Shona

Malagasy

Judges

2

1Zvino mutumwa waJehovha wakabva Girigari, akaenda Bhokimi, akati, Ndakakubudisa muEgipita, ndikakusvitsai panyika yandakapikira madzibaba enyu, ndikati, Handingatongoputsi sungano yangu nemwi nokusingaperi;
1[Ny nisehoan'Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'ny Isiraely tao Bokima] Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin'ny tany izay nianianako tamin'ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay;
2nemwi hamufaniri kuita sungano navanhu vagere panyika ino; munofanira kuputsa atari dzavo. Asi hamuna kuteerera inzwi rangu; makaitireiko izvozvo?
2koa aza manao fanekena amin'ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao?
3Saka ini ndakatiwo, Handingavadzingi pamberi penyu; asi vachava semhinzwa kunhivi dzenyu, navamwari vavo vachava zvisungo kwamuri.
3Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin'ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny.
4Zvino mutumwa waJehovha wakati ataura namashoko iwayo kuvana vaIsiraeri vose, vanhu vose vakachema kwazvo.
4Ary nony niteny izany teny izany tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany.
5Ipapo vakatumidza nzvimbo iyo zita rinonzi Bhokimi, vakabayirapo Jehovha.
5Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Bokima; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an'i Jehovah.[Bokima = Mitomany]
6Zvino Joshua wakati aendisa vanhu, vana vaIsiraeri vakaenda mumwe nomumwe kunhaka yake, kuti vagare panyika yavo.
6[Ny toetry ny Isiraely tamin'ny andron'ny Mpitsara, ary ny anaran'ny firenena sisa mbola tsy resiny] Ary rehefa nampodin'i Josoa ny vahoaka, dia nandeha ho any amin'ny lovany avy ny Zanak'Isiraely rehetra handova ny tany.
7Vanhu vakashumira Jehovha mazuva ose aJoshua, namazuva ose avakuru vakanga vachiri vapenyu Joshua atofa, ivo vakanga vaona mabasa makuru akanga aitirwa vaIsiraeri naJehovha.
7Ary nanompo an'i Jehovah ny vahoaka tamin'ny andro rehetra niainan'i Josoa sy tamin'ny andro rehetra niainan'ny loholona izay velona taorian'i Josoa, dia ireo izay efa nahita ny asa lehibe rehetra nataon'i Jehovah ho an'ny Isiraely.
8Zvino Joshua mwanakomana waNuni, muranda waJehovha akafa, ava namakore ane zana negumi.
8Ary maty Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.
9Vakamuviga panyika yenhaka yake paTiminati-heresi, panyika yamakomo yaEfuremu, nechokumusoro kwegomo reGaashi.
9Dia nalevina tao anatin'ny fari-tanin'ny lovany izy, dia tao Timnata-heresa, any amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
10Zvino vorudzi urwo rwose vakasanganiswa namadzibaba avo, rumwe rudzi rukamuka shure kwavo rwakanga rusingazivi Jehovha, kana basa raakaitira vaIsiraeri.
10Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin'ny razany; ary taranaka hafa, izay tsy nahalala an'i Jehovah na ny asa efa nataony ho an'ny Isiraely, no nitsangana nandimby azy.
11Vana vaIsiraeri vakaita zvakaipa pamberi paJehovha, vakashumira Bhaari;
11Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, fa nanompo ireo Bala
12vakarasha Jehovha Mwari wamadzibaba avo, wakange avabudisa munyika vakatevera vamwe vamwari vavanhu vakanga vakavapoteredza, vakavapfugamira, vakatsamwisa Jehovha.
12ka nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanaraka andriamani-kafa amin'ny andriamanitry ny firenena manodidina azy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'i Jehovah.
13Vakarasha Jehovha, vakashumira Bhaari neAshitaroti.
13Eny, nahafoy an'i Jehovah izy ka nanampo an'i Bala sy Astarta.
14Kutsamwa kwaJehovha kukamukira vaIsiraeri, akavaisa mumaoko avaparadzi vakavaparadza, akavatengesa mumaoko avavengi vavo vakanga vakavapoteredza; naizvozvo vakanga vasingagoni kumira pamberi pavavengi vavo.
14Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka natolony teo an-tànan'ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan'ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan'ny fahavalony intsony.
15Pose-pose pavaienda, ruoko rwaJehovha rwairwa navo nokuvaitira zvakaipa, sezvakanga zvataurwa naJehovha, uye sezvavakanga vapikirwa naJehovha; vakatambudzika kwazvo.
15Na taiza na taiza nivoahany, dia namely azy ny tanan'i Jehovah ka nampahory azy, araka izay efa nolazain'i Jehovah sy araka izay efa nianianany taminy; ka dia ory indrindra izy.
16Zvino Jehovha akamutsa vatongi, vaivarwira mumaoko avaivaparadza.
16Kanefa Jehovah nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin'ny tànan'ireo namabo azy.
17Kunyange zvakadaro havana kuteerera vatongi vavo, nekuti vakapata vachitevera vamwe vamwari, vakavapfugamira; vakakurumidza kutsauka panzira yaifamba madzibaba avo, vaiteerera mirairo yaJehovha; asi ivo havana kuita saizvozvo.
17Fa na dia ny mpitsara azy aza dia tsy mba nohenoiny, fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehany; nivily faingana niala tamin'ny lalana izay nandehanan'ny razany nanaraka ny didin'i Jehovah izy, fa tsy mba nanaraka izany.
18Zvino Jehovha waiti kana achinge achivamutsira mutongi, Jehovha waiva nomutongi uyo, ndokuvarwira pamaoko avavengi vavo mazuva ose omutongi uyo; nekuti Jehovha wakazvidemba pamusoro pokugomba kwavo nokuda kwavaivamanikidza nokuvanetsa.
18Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin'ny tanan'ny fahavalony tamin'ny andro rehetra niainan'izany mpitsara izany; fa nalahelo azy Jehovah amin'ny fitarainany noho ireo nampahory sy nampalahelo azy.
19Asi kana mutongi afa, vakadzokazve, vakaita zvakaipa kupfuura madzibaba avo, pakutevera vamwe vamwari, nokuvashumira, nokuvapfugamira; havana kurega mabasa avo kana mufambiro wemoyo yavo mikukutu.
19Kanjo nony maty ilay mpitsara, dia nanao ratsy indray izy mihoatra noho ny nataon'ny razany, fa nanaraka andriamani-kafa sy nanompo azy ary niankohoka teo anatrehany izy; tsy nitsahatra tàmin'ny fanaony na tamin'ny lalana nanaovany ditra izy.
20Ipapo kutsamwa kwaJehovha kwakamukira vaIsiraeri, akati, Rudzi urwu zvarwakadarika sungano yangu, yandakaita namadzibaba avo, vakasateerera inzwi rangu,
20Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Satria nivadika ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko,
21neniwo handichazodzingi pamberi pavo rudzi rumwe rwendudzi dzakasiiwa naJoshua pakufa kwake;
21dia tsy handroaka olona eo anoloany intsony Aho amin'ny firenena izay tsy mbola resy hatramin'ny andro nahafatesan'i Josoa,
22kuti ndiidze vaIsiraeri nadzo, kana vachida kuchengeta nzira yaJehovha, kana vachida kufambamo, sezvayaichengetwa namadzibaba avo, kana vasingadi.
22mba hizahako toetra ny Isiraely amin'ireny, na hitandrina ny lalan'i Jehovah ka handeha amin'izany araka izay nitandreman'ny razany izany izy, na tsia.Dia navelan'i Jehovah ireny firenena ireny ka tsy noroahiny faingana; sady tsy voatolony teo an-tànan'i Josoa ireny.
23Naizvozvo Jehovha akasiya ndudzi idzo, akasakurumidza kudzidzinga; uye haana kudziisa muruoko rwaJoshua.
23Dia navelan'i Jehovah ireny firenena ireny ka tsy noroahiny faingana; sady tsy voatolony teo an-tànan'i Josoa ireny.