Shona

Malagasy

Jeremiah

46

1Shoko raJehovha, rakasvika kumuporofita Jeremiya pamusoro pamarudzi.
1Ny tenin'i Jehovah Izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny jentilisa.
2Pamusoro peEgipita; pamusoro pehondo yaFaraoneko mambo weEgipita, yakanga iri parwizi Yufuratesi paKarikemishi, yakakundwa naNebhukadhirezari mambo weBhabhironi negore rechina raJehoiakimu mwanakomana waJosiya, mambo waJudha.
2[Faminaniana ny amin'i Egypta] Ny amin'i Egypta. Ny amin'ny miaramilan'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, izay teny amoron'ny ony Eofrata, tany Karkemisy, dia ilay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda:
3Gadzirai nhovo duku nenhovo huru, muswedere kunorwiwa.
3Mitaova amin'ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, ka mandrosoa hiady;
4Sungai mabhiza, kwirai imwi vatasvi mumire makadzika ngowani dzenyu; rodzai mapfumo, pfekai nguvo dzamatare.
4Fehezo amin'ny kalesy ny soavaly, ary itaingeno ny soavaly fitaingina; Mijoroa tsara ianareo, ka samia misatroka fiarovan-doha; Fotsio ny lefona, miakanjoa ny akanjo fiarovan-tena.
5Ndakazviwonereiko? Vakanganiswa, vadzokera shure; mhare dzavo dzakundwa, dzatiza, hadzicheukiri shure, kutya kuri pamativi ose, ndizvo zvinotaura Jehovha.
5Indrisy ny ahitako azy! raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka, sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; Fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy Jehovah.
6Vanomhanyisa ngavarege kutiza, mhare ngadzirege kupukunyuka; kurutivi rwokumusoro, parwizi rwaYufuratesi, vakagumburwa vakawira pasi.
6Tsy ho afa-mandositra ny haingan-tongotra, na ho afaka ny mahery; Any avaratra eo amoron'ny ony Eofrata no hahatafintohina sy hahalavo azy.
7Ndianiko uyo unokwira sorwizi rwaNairi, mvura yarwo inotamba senzizi?
7Iza moa izato mizotra tahaka an'i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano
8Egipita rinokwira saNairi, mvura yarwo inotamba senzizi; rinoti, Ndichakwira, ndichafukidza nyika, ndichaparadza maguta navageremo.
8Egypta mizotra tahaka an'i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano, ary hoy izy: Hizotra aho ka hanafotra ny tany; Haringako ny tanàna sy ny mponina ao aminy.
9Kwirai, imwi mabhiza, fambisai imwi ngoro, mhare ngadzibude, vanoti, Kushi naPuti vanoshonga nhovo, navaRudhi vanobata nokuwembura huta.
9Miakara, ianareo soavaly, ary miriota toy ny adala, ianareo kalesy; Ary aoka hivoaka ny lehilahy mahery, dia ny Etiopiana sy ny Libyana, izay mitana ampinga, ary ny Lydiana, izay mitana sy manenjana tsipìka.[Heb. Pota][Heb. Loda]
10nekuti zuva iro izuva raShe, Jehovha wehondo, zuva rokutsiva kuti azvitsivire vadzivisi vake; munondo uchadya nokuguta, uchamwa ropa ravo ukaguta, nekuti Ishe, Jehovha wehondo, unechibayiro chake kunyika yokumusoro parwizi rwaYufuratesi.
10Fa izao andro izao dia an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony; Ary ny sabatra hihinana ka ho voky sy ho mamon'ny ran'ireo; Fa ny Tompo, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no mamono zavatra hatao fanatitra any amin'ny tany avaratra ao amoron'ny ony Eofrata.
11Kwira uende Giriyadhi, undotorako muti webharisami, iwe mhandara, mukunda weEgipita; wawanza mishonga mizhinji isina maturo, hauporeswi.
11Miakara any Gileada, ka makà balsama, ry Egypta zanakavavy virijina; Foana ny nanaovanao fanafody maro, fa tsy manana plasitera hapetaka amin'ny ferinao ianao,
12Marudzi akanzwa zvokunyadziswa kwako, nyika izere nokuchema kwako; nekuti mhare dzakabonderana nemhare, vose vaviri vakawira pasi.
12Efa ren'ny firenena ny henatrao, ary ny fiantsoantsoanao nanenika ny tany; fa mifandona ny samy mahery, ka miara-davo izy roa tonta.
13Shoko, rakaudzwa muporofita Jeremiya naJehovha, richireva muuyire waNebhukadhirezari mambo weBhabhironi nomukundire wake nyika yeEgipita.
13Ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny hihavian'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, hamely ny tany Egypta.
14Paridzirai paEgipita, zivisai paMigidhori, zivisai paNofi napaTapanesi, muti, Simukai muzvigadzire, nekuti munondo wakadya zviri kumativi ako ose.
14Ambaraonareo any Egypta, ary torio any Migdola, eny, torio any Memfisa sy Tapanesa, ka ataovy hoe: Mijoroa tsara ianao, ka miomàna; Fa mandringana manodidina anao ny sabatra.
15Mhare dzako dzakabviswa neiko? Havana kumira, nekuti Jehovha wakavadzinga.
15Nahoana no voapaoka ny maherinao? Tsy nahafahatra izy, satria Jehovah no nandroaka azy.
16Wakagumbusa vazhinji, zvirokwazvo mumwe wakawira pamusoro pomumwe; vakati, Simukai, tiendezve kuvanhu vedu, nokunyika kwatakaberekerwa, titize munondo unomanikidza.
16Efa nahatafintohina ny maro Izy, ka lavo mifanindry ireo; Dia hoy ireo: Mitsangàna, ka andeha isika hiverina ho any amin'ny firenentsika sy ho any amin'ny tany nahaterahantsika ho afaka amin'ny sabatra mandoza,
17Vakadanidzirako, vachiti, Farao mambo weEgipita iguhu zvaro, wakarega nguva yakatarwa ichipfuura.
17Nitaraina tany izy hoe: Tabataba foana Farao, mpanjakan'i Egypta, efa nandiso ny fotoana izy.
18Nohupenyu hwangu, ndizvo zvinotaura mambo une zita rinonzi Jehovha wehondo, Zvirokwazvo uchauya akaita seTabhori pakati pamakomo, uye seKarimeri pagungwa.
18Raha velona koa Aho, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany: Tahaka an'i Tabara amin'ny tendrombohitra, sy tahaka an'i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho tahaka izany no hihaviany.
19Iwe mukunda unogara Egipita, zvigadzirire kutapwa, nekuti Nofi richaitwa dongo, richapiswa, risina unogaramo.
19Ry Egypta zanakavavy mponina, Mifeheza entana ho entinao any amin'ny fahababoana; Fa ho tonga tany lao Memfisa, eny, hodorana izy, ka tsy hisy mponina.
20Egipita imhorombe yakaisvonaka, asi vuvu rinobva kurutivi rwokumusoro rasvika, rasvika.
20Egypta dia tahaka ny ombivavy kely tsara tarehy dia tsara tarehy; Fa injay! tamy, eny, tamy ny fihitra avy any avaratra!
21Navanhu varo vanoripirwa, vari mukati maro, vakafanana nemhuru dzomudanga, nekuti naivo vakadzoka, vakatiza pamwechete, havana kumira; nekuti zuva renjodzi yavo rakauya pamusoro pavo, iyo nguva yokurohwa kwavo.
21Na dia ny olona karamaina ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodina ka samy mandositra avokoa; Tsy mahajanona izy, fa efa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.
22Mubvumo waro uchava sowenyoka, nekuti vachafamba nehondo, vachandorwa navo namatemo, savatemi vemiti.
22Ny feony dia toy ny fikasaotsaoky ny menarana mandeha; Fa mandeha hitondra miaramila izy ka avy hamely azy amin'ny famaky toy ny mpikapa hazo.
23Vachatema dondo raro, ndizvo zvinotaura Jehovha, nekuti havanganzverwi, nekuti vakawanda kupfuura mhashu, havangaverengwi.
23Kapainy ny alany, hoy Jehovah, satria efa nikirindro loatra; Fa maro noho ny valala izy ka tsy tambo isaina.
24Mukunda weEgipita uchanyadziswa, uchaiswa mumaoko avanhu vanobva kurutivi rwokumusoro.
24Ho afa-baraka Egypta zanakavavy, Hatolotra eo an-tànan'ny olona any avaratra izy.
25Jehovha wehondo, Mwari waIsiraeri, unoti, Tarirai, ndicharova Amoni weNo, naFarao, neEgipita navamwari varo, namadzimambo aro, iye Farao navose vanovimba naye.
25Ary hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely; Indro, hovaliako Amona avy any Nô Ary Farao sy Egypta mbamin'ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia Farao sy izay rehetra matoky azy;
26Ndichavaisa mumaoko avanotsvaka kuvauraya, nomumaoko aNebhukadhirezari mambo weBhabhironi, nomumaoko avaranda vake; zvino pashure richagarwa, sapamazuva akare ndizvo zvinotaura Jehovha.
26Ary hatolotro eo an-tànan'izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo an-tànan'ny mpanompony; Ary aorian'izany, dia handry fahizay toy ny tamin'ny andro fahiny ihany izy, hoy Jehovah.[Na: honenana indray]
27Asi usatya hako, iwe Jakove, muranda wangu, usavhunduswa, iwe Isiraeri; nekuti tarira, ndichakuponesa uri kure, navana vako vari panyika kwavakatapirwa; Jakove uchadzoka, uchanyarara nokuzorora, hakuna ungamutyisa.
27Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any amin'ny lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin'ny tany nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, eny, handry fahizay izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.
28Usatya hako, iwe Jakove, muranda wangu, ndizvo zvinotaura Jehovha, nekuti ndinewe; nekuti ndichapedza kwazvo marudzi ose kwandakakudzingira; asi iwe handingakupedzi, asi ndichakuranga ndichiita nokururama, handingakuregi usina kurohwa.
28Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.