1Hareruya. Vongai Jehovha, nekuti akanaka; nekuti tsitsi dzake dzinogara nokusingaperi.
1[Ny fivadibadihan'ny Isiraely ampitahaina amin'ny fahamarinan'Andriamanitra] Haleloia. Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony.
2Ndianiko angareva zvinhu zvine simba zvakaitwa naJehovha, Kana kududzira kurumbidza kwake kose?
2Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon'i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra?
3Vakaropafadzwa vanochengeta kururama, Naiye anoita zvakarurama nguva dzose.
3Sambatra izay mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva.
4Ndirangarirei Jehovha, nounyoro hwamunahwo kuvanhu venyu; Ndishanyirei noruponeso rwenyu.
4Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin'ny famonjenao aho,
5Kuti ndione kukomborerwa kwavasanangurwa venyu, Kuti ndifare kwazvo nomufaro wavanhu venyu, Kuti ndirumbidze pamwechete nenhaka yenyu.
5Hahitako ny soa azon'ny voafidinao, Hifaliako amin'ny fifalian'ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin'ny lovanao.
6Takatadza pamwechete namadzibaba edu, Takaita pamwechete namadzibaba edu, Takaita zvisina kururama, takaita zvakaipa.
6Efa nanota izahay mbamin'ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay.
7Madzibaba edu haana kunzwisisa zvishamiso zvenyu paEgipita; Haana kurangarira tsitsi dzenyu zhinji; Asi vakakumukirai pagungwa, ipo paGungwa Dzvuku.
7Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan'ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron'ny Ranomasina Mena
8Kunyange zvakadaro akavaponesa nokuda kwezita rake, Kuti azivise simba rake guru.
8Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe.
9Akarairawo Gungwa Dzvuku, rikapwa, Akavafambisa pakadzika sapanenge pabani.
9Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy,
10Akavaponesa paruoko rwowaivavenga. Akavadzikunura paruoko rwomuvengi.
10Namonjy azy tamin'ny tanan'ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin'ny tanan'ny fahavalo.
11Mvura zhinji yakafukidza vadzivisi vavo; Kwakanga kusina nomumwe wavo akasara.
11Dia nosaronan'ny rano kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
12Ipapo vakatenda mashoko ake; Vakaimba vachimurumbidza.
12Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy.
13Vakachimbidzika kukangamwa mabasa ake; Havana kurindira zano rake.
13Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony,
14Asi vakachiva kwazvo-kwazvo murenje, Vakaidza Mwari mugwenga.
14Fa fatra-pila izy tany an-efitra, Sady naka fanahy an'Andriamanitra tany an-tany foana.
15Akavapa chavakakumbira; Asi akatuma kuonda mumweya yavo.
15Dia nomeny azy izay nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy.[Na: ny fanahiny]
16Vakagodora Mozisi pamisasa, NaAroni, mutsvene waJehovha.
16Dia nialona an'i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an'i Arona, olo-masin'i Jehovah.
17Pasi pakashama pakamedza Dhatani, Pakafukidza boka raAbhirami.
17Nisokatra ny tany, dia nitelina an'i Datana Ka nanarona ny antokon'i Abìrama.[Heb. ny fiangonany]
18Moto ukapfuta pakati peboka ravo; Murazvo ukapisa vakaipa.
18Dia nisy afo nirehitra tamin'ny antokony; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy.[Heb. ny fiangonany]
19Vakaita mhuru paHorebhi, Vakanamata mufananidzo wakaumbwa.
19Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan'ny sarin-javatra an-idina.
20Vakatsinhana saizvozvo kubwinya kwavo Nomufananidzo wemombe, inochera bundo.
20Ary ny voninahiny dia natakalony Sarin'ny omby homana ahitra.
21Vakakangamwa Mwari muponesi wavo, Wakaita zvinhu zvikuru paEgipita;
21Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta,
22Mabasa anoshamisa munyika yaHamu, Nezvinhu zvinotyisa paGungwa Dzvuku.
22Dia fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama sy zava-mahatahotra teo amin'ny Ranomasina Mena.
23Saka akati, Ndinoda kuvaparadza; Dai Mozisi musanangurwa wake asina kumira pamberi pake ipo pakaputsika, Kuti adzore kutsamwa kwake, arege kuvaparadza.
23Ary nikasa handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin'ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy.[Heb. nilaza]
24Zvirokwazvo, vakazvidza nyika inofadza, Havana kutenda shoko rake;
24Ary nanamavo ny tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny,
25Asi vakanyunyuta mumatende avo, Vakasateerera inzwi raJehovha.
25Fa nimonomonona tany an-dainy Ka tsy nihaino ny feon'i Jehovah.
26Saka wakavasimudzira ruoko rwake. Kuti avaparadze murenje;
26Dia nanandratra ny tànany taminy Izy, Fa hampiampatrampatra azy any an-efitra
27Uye kuti aparadze vana vavo pakati pavahedheni. Avaparadzire panyika dzose.
27Ary ny taranany kosa any amin'ny jentilisa, Ary hampihahakahaka azy any amin'ny tany maro Izy.
28Vakazvibatanidzawo naBhaaripeori, Vakadya zvakabayirwa vakafa.
28Nikambana tamin'i Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an'ny maty,
29Naizvozvo vakamutsamwisa nezvavakaita; Denda ndokupinda pakati pavo.
29Dia nampahatezitra an'i Jehovah tamin'ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana.
30Ipapo Pinehasi akasimuka, akaita zvakarurama; Denda ndokuguma.
30Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana.
31Izvozvo zvikanzi kwaari kururama, Kusvikira kumarudzi namarudzi nokusingaperi.
31Ary nisaina ho fahamarinany izany Hatramin'ny taranaka fara mandimby mandrakizay.
32Vakamutsamwisawo pamvura zhinji yeMeribha, Naizvozvo Mozisi akaoneswa nhamo nokuda kwavo.
32Nampahatezitra an'i Jehovah teo anilan'ny ranon'i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an'i Mosesy noho ny nataon'ireo;
33Nekuti vakamukira mweya wake, Iye akataura nehasha nemiromo yake.
33Fa niodina tamin'ny Fanahin'i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy.
34Havana kuparadza ndudzi dzavanhu, Sezvavakanga varairwa naJehovha,
34Tsy naringany ny firenena Izay nasain'i Jehovah naringany;
35Asi vakavengana navahedheni, Vakadzidza mabasa avo;
35Fa nifangaro tamin'ny jentilisa izy Ka nianatra ny fanaony,
36Vakashumira zvifananidzo zvavo; Izvo zvikava musungo kwavari.
36Dia nanompo ny sampiny izy, Ka dia nody fandrika ho azy izany.
37Zvirokwazvo, vakabayira mweya yakaipa vanakomana vavo navanasikana vavo,
37Namono ny zananilahy sy ny zananivavy ho fanatitra ho an'ny demonia ireo;[Heb. ireo tompo]
38Vakateura ropa risina mhosva, iro ravanakomana vavo navanasikana vavo, Vakavabayira zvifananidzo zveKanani; Nyika ikasvibiswa neropa.
38Eny, nandatsaka rà marina izy, Dia ny ran'ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho fanatitra ho an'ny sampin'i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin'ny rà izy.
39Vakasvibiswa saizvozvo namabasa avo, Vakapata pane zvavakaita.
39Ary naloto tamin'ny asany izy Ary nahatonga azy ho mijangajanga ny nataony.
40Saka kutsamwa kwaJehovha kwakamukira vanhu vake, Akasema nhaka yake.
40Dia nirehitra tamin'ny olony ny fahatezeran'i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany.
41Akavaisa muruoko rwavahedheni; Vakavavenga ndivo vaivabata.
41Dia nanolotra azy teo an-tànan'ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy.
42Vavengi vavo vakavamanikidzawo, Vakaiswa pasi poruoko rwavo.
42Ary nampahory azy ny fahavalony, Ka naetry tambanin'ny tànany izy.
43Akavarwira kazhinji, Asi vakamumukira pakurangana kwavo, Vakanyudzwa muzvakaipa zvavo.
43Matetika Izy no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka nihalevona noho ny helony.
44Kunyange zvakadaro akatarira kutambudzika kwavo, Panguva yaakanzwa kuchema kwavo;
44Kanefa nijery ny fahoriany ihany Izy. Raha nandre ny fitarainany;
45Akarangarira sungano yake nokuda kwavo, Akazvidemba nokuda kokuwanda kwetsitsi dzake.
45Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben'ny famindram-pony.
46Akavanzwisawo tsitsi Navose vakanga vavatapa.
46Dia nataony nahita famindram-po ireny Tamin'izay rehetra namabo azy.
47Tiponesei, Jehovha Mwari wedu, Tiunganidzei, tibve pakati pavahedheni, Kuti tivonge zita renyu dzvene, Tifarisise pakukurumbidzai.
47Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina Sy hifalianay amin'ny fiderana Anao.Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia.
48Jehovha Mwari waIsiraeri ngaakudzwe, Kubva pakusingaperi kusvikira pakusingaperi. Vanhu vose ngavati, Ameni. Hareruya.
48Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia.