1Zvanzi naJehovha, Tarirai, ndichamutsira Bhabhironi navagere Rebhikamai mhepo inoparadza.
1Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin'ny mpandringana hamely an'i Babylona sy izay monina ao Leba-kamay.[Leba-kamay = Kaldea]
2Ndichatumira Bhabhironi varudzi vacharirudza, vachabudisa zvose zviri munyika yaro, nekuti nezuva rokutambudzika vacharikomberedza kumativi ose.
2Ary haniraka olona hafa firenena ho any Babylona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; Fa hamely azy manodidina amin'ny andro fahoriana ireo.
3Mupfuri ngaapfure nohuta hwake ani naani unopfura nohuta nounozvisimudza ane nguvo dzake dzokurwa, regai kunzwira tsitsi majaya aro, paradzai chose hondo yaro yose.
3Izay manenjana tsipìka mbamin'izay miandranandrana amin'ny akanjo fiarovan-tenany, dia aoka samy hasian'izay manenjana tsipìka; Aza tsitsinareo ny zatovony, aringano avokoa ny miaramilany rehetra,[Heb. Ataovy herema]
4Vachawira pasi vaurawa panyika yavaKaradhea, vabayiwa munzira dzaro.
4Mba hiampatrampatra any amin'ny tanin'ny Kaldeana ny faty, ary izay voatrobaka dia hiampatrampatra any an-dalambeny.
5nekuti Isiraeri naJudha havana kurashwa naMwari wavo, naJehovha wehondo, kunyange nyika yavo izere nemhosva pamberi poMutsvene waIs iraeri.
5Fa Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely sy ny Joda, dia tsy hahafoy azy ho mpitondratena, na dia henika ny fahotany amin'ny Iray Masin'ny Isiraely aza ny taniny.
6Tizai mubve mukati meBhabhironi, mumwe nomumwe aponese hupenyu hwake; regai kuparadzwa mukati mezvakaipa zvaro, nekuti inguva yokutsiva kwaJehovha, iye uchariripidzira.
6Mandosira hiala an'i Babylona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany ianareo; Fa izao no andro famalian'i Jehovah, Izy no hamaly azy.
7Bhabhironi wakange uri mukombe muruoko rwaJehovha, wakabatisa nyika yose; marudzi avanhu akamwa waini yawo, saka marudzi akapenga.
7Babylona dia kapoaka volamena teny an-tànan'i Jehovah, Izay nahamamo ny tany rehetra; Ny divainy efa nisotroan'ny firenena, koa izany no nahavery saina ireny.
8Bhabhironi rakawira pasi pakarepo rikaparadzwa; wungudzai pamusoro paro, torai muti webharisami kurapa kurwadziwa kwaro, zvimwe ringapora.
8Tampoka no naharavan'i Babylona sy nahatorotoroany; Idradradradrao izy; Makà balsama hatao amin'ny feriny maharary azy, fa angamba ho sitrana ihany izy.
9Taida kuporesa Bhabhironi, asi harina kupora; risiyei, mumwe nomumwe wedu aende kunyika yake, nekuti mhosva yaro yasvikira kudenga, yasimudzirwa kumakore.
9Nitady hanasitrana an'i Babylona izahay, nefa tsy nety sitrana izy; Afoizo izy, ka andeha isika samy handeha ho any amin'ny tanintsika avy; Fa mahatakatra ny lanitra ny helony ary mitehika amin'ny rahona.
10Jehovha wakaratidza kururama kwedu; uyai, tiparidze paZiyoni basa raJehovha Mwari wedu.
10Nasehon'i Jehovah ny fahamarinantsika; Andeha, ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan'i Jehovah Andriamanitsika.
11Rodzai miseve, batisai nhovo! Jehovha wakamutsa mweya yamadzimambo avaMedhia, nekuti murangariro wake ndowokuparadza Bhabhironi, nekuti ndiko kutsiva kwaJehovha, iko kutsiva kwetemberi yake.
11Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin'ny mpanjakan'ny Mediana; Fa ny hamely an'i Babylona no nosaininy, mba handringanana azy; Fa famalian'i Jehovah izany, eny, famaliana noho ny tempoliny.
12Simudzirai masvingo eBhabhironi mureza, simbisai varindi, isaipo nharirire, gadzirai vanovandira, nekuti Jehovha wakafunga nokuita zvaakataura pamusoro pavagere Bhabhironi.
12Manangàna faneva eo akaikin'ny mandan'i Babylona; Ataovy mafy ny fiambenana; Alatsaho ny mpiambina, alamino ny Otrika; Fa Jehovah sady efa nisaina no nahatanteraka izay nolazainy ny amin'ny mponina any Babylona.
13Iwe ugere pamvura zhinji, une fuma zhinji, kuguma kwako kwasvika, icho chiyero chezvawakawana nokunyengera.
13Hianao izay monina eny amoron'ny rano be sady be rakitra, tonga ny fiafaranao, ka tsy hisy intsony ny filanao harena.
14Jehovha wehondo wakapika naiye amene, achiti, Zvirokwazvo ndichakuzadza navanhu semhashu, ivo vachakupururudzira.
14Jehovah, Tompon'ny maro, nianiana tamin'ny tenany hoe: Hofenoiko olona maro toy ny valala tokoa ianao, ary ireny dia hanakora hamely anao, [Na: na dia hofenoiko olona maro toy ny valala aza ianao, dia ireny no]
15Ndiye wakaita nyika nesimba rake, wakateya nyika nohuchenjeri hwake, wakatatamura denga rose nenjere dzake.
15Dia Ilay nanao ny tany tamin'ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin'ny fisainany.
16Kana achibudisa inzwi rake, kunomubvumo wemvura zhinji kudenga; unokwidza makore pamigumo yenyika, unoita mheni kuuyisa mvura, unobudisa mhepo panovigwa fuma yake.
16Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia nampiakatra zavona avy tany amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho an'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany.
17Munhu mumwe nomumwe wava usina njere, haane zivo; mupfuri mumwe nomumwe wendarama unonyadziswa nechifananidzo chake chaakaveza, nekuti chifananidzo chaakaumba, ndechenhema; hakuna mweya mazviri.
17Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin'ny sarin-javatra voasokitra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, satria tsy misy aina ao aminy.
18Hazvina maturo, ibasa rinonyengera; panguva yokurohwa kwazvo zvichapera.
18Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin'ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
19Mugove waJakove haufanani naizvozvi, nekuti ndiye muumbi wazvose; Isiraeri ndirwo rudzi rwenhaka yake; Jehovha wehondo ndiro zita rake.
19Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran'i Jakoba, fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
20Iwe uri nyundo yangu nenhumbi dzangu dzokurwa; newe ndichaputsanya marudzi avanhu newe ndichaparadza ushe;
20Langilangiko sy fiadiako ianao; Fa ianao no ho entiko manorotoro firenena, ary ianao no ho entiko mandringana fanjakana,
21newe ndichaputsanya bhiza nomutasvi waro; newe ndichaputsanya ngoro nounofamba nayo;
21Ary ianao no ho entiko manorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny kalesy sy ny mpitaingina azy;
22newe ndichaputsanya murume nomukadzi; newe ndichaputsanya mutana nomuduku; newe ndichaputsanya mujaya nemhandara;
22Hianao koa no ho entiko manorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny antitra sy ny tanora, ary ianao no ho entiko manorotoro ny zatovo sy ny virijina;
23newe ndichaputsanya murimi nenzombe dzake mbiri; newe ndichaputsanya vabati navakuru.
23Hianao koa no ho entiko manorotoro ny mpiandry ondry sy ny ondry andiany, ary ianao no ho entiko manorotoro ny mpiasa tany sy ny ombiny roa mizioga, ary ianao no ho entiko manorotoro ny governora sy ny lefiny.
24Ndicharipidzira Bhabhironi navose vagere Karadhea zvakaipa zvavo zvose zvavakaita Ziyoni pamberi penyu ndizvo zvinotaura Jehovha.
24Ary hampanodiaviko an'i Babylona sy ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra izay efa nataony tao Ziona teo imasonareo, hoy Jehovah.
25Tarira, ndine mhosva newe, iwe gomo rokuparadza, rinoparadza nyika yose ndizvo zvinotaura Jehovha; ndichatambanudzira ruoko rwangu kwauri, ndichakukungurusa pamabwe, ndichakuita gomo rakatsva.
25Indro mamely anao Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza. Izay mandringana ny tany rehetra, hoy Jehovah; Ary hahinjitro ny tanako hamelezana anao, dia hakodiako hianjera amin'ny harambato ianao ka hataoko tendrombohitra mirehitra.
26Havangatori kwauri ibwe rekona, kana ibwe renheyo; asi uchava dongo nokusingaperi, ndizvo zvinotaura Jehovha.
26Ary tsy mba hakana vato hatao fehizoro ianao, na hatao vato fanorenana; Fa ho lao mandrakizay ianao, hoy Jehovah.
27Simudzai mureza panyika, ridzai hwamanda pakati pamarudzi, gadzirai marudzi kuzorwa naro, kokerai ushe bweArarati neMini neAshikenazi kuzorwa naro, gadzai mukuru wehondo kuzorwa naro, uyisai mabhiza semhashu dzinoparadza.
27Manangana faneva eny amin'ny tany; Mitsofa anjomara any amin'ny firenena; Manendre firenena hamely azy; Antsoy ny fanjakan'i Ararata sy Miny ary Askenaza hamely azy; Asio mpifehy hamely azy; Mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina. [Heb. Manamasina][Na: mahatsiravina]
28Gadzirai marudzi kuzorwa naro, iwo madzimambo avaMedhia, navabati vavo, navakuru vavo vose, nenyika yose yavakabata.
28Manendre firenena sy ireo mpanjakan'ny Mediana hamely azy, ny governora sy ny lefiny rehetra ary ny tany rehetra anjakany.
29Nyika inodedera nokurwadziwa; nekuti zvakafunga Jehovha kuitira Bhabhironi zvakasimba, kuti aite nyika yeBhabhironi dongo, isina unogaramo.
29Mihorohoro sy mangovitra ny tany; Fa tanterahina amin'i Babylona ny fikasan'i Jehovah rehetra, mba hahatonga ny tany Babylona ho lao tsy misy mponina.
30Mhare dzeBhabhironi dzarega kurwa, vakarambira munhare dzavo, simba ravo rakapera, vava savakadzi; vakapisa dzimba dzaro, zvipfigiso zvaro zvakavhuniwa.
30Nitsahatra tamin'ny ady ny lehilahy maherin'i Babylona, nitoetra tao amin'ny batery fiarovana izy, lany ny heriny; Tonga toy ny vehivavy izy; Nodorana ny fonenany, tapaka ny hidiny.
31Imwe nhume ichamhanya kundosangana neimwe, mumwe wakatumwa kundosangana nomumwe, kuzivisa mambo weBhabhironi kuti guta rake rakundwa kumativi ose.
31Mifamoivoy be ihany ny iraka mpihazakazaka, ary mifamoivoy be ihany ny mpitondra teny, mba hanambara amin'ny mpanjakan'i Babylona Fa afaka ny tanànany manontolo.
32Uye kuti mazambuko abatwa, kuti mapani eshanga apiswa nomoto, kuti varwi vavhunduswa.
32Ary efa azo ny fitàna, ary nodorany tamin'ny afo ny heniheny, sady toran-kovitra ny miaramila.
33nekuti zvanzi naJehovha wehondo, Mwari waIsiraeri, Mukunda weBhabhironi wakaita seburiro nenguva yokupura; kwasara nguva duku, iye ndokusvikirwa nenguva yokukohwa.
33Fa izao no lazain i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Babylona zanakavavy dia tahaka ny famoloana amin'ny andro anosena azy; Ary raha mbola tsy toy inona dia ho avy ny andro hijinjana azy.
34Nebhukadhirezari mambo weBhabhironi wandidya, wandipwanya, wandiita mudziyo usina chinhu wandimedza seshato, razadza zidumbu raro nezvinozipa zvangu, wandidzinga.
34Efa lanin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izahay; Naringany izahay; Napetrany toy ny vata tsy misy entana izahay; Nateliny toy ny fitelin'ny mamba izahay; Nivokisan'ny kibony ny zava-piko, ka dia nandroaka ahy izy.
35Ugere Ziyoni uchati, Zvakaipa zvandakaitirwa ini nenyama yangu ngazvive pamusoro peBhabhironi; Jerusaremu richati, Ropa rangu ngarive pamusoro pavagere Karadhea.
35Aoka ny mponina ao Ziona hanao hoe: Hanody an'i Babylona anie ny loza nanjo ahy sy ny nofoko! Ary aoka Jerosalema hanao hoe: Hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako!
36Naizvozvo zvanzi naJehovha, Tarira, ndichakureverera mhaka yako, ndichakutsiva; ndichapwisa gungwa raro, ndichaomesa tsime raro.
36Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hisolo vava anao amin'ny adinao Aho sady hanao famaliana ho anao, ary horitiko ny ranomasiny, sy hataoko tankina ny loharanony.
37Bhabhironi richaitwa mirwi yamabwe, hugaro hwamakava, chinhu chinoshamisa, chinoridzirwa muridzo, pasina unogaramo.
37Ary Babylona ho tonga korontam-bato, ho fonenan'ny amboadia, ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka tsy hisy mponina.
38Vachaomba pamwechete savana veshumba, vachaganya savana veshumba.
38Hiara-mierona toy ny liona tanora izy; Hikaonkaona toy ny zana-diona izy.
39Kana vamutswa moyo ndichavaitira mutambo, ndichavabatisa newaini, kuti vafare, vavate hope dzisingaperi, varege kuzomukazve ndizvo zvinotaura Jehovha.
39Raha mbola liana izy, dia hanaovako fanasana ho azy, ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy Jehovah.
40Ndichavaburusira kwavanondobayiwa samakwaiana, samakondobwe pamwechete nenhongo.
40Hampidiniko ho any amin'ny famonoana toy ny zanak'ondry izy, sy toy ny ondrilahy mbamin'ny osilahy.
41Sheshaki rakundwa sei! Guta rairumbidzwa nenyika yose rapindwa sei! Bhabhironi rava dongo sei pakati pamarudzi!
41Endrey! afaka Sesaka! Ary azo ilay fidèran'ny tany rehetra, Endrey! tonga figagana any amin'ny firenena Babylona.[Sesaka = Babela]
42Gungwa rakwira rasvika Bhabhironi, rafukidzwa namafungu aro mazhinji.
42Ny ranomasina nanafotra an'i Babylona; Voasaron'ny habetsahan'ny onjany izy.
43Maguta aro ava matongo, nyika yakaoma nerenje, nenyika musingagari munhu, hakuna Mwanakomana womunhu unopfuura napo.
43Ny tanànany dia lao sy karankaina ary tani-hay, dia tany tsy onenan'olona sady tsy misy zanak'olombelona mamaky eo.
44Ndichatonga Bheri paBhabhironi, ndichabudisa mumuromo make chaakanga amedza, marudzi avanhu haachazovangiri kwariri; zvirokwazvo rusvingo rwaBhabhironi ruchawa.
44Ary Bela dia hampijaliko any Babylona, ka hasaiko haloany izay nateliny; Ary ny firenena tsy hitanjozotra hankany aminy intsony; Ny mandan'i Babylona dia hirodana.
45Imi vanhu vangu, budai mukati maro, muzviponese mumwe nomumwe pakutsamwa kukuru kwaJehovha.
45Mivoaha avy ao afovoany ianareo, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo avy ianareo, mba tsy ho azon'ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.
46moyo yenyu irege kuora, musatya guhuzve nerimwe gore shure kwaizvozvo; panyika vachaitirana simba, mubati mumwe achirwa nomumwe.
46Ary fandrao ketraka ny fonareo, ka matahotra ianareo noho ny tsaho miely amin'ny tany; Fa amin'ny iray taona dia hisy tsaho, ary amin'ny taona manaraka indray dia mbola hisy tsaho ihany koa sy loza amin'ny tany, dia mpanapaka mamely mpanapaka.
47Naizvozvo tarirai, mazuva anouya andichatonga mifananidzo yakavezwa yaBhabhironi; nyika yaro yose ichanyadziswa, vakaurawa varo vose vachawira pasi mukati maro.
47koa, indro, avy ny andro hamaliako ny sarin-javatr'i Babylona; Ho menatra ny taniny rehetra; Ary ny fatiny rehetra dia hiampatrampatra eo aminy.
48Ipapo denga nenyika nezvose zviri mukati mazvo zvichaimba nomufaro pamusoro peBhabhironi, nekuti vaparadzi vachauya kwariri vachibva kurutivi rwokumusoro ndizvo zvinotaura Jehovha.
48Ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy dia hihoby noho ny amin'i Babylona, satria tonga ao aminy avy any avaratra ireo mpandringana, hoy Jehovah.
49Vakaurawa valsiraeri, Bhabhironi rinofanira kuwawo, sezvakawira pasi paBhabhironi vakaurawa venyika yose.
49Toy ny nampiampatramparan'i Babylona ny faty tamin'ny Isiraely, dia ho toy izany no hiampatramparan'ny faty amin'ny tany rehetra noho ny amin'i Babylona.
50Imi makapukunyuka pamunondo, endai, musamira; rangarirai Jehovha muri kure, fungai Jerusaremu pamoyo yenyu.
50Hianareo izay tsy voan'ny sabatra, mialà, fa aza mijanona; Tsarovy Jehovah, raha mbola lavitra ianareo. Ary aoka ho mby an-tsainareo Jerosalema.
51Takanyadziswa, nekuti takanzwa kushoorwa, kunyara kwakafukidza zviso zvedu, nekuti vatorwa vakapinda munzvimbo tsvene dzeimba yaJehovha.
51Menatra izahay, fa efa nandre latsa; Manarona ny atrehinay ny henatra; Fa ny hafa firenena no niditra teo amin'ny fitoerana masina amin'ny tranon'i Jehovah.
52Naizvozvo, tarirai, ndizvo zvinotaura Jehovha mazuva anouya andichatonga mifananidzo yaro yakavezwa; vakakuvadzwa vachagomera kose panyika yaro.
52Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny sarin-javatra voasokitra ao koa; Ary hitoloko eran'ny taniny rehetra ny voatrobaka.
53Kunyange Bhabhironi rikakwira kudenga, kunyange rikasimbisa pakakwirira pane simba raro, kunyange zvakadaro vaparadzi vachabva kwandiri vachiendako, ndizvo zvinotaura Jehovha.
53Na dia miakatra any an-danitra aza Babylona, ary na dia ataony mafy aza ny fitoerana avo izay heriny, dia avy amiko no hihavian'ny mpandringana azy, hoy Jehovah;
54Inzwai inzwi rokuchema rinobva Bhabhironi, nerokuparadzwa kukuru rinobva panyika yavaKaradhea!
54Injany! misy feo mitaraina avy any Babylona sy fandringanana be avy any amin'ny tanin'ny Kaldeana!
55nekuti Jehovha unoparadza Bhabhironi, uchanyaradzamo mubvumo mukuru; mafungu avo anotinhira semvura zhinji, mubvumo wamanzwi avo anonzwika.
55Fa Jehovah no mandrava an'i Babylona sy mampitsahatra ny fihorakorahana eo aminy, ary hirohondrohona toy ny rano be ny onjany, eny, re tokoa ny feon'ny firohondrohony.
56nekuti muparadzi wasvika kwariri, iko Bhabhironi, mhare dzaro dzakundwa, huta hwavo hwavhuniwa-vhuniwa; nekuti Jehovha ndiMwari wokutsiva, ucharipidzira zvirokwazvo.
56Fa tonga ao aminy, dia ao Babylona, ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny; Tapatapaka avokoa ny tsipìkany Satria Jehovah dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa.
57Ndichabatisa newaini machinda aro navakachenjera varo, vabati varo navakuru varo, nemhare dzaro, vachavata hope dzisingaperi, havangazomuki ndizvo zvinotaura Mambo, une zita rinonzi Jehovha wehondo.
57Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny olo-maheriny; Ary hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
58Zvanzi naJehovha wehondo, Masvingo akafara eBhabhironi achakoromorwa chose, namasuwo aro marefu achapiswa nomoto; vanhu vachabatira zvisina maturo, namarudzi achabatira moto; vachaneta.
58Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ny manda malalaka any Babylona dia horavana tokoa hatramin'ny fanorenany, ary ny vavahadiny avo hodorana amin'ny afo. Ka dia ho nisasatra foana ny firenena, ary ny olona ho nisasatra ho an'ny afo ka ho reraka.
59Ndiro shoko, rakarairwa Seraia mwanakomana waNeria, mwanakomana waMaseia, nomuporofita Jeremiya, nguva yaakaenda Bhabhironi naZedhekia mambo waJudha negore rechina rokubata kwake ushe. Zvino Seraia wakange ari murairi mukuru parwendo.
59Ny teny izay nandidian'i Jeremia mpaminany an'i Seraia, zanak'i Neria, zanak'i Mahaseia, fony izy nandeha niaraka tamin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho any Babylona tamin'ny taona fahefatra nanjakany. Fa Seraia no lehiben'ny mpanorin-dasy.
60Jeremiya akanyora mubhuku zvakaipa zvose zvaifanira kuwira Bhabhironi, iwo mashoko ose akanyorwa pamusoro peBhabhironi.
60Ary nosoratan'i Jeremia teo amin'ny boky iray ny loza rehetra izay hanjo an'i Babylona, dia ireo teny rehetra ireo, izay voasoratra ny amin'i Babylona.
61Jeremiya akati kuna Seraia, Kana wasvika Bhabhironi rangarira kuti urave mashoko awa ose.
61Ary hoy Jeremia tamin'i Seraia: Rehefa tonga any Babylona ianao, dia tandremo tsara mba hovakinao ireo teny rehetra ireo,
62Uti, Haiwa Jehovha, makataura pamusoro penzvimbo ino kuti muchai,paradza, kuti kusava nounogaramo, kana munhu kana zvipfuwo, asi kuti richava dongo nokusingaperi.
62ka manaova hoe: Jehovah ô, Hianao no niteny hamely ity tany ity handringana azy, ka tsy hisy hitoetra eto, na olona na biby, fa ho tany lao mandrakizay izy.
63Zvino kana wapedza kurava bhuku iyi, unofanira kusungira ibwe pairi, ndokuikandira mukati morwizi rwaYufuratesi;
63Ary rehefa tapitra ny famakianao ity boky ity, dia asio vato afehy aminy, ary atsipazo ao Eofrata izy.ka ataovy hoe: Toy izao no hilentehan'i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko mihatra aminy, ka dia ho reraka izy. Hatreto no tenin'i Jeremia.
64uchiti, Saizvozvo Bhabhironi richanyura, haringazobudizve, nokuda kwezvakaipa zvandichauyisa pamusoro paro; vachaneta. Ndipo panoguma mashoko aJeremiya.
64ka ataovy hoe: Toy izao no hilentehan'i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko mihatra aminy, ka dia ho reraka izy. Hatreto no tenin'i Jeremia.