Shona

Malagasy

Obadiah

1

1Zvakaonekwa naObhadhiya. Zvanzi naIshe Jehovha pamusoro paEdhomu, Takanzwa mashoko akabva kuna Jehovha, nhume yatumwa pakati pamarudzi ichiti, Simukai, ngativamukire kuzorwa navo.
1[Ny fahitan'i Obadia ny amin'ny handravana an'i Edoma mbamin'ny jentilisa sasany noho ny ratsy nataony tamin'ny Isiraely, ary ny hampiorenana ny fanjakan'i Jehovah any Ziona] Ny fahitan'i Obadia. Izao no lazain'i Jehovah Tompo ny amin'i Edoma: Nahare filazana avy tamin'i Jehovah izahay, Ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny jentilisa hanao hoe: Mitsangàna, aoka isika hitsangana hanafika azy!
2Tarirai, ndakakuitai vaduku pakati pamarudzi, makazvidzwa kwazvo.
2Indro, hataoko tsinontsinona eo amin'ny firenena ianao, Eny, ho fanazimbazimba indrindra ianao.
3Kuzvikudza kwemwoyo yenyu kwakakunyengerai, iyemi, mugere mumikaha yamatombo, munougaro hwakakwirira, vanoti mumwoyo yavo, Ndianiko ungatiwisira pasi?
3Ny avonavon'ny fonao no namitaka anao, Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Any amin'ny fonenana avo, Sady manao anakampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany?
4Kunyange mukabhururukira kumusoro segondo, uye kunyange dendere renyu rikaiswa pakati penyeredzi, ndichakuwisiraipo pasi ndizvo zvinotaura Jehovha.
4Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin'ny kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.
5Dai mbavha dzaisvika kwamuri, kana makororo usiku (aiwa, makaparadzwa sei!) havazaiba kusvikira varinganiswa here? Dai vatanhi vamazambiringa vaisvika kwamuri, havazaisiya mamwe mazambiringa aripo here?
5Raha, tahìny misy mpangalatra, na jiolahy alina, tonga ao aminao, (Indrisy, fongotra ianao!) Moa tsy izay hahafa-po azy ihany va no hangalariny ? Raha tahìny misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, Moa tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina va izy?
6Zvinhu zvaEsau zvakanzverwa sei! fuma yavo, yakavanzwa, yakafukunurwa sei!
6Endrey ny fitady ny an'i Esao! Endrey ny fikatsaka ny hareny miafina!
7Vanhu vose vaiva nesungano nemi, vakakuperekedzai kusvikira kumuganhu; vanhu, vaigara norugare nemi, vakakunyengerai, vakakukundai; vanodya zvokudya zvenyu, vanokuteyerai musungo pasi penyu, havana njere mukati mavo.
7Ny olona rehetra izay vita fanekena taminao no nampandeha anao hatramin'ny sisin-tany; Izay tsara fihavanana aminao no namitaka ka naharesy anao; Izay mihinana ny haninao no namela-pandrika ao ambaninao Tsy misy fahalalana ao aminy!
8Ko handingaparadzi nezuva iro vachenjeri pakati paEdhomu, nenjere pagomo raEsau here? Ndizvo zvinotaura Jehovha.
8Moa tsy amin'izany andro izany va, hoy Jehovah, no hamongorako ny olon-kendry ao Edoma, Sy ny manan-tsaina ao an-tendrombohitr'i Esao?
9Mhare dzako, iwe Temani, ndichavhunduka, kuti vose vapere nokuurawa pagomo raEsau.
9Ary ho raiki-tahotra ny lehilahy maherinao, ry Temana, Mba haringana amin'ny vonoana ho foana ny any an-tendrombohitr'i Esao.
10Uchafukidzwa nokunyara nemhaka yokuti wakamukira munin'ina wako simba, uchaparadzwa nokusingaperi.
10Noho ny fampahoriana an'i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra ianao Ka ho fongotra mandrakizay.
11Nezuva ramakanga mumirepo makatarisana navo, nezuva ravakatorera fuma yavo navatorwa, vasi venyika iyo vachipinda masuwo avo, vachikanda mije nya pamusoro peJerusaremu, nemiwo makanga makaita somumwe wavo.
11Tamin'ilay andro namitsahanao teny am-pita, Tamin'ny andro namaboan'ny vahiny ny fananany, Sy nidiran'ny hafa firenena teo amin'ny vavahadiny, Ary nanaovany loka an'i Jerosalema, Dia mba toy ny anankiray tamin'ireny koa ianao.[Heb. nijanonanao]
12Asi regai kutarira zuva romunin'ina wenyu, muchifarira zuva reutorwa hwake, murege kufara pamusoro pavana vaJudha nezuva rokuparadzwa kwavo; uye regai kutaura muchizvikudza nezuva rokumanikidzwa kwavo.
12Aza finaritra mijery ny andron'ny rahalahinao amin'ny andro ahitany loza izay tsy misy toa izany; Ary aza mifaly ny amin'ny taranak'i Joda amin'ny andro andringanana azy; Ary aza manao teny miavonavona amin'ny andro fahoriana
13Regai kupinda pasuwo ravanhu vangu nezuva renhamo yavo; regai kutarira njodzi yavo nezuva renhamo yavo, regai kuvatorera fuma yavo nezuva renhamo yavo.
13Aza miditra amin'ny vavahadin'ny oloko amin'ny andro ahitany loza; Aza finaritra mijery ny fahantrany amin'ny andro ahitany loza ianao, Ary aza maninji-tàna haka ny fananany amin'ny andro ahitany loza
14Regai kumira pamharadzano, kuti muparadze vanhu vavo vanopukunyuka; regai kuisa kuvavengi vavo vanhu vavo vakasara nezuva rokumanikidzwa kwavo.
14Aza mamitsaka eo amin'ny sampanan-dalana hamono izay afa-nandositra ianao; Ary aza manolotra izay sisa aminy amin'ny andro fahoriana.[Heb. mijanona]
15nekuti zuva raJehovha raswedera kumarudzi ose; sezvamakaitira vamwe, muchaitirwawo saizvozvo; zvamakaita zvichadzokera pamisoro yenyu.
15Fa efa antomotra amin'ny jentilisa rehetra ny andron'i Jehovah; Toy ny nataonao no mba hatao aminao kosa; Eny, hitsingerina ho eo an-dohanao ny nataonao.
16nekuti sezvamakamwa pagomo rangu dzvene, saizvozvo marudzi ose acharamba achimwa; zvirokwazvo, vachamwa, nokumedza, vachaita savasina kumbovapo.
16Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitra masina, Dia toy izany koa no hisotroan'ny firenena rehetra mandrakariva, Eny, hisotro izy ka hitelina, Ary ho toy ny tsy ary izy.
17Asi pagomo reZioni ndipo pachava navakapukunyuka, richava gomo dzvene; imba yaJakove ichadzoserwa nhaka yayo.
17Fa ao an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay sisa afaka, Ary ho masina izy; Ary ny taranak'i Jakoba hahalasa ny fananany.
18Imba yaJakove ichava moto, imba yaJosefa murazvo womoto, uye imba yaEsau mashanga; vachapisa vamwe pakati pavo, nokuvapedza; hakuchina vachasarira imba yaEsau, nekuti Jehovha akataura izvozvo.
18Ny taranak'i Jakoba ho afo, Ary ny taranak'i Josefa ho lelafo, Fa ny taranak'i Esao kosa ho vodivary, Ary harehitr'ireny izy ka holevoniny; Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak'i Esao, Fa Jehovah no efa niteny.
19Vokurutivi rwezasi vachatora gomo raEsau, vokumapani vachatora nyika yavaFirisitia; vachatora nyika yaEfuremu nenyika yeSamaria; Benjamini vachatora nyika yeGiriyadhi.
19Ny any amin'ny tany atsimo no hahalasa ny tendrombohitr'i Esao;Ary ny any amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka no hahalasa ny Filistina; Hahalasa ny tanin'ny Efraima sy ny tany Samaria izy; Ary Benjamina hahalasa an'i Gileada. [Heb. sefela]
20Vatapwa vehondo iyi yavana vaIsiraeri, vagere pakati pavaKanani, vachatora nyika kusvikira Zarefati; vatapwa veJerusaremu, vari Sefaradhi, vachatora maguta okurutivi rwezasi.
20Ary ny babo amin'izao Zanak'Isiraely maro be izao hahalasa ny Kananita hatrany Zarefata, Ary ny babo tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahalasa ny tanàna any amin'ny tany atsimo. [Na: marobe izao, izay any amin'ny Kananita hatrany Zerefata, sy ny babo, etc..]Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr'i Esao; Ary ho an'i Jehovah Jon 1:1
21Vaponesi vachakwira pagomo reZioni kuzotonga gomo raEsau; ushe huchava hwaJehovha.
21Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr'i Esao; Ary ho an'i Jehovah Jon 1:1