1Haiwa Mwari, vahedheni vakapinda panhaka yenyu; Vakasvibisa temberi yenyu tsvene; Jerusaremu vakariita dongo.
1[Fifonana noho ny faharavana nataon'ny fahavalo] Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, tonga eto amin'ny lovanao ny jentilisa, ka nandoto ny tempolinao masina sady nanao an'i Jerosalema ho korontam-bato.
2Zvitunha zvavaranda venyu vakazvipa shiri dzokudenga zvive zvokudya zvadzo. Uye nyama yavatsvene venyu vakaipa zvikara zvapasi.
2Ny fatin'ny mpanomponao nomeny hohanin'ny voro-manidina, ny nofon'ny olonao masina ho an'ny bibidia;
3Vakateura ropa ravo pose-pose paJerusaremu semvura; Vakashaiwa anovaviga.
3Ny ràny naidiny manodidina an'i Jerosalema tahaka ny rano, ary tsy nisy handevina.
4Tava chinhu chinoshorwa navatigere navo, Chinhu chinozvidzwa nechinosekwa navakatipoteredza.
4Tonga fandatsan'ny namanay izahay, sady faneso sy fanakoran'izay manodidina anay.
5Haiwa Jehovha, mucharamba makatsamwa nokusingaperi kusvikira rinhiko? Godo renyu richapfuta somoto here?
5Mandra-pahoviana, Jehovah ô, no hanontolo fo Hianao, ka hirehitra tahaka ny afo ny fahasaro-piaoronao?
6Dururai hasha dzenyu pamusoro pavahedheni vasingakuziviyi, Napamusoro poushe huzhinji, husingadi zita renyu.
6Aidino amin'ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, sy amin'ny fanjakana izay tsy miantso ny anaranao;
7nekuti vakapedza Jakove, Vakaparadza ugaro hwake.
7Fa efa nandany an'i Jakoba izy ireo sady nandrava ny fonenany.
8Musarangarira kutirova pamusoro pezvakaipa zvamadzibaba edu; tsitsi dzenyu nyoro ngadzikurumidze kusangana nesu, nekuti taneta kwazvo.
8Aza tsarovana aminay ny heloky ny razanay; aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantrànao, fa reraka indrindra izahay.
9Tibatsirei, Mwari muponesi wedu, nokuda komukurumbira wezita renyu;
9Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao; ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao.
10Vahedheni vacharevereiko, vachiti, Mwari wavo aripiko? Kutsihwa kweropa ravaranda venyu, rakateurwa, Ngakuzikamwe pakati pavahedheni pamberi pedu.
10Nahoana ny jentilisa no hanao hoe: aiza izay Andriamaniny? aoka ho fantatra amin'ny jentilisa eo imasonay ny famaliana ny ran'ny mpanomponao izay nalatsaka.
11Kugomera komusungwa ngakusvike kwamuri; Noukuru bwesimba renyu chengetai vana vorufu;
11Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fisentoan'ny mpifatotra; araka ny halehiben'ny sandrinao dia arovy tsy ho faty ny zanaky ny fahafatesana.
12Mutsivire vagere nesu kanomwe pachipfuva chavo. Kushora kwavakakushorai nako, imwi Ishe.
12Ary valio impito heny ho ao an-tratran'ny mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay nanaratsiany Anao, Tompo ô.Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin'ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fideràna Anao.
13Naizvozvo isu vanhu venyu, nemakwai amafuro enyu, Tichakuvongai nokusingaperi; Ticharatidza kurumbidzwa kwenyu kumarudzi namarudzi.
13Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin'ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fideràna Anao.