1Y TU, hijo del hombre, tómate un adobe, y ponlo delante de tí, y diseña sobre él la ciudad de Jerusalem:
1Ary ianao, ry zanak'olona, makà kapila tanimanga, ary apetraho eo anoloanao, dia manorata sarin-tanàna eo aminy, dia sarin'i Jerosalema;
2Y pondrás contra ella cerco, y edificarás contra ella fortaleza, y sacarás contra ella baluarte, y asentarás delante de ella campo, y pondrás contra ella arietes alrededor.
2ary ataovy fahirano izy, ka manaova tilikambo hamelezana azy, ary manandrata tovon-tany manodidina azy; ary asio toby hamelezana azy, ary asio lohondry vy fandravana manodidina azy.
3Tómate también una plancha de hierro, y ponla en lugar de muro de hierro entre ti y la ciudad: afirmarás luego tu rostro contra ella, y será en lugar de cerco, y la sitiarás. Es señal á la casa de Israel.
3Ary makà lapoely, ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna, dia banjino tsara io, ary aoka hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin'ny taranak'Isiraely izany.
4Y tú dormirás sobre tu lado izquierdo, y pondrás sobre él la maldad de la casa de Israel: el número de los días que dormirás sobre él, llevarás sobre ti la maldad de ellos.
4Ary ataovy ambany mandry ny ilanao ankavia, ka ataovy eo aminy ny fahotan'ny taranak'Isiraely; koa araka ny isan'ny andro handrianao toy izany no hitondranao ny helony.
5Yo te he dado los años de su maldad por el número de los días, trescientos y noventa días: y llevarás la maldad de la casa de Israel.
5Fa Izaho dia manao fetr'andro ho anao mitovy amin'ny taonan'ny helony, dia sivi-folo amby telon-jato andro, ka ho entinao ny heloky ny taranak'Isiraely.
6Y cumplidos estos, dormirás sobre tu lado derecho segunda vez, y llevarás la maldad de la casa de Judá cuarenta días: día por año, día por año te lo he dado.
6Ary rehefa tapitrao ireo, dia ataovy ambany mandry kosa ny ilanao ankavanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak'i Joda efa-polo andro ianao; ny indray andro no nataoko solon'ny herintaona ho anao.
7Y al cerco de Jerusalem afirmarás tu rostro, y descubierto tu brazo, profetizarás contra ella.
7Dia banjino tsara io fahirano an'i Jerosalema io, ary aoka hiseho sandry ianao ka haminany hamely azy.
8Y he aquí he puesto sobre ti cuerdas, y no te tornarás del un tu lado al otro lado, hasta que hayas cumplido los días de tu cerco.
8Ary, indro, hafatotro ianao ka tsy hahavadi-mandry ambara-pahatapitrao ny andron'ny fahiranonao.
9Y tú toma para ti trigo, y cebada, y habas, y lentejas, y mijo, y avena, y ponlo en una vasija, y hazte pan de ello el número de los días que durmieres sobre tu lado: trescientos y noventa días comerás de él.
9Ary mangalà vary tritika sy vary hordea sy tsaramaso sy voanemba sy ampemby sy spelta ianao, ary ataovy am-bilia iray ireo, ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan'ny andro izay handrianao amin'ny ilanao, dia sivi-folo amby telon-jato andro, no hihinananao azy. [Heb. nangidy]
10Y la comida que has de comer será por peso de veinte siclos al día: de tiempo á tiempo lo comerás.
10Ary an-danjany no hihinananao ny haninao, dia roa-polo sekely isan'andro; asio elanelany ny fihinanao azy.
11Y beberás el agua por medida, la sexta parte de un hin: de tiempo á tiempo beberás.
11Ary rano afàtra no hosotroinao, dia ampahenin'ny hina; asio elanelany koa ny fisotronao azy.
12Y comerás pan de cebada cocido debajo de la ceniza; y lo cocerás á vista de ellos con los estiércoles que salen del hombre.
12Ary hatao toy ny mofo vary hordea no ho fihinanao azy, ary diky no hataonao kitay hanendasanao azy eo imasony.
13Y dijo Jehová: Así comerán los hijos de Israel su pan inmundo, entre las gentes á donde los lanzaré yo.
13Ary hoy Jehovah: Toy izany no hihinanan'ny zanak'Isiraely ny mofony voaloto any amin'ny firenena izay handroahako azy.
14Y dije: Ah Señor Jehová! he aquí que mi alma no es inmunda, ni nunca desde mi mocedad hasta este tiempo comí cosa mortecina ni despedazada, ni nunca en mi boca entró carne inmunda.
14Dia hoy izaho: Indrisy Jehovah Tompo ô, indro tsy voaloto ny fanahiko; fa hatry ny fony aho mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na izay noviraviraim-biby akory aho; ary tsy mbola nikasika ny vavako akory izay nofo fahavetavetana.
15Y respondióme: He aquí te doy estiércoles de bueyes en lugar de los estiércoles de hombre, y dispondrás tu pan con ellos.
15Dia hoy Izy tamiko: Indro, tain'omby no omeko anao hisolo ny dity, ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao.
16Díjome luego: Hijo del hombre, he aquí quebrantaré el sostén del pan en Jerusalem, y comerán el pan por peso, y con angustia; y beberán el agua por medida, y con espanto.
16Ary hoy koa Izy tamiko: Ry zanak'olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo, tohan'aina, ka an-danjany amin'ny fanahiana no hihinanany mofo; ary rano afàtra no hosotroiny amin'ny fahatahorana.Ka dia ho mosare-mofo sy rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony.
17Porque les faltará el pan y el agua, y se espantarán los unos con los otros, y se consumirán por su maldad.
17Ka dia ho mosare-mofo sy rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony.