Shona

Malagasy

Psalms

35

1Jehovha, kakavadzanai navanokakavadzana neni; Irwai navanorwa neni.
1[Fiantsoana an'Andriamanitra hamaly ny ratsy ataon'ny mpanenjika] Nataon'i Davida. Jehovah ô, mamalia izay manana ady amiko; miadia amin'izay mamely ahy.
2Torai nhovo huru neduku, Musimuke kundibatsira.
2Raiso ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka mitsangàna hamonjy ahy.
3Vhomoraiwo pfumo, mudzivire nzira yavanonditeverera, Itiyi kumweya wangu, Ndini muponesi wako.
3Ary raiso ny lefona, ka sakano izay manenjika ahy; lazao amin'ny fanahiko hoe: Famonjena anao Aho.
4Vanotsvaka mweya wangu ngavanyadziswe, vazvidzwe; Vanofunga kundiitira zvakaipa ngavadzoserwe shure vakanganiswe.
4Aoka ho menatra sy ho afa-baraka izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy hangaihay izay misaina hanisy ratsy ahy.
5Ngavafanane nehundi inopupuruswa nemhepo, Mutumwa waJehovha achivasundira.
5Aoka ho tahaka ny akofa eo alohan'ny rivotra izy. Ary aoka ny Anjelin'i Jehovah handroaka azy.
6Nzira yavo ngaive nerima, itedze, Mutumwa waJehovha achivateverera.
6Aoka ho maizina sy malama ny lalany, ary aoka ny Anjelin'i Jehovah hanenjika azy.
7nekuti ndisina mhosva vakandivanzira mimbure yavo muhunza, Ndisina mhosva vakacherera mweya wangu hunza.
7Fa tsy ahoan-tsy ahoana no nanaovany fandri-totofana hahazoany ahy; tsy ahoan-tsy ahoana no nandavahany hamandrihany ny aiko.
8Kuparadzwa ngakumuwire akangofara; Uye mumbure wake waakavanza ngaumubate amene; Ngaawiremo aparadzwe.
8Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy; ary aoka hahazo azy ny fandrika harato nafeniny, ka ho latsaka ao amin'izany fandringanana izany indrindra izy.
9Mweya wangu uchafarira Jehovha Uchafarira kuponesa kwake.
9Fa ny fanahiko kosa hifaly amin'i Jehovah sy ho ravoravo amin'ny famonjeny.
10mafupa angu ose achati, Jehovha ndianiko akafanana nemi, imwi munorwira murombo panaiye akamukurira nesimba, Iye murombo nomushaiwi panowanomupamba?
10Ny taolako rehetra hanao hoe: Jehovah ô, iza no tahaka Anao, Izay manafaka ny ory amin'izay tsy tohany, eny, ny ory sy ny malahelo amin'izay mamabo azy?
11Zvapupu zvisina kururama zvinosimuka; Zvinondibvunza zvinhu zvandisingazivi
11Mitsangana ny vavolombelona mampidi-doza; ka izay tsy fantatro no anadinany ahy.
12Zvakanaka zvangu vanozvitsiva nezvakaipa, Vachibira mweya wangu.
12Mamaly ratsy ahy ho solon'ny soa izy, ka mamoy malala ny fanahiko.
13Asi kana ndirini, pakurwara kwavo ndakafuka masaga; Ndakatambudza mweya wangu ndichitsanya; Munyengetero wangu ukadzokera kuchipfuva changu.
13Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin'ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako.
14Ndakaita seyaiva shamwari yangu kana hama yangu; Ndakakotama ndichichema, somunhu anochema mai vake.
14Toy ny nisy nanjo ny sakaizako na ny rahalahiko no nandehanako; nitanondrika tamin'alahelo toy ny fisaona reny aho.
15Asi pakugumburwa kwangu vakafara, vakaungana pamwechete; Vanhu vakarashwa kwazvo vakaungana kuzorwa neni, navandakanga ndisingazivi; Vakandibvambura, vasingaregi;
15Nefa nony ho lavo kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona;olona faraidina no nitangorona hamely ahy, nefa tsy fantatro; namiravira izy ka tsy mba nitsahatra;[Na: Olona faraidina, izay fantatro, no nitangorona hamely ahy]
16Savadadiri vakaipa pamitambo Vakandirumanyira meno avo.
16Naman'ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka izy ka nihidy vazana tamiko.[Heb. hahazoa-mofo; na;tena mpanendrikendrika indrindra]
17Jehovha, muchatarira izvozvo kusvikira rinhiko? Rwirai mweya wangu pakuparadza kwavo, Mudikamwa wangu pashumba.
17Ry Tompo ô, mandra-pahoviana no hijerenao ? Avereno ny fanahiko ho afaka amin'ny fandringanany, ny hany malalako ho afaka amin'ny liona tanora.
18Ndichakuvongai paungano huru; Ndichakurumbidzai pakati pavanhu vazhinji.
18Hisaotra Anao eo amin'ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan'ny olona maro aho.
19Vanondivenga ndisina mhosva ngavarege kufara pamusoro pangu; Uye vanondivenga ndisina mhosva ngavarege kubwaira neziso.
19Aoka tsy hifalian'izay mandrafy ahy foana aho; ary aoka tsy hami-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana.
20Nekuti havatauri rugare; Asi vanofungira avo vanyerere panyika mashoko okunyengera.
20Fa tsy fihavanana no lazainy; fa mamorom-pitaka izy hamelezany izay mibonaika ambonin'ny tany.
21Zvirokwazvo, vakandishamisira miromo yavo; Vakati, Hekani, hekani! Meso edu akazviona.
21Dia mitanatana vava amiko izy ka manao hoe: Hià! sakoa izay! efa hita'ny masonay.
22Makazviona, Jehovha; regai kunyarara; Ishe, regai kugara kure neni.
22Efa hitanao, Jehovah ô, ka aza manentsin-tadiny; ry Tompo ô, aza manalavitra ahy.
23Zvimutsei, mukai mundiruramisire; Mutambe mhaka yangu, Mwari wangu naShe wangu.
23Mahatsiarova, ka mifohaza ho amin'ny fitsaràna ahy, O Andriamanitro sy Tompoko! mifohaza ho amin'ny adiko.
24Nditongerei, Jehovha Mwari wangu, nokururama kwenyu; Ngavarege kufara pamusoro pangu.
24Tsarao aho, Jehovah Andriamanitro ô, araka ny fahamarinanao; ary aoka tsy hifalian'ireo aho.
25Ngavarege kuti mumoyo mavo, Hekani, ndizvo zvatanga tichida; Ngavarege kuti, Tamumedza.
25Aoka tsy hanao anakampo hoe izy: Hià! faly izahay! aoka tsy hanao hoe izy: efa natelinay izy.
26Ngavanyadziswe, vazvidzwe pamwechete, ivo vanofarira kutambudzika kwangu; Ngavafukidzwe nokunyara nokuzvidzwa, ivo vanozvikudza pamusoro pangu.
26Aoka ho menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin'ny manjo ahy; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha amiko.
27Ngavadanidzire nomufaro, vafare, ivo vanoda kururamiswa kwemhaka yangu; Ngavarambe vachiti, Jehovha ngaakudzwe, Iye, anofarira kufara komuranda wake.
27Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; ary aoka izy hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah, Izay mankasitraka ny fiadanan'ny mpanompony.Ary ny lelako hilaza ny fahamarinanao; ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva.
28Ipapo rurimi rwangu ruchataura zvokururama kwenyu, Nezvokurumbidzwa kwenyu zuva rose.
28Ary ny lelako hilaza ny fahamarinanao; ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva.