1Zvino Naomi wakange ane hama yomurume wake, murume wakange ane simba nefuma, weimba yaErimereki, wainzi Bhowasi.
1[Ny nitsimponan'i Rota salohim-bary teny an-tanimbarin'i Boaza, sy ny soa nataon'i Boaza taminy] Ary nisy havan'ny vadin'i Naomy avy amin'ny fokon'i Elimeleka, lehilahy mpanjatobe, Boaza no anarany.
2Rute muMoabhu akati kuna Naomi, Nditenderei ndiende kumunda, ndindounganidza hura dzezviyo shure kwaiye unondinzwira nyasha. Akati kwaari, Enda hako, mwana wangu.
2Ary hoy Rota, vehivavy Moabita, tamin'i Naomy: Aoka aho hankany an-tsaha mba hitsimpona salohim-bary eo aorian'izay hahitako fitia eo imasony. Dia hoy izy taminy: Andeha ary, anaka.
3Iye akaenda, akandounganidza pamunda achitevera vacheki; akava neropa rakanaka kuti wakasvika pamunda waBhowasi weimba yaErimereki.
3Dia lasa nandeha izy ka nitsimpona tany an-tsaha teo aorian'ny mpijinja; ary sendra tonga tany amin'ny tanimbarin'i Boaza, izay avy amin'ny fokon'i Elimeleka, izy.
4Zvino vonei, Bhowasi wakabva Bheterehemu, akati kuvacheki, Jehovha ave nemi. Ivo vakapindura, vakati kwaari, Jehovha akuropafadzeiwo.
4Ary, indro, Boaza tonga avy tany Betlehema ka niteny tamin'ny mpijinja hoe: Jehovah anie ho aminareo. Dia hoy kosa Ireo taminy: Hitahy anao anie Jehovah.
5Bhowasi akati kumuranda wake wakange ari mutariri wavacheki, Musikana uyu ndowaaniko?
5Dia hoy Boaza tamin'ny zatovony, izay nitandrina ny mpijinja: Zanak'iza moa io zazavavy io?
6Muranda, wakange ari mutariri wavacheki, akapindura akati, Ndiye musikana muMoabhu, wakadzoka naNaomi vachibva kunyika yaMoabhu,
6Dia namaly ilay zatovo nitandrina ny mpijinja ka nanao hoe: Zazavavy Moabita, izay niverina nomba an'i Naomy avy tany amin'ny tany Moaba io;
7iye akati, Nditendereiwo ndiunganidze, ndinonge shure kwavacheki pakati pezvisote, naizvozvo akauya, akaswerapo kubva mangwanani kusvikira zvino, asi wakagara mumba nguva duku.
7fa hoy izy: Masìna ianao aoka aho hitsimpona sy hanangona eo aorian'ny mpijinja eny anelanelan'ny amboara; dia tonga izy ka nijanona teto hatramin'ny maraina ka mandraka ankehitriny; kely foana no nitoerany tao an-trano.
8Ipapo Bhowasi akati kuna Rute, Chinzwa hako, mwanasikana wangu. Usandounganidza kunomumwe munda, uye usabva pano, asi urambire pano kuvasikana vangu.
8Dia hoy Boaza tamin'i Rota: Tsy mandre va ianao, anaka? Aza mandeha hitsimpona any an-tanimbary hafa na miala eto ianao, fa mitoera eto anilan'ny zatovovavy.
9Meso ako ngaarambe achitarira munda wavanocheka, newe uvatevere; ndakaraira majaya angu kuti varege kukutambudza. Kana ukanzwa nyota, enda hako kumidziyo, umwe mvura yakatekwa namajaya.
9Aoka ny masonao ho amin'ny tanimbary izay jinjany, ka manaraha eo aoriany ianao: tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta ianao, mankanesa eroa amin'ny siny, ka misotroa amin'izay antsakain'ny zatovo.
10Ipapo akawira pasi nechiso chake, akakotamira pasi, akati kwaari, Ndanzwirwa nyasha nemwi neiko, kuti muve nehanya neni, zvandiri mutorwa hangu?
10Dia niondrika sy niankohoka tamin'ny tany Rota ka nanao taminy hoe: Ahoana no mba ahitako fitia eto imasonao sy itsinjovanao ahy, nefa vahiny ihany aho?
11Bhowasi akapindura akati kwaari, Ndakaziviswa zvose zvawakaitira vamwene vako kubva pakufa komurume wako, kuti wakasiya baba vako namai vako nenyika kwawakaberekerwa, ukauya kuvanhu vawakanga usingazivi kare.
11Dia namaly Boaza ka nanao taminy hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin'ny rafozanao-vavy hatrizay nahafatesan'ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin'ny tany nahaterahanao sy nankanesanao atỳ amin'ny firenena tsy mbola fantatrao.
12Jehovha ngaakuripire sezvawakabata, upiwe mubayiro wakakwana naJehovha Mwari waIsiraeri, wawakauya kuzovanda pasi pamapapiro ake.
12Hamaly ny nataonao anie Jehovah. ka homen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin'ny elany ianao.
13Iye akati, Ndinzwirwe hangu nyasha nemi, ishe wangu, nekuti makandinyaradza, mukataura zvakanaka nomurandakadzi wenyu, kunyange ndisina kufanana nomumwe wavarandakadzi venyu.
13Dia hoy Izy: Aoka hahita fitia eo imasonao aho, tompokolahy; fa efa nampifaly ahy ianao, ary efa niteny mora tamin'ny zatovovavinao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin'ny zatovovavinao aza aho.
14Nenguva yokudya Bhowasi akati kwaari, Uya pano, udye chingwa, usevere musuva wako muvhiniga. Iye akagara navacheki, ivo vakamugamuchidza zviyo zvakakangwa, akadya, akaguta, akasiya zvimwe.
14Ary rehefa tonga ny fotoam-pisakafoana, dia hoy Boaza taminy: Mankanesa atỳ, ka mihinàna mofo, ary atsobohy amin'ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka teo anilan'ny mpijinja izy; ary nangalan-dralehilahy lango izy, dia nihinana ka voky, ary nisy sisa tsy laniny aza.
15Zvino wakati asimuka kuzounganidza zviyo, Bhowasi akaraira majaya ake, akati, Ngaaunganidze hake kunyange napakati pezvisote, musamudzivisa.
15Ary raha nitsangana hitsimpona izy, dia nodidian'i Boaza ny ankizilahiny hoe: Aoka izy hitsimpona na dia eny anelanelan'ny amboara aza, ka aza maninona azy.
16Mumuvhomorerewo dzimwe hura maune patsama, mudzisiye, aunganidze hake, musamutuka.
16Ary asio latsadatsaka avy amin'ny amboara, ka avelao ireny hotsimponiny, fa aza raràna izy.
17Naizvozvo akaunganidza pamunda kusvikira madekwana; akandopura zvaakaunganidza, zvikavavarira kusvika efa imwe yebhari.
17Ary nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan'ny andro Rota, dia nively izay efa voatsimpony, ka nisy vary hordea tokony ho iray efaha.
18Akazvisimudza, ndokupinda muguta; vamwene vake vakaona zvaakanga aunganidza; akabudisawo zvakanga zvasara aguta hake, akavapawo.
18Dia nentiny izany, ka nankany an-tanàna izy, ary hitan'ny rafozani-vavy izay efa voatsimpony; ary navoakany koa ilay sisa tsy laniny tamin'ny nisakafoany ka nomeny ny rafozany.
19Ipapo vamwene vake vakati kwaari, Wandounganidzepiko nhasi? Wandobata basa kupiko? Iye wakava nehanya newe ngaaropafadzwe.
19Dia hoy ny rafozanivavy taminy: Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza no nanaovanao? Hotahina anie izay nitsinjo anao. Dia nambarany tamin'ny rafozani-vavy izay efa nitsimponany ka hoy izy: Boaza no anaran'ny lehilahy, izay tompon'ny tanimbary nitsimponako androany
20Naomi akati kumukadzi womwana wake, Ngaaropafadzwe naJehovha, iye usina kubvisa tsitsi dzake kuvapenyu navakafa. Naomi akati kwaari, Murume uyu ihama yedu yomumba, mumwe wavadzikunuri vedu.
20Dia hoy Naomy tamin'ny vinantonivavy: Hotahin'i Jehovah anie izay tsy nitsahatra hanao soa amin'ny velona sy ny maty. Ary hoy koa Naomy taminy: Havantsika akaiky ihany ralehilahy, ka isan'izay mahavotra antsika izy.
21Rute muMoabhu akati, hongu, wakati kwandiri, Unofanira kurambira kumajaya angu, kusvikira vapedza kukohwa zvose zvangu.
21Ary hoy Rota, vehivavy Moabita: Izao koa no nataony tamiko: Mitoera tsara eo anilan'ny zatovoko ianao mandra-pahatapitry ny fijinjana.
22Naomi akati kuna Rute, mukadzi womwana wake, Zvakanaka mwana wangu, kuti uende navasikana vake, urege kuonekwa kune mumwe munda.
22Ary hoy Naomy tamin'i Rota vinantoni-vavy: Tsara izany, anaka, raha miara-mivoaka amin'ny ankizivavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any an-tsaha hafa.Ary izy tsy nety nisaraka tamin'ny zatovovavin'i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika; ary nitoetra tao amin'ny rafozani-vavy Izy.
23Naizvozvo akarambira kuvasikana vaBhowasi, akaunganidza kusvikira pakupera kokuchekwa kwebhari nokuchekwa kwezviyo; akagara navamwene vake.
23Ary izy tsy nety nisaraka tamin'ny zatovovavin'i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika; ary nitoetra tao amin'ny rafozani-vavy Izy.