Shona

Malagasy

Micah

4

1Asi namazuva okupedzisira gomo reimba yaJehovha richagadzwa pamisoro yamakomo, richakwiridzwa kumusoro kwezvikomo; marudzi avanhu achakungurukira kwariri.
1[Ny hampodian'i Jehovah ny voninahitr'i Ziona, rehefa avy nampahorina izy] Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany.
2Marudzi mazhinji achaenda, achiti, Uyai, hendei kugomo raJehovha nokuimba yaMwari waJakove; uye achatidzidzisa nzira dzake, uye isu tichafamba namakwara ake. nekuti paZiyoni ndipo pachabuda murayiro, napaJerusaremu shoko raJehovha.
2Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha Isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah.
3Iye achatonga pakati pamarudzi mazhinji, acharuramisira marudzi ane simba ari kure; vachapfura minondo yavo vachiiita zvikari, namapfumo avo vachiaita mapanga okuchekerera miti, rudzi rumwe harungazosimudziri rumwe rudzi munondo, havangazodzidzi kurwa.
3Ary hitsara ny adin'ny firenena maro Izy Ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin'ny lavitra; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; Na hianatra ady intsony.
4Asi mumwe nomumwe achagara pasi pomuzambiringa wake napasi pomuonde wake, hakuna angazovatyisa, nekuti muromo waJehovha wehondo wakataura izvozvo.
4Fa samy hipetraka eny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan'i Jehovah, Tompon'ny maro, no efa niteny.
5nekuti marudzi ose avanhu anofamba, rumwe norumwe nezita ramwari warwo; asi isu tichafamba nezita raJehovha Mwari wedu nokusingaperi-peri.
5Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin'ny anaran'ny andriamaniny avy; Fa isika kosa handeha amin'ny anaran'i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.
6Nezuva iro ndizvo zvinotaura Jehovha ndichaunganidza mhetamakumbo, ndichaunganidza vakadzingwa, navakatambudzwa neni;
6Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, No hanangonako ny mandringa Sy hamoriako izay noroahina Mbamin'izay nampahoriko;
7vaikamhina ndichavaita vakasara, uye vakanga vakarashirwa kure ndichavaita rudzi rwakasimba; Jehovha achavabata ushe pagomo reZiyoni kubva zvino nokusingaperi.
7Ary ny mandringa no hapetrako ho sisa, Ary izay noroahina lavitra ho firenena mahery; Ary Jehovah hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona Hatramin'izany ka ho mandrakizay.
8Zvino iwe, rutura rwamakwai, iwe chikomo chomukunda weZiyoni, zvichasvika kwauri, zvirokwazvo ushe hwokutanga huchasvika kumukunda weJerusaremu.
8Ary ianao, ry tilikambon'ny andiany. Tendrombohitr'i Ziona zanakavavy, Aminao no ho tonga izany, eny, ho tonga ny fanapahana voalohany, Dia ny fanjakan' i Jerosalema zanakavavy.[Na: tilikambon'i Edera][Na: Ofelan'i Ziona][Na: hanjakana aminy]
9Zvino munodanidzireiko? Hakuna mambo pakati penyu here, gota renyu raparara here, zvamabatwa nokurwadziwa sokomukadzi anosurumuka?
9Koa nahoana no mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, Sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainao, No dia azon'ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy raha miteraka?
10Chirwadziwa, utambure nokusurumuka, uchandogara kusango, uchandosvika Bhabhironi; ipapo uchandorwirwa, Jehovha uchakudzikunurapo pamaoko avavengi vako.
10Ry Ziona zanakavavy, mararia, ka manezaha, Toy ny vehivavy raha miteraka! Fa ankehitriny dia hivoaka avy any an-tanàna ianao Ka hipetraka any an-tsaha, Ary dia ho tonga hatrany Babylona aza; Any no hamonjena anao, Eny, any no hanavotan'i Jehovah anao ho afaka amin'ny tanan'ny fahavalonao.
11Zvino marudzi mazhinji avanhu akakuunganira, anoti, Ngaasvibiswe, meso edu ngaaone Ziyoni.
11Ary ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro, Izay manao hoe: Aoka halam-baraka Ziona, Ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy.[Heb. holotoina]
12Asi havazivi zvinofungwa naJehovha, havanzwisisi zvaakatema; nekuti wakavaunganidza semwanda paburiro.
12Kanjo tsy fantatr'ireny ny hevitr'i Jehovah, Na azony ny fisainany; Fa efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy.
13Simuka upure, iwe mukunda weZiyoni, nekuti runyanga rwako ndicharuita dare, uye mahwanda ako ndichaaita ndarira; uchaputsanya marudzi mazhinji; zvavakazviwanira ndichazvitsaurira Jehovha, fuma yavo ndichapa Ishe wenyika yose.
13Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao ho an'i Jehovah ny hareny, Ary ho an'ny Tompon'ny tany rehetra ny fananany.[Heb. hataoko herema]Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin'ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran'ny Isiraely izy.
14Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin'ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran'ny Isiraely izy.