1Haiwa Jehovha, regai kuramba munyerere; Regai kuramba musingatauri, musanyarara Mwari.
1[Fitarainana noho ny nikambanan'ny firenena maro hamely ny Isiraely] Tonon-kira. Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, aza mangina; aza mihombom-bava Hianao, ary aza mamitsaka, Andriamanitra ô.
2nekuti tarirai, vavengi venyu vanoita bope; Vanokuvengai vakasimudza misoro yavo.
2Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany.
3Vanofunga mano kuti vanyengere vanhu venyu, Vanorangana pamusoro pavakavanzwa nemi.
3Ny olonao no iokoany amin'ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy.
4Vakati, Uyai, tivaparadze, varege kuzova rudzi; Kuti zita raIsiraeri rirege kuzorangarirwa.
4Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran'Isiraely.
5Nekuti vakarangana nomoyo mumwe; Vanoita sungano kuzorwa nemi.
5Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao,
6Matende aEdhomu navaIshimaeri, Moabhu navaHagari;
6Dia ny lain'ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita,
7Gebhari, naAmoni, naAmareki; Firisitia pamwechete navagere Tire;
7Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin'ny mponina any Tyro.
8Asiriawo wakasangana navo; Vakabatsira vana vaRoti.
8Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin'ny taranak'i Lota ireo.
9Muvaitire sezvamakaitira Midhiani; NaSisera, naJabhini, paRwizi Kishoni;
9Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an'i Sisera sy Jabina teo amin'ny ony Kisona;
10Ivo vakaparadzwa paEndori; Vakava mupfudze wapasi.
10Maty tany En-dora ireo; tonga zeziky ny tany izy.
11Itai vakuru vavo saOrebhi naZeebhi; Zvirokwazvo machinda avo ose saZebha naZarimuna;
11Ataovy tahaka an'i Oreba sy Zeba ny mpanapaka azy. Eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an'i Zebaha sy Zaimona,
12Ivo vakati, Ngatizvitorere Ugaro hwaMwari huve bwedu.
12Izay nanao hoe: aoka halaintsika ho antsika ny fonenan'Andriamanitra.
13Mwari wangu, muvaite seguruva rinondeyeswa nemhepo; Samakoto anodzingwa nemhepo.
13Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin'ny rivotra,
14Somoto unopisa dondo, Somurazvo womoto unopisa makomo;
14Tahaka ny afo mandoro ala sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra;
15Muvateverere saizvozvo nedutu renyu remhepo, Muvavhunduse nechamupupuri chenyu.
15Aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy amin'ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin'ny tafio-drivotrao.
16Fukidzai zviso zvavo nokunyadziswa; Kuti vatsvake zita renyu, Jehovha.
16Sarony henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô.
17Ngavanyadziswe, vavhunduswe nokusingaperi; Zvirokwazvo, ngavanyadziswe vafe;
17Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy.Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin'ny tany rehetra.
18Vazive kuti imwi moga, imwi munezita rinonzi Jehovha, Ndimi Wekumusoro-soro kumusoro kwepasi pose.
18Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin'ny tany rehetra.