1Zvino Jeremiya wakati apedza kuudza vanhu mashoko ose aJehovha Mwari wavo, aakanga atumwa nawo kwavari naJehovha Mwari wavo, iwo mashoko awa ose,
1[Ny nandosiran'ny olona nankany Egypta, sy ny teny nampilazain'Andriamanitra ny amin'ny handresen'ny Kaldeana an'i Egypta] Ary rehefa tapitra voalazan'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra izany teny rehetra avy tamin'i Jehovah Andriamaniny izany, izay nanirahan'i Jehovah Andriamanitra azy holazaina aminy,
2ipapo Azaria mwanakomana waHoshaia, naJohwanani mwanakomana waKarea, navarume vose, vaizvikudza, vakataura vachiti, kuna Jeremiya, Unoreva nhema, Jehovha Mwari wedu haana kukutuma kuzoti, Musaenda Egipita kundogarapo muri vatorwa;
2dia niteny Azaria, zanak'i Hosaia, sy Johanana, zanak'i Karea, mbamin'ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin'i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao Jehovah Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta;
3asi Bharuki mwanakomana waNeria ndiye unokumutsa pamusoro pedu, kuti tiiswe mumaoko avaKaradhea, kuti vatiuraye nokutitapira Bhabhironi.
3fa Baroka, zanak'i Neria, no nanome fo anao hamely anay mba hanolotra anay ho eo an-tànan'ny Kaldeana hahafaty anay sy hahalasa anay ho babo any Babylona.
4Naizvozvo Johwanani mwanakomana waKarea, navakuru vose vehondo, navanhu vose, havana kuteerera inzwi raJehovha, kuti vagare munyika yaJudha.
4Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia tsy nihaino ny feon'i Jehovah ny amin'ny honenany ao amin'ny tanin'ny Joda.
5Asi Johwanani mwanakomana waKarea, navakuru vose vehondo, vakatora vose vakasara vaJudha, vakanga vadzoka kumarudzi ose kwavakadzingirwa, vachida kugara vari vatorwa munyika yaJudha,
5Fa Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra dia nitondra ny sisa rehetra tamin'ny Joda, izay niverina avy tany amin'ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao amin'ny tanin'ny Joda,
6vaiti, varume navakadzi navana navakunda vamambo nomunhu upi noupi akanga asiiwa naNebhuzaradhani mukuru wavarindi kuna Gedharia mwanakomana waAhikami, mwanakomana waShafani, pamwechete naJeremiya muporofita, naBharuki mwanakomana waNeria,
6dia ny lehilahy sy ny zaza amim-behivavy sy ny vehivavy zanak'andriana ary ny olona rehetra izay navelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, sy tao amin'i Jeremia mpaminany sy Baroka, zanak'i Neria
7vakandosvika kunyika yeEgipita; nekuti havana kuteerera inzwi raJehovha; vakandosvika Tapanesi.
7ka dia nankany amin'ny tany Egypta izy ireny, fa tsy nihaino ny feon'i Jehovah, ary dia tonga hatrany Tapanesa.
8Ipapo shoko raJehovha rakasvika kuna Jeremiya paTapanesi, richiti,
8Dia tonga tamin'i Jeremia tao Tapanesa ny tenin'i Jehovah hoe:
9Tora mabwe makuru muruoko rwako, uavige muvhu pakati pezvitina, pavanopinda napo paimba yaFarao paTapanesi, vanhu vose vaJudha vachizviona;
9Mitondrà vato lehibe eny an-tananao, ka afeno ao amin'ny feta ao amin'ny gorodona taila, izay eo akaikin'ny vavahady amin'ny tranon'i Farao ao Tapanesa, eo imason'ny lehilahy amin'ny Joda,
10ugoti kwavari, Zvanzi naJehovha wehondo, mwari walsiraeri, Tarirai, ndichatuma shoko kundotora Nebhukadhirezari mambo weBhabhironi, muranda wangu, ndiise chigaro chake choushe pamusoro pamabwe awa andakaviga; uchawarira pamusoro pawo jira rake rinobwinya.
10ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro Aho haniraka haka an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko, ka haoriko amin'ireto vato nafeniko ireto ny seza fiandrianany; ary hamelatra ny lambany tsara tarehy hatao alokaloka eo amboniny izy.
11Uchauya achirova nyika yeEgipita; vakafanira rufu vachaiswa kurufu, vakafanira kutapwa vachaiswa kukutapwa, vakafanira munondo vachaiswa kumunondo.
11Eny, ho avy izy hamely ny tany Egypta, ka izay ho amin'ny areti-mandringana dia ho amin'ny areti-mandringana, ary izay ho amin'ny fahababoana dia ho amin'ny fahababoana, ary izay ho amin'ny sabatra dia ho amin'ny sabatra.
12Ndichabatidza moto mudzimba dzavamwari veEgipita; uchadzipisa nokuvatapa; uchafuka nyika yeEgipita somufudzi unofuka nguvo yake, uchabvapo norugare.
12Ary handrehitra afo ao amin'ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta Aho, ka dia hodorany sy hobaboiny ireo, ary hitafy ny tany Egypta izy toy ny fitafin'ny mpiandry ondry ny lambany; ary hiala any amin'ny fiadanana izy.Ary hotorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin'ny tany Egypta; ary hodorany amin'ny afo ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta.
13Uchaputsawo shongwe dzeBhetishemeshi, riri munyika yeEgipita; dzimba dzavamwari veEgipita uchadzipisa nomoto.
13Ary hotorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin'ny tany Egypta; ary hodorany amin'ny afo ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta.