana izy ka hamindrako fo.