1Mwari ndiye utiziro bwedu nesimba redu, Ndiye mubatsiri ari pedo-pedo panguva dzokumanikidzwa.
1[Fahatokiana an'Andriamanitra fiarovana mafy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita; At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy.
2Saka hatingatyi, kunyange nyika ikashanduka, Uye kunyange makomo akakungurukira mukati mamakungwa;
2Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin'ny ranomasina aza ny tendrombohitra,
3mvura zhinji yawo ngaitinhire nokumutswa, makomo adedere nokupupuma kwawo.
3Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.
4Rwizi rwuripo nehova dzinofadza guta raMwari, Iyo nzvimbo tsvene yetabhenakeri dzeWekumusoro-soro.
4Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan'Andriamanitra, Fonena-masin'ny Avo Indrindra.
5Mwari ari mukati maro; haringazununguswi; Mwari acharibatsira kana utonga hwotsvuka.
5Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro.
6Vahedheni vakaita bope, ushe hwakazununguswa; Akataura nenzwi rake, nyika ikanyauka.
6Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany.
7Jehovha wehondo anesu; Mwari waJakove inhare yedu.
7Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no fiarovana avo ho antsika.
8Uyai muone mabasa aJehovha, Zvishamiso zvaakaita panyika.
8Avia, jereo ny asan'i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany;
9Anogumisa kurwa kusvikira pakuguma kwenyika; Anovhuna uta, nokuvhuna-vhuna pfumo; Anopisa ngoro dzokurwa nomoto.
9Mampitsahatra ady hatramin'ny faran'ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin'ny afo.
10Nyararai, muzive kuti ndini Mwari; Ndichava mukuru pakati pavahedheni, ndichava mukuru panyika.
10Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin'ny tany Aho.Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no aro ho antsika.
11Jehovha wehondo anesu; Mwari waJakove inhare yedu.
11Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no aro ho antsika.