1Uyai, tiimbire Jehovha; Ngatipururudzei dombo rokuponeswa kwedu.
1[Fiantsoana hivavaka amin'Andriamanitra sy hankatò ny teniny] Avia, aoka isika hihoby ho an'i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika.
2Ngatisvike pamberi pake tichivonga, Ngatimupururudzirei namapisarema,
2Aoka hankeo anatrehany amin'ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin'ny fihirana isika.
3nekuti Jehovha ndiMwari mukuru, ,Mambo mukuru anokunda vamwari vose.
3Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra Izy.
4Nzvimbo dzakadzika dzapasi dziri muruoko rwake; Misoro yamakomo ndeyakewo.
4Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin'ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo.
5Gungwa nderake, ndiye akariita; Maoko ake akaumba nyika yakaoma.
5Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin'ny tànany.
6Uyai, tinamate tikotamire pasi; Ngatipfugame pamberi paJehovha Muiti wedu.
6Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan'i Jehovah, Mpanao antsika;
7Nekuti ndiye Mwari wedu, Isu tiri vanhu vanofudzwa naye, namakwai oruoko rwake. Nhasi dai muchinzwa henyu inzwi rake!
7Fa Izy no Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe:
8Regai kuomesa moyo yenyu sapaMeribha, Sapazuva reMasa murenje;
8Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin'ny andro tao Masa fony tany an-efitra,[Na: Anio raha hihaino ny feony ianareo, dia aza]
9Panguva yandakaidzwa namadzibaba enyu, Vakandiidza, vakaona zvandakaita.
9Izay nakan'ny razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako.
10Ndakanga ndine shungu pamusoro porudzi urwo makore makumi mana, Ndikati, Ndivanhu vakarashika pamoyo yavo, Havana kuziva nzira dzangu;
10Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin'izany taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin'ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako;Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy.
11Saka ndakapika pakutsamwa kwangu, ndikati, Havangazopindi pazororo rangu.
11Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy.