Spanish: Reina Valera (1909)

Malagasy

Lamentations

3

1YO soy el hombre que ha visto aflicción en la vara de su enojo.
1[Ny amin'ny fitondrana alahelo, sy ny fampiononana ataon'Andriamanitra][ALEFA]Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin'ny tsorakazon'ny fahatezerany.
2Guióme y llevóme en tinieblas, mas no en luz.
2Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin'ny maizina, fa tsy ho amin'ny mazava.
3Ciertamente contra mí volvió y revolvió su mano todo el día.
3Izaho ihany no asian'ny tànany mandritra ny andro mandrakariva.
4Hizo envejecer mi carne y mi piel; quebrantó mis huesos.
4[BETA] Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako.
5Edificó contra mí, y cercóme de tósigo y de trabajo.
5Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin'ny zava-mangidy sy ny fahoriana.
6Asentóme en oscuridades, como los ya muertos de mucho tiempo.
6Ampitoeriny ao amin'ny maizina toy izay efa maty fahagola aho.
7Cercóme por todos lados, y no puedo salir; agravó mis grillos.
7[GIMELA] Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako.
8Aun cuando clamé y dí voces, cerro los oídos a mi oración.
8Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako.
9Cercó mis caminos con piedra tajada, torció mis senderos.
9Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako.
10Como oso que acecha fué para mí, como león en escondrijos.
10[DALETA] Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin'ny fierena;
11Torció mis caminos, y depedazóme; tornóme asolado.
11Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina.
12Su arco entesó, y púsome como blanco a la saeta.
12Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka.
13Hizo entrar en mis riñones las saetas de su aljaba.
13[HE] Nampitsatoka ny zana-tsipìkany tamin'ny voako Izy.[Heb. zanaky ny tranon-jana-tsipìka]
14Fuí escarnio á todo mi pueblo, canción de ellos todos los días.
14Tonga fihomehezan'ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro.
15Hartóme de amarguras, embriagóme de ajenjos.
15Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.
16Quebróme los dientes con cascajo, cubrióme de ceniza.
16[VAO] Ary notorotoroiny tamin'ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin'ny lavenona aho.
17Y mi alma se alejó de la paz, olvidéme del bien.
17Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.
18Y dije: Pereció mi fortaleza, y mi esperanza de Jehová.
18Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an'i Jehovah.
19Acuérdate de mi aflicción y de mi abatimiento, del ajenjo y de la hiel.
19[ZAINA] Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy.
20Tendrálo aún en memoria mi alma, porque en mí está humillada.
20Tsaroan'ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy.
21Esto reduciré á mi corazón, por lo cual esperaré.
21Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.
22Es por la misericordia de Jehová que no somos consumidos, porque nunca decayeron sus misericordias.
22[HETA] Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
23Nuevas son cada mañana; grande es tu fidelidad.
23Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
24Mi parte es Jehová, dijo mi alma; por tanto en él esperaré.
24Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.
25Bueno es Jehová á los que en él esperan, al alma que le buscare.
25[TETA] Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy.
26Bueno es esperar callando en la salud de Jehová.
26Tsara ny miandry ny famonjen'i Jehovah amin'ny fanginana.
27Bueno es al hombre, si llevare el yugo desde su mocedad.
27Tsara amin'ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.
28Sentaráse solo, y callará, porque lo llevó sobre sí.
28[JODA] Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany.
29Pondrá su boca en el polvo, por si quizá hay esperanza.
29Aoka hanohoka ny vavany eo amin'ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina.
30Dará la mejilla al que le hiriere; hartaráse de afrenta.
30Aoka hanolotra ny takolany ho amin'izay mamely azy izy ka ho feno latsa.
31Porque el Señor no desechará para siempre:
31[KAFA] Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo;
32Antes si afligiere, también se compadecerá según la multitud de sus misericordias.
32Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben'ny famindram-pony.
33Porque no aflige ni congoja de su corazón á los hijos de los hombres.
33Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak'olombelona.
34Desmenuzar bajo de sus pies todos los encarcelados de la tierra,
34[LAMEDA] Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin'ny tany ho eo ambanin'ny tongotra,
35Hacer apartar el derecho del hombre ante la presencia del Altísimo,
35Ny familiana ny rariny amin'ny olona eo anatrehan'ny Avo Indrindra,
36Trastornar al hombre en su causa, el Señor no lo sabe.
36Ny famadihana ny adin'ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo.[Heb. jeren']
37¿Quién será aquel que diga, que vino algo que el Señor no mandó?
37[MEMA] Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian'ny Tompo?
38¿De la boca del Altísimo no saldrá malo y bueno?
38Tsy avy amin'ny vavan'ny Avo Indrindra va no ivoahan'ny soa sy ny loza ?
39¿Por qué murmura el hombre viviente, el hombre en su pecado?
39Koa ahoana no imonomononan'ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin'ny fahotany avy? [Na: Eny, nahoana no imonomononan'ny olona, raha mijaly noho ny fahotany?]
40Escudriñemos nuestros caminos, y busquemos, y volvámonos a Jehová.
40[NONA] Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin'i Jehovah.
41Levantemos nuestros corazones con las manos a Dios en los cielos.
41Aoka hasandratsika amin'Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika.
42Nosotros nos hemos rebelado, y fuimos desleales; tú no perdonaste.
42Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka.
43Desplegaste la ira, y nos perseguiste; mataste, no perdonaste.
43[SAMEKA] Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao.
44Te cubriste de nube, porque no pasase la oración nuestra.
44Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.
45Raedura y abominación nos tornaste en medio de los pueblos.
45Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan'ny firenena izahay.
46Todos nuestros enemigos abrieron sobre nosotros su boca.
46[PE] Ny fahavalonay rehetra misanasana vava aminay.
47Temor y lazo fué para nosotros, asolamiento y quebrantamiento.
47Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana.
48Ríos de aguas echan mis ojos, por el quebrantamiento de la hija de mi pueblo.
48Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko noho ny faharatran'ny oloko zanakavavy.
49Mis ojos destilan, y no cesan, porque no hay alivio,
49[AINA] Ny masoko mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona, eny, tsy misy fiatoana,
50Hasta que Jehová mire y vea desde los cielos.
50Ambara-pitazan'i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra.
51Mis ojos contristaron mi alma, por todas las hijas de mi ciudad.
51Ny masoko mampiditra fahoriana ho an'ny fanahiko noho ny amin'ny zanakavavin'ny tanànako rehetra.
52Mis enemigos me dieron caza como á ave, sin por qué.
52[TSADE] Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely.
53Ataron mi vida en mazmorra, pusieron piedra sobre mí.
53Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.
54Aguas de avenida vinieron sobre mi cabeza; yo dije: Muerto soy.
54Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty aho ity![Heb. Voajinja]
55Invoqué tu nombre, oh Jehová, desde la cárcel profunda.
55[KOFA] Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho.
56Oiste mi voz; no escondas tu oído á mi clamor, para mi respiro
56Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.
57Acercástete el día que te invoqué: dijiste: No temas.
57Nanakaiky Hianao tamin'ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.
58Abogaste, Señor, la causa de mi alma; redimiste mi vida.
58[RESY] Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao.
59Tú has visto, oh Jehová, mi agravio; defiende mi causa.
59Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko.
60Tú has visto toda su venganza; todos sus pensamientos contra mí.
60Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon'ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy
61Tú has oído el oprobio de ellos, oh Jehová, todas sus maquinaciones contra mí;
61[SINA] Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy,
62Los dichos de los que contra mí se levantaron, y su designio contra mí todo el día.
62Dia ny molotr'izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy.
63Su sentarse, y su levantarse mira: yo soy su canción.
63Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho.
64Dales el pago, oh Jehová, según la obra de sus manos.
64[TAO] Hovalianao araka ny asan'ny tànany izy, Jehovah ô.
65Dales ansia de corazón, tu maldición á ellos.
65Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao.Henjehinao amin'ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin'ny lanitr'i Jehovah.
66Persíguelos en tu furor, y quebrántalos de debajo de los cielos, oh Jehová.
66Henjehinao amin'ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin'ny lanitr'i Jehovah.