Shona

Malagasy

Numbers

27

1Zvino vanasikana vaZerofehadhi, mwanakomana waHeferi,
1[Ny fanontanian'ny zanakavavin'i Zelofada, sy ny lalàna izay natao ny amin'izany] Ary avy ny zanakavavin'i Zelofada, zanakalahin'i Hefera, zanak'i Gileada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, avy tamin'ny fokon'i Manase, zanak i Josefa (ary izao no anarany: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza),
2vakamira pamberi paMozisi napamberi paEreazari mupristi, napamberi pamachinda neungano yose, pamukova wetende rokusangana, vakati,
2dia nitsangana teo anatrehan'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe:
3Baba vedu vakafira murenje, asi vakanga vasi pakati peboka ravaya vakaungana kuzorwa naJehovha, veboka raKora; vakafira havo muzvivi zvavo, vasina vanakomana.
3Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan'ny antokon'i Kora izay niangona hiodina tamin'i Jehovah tsy akory; fa matin'ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.
4Zvino zita rababa vedu richabvisirweiko pakati pemhuri yavo, nekuti vakanga vasina vanakomana? Tipeiwo nhaka pakati pehama dzababa vedu.
4Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin'ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin'ny rainay izahay.
5Mozisi akaisa shoko ravo pamberi paJehovha.
5Ary nalahatr'i Mosesy teo anatrehan'i Jehovah ny tenin'ireo.
6Jehovha akataura naMozisi, akati,
6Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
7Vanasikana vaZerofehadhi vanotaura kwazvo; zvirokwazvo, unofanira kuvapa nhaka pakati pehama dzababa vavo; unofanira kuvagarisa nhaka yababa vavo.
7Marina ny tenin'ny zanakavavin'i Zelofada: omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy.
8Zvino unofanira kutaura navana vaIsiraeri, uchiti, Kana munhu akafa asina mwanakomana, munofanira kugarisa mwanasikana wake nhaka yake.
8Ary lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy manan-janakalahy, dia ny zananivavy no hampandovainareo ny zara-taniny.
9Kana asina mwanasikana, munofanira kupa vakuru vake navanin'ina vake nhaka yake.
9Ary raha tsy manan-janakavavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny zara-taniny.
10Kana asina vakuru kana vanin'ina, munofanira kupa vakuru kana vanin'ina vababa vake nhaka yake.
10Ary raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny zara-taniny.
11Kana baba vake vasina vakuru kana vanin'ina, munofanira kupa hama yake yomumba nhaka yake, ive yake. Unofanira kuva mutemo wokutonga nawo pakati pavana vaIsiraeri, sezvakarairwa Mozisi naJehovha.
11Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin'ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak'Isiraely izany araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
12Zvino Jehovha akati kuna Mozisi, Kwira pagomo iri reAbharimu, uone nyika yandakapa vana vaIsiraeri.
12[Ny amin'ny hahafatesan'i Mosesy, sy ny nanendrena an'i Josoa ho mpandimby azy. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara amin'ity tendrombohitra Abarima ity, ka tazano ny tany izay omeko ny Zanak'Isiraely.
13Ipapo kana waiona, newewo uchasanganiswa navanhu vako, sezvakasanganiswa mukuru wako Aroni;
13Ary rehefa hitanao izany, dia hangonina any amin'ny razanao koa ianao, tahaka izay nanangonana an'i Arona rahalahinao;
14nekuti makaramba shoko rangu murenje reZini, panguva yokurwa kweungano, mukarega kunditsaura pamberi pavo pamvura. (Ndiyo mvura yeMeribha paKadheshi, murenje reZini.)
14fa nandà ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin'ilay nilan'ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin'ny rano teo imasony. (Izany no ranon'i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.)
15Zvino Mozisi akataura naJehovha, akati,
15Ary Mosesy niteny tamin'i Jehovah hoe:
16Jehovha, Mwari wemweya yavanhu vose, ngaagadze murume paungano iyi,
16Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana
17achabuda pamberi pavo, nokupinda pamberi pavo, angavabudisa nokuvapinza; kuti ungano yaJehovha irege kuva samakwai asina mufudzi.
17ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan'i Jehovah.
18Ipapo Jehovha akati kuna Mozisi, Tora Joshua, mwanakomana waNuni, murume uno mweya mukati make, uise ruoko rwako pamusoro pake.
18Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak'i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy;
19Umuise pamberi paEreazari mupristi, napamberi peungano yose, ugomurairira pamberi pavo.
19ary asaovy mijoro eo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka mandidia azy eo imasony ianao.
20Uise pamusoro pake zvoukuru hwako, kuti ungano yose yavana valsiraeri imuteerere.
20Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba hihainoan'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra azy.
21Iye anofanira kumira pamberi pomupristi Ereazari, iye amuunzire pamberi paJehovha nokutonga kweUrimi; nokuraira kwake, vanofanira kubuda, nokuraira kwake, vanofanira kupinda, iye pamwechete navana vaIsiraeri vose, ungano yose.
21Ary Josoa hijanona eo anatrehan'i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin'ny fitsaran'i Orima eo anatrehan'i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak'Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra.
22Mozisi akaita sezvaakarairwa naJehovha; akatora Joshua, akamuisa pamberi pemupristi Ereazari, napamberi peungano yose;
22Ary nataon'i Mosesy araka izay efa nandidian'i Jehovah azy; dia naka an'i Josoa izy ka nampijoro azy teo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetraka nametraka ny tànany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
23akaisa maoko ake pamusoro pake, akamurairira, sezvakataura Jehovha nomuromo waMozisi.
23ka nametraka ny tànany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.