1Ridzai hwamanda paZiyoni, dzemhere pagomo rangu dzvene; vose vagere panyika ngavadedere nekuti zuva raJehovha rinouya, nekuti rava pedo;
1[Filazana ny loza hanjo, sy fiantsoana ny olona hibebaka] Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary miantsoa mafy ao an-tendrombohitro masina! Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin'ny tany; Fa avy ny andron'i Jehovah, eny, efa antomotra izany,
2richava zuva rerima nokusviba, zuva ramakore nerima guru, samambakwedza akawarirwa pamakomo; richauya ruri rudzi rukuru rune simba; rwakadaro haruna kumbovapo, uye harungazovipo shure kwavo, kusvikira pamakore amarudzi mazhinji avanhu.
2Dia andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito, toy ny fahazavan'ny maraina miely manerana ny tendrombohitra, dia firenena lehibe sy matanjaka, ka tsy nisy tahaka azy hatrizay hatrizay, sady tsy hisy tahaka azy intsony any aoriany hatramin'ny taonan'ny taranaka fara mandimby.
3Moto unoparadza pamberi pavo, murazvo unopfuta shure kwavo; nyika yakaita somunda weEdheni pamberi pavo, uye serenje rakaparadzwa shure kwavo; zvirokwazvo, hakuna wakapukunyuka kwavari.
3Eo alohany misy afo mandevona, ary any aoriany misy lelafo mandoro; Tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany, fa ny any aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.
4Pakuonekwa kwavo vakafanana namabhiza; savatasvi vamabhiza, ndiko kumhanya kwavo.
4Mitarehin-tsoavaly ny tarehiny; Ary tahaka ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany.
5Kuuruka kwavo pamusoro pamakomo kunoita somubvumo wengoro, somubvumo womurazvo womoto unoparadza mashanga, savanhu vane simba vakagadzirirwa kurwa.
5Tahaka ny figorodon'ny kalesy any an-tampon'ny tendrombohitra no figorodon'ny fitsambikimbikiny, sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin'ny hain-tanety, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.
6Kana vachisvika, vanhu vose vanotya kwazvo, zviso zvose zvinocheneruka.
6Eo anoloany dia raiki-tahotra indrindra ny firenena; Ny tarehy rehetra mivaloarika; [Na: tera-mena]
7Vanomhanya savanhu vane simba, vanokwira rusvingo savarwi, vanotamba mumwe nomumwe nenzira yake, havatongotsauki pamisara yavo.
7Mitsarapaka tahaka ny lehilahy mahery izy ary mananika ny manda tahaka ny mpiady, samy mandroso amin'izay hitsiny ka tsy vaky laharana;
8Havasundidzirani, mumwe nomumwe unofamba negwara rake; vanopwanya napakati penhumbi dzokurwa, vasingatsauki.
8Tsy mifanosika izy, fa samy mandroso amin'izay hitsiny; Ary na dia miezaka mamaky ny sabatra aza izy, dia tsy voaratra. [Na: voasakana]
9Vanowira guta, vanomhanyira pamusoro porusvingo, vanokwira vachipinda mudzimba, vanopinda napamahwindo sembavha.
9Mifamoivoy eran'ny tanàna izy, mihazakazaka eny amin'ny manda izy, mananika ny trano izy, miditra ao am-baravarankely toy ny mpangalatra izy.
10Nyika inodedera pamberi pavo, denga rose rinobvunda, zuva nomwedzi zvinosviba, nyeredzi dzinodzora kupenya kwadzo.
10Eo alohany dia mihorohoro ny tany, ary mihozongozona ny lanitra; Ny masoandro sy ny volana tonga maizina, ary ny kintana tsy mamirapiratra.
11Jehovha anobudisa izwi rake pamberi pehondo yake, nekuti hondo yake ihuru kwazvo; nekuti muiti wezvaakataura une simba; nekuti zuva raJehovha iguru, rinotyisa kwazvo, ndianiko angatsunga naro?
11Ary Jehovah mahatonga kotroka eo alohan'ny miaramilany; Fa lehibe indrindra ny tobiny ary mahery izay manatanteraka ny teniny; Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron'i Jehovah, ka iza no mahatanty izany?
12Kunyange zvakadaro ndizvo zvinotaura Jehovha nazvino tendeukirai kwandiri nomwoyo yenyu yose, muchitsanya, muchichema nokuungudza;
12Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra ary amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana.
13bvarurai mwoyo yenyu, murege kubvarura nguvo dzenyu, mutendeukire kuna Jehovha Mwari wenyu; nekuti ane tsitsi nenyasha, anononoka kutsamwa, ane tsitsi zhinji, uye anozvidemba pakuitira vanhu zvakaipa.
13Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza,
14Ndiani angaziva , zvimwe angadzoka akazvidemba, akasiya mukomborero kana achibva, zvimwe chipiriso choupfu kana chipiriso chinomwiwa zvamungavigira Jehovha Mwari wenyu?
14Fandrao mba hanenina ihany Izy ka hamela fitahiana ao aoriany, dia fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo. [Heb. Iza no mahalala na]
15Ridzai, hwamanda paZiyoni, tsaurai zuva rokutsanya, danai vanhu kuungano yakatarwa;
15Tsofy ao Ziona ny anjomara, ka manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina.
16kokerai vanhu, natsai ungano, kokerai vakuru, unganidzai vana, navanomwa pamazamu; chikomba ngachibude paimba yacho nomwenga paimba yake yokuvata.
16Angony ny vahoaka, manamasina fiangonana, vorio ny loholona, angòny ny ankizy madinika mbamin'ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.
17Vapristi, ivo vashumiri vaJehovha, ngavacheme pakati peberere neatari, vati, Aiwa, Jehovha, regai vanhu venyu, musaisa nhaka yenyu pakushoorwa, kuti marudzi avanhu avaseke; vangareveiko pakati pamarudzi avanhu, vachiti, Mwari wavo aripiko?
17Eo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian'ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, ka hanao hoe: Iantrao ny olonao, Jehovah, ary aza avela ho latsa ny lovanao, ka hotapahin'ny jentilisa; Fa nahoana no hataony any amin'ny firenena hoe: Aiza Izay Andriamaniny? [Na: Hanaovan'ny jentilisa azy ho ambentinteny]
18Ipapo Jehovha akava negodo pamusoro penyika yake, akanzwira vanhu vake tsitsi.
18[Ny hitsaharan'ny loza, sy ny hihavian'ny fitahiana] Ary Jehovah dia saro-piaro ny taniny sady niantra ny olony.
19Jehovha akapindura, akati kuvanhu vake, Tarirai, ndichakutumirai zviyo, newaini itsva, namafuta, mugoguta nazvo; handichakuitiyi chinhu chinoshoorwa pakati pamarudzi;
19Eny, Jehovah namaly ka nanao amin'ny olony hoe: Indro, hanatitra ny divay sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho anareo Aho, ka ho vokin'izany ianareo; Ary tsy havelako ho latsa any amin'ny Jentilisa intsony ianareo.
20asi ndichabvisa kure nemwi hondo inobva kurutivi rwokumusoro, ndichiidzingira kunyika yakaoma yakaparadzwa, rutivi rwayo pamberi rwakatarira kugungwa rokumabvazuva, norutivi rwayo rweshure kugungwa rokumavirazuva; kunhuwa kwayo kuchakwira, norwema rwayo rwakaipa ruchakwira, nekuti yakaita zvinhu zvikuru.
20Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo ka horoahiko ho any amin'ny tany karankaina sy mariry; Ny loha-lalany ho any amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny vodi-lalany ho any amin'ny ranomasina andrefana; Ary ny hamaimboany hiakatra, ary ny fofon-dratsiny hisondrotra; Fa efa nanao zava-dehibe izy.
21Rega hako kutya, iwe nyika, fara ufarisise; nekuti Jehovha akaita zvinhu zvikuru.
21Aza matahotra, ry tany fambolena, miravoravoa sy mifalia; Fa manao zava-dehibe Jehovah.
22Regai kutya, imwi mhuka dzesango; nekuti mafuro erenje anobukira, nekuti miti inobereka zvibereko zvayo, mionde nemizambiringa zvinovigira vanhu simba razvo.
22Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-efitra, mamoa ny hazo, ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka.
23Naizvozvo farai, imwi vana veZiyoni, mufarisise muna Jehovha Mwari wenyu; nekuti anokupai mudzidzisi wokururama, uye anokunisirai mvura, mvura yokutanga nemvura yokuteverera, nomwedzi wokutanga.
23Ary ianareo, ry zanak'i Ziona, miravoravoa sy mifalia amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa hanome anareo ny loha-orana onony Izy, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha. [Na: Homeny mpampianatra ny fahamarinana ianareo]
24Mapuriro achazara nezviyo, uye zvisviniro zvichapafuma waini namafuta.
24Dia ho feno vary ny famoloana, ary hihoatra ny vata fanantazana ny divay sy ny diloilo.
25Ndichakudzoseraizve makore amakadyirwa nemhashu, negwatakwata, nomupedzachose, nomuteteni, iyo hondo yangu huru yandakatuma pakati penyu.
25Ary honerako ho anareo ilay taona nohanin'ny valala, dia ny koraika sy ny sompanga ary ny kijeja, izay miaramilako betsaka nalefako hamely anareo.
26Muchadya zvakawanda, mukarumbidza zita raJehovha Mwari wenyu, wakakuitirai zvinoshamisa; vanhu vangu havangatongonyadziswi nokusingaperi.
26Ary hihinana ianareo ka ho voky dia hidera ny anaran'i Jehovah Andriamanitrareo, fa mahagaga ny fitondrany anareo; Ary tsy ho menatra mandrakizay oloko.Dia ho fantatrareo fa ao afovoan'Isiraely Aho, ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; Ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko.
27Ipapo muchaziva kuti ndiri pakati paIsiraeri, kuti ndini Jehovha Mwari wenyu, uye kuti hakuna mumwe; vanhu vangu havangatongonyadziswi nokusingaperi.
27Dia ho fantatrareo fa ao afovoan'Isiraely Aho, ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; Ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko.
28Zvino shure kwaizvozvo ndichadurura Mweya wangu pamusoro penyama yose; vanakomana venyu navanasikana venyu vachaporofita, vatana venyu vacharota hope, namajaya enyu achaona zviratidzo;
29ndichadururawo Mweya wangu pamusoro pavaranda napamusoro pavashandiri namazuva iwayo.
30Ndicharatidza zvishamiso kudenga napanyika, zvinoti: Ropa nomoto neshongwe dzoutsi.
31Zuva richashanduka rima, mwedzi uchashanduka ropa, zuva guru raJehovha rinotyisa risati rasvika.
32Zvino ani naani anodana zita raJehovha acharwirwa; nekuti pagomo reZiyoni napaJerusaremu ndipo pachava navakapukunyuka, sezvakataura Jehovha, napakati pavakasara ndipo pachava vakadamwa naJehovha.