Shona

Malagasy

Leviticus

26

1Musazviitira zvifananidzo, kana kuzvimutsira mufananidzo wakavezwa kana shongwe yebwe; musaisa ibwe rinomufananidzo munyika yenyu kuti mupfugamirepo, nekuti ndini Jehovha Mwari wenyu.
1[Fitahiana sy ozona] AZA manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin'ny taminareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
2Munofanira kuchengeta masabata angu, nokukudza imba yangu tsvene; ndini Jehovha.
2Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no Jehovah.
3Kana muchifamba nemitemo yangu, nokuchengeta mirairo yangu, muchiiita;
3Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany,
4ini ndichakunisirai mvura nenguva yayo, nenyika ichabereka zvibereko zvayo, nemiti yesango ichabereka zvibereko zvayo.
4dia hanome anareo ranonorana amin'ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.
5Kupura kwenyu kuchasvika pakukohwa mazambiringa, nokukohwa mazambiringa kuchasvika panguva yokudzvara; muchadya zvokudya zvenyu mukaguta, nokugara munyika yenyu makachengeteka.
5Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana dia hihinana ianareo ka ho voky; ary handry fahizay eo amin'ny taninareo.
6Ndichakupai rugare panyika, kuti muvate pasi musingavhunduswi nomunhu; zvikara ndichazvipedza panyika, nomunondo haungapfuuri nomunyika yenyu,
6Any homeko fiadanana eo amin'ny tany ianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin'ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo.
7muchadzinga vavengi venyu, vakaparadzwa nomunondo pamberi penyu.
7Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy.
8Vashanu venyu vachadzinga vane zana, navane zana venyu vachadzinga vane zviuru zvine gumi, vavengi venyu vachaparadzwa nomunondo pamberi penyu.
8Ary ny dimy aminareo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; any ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.
9Ini ndichakurangarirai, ndichakuberekesai nokukuwanzai; ndichasimbisa sungano yangu nemi.
9Any hijery anareo Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo, ary hanonina ny fanekeko aminareo Aho.
10Muchadya zviyo zvakachengetwa nguva huru, muchafanira kubudisa zvekare kudziurira zvitsva.
10Any hihinana ny tranainy ianareo, sady hamoaka ny tranainy hasiana ny vao.
11Ndichagadza tabhenakeri yangu pakati penyu; mweya wangu haungakusemiyi.
11Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan'ny fanahiko ianareo.
12Uye ndichafamba pakati penyu, ndive Mwari wenyu, nemwi muchava vanhu vangu.
12Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary ianareo ho oloko.
13Ndini Jehovha Mwari wenyu, wakakubudisai munyika yeEgipita, kuti murege kuva vatapwa vavo; ndakavhuna matanda ejoko renyu, ndikakufambisai makati tasa.
13Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mijoro,
14Asi kana musingadi kunditeerera, musingadi kuita mirairo iyi yose;
14Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,
15kana muchiramba mitemo yangu, kana mweya yenyu ichisema zvandakatonga, kuti murege kuda kuita mirairo yangu yose, asi muchiputsa sungano yangu,
15ary hamavoinareo ny didiko, na halan'ny fanahinareo ny fitsipiko, ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra, fa ivadihanareo ny fanekeko,
16neniwo ndichakuitirai izvi: Ndichauyisa zvinotyisa pamusoro penyu, hosha yorukosoro nefivhiri zvichaparadza meso nokuwondisa mweya yenyu; muchadzvara mbeu yenyu pasina, nekuti vavengi venyu vachazvidya.
16Izaho kosa dia hanao izao aminareo hanisy fampitahorana aminareo Aho, dia areti-mahasahozanina sy tazo mahamay, izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
17Ndichakutongai kuti mukundwe pamberi pavavengi venyu, vanokuvengai vachava vabati venyu; muchatiza kunyange kusina munhu unokudzingai.
17Dia hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo; ary izay mankahala anareo no hanapaka anareo; dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika aza.
18Zvino kunyange zvakadaro kana musingadi kunditeerera, ndichawedzera kukurovai kanomwe pamusoro pezvivi zvenyu.
18Ary raha mbola tsy mihaino Ahy ihany ianareo amin'izany rehetra izany, dia mbola hampijaly anareo impito Aho noho ny fahotanareo.
19Ndichaputsa kuzvikudza kwenyu pamusoro pesimba renyu, denga renyu ndichariita sesimbi, nenyika yenyu sendarira;
19Ary horavako ny reharehan'ny herinareo, ka hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo; ary ny herinareo ho lany foana;
20simba renyu richaperera pasina, nekuti nyika yenyu haingabereki zvibereko zvayo, nemiti yenyika haingabereki zvibereko zvayo.
20fa tsy hahavoka-javatra ny taninareo, any tsy hamoa ny hazo amin'ny tany.
21Kana muchindiramba, musingadi kunditeerera, ndichawedzera kanomwe matambudziko pamusoro pezvivi zvenyu.
21Ary raha mbola manohitra Ahy ihany ianareo, ka tsy mety mihaino Ahy, dia hasiako kapoka impito koa ianareo araka ny fahotanareo.
22Ndichatuma zvikara zvesango pakati penyu, zvichakupedzerai vana venyu, nokuparadza zvipfuwo zvenyu, nokukutapudzai; nzira dzenyu dzichashaiwa vanhu.
22Ary hampandehaniko eo aminareo ny bibi-dia, ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ka hahavitsy isa anareo; ary ny lalambenareo ho tonga efitra.
23Zvino kana musingadi kudzorwa neni nezvinhu izvi, asi muchindiramba,
23Any raha tsy mandray ny anatro amin'izany ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
24neniwo ndichakurambai; neniwo, ini ndimene, ndichakurovai kanomwe pamusoro pezvivi zvenyu.
24Izaho dia Izaho kosa no hamely anareo ka hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
25Ndichauyisa munondo pamusoro penyu, uchatsiva sungano yangu; muchaunganidzwa mumaguta enyu, ini ndichatuma matenda pakati penyu; muchaiswa mumaoko avavengi venyu.
25Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin'ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona eo anatin'ny tanànanareo ianareo, dia hanatitra areti-mandringana aminareo Aho; ary hatolotra eo an-tànan'ny fahavalo ianareo.
26Kana ndichivhuna mudonzvo wenyu wechingwa, vakadzi vane gumi vachabika chingwa muchoto chimwe, vachikudzoserai chingwa chenyu chayerwa; muchadya, asi hamungaguti.
26Raha tapahiko ny vary, izay tohan'ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan'ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany azy, dia hihinana ianareo, fa tsy ho voky.
27Zvino kana musingadi naizvozvo zvose kunditeerera, asi muchindiramba,
27Ary raha mbola tsy mihaino Ahy amin'izany indray ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
28ipapo neniwo ndichakurambai nokutsamwa kukuru; ndichakurovai kanomwe pamusoro pezvivi zvenyu.
28dia hamely anareo amin'ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
29Muchadya nyama yavanakomana venyu, nenyama yavanasikana venyu muchaidya.
29Dia hihinana ny nofon'ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy ianareo.
30Ndichaparadza nzvimbo dzenyu dzakakwirira, nokuputsa mifananidzo yenyu yezuva, nokukanda zvitunha zvenyu pamusoro pezvitunha zvezvifananidzo zvenyu; mweya wangu uchakusemai.
30Ary horavako ny fitoerana avonareo, sy hokapaiko ny tsangan-kazonareo ho an'ny masoandro, ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin'ny fatin'ny sampinareo, ary ho halan'ny fanahiko ianareo.
31Ndichaita maguta enyu matongo, nenzvimbo dzenyu tsene ndichadziparadza handinganhuwidzi munhuwi wezvinozipa zvenyu.
31Ary horavako ny tanànanareo, ka hatao lao ny fitoera-masinareo, ary tsy hamboloiko ny hanitrareo ankasitrahana.
32Ndichaparadza nyika yenyu; vavengi venyu vachagaramo, vachashamiswa nazvo.
32Ary hataoko lao ny tany, ka ho talanjona amin'izany ny fahavalonareo izay monina eo.
33Ndichakurashanyai pakati pavahedheni, nokuvhomora munondo shure kwenyu; nyika yenyu ichava renje, maguta enyu achava matongo.
33Ary ianareo dia haeliko any amin'ny jentilisa, any hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika anareo Aho; ary ny taninareo ho lao, any ny tanànanareo ho rava.
34Zvino nyika ichafarira masabata ayo, panguva yokuparadzwa kwayo, imwi muri munyika yavavengi venyu; panguva iyo nyika ichazorora, ichifarira masabata ayo.
34Ary amin'izany ny tany dia hanonitra ny sabatany amin'ny andro rehetra izay hahafoanany, raha any amin'ny tanin'ny fahavalonareo ianareo; dia hitsahatra ny tany ka hanonitra ny sabatany;
35Panguva yose yokuparadzwa kwayo ichazorora nokuzorora kwayakashaiwa pamasabata enyu, panguva yamakagaramo.
35amin'ny andro hahafoanany rehetra no hitsaharany ho solon'izay tsy nitsaharany tamin'ny sabatanareo, raha mbola nonina teo ianareo.
36Kana vari vamwe venyu vakasara, ndichatuma kutya pamoyo yavo vari munyika yavavengi vavo; kana vachinzwa shizha richipepereka, vachatiza; vachatiza somunhu unotiza munondo, vachawa kunyange kusina munhu unovadzinga.
36Ary ny amin'ny sisa aminareo any amin'ny tanin'ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon'ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
37Vachawirana savanhu vanowa pamberi pomunondo, kusina munhu anovadzinga; hamungavi nesimba rokumira pamberi pavavengi venyu.
37Ary ho lavo mifanindry toy ny mandosi-tsabatra izy, na dia tsy misy manenjika aza; ka dia tsy hahajanona eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo.
38Muchandofira pakati pavahedheni, nenyika yavavengi venyu ichakudyai.
38Any dia ho lany ringana any amin'ny jentilisa ianareo, any ho lanin'ny tanin'ny fahavalonareo ianareo.
39Vamwe venyu vakasara vachawonda muzvivi zvavo panyika yavavengi vavo; vachawonda samadzibaba avo akawonda muzvivi zvavo.
39Ary ny sisa eo aminareo dia ho levona any amin'ny tanin'ny fahavalonareo noho ny helony sy ny heloky ny razany koa.
40Zvino vachazvireurura zvivi zvavo nezvivi zvamadzibaba avo, nokudarika kwavakadarika nako kwandiri, uye zvavakandiramba,
40Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy, dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin'ny nanoherany Ahy,
41neniwo ndakavaramba, ndikavaisa kunyika yavavengi vavo; zvino kana moyo yavo isina kudzingiswa ikazvininipisa, vakatenda kurohwa pamusoro pezvivi zvavo;
41ary Izaho kosa namely azy ka nitondra azy ho any amin'ny tanin'ny fahavalony, raha hietry amin'izany ny fony tsy voafora, any hanonitra ny amin'ny helony izy,
42ipapo ndicharangarira sungano yangu naJakove; nesungano yangu naIsaka, nesungano yangu naAbhurahamu, ndichairangarira; nyika ndichairangarirawo.
42dia hotsarovako ny fanekeko tamin'i Jakoba sy ny fanekeko tamin'Isaka ary ny fanekeko tamin'i Abrahama; ary hotsarovako koa ny tany.
43Nyika ichafanira kusiiwa navo, kuti ifarire masabata ayo ichaparadzwa ivo vasipo; vacharohwa pamusoro pezvivi zvavo, nekuti vakaramba zvandakanga ndatonga, mweya yavo ikasema mitemo yangu.
43Ary ny tany hilaozan'ny olona ka hanonitra ny sabatany, raha mitoetra foana tsy misy olona izy; ary ny olona hanonitra ny amin'ny helony, satria nandà ny fitsipiko Izy, ary halan'ny fanahiny ny didiko.
44Kunyange zvakadaro, kana vari munyika yavavengi vavo, handingavarashi, handigavasemi, ndivaparadze chose, nokuputsa sungano yangu navo; nekuti ndini Jehovha Mwari wavo;
44Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin'ny tanin'ny fahavalony izy, dia tsy holaviko ary tsy ho halako, fandrao lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.
45asi nokuda kwavo ndicharangarira sungano yangu namadziteteguru avo, vandakabudisa munyika yeEgipita pamberi pavahedheni, kuti ndive Mwari wavo; ndini Jehovha.
45Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin'ny razany, izay nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta teo Imason'ny jentilisa, mba ho Andriamaniny Aho: Izaho no Jehovah.lreo no didy sy fitsipika ary lalàna izay nataon'i Jehovah ho aminy sy amin'ny Zanak Isiraely, teo an-tendrombohitra Sinay ka nampilazainy an'i Mosesy.
46Ndiyo mitemo nezvakatongwa nemirairo yakaitwa naJehovha pakati pake navana vaIsiraeri pagomo reSinai nomuromo waMozisi.
46lreo no didy sy fitsipika ary lalàna izay nataon'i Jehovah ho aminy sy amin'ny Zanak Isiraely, teo an-tendrombohitra Sinay ka nampilazainy an'i Mosesy.