Shona

Malagasy

Zechariah

13

1Nezuva iro imba yaDhavhidhi. navagere Jerusaremu vachadziurirwa tsime, rokusuka zvivi netsvina.
1Amin'izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho an'ny taranak'i Davida sy ho an'ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana.
2Zvino nezuva iro, ndizvo zvinotaura Jehovha wehondo, Ndichabvisa mazita ezvifananidzo panyika, arege kuzorangarirwa; ndichabudisawo vaporofita nemweya yetsvina panyika.
2Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin'ny tany, ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin'ny tany ny mpaminany sy ny fanahim-pahalotoana.
3Zvino kana ani naani achiporofita, baba vake namai vake, vakamubereka, vachati kwaari, Haungararami, nekuti unoreva nhema nezita raJesu baba vake namai vake, vakamubereka, vachabvovora kana achiporofita.
3Ary raha mbola hisy haminany, ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia hanao aminy hoe: Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin'ny anaran'i Jehovah; ary ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia handefona azy, raha maminany izy.
4Zvino nezuva iro vaporofita vachanyadziswa mumwe nomumwe nechaanoona, kana achiporofita, havangapfeki nguvo yemvere vachiti tinonyengera vanhu;
4Ary amin'izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hikapôty volom-biby hamitahana izy,
5asi achati, Handizi muporofita, ndiri murimi wevhu; nekuti ndakaitwa muranda kubva pauduku hwangu.
5fa hanao hoe: Tsy mpaminany aho, fa mpiasa tany, satria nisy nanandevo ahy, fony aho mbola kely. [na: nividy]
6Kana mumwe akati kwaari, Ko mavanga awa ari pakati pezvanza zvako ndeeiko? Ipapo achapindura, achiti, Ndipo pandakakuvadzwa mumba meshamwari dzangu.
6Dia hisy hanao aminy hoe: Ka inona itony ratra amin'ny tananao itony? Dia hovaliany hoe: Naratra tao an-tranon'ny sakaizako ireny. [heb. anelanelan']
7Muka, munondo, urwe nomufudzi wangu, uye munhu shamwari yangu, ndizvo zvinotaura Jehovha wehondo, rova mufudzi, makwai agoparadzirwa; ini ndichatambanudzira ruoko rwangu kuvaduku.
7[Ny hanadiovana ny Isiraely, sy ny ho voninahiny any am-parany] Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tanako ho amin'ny madinika Aho.
8Zvino munyika yose ndizvo zvinotaura Jehovha migove miviri ichaparadzwa ndokufa; asi wechitatu acharegwamo.
8Ary amin'ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa no havela ao kosa.Ary ho entiko miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.
9Mugove wechitatu ndichaupinza mumoto, ndichavanatsa sezvinonatswa sirivha, ndichavaidza sezvinoidzwa ndarama. Vachadana zita rangu, ini ndichavanzwa; ini ndichati, Ndivo vanhu vangu, ivo vachati, Jehovha ndiMwari wangu.
9Ary ho entiko miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.