1Zvino Jehovha wakataura naMozisi akati,
1[Didy maro samy hafa] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2Taura neungano yose yavana vaIsiraeri, uti kwavari, Ivai vatsvene, nekuti ini Jehovha Mwari wenyu ndiri mutsvene.
2Mitenena amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo.
3Mumwe nomumwe wenyu anofanira kutya mai vake nababa vake, uye munofanira kuchengeta masabata angu; ndini Jehovha Mwari wenyu.
3Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
4Musava nehanya nezvifananidzo, kana kuzviitira vamwari vakaumbwa; ndini Jehovha Mwari wenyu.
4Aza mivily hanaraka ny andriamani-tsi-izy, ary aza manao andriamanitra an-idina ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
5Kana muchipa Jehovha chibayiro chezvipiriso zvokuyananisa, munofanira
5Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pihavanana ho an'i Jehovah ianareo, dia ataovy amin'izay hankasitrahana anareo izany.
6Chinofanira kudyiwa nomusi wamunochipa nawo, uye nomusi unotevera; kana zvimwe zvikasara kusvikira pazuva retatu, zvinofanira kupiswa nomoto.
6Amin'izay andro amonoanareo zavatra hatao fanatitra sy amin'ny ampitson'ny no hihinananareo azy; fa raha mbola misy sisa tratry ny andro fahatelo, dia hodorana amin'ny afo izany.
7Kana chikatongodyiwa nezuva retatu, zvinonyangadza; hachigamuchirwi.
7Ary raha hanina amin'ny andro fahatelo izany, dia ho fahavetavetana ka tsy hankasitrahana;
8Asi mumwe nomumwe unochidya, uchava nemhosva, nekuti wamhura chinhu chitsvene chaJehovha; munhu uyu anofanira kubviswa pakati porudzi rwake.
8fa izay mihinana izany dia ho meloka, satria nanamavo ny zava-masin'i Jehovah izy, ka dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izany olona izany.
9Kana muchikohwa gohwo reminda yenyu, rega kukohwa micheto yomunda wako, uye usaunganidza zvawira pasi pakukohwa kwako.
9Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina izay latsaka avy amin'ny vokatrao.
10Usakohwa zvose pamunda wako wemizambiringa, uye usaunganidza michero yawira pasi yomunda wako wemizambiringa; unofanira kuzvisiira varombo navaeni; ndini Jehovha Mwari wenyu.
10Ary aza otazana avokoa ny eo amin'ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin'ny sahanao; fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
11Musaba; kana kunyengera, musareva nhema mumwe kune mumwe.
11Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga.
12Musapika nhema nezita rangu, kuti usasvibisa zita raMwari wako; ndini Jehovha.
12Aza mianian-tsy tò amin'ny anarako, na manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
13Usamanikidza wokwako, kana kumutorera; haufaniri kugara usiku hwose kusvikira mangwana nomubayiro womuranda unokubatira.
13Aza manao an-keriny amin'ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman'izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina.
14Usatuka matsi, kana kupinganidza bofu, asi unofanira kutya Mwari wako; ndini Jehovha.
14Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan'ny jamba; fa matahora an'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
15Musaita zvisakarurama pakutonga; usatsaura murombo, kana kukudza une simba; asi unofanira kutonga wokwako nokururama.
15Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana; aza miandany foana amin'ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao.
16Usafamba-famba pakati pavanhu vokwako, uchivachera; usapupurira ropa rowokwako; ndini Jehovha.
16Aza mandehandeha manaratsy eo amin'ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran'ny namanao: Izaho no Jehovah.
17Usavenga hama yako mumoyo mako; unofanira kuraira wokwako kwazvo, kuti urege kuva nezvivi nokuda kwake.
17Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
18Usatsiva, kana kugara wakatsamwira vana vavanhu vokwako, asi unofanira kuda wokwako sezvaunozvida iwe; ndini Jehovha.
18Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.
19Chengetai mitemo yangu. Usaberekesa zvipfuwo zvako norumwe rudzi; usadzvara mbeu dzamarudzi maviri mumunda mako; usafuka nguvo yakarukwa nezvinhu zvamarudzi maviri.
19Tandremo ny didiko: Aza avela hilomy amin'ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin'ny zavatra roa samy hafa karazana mifamahofaho.
20Ani naani unovata nomukadzi ari murandakadzi, wakanyengwa nomurume, asina kudzikunurwa kwazvo, kana kusunungurwa, vanofanira kurohwa; asi havafaniri kuurawa, nekuti wakange asina kusunungurwa.
20Ary raha misy mandry amin'ny andevovavy izay voafofon'olona ho vadiny, ka tsy voavotra na voavotsotra ho olom-potsy ravehivavy, dia hofaizana izy roroa, fa tsy hatao maty, satria tsy olompotsy ravehivavy.
21Ngaauye nechipiriso chemhosva kuna Jehovha pamukova wetende rokusangana, rive gondobwe rechipiriso chemhosva.
21Ary ho entin-dralehilahy ny fanati-panonerany ho an'i Jehovah ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, dia ondrilahy iray hatao fanati-panonerana;
22Zvino mupristi anofanira kumuyananisira negondobwe rechipiriso chemhosva pamberi paJehovha pamusoro pezvivi zvake zvaakatadza; ipapo uchakangamwirwa zvivi zvake zvaakatadza.
22ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin'ilay ondrilahy hatao fanati-panonerana, eo anatrehan'i Jehovah, noho ny fahotana izay nataony; dia havela izany fahotany izany.
23Kana muchisvika munyika, mukasima miti yamarudzi ose anodyiwa, munofanira kutora michero yayo sechinhu chisina kudzingiswa; makore matatu ichava kwamuri seisina kudzingiswa; haifaniri kudyiwa.
23Ary raha tonga any amin'ny tany ianareo ka mamboly hazo fihinam-boa, dia hataonareo ho toy ny tsy voafora ny voany; telo taona no hataonareo ho toy ny tsy voafora izy ka tsy hohanina;
24Asi negore rechina michero yayo yose ichava mitsvene, kuti murumbidze Jehovha nazvo.
24ary amin'ny taona fahefatra dia ho masina ny voany rehetra ka hatao fanatitra hiderana an'i Jehovah;
25Negore rechishanu mungadya michero yayo; ndini Jehovha Mwari wenyu.
25fa amin'ny taona fahadimy vao hihinana ny voany ianareo, mba hitomboan'ny fahavokarany ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
26Musadya chinhu chine ropa racho; musaita mazango, kana kutenda mashura.
26Aza homana zavatra misy rà; aza manao sikidy na manandro.
27Musaveura misoro yenyu muchiita matendeure, uye musashatisa nhivi dzendebvu dzenyu.
27Aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny vaokanao.
28Musazvicheka miviri yenyu nokuda kwavakafa, kana kuzvitema nyora; ndini Jehovha.
28Ary aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin'ny tenanareo: Izaho no Jehovah.
29Usaisa mwanasikana wako, uchimuita chifeve; kuti nyika irege kupata, nyika izare nezvakaipa.
29Aza mampijangajanga ny zanakao-vavy hampahaloto azy, fandrao hijangajanga ny tany ka ho feno fahavetavetana.
30Chengetai masabata angu, nokutya imba yangu tsvene; ndini Jehovha.
30Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no Jehovah.
31Musava nehanya namasvikiro, kana musvibiswe navo; ndini Jehovha Mwari wenyu.
31Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin'ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
32Unofanira kusimukira wachena vhudzi, nokukudza mutana, uye utye Mwari wako; ndini Jehovha.
32Mitsangàna raha eo anatrehan'ny fotsy volo ianao, ka manajà ny tavan'ny anti-panahy, ary matahora an'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
33Kana mutorwa agere newe panyika yenyu, usamuitira zvakaipa.
33Ary raha misy mivahiny aminao eo amin'ny taninareo, aza manao sarotra aminy.
34Mutorwa ugere nemwi ngaave kwamuri somunhu wakaberekerwa pakati penyu, unofanira kumuda sezvaunozvida iwe, nekuti nemiwo makanga muri vatorwa munyika yeEgipita; ndini Jehovha Mwari wenyu.
34Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanano; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ianareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
35Musaita zvisina kururama pakutonga, kana pakuyera nechitanda, kana pakuyera kurema, kana pachiyero.
35Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana, na amin'ny fandrefesana, na amin'ny fandanjana, na amin'ny famarana.
36Ivai nezviyero zvakarurama, nezvokuenzanisa nazvo zvakarurama, neefa yakarurama, nehini yakarurama; ndini Jehovha Mwari wenyu wakakubudisai munyikayeEgipita
36Mizana marina, vato marina, efaha marina, hina marina, no hotananareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izany: Izaho no Jehovah.
37Chengetai mitemo yangu yose, nezvandakatonga zvose, kuti muzviite; ndini Jehovha.
37Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izany: Izaho no Jehovah.