Shona

Malagasy

Zechariah

7

1Zvino negore rechina ramambo Dhariusi shoko raJehovha rakasvika kuna Zekariya nezuva rechina romwedzi wepfumbamwe, iwo weKisirevhi.
1[Valin'ny fanontanian'ny avy any Betela ny amin'ny andro fifadiana, ary filazana ny loza hamelezan'i Jehovah ny olony, sy ny mbola hitahiany azy] Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i Zakaria, tamin'ny andro fahefatra tamin'ny volana fahasivy (Kisleva izany);
2Zvino vanhu veBhetieri vakanga vatuma Sharezeri naRegemimereki, navanhu vavo, kundokumbira nyasha kuna Jehovha,
2ary Betela efa naniraka an'i Serezera sy Regema-meleka sy ny olony hifona amin'i Jehovah [na: ary ny any Betela, dia Serezera... efa naniraka]
3nokutaura navapristi veimba yaJehovha wehondo navaporofita, vachiti, Ko ndochema nomwedzi wechishanu, ndichizviparadzanisa navamwe, sezvandaiita makore awa mazhinji here?
3ka hiteny amin'ny mpisoron'ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy amin'ny mpaminany hoe: Hitomany amin'ny volana fahadimy va aho ka hifady toy ny fanaoko tamin'ny taon-dasa ela?
4Ipapo shoko raJehovha wehondo rakasvika kwandiri, richiti,
4Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, nanao hoe:
5Taura navanhu vose venyika ino, navapristi, uti, Zvamaitsanya muchichema nomwedzi wechishanu nowechinomwe, makore ano anamakumi manomwe, maitongotsanya nokuda kwangu, nokuda kwangu here?
5Lazao amin'ny vahoaka rehetra amin'ny tany sy amin'ny mpisorona hoe: Raha nifady hanina sy nitomany tamin'ny volana fahadimy sy ny fahafito tamin'izao fito-polo taona izao, ianareo moa nifady ho Ahy va ianareo?
6Kana muchidya, kana muchimwa, hamuzvidyiri nokuzvimwira here?
6Ary raha mihinana sy misotro ianareo. moa tsy mihinana sy misotro ho an'ny tenanareo ihany va ianareo? [na: moa tsy ianareo ihany va no mihinana sy misotro]
7Ko haazi mashoko aJehovha aakadanidzira navaporofita vakare, Jerusaremu richakagarwa navanhu richinomufaro, iro namaguta aro ose akaripoteredza, nenyika yezasi yenyika yamapani dzichina vanhu.
7Moa tsy tokony ho nihaino ny teny izay nasain'i Jehovah nantsoin'ny mpaminany fahiny va ianareo, fony mbola nonenana sy nandry fahizay Jerosalema sy ny zana-bohiny manodidina azy, sady nonenana koa ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka? [na: sefela]
8Zvino shoko raJehovha rakasvika kuna Zekariya, richiti,
8Ary tonga tamin'i Zakaria ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
9Ndizvo zvakataura Jehovha wehondo, achiti, Ruramisirai kwazvo pakutonga, mumwe nomumwe aitire hama yake unyoro netsitsi;
9Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin'ny rahalahiny avy;
10regai kumanikidza chirikadzi, kana nherera, kana mutorwa, kana murombo; kurege kuva nomumwe wenyu anofungira hama yake zvakaipa pamwoyo pake.
10ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
11Asi vakaramba kuteerera, vakabvisa fudzi ravo, nokudzivira nzeve dzavo kuti varege kunzwa.
11Nefa tsy nety nihaino ireny, fa nampihemotra ny sorony, ary nataony lalodalovana ny sofiny; mba tsy handre.
12Zvirokwazvo, mwoyo yavo vakaiita sedhaimani, kuti varege kunzwa murayiro namashoko akatumwa naJehovha wehondo noMweya wake navaporofita vakare; saka kutsamwa kukuru kwakabuda kuna Jehovha wehondo.
12Eny, nanao ny fony ho mafy,toy ny diamondra Izy, mba tsy hihaino ny lalàna sy ny teny izay nampitondrain'ny Fanahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, holazain'ny mpaminany fahiny, ka dia tonga izay fahatezerana mafy avy tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro,
13Zvino sezvaakadana, ivo vakaramba kunzwa, saizvozvo ivo vachadanawo ini ndicharamba kunzwa ndizvo zvinotaura Jehovha wehondo;
13Koa toy ny niantsoan'ireny, fa tsy nohenoiny, dia ho toy izany no hiantsoany kosa, fa tsy hohenoiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro;fa haeliko amin'ny tafio-drivotra ho any amin'ny firenena rehetra izay tsy fantany izy. Toy izany no nahalao ny tany tao aoriany, ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa nahatonga ny tany mahafinaritra ho tany lao izy.
14asi ndichavaparadzira nechamupupuri pakati pendudzi dzose dzavakanga vasingazivi. nekuti nyika yakava dongo shure kwavo, kukasava nomunhu akaenda kana kudzoka neko; nekuti vakaparadza nyika yakanga ichifadza.
14fa haeliko amin'ny tafio-drivotra ho any amin'ny firenena rehetra izay tsy fantany izy. Toy izany no nahalao ny tany tao aoriany, ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa nahatonga ny tany mahafinaritra ho tany lao izy.