1Mwari, takanzwa nenzeve dzedu, madzibaba edu akatiudza, Basa ramakabata pamisi yavo, napamisi yekare.
1[Fivavaky ny Isiraely nony saiky resim-pahavalo, nefa tsy nahafoy an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Maskila. Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin'ny androny, dia tamin'ny andro fahiny.
2Makadzinga vahedheni noruoko rwenyu, mukavasima ivo; Makatambudza ndudzi dzavanhu mukavaparadzira ivo.
2Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany.
3nekuti havana kuzviwanira nyika nomunondo wavo, Ruoko rwavo haruna kuvaponesa; Asi chanza chenyu chorudyi, noruoko rwenyu, nechiedza chechiso chenyu, nekuti maivafarira.
3Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy.
4Ndimi Mambo wangu, imwi Mwari; Rairai kuti Jakove akunde.
4Hianao dia Hianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an'i Jakoba.
5nemwi tichawisira pasi vadzivisi vedu; Nezita renyu tichatsika pasi vanotimukira.
5Hianao no hanosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely anay.
6nekuti handingavimbi nouta hwangu, Nomunondo wangu haungandiponesi.
6Fa tsy ny tsipikako no itokiako, ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy.
7Asi imwi makatiponesa pavadzivisi vedu, Mukanyadzisa vanotivenga.
7Fa namonjy anay tamin'ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra.
8Takazvirumbidza zuva rose munaMwari, Tichavonga zita renyu nokusingaperi.
8Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay.
9Asi zvino makatirasha henyu, mukatinyadzisa; Hamuchafambi nehondo dzedu.
9Fa efa nanary anay ianao ka nampahamenatra anay, ary tsy mba mivoaka miaraka amin'ny antokon'ny miaramilanay Hianao.
10Munotitizisa pamberi pavadzivisi; Vanotivenga vanozvipambira.
10Ataonao miamboho ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo.
11Makatiisa samakwai akatarirwa kubayiwa; Makatiparadzira pakati pavahedheni.
11Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin'ny firenen-tsamy hafa.
12Munotengesa vanhu venyu musina chamunopiwa, Hamuna kuwedzera fuma yenyu nomutengo wavo.
12Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin'ny vidiny.
13Munotiita vanhu vanosekwa navatinogara navo, Vanhu vanozvidzwa nokusekwa navakatikomberedza.
13Ataonao fandatsan'ny olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson'izay manodidina anay.
14Munotiita shumo pakati pavahedheni, Vanhu vanotidzungudzira misoro.
14Ataonao ho ambentinteny amin'ny firenen-tsamy hafa izahay, dia fihifikifihan-doha amin'ny olona maro.
15Zuva rose kuzvidzwa kwangu kuri pamberi pangu, Kunyara kwechiso changu kwakandifukidza.
15Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-boninahitro, ary efa manafotra ahy ny fangaihaizako,
16Nokuda kwenzwi romutuki nomuzvidzi; Nokuda komuvengi nomutsivi.
16Noho ny feon'ny mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy.
17Izvi zvose zvakatiwira; kunyange zvakadaro hatina kukukangamwai, Hatina kunyengedzera pasungano yenyu.
17Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao.
18moyo yedu haina kudzokera shure, Kutsika kwedu hakuna kutsauka panzira yenyu;
18Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin'ny lalanao ny dianay.
19Kunyange makatipwanya-pwanya panzvimbo yamakava, Mukatifukidza nomumvuri worufu.
19Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin'ny fitoeran'ny amboadia sy nanarona anay tamin'ny aloky ny fahafatesana.[Na: jakala]
20Kana tichinge takangamwa zita raMwari wedu, Kana kutambanudzira maoko edu kunaMwari wavamwe;
20Raha nanadino ny anaran'Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin'ny andriamani-kafa,
21Ko Mwari haanganzveri izvozvo here? nekuti iye anoziva zvakavanzika zvomoyo.
21Tsy handinika izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po.
22Zvirokwazvo, nokuda kwenyu tinourawa zuva rose; Tinonzi tiri makwai akatarirwa kubayiwa.
22Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay.
23Mukai, munovatireiko, Ishe? Mukai, musatirasha nokusingaperi.
23Mifohaza, ry Tompo ô, nahoana no matory Hianao? Mitsangàna, aza manary mandrakizay.
24Munovanzireiko chiso chenyu, Muchikangamwa kutambudzika kwedu nokumanikidzwa kwedu?
24Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay?
25Nekuti mweya wedu wakotamira kuguruva; Dumbu redu rinonamatira pavhu.
25Fa miankohoka amin'ny vovoka ny fanahinay, miraikitra amin'ny tany ny kibonay.Mitsangàna hamonjy anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao.
26Simukai mutibatsire, Mutidzikunure nokuda kounyoro bwenyu.
26Mitsangàna hamonjy anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao.