Zarma

Malagasy

1 Chronicles

19

1 A ciya mo, hayey din banda, Amon izey bonkoono Nahas bu, a izo mo ciya bonkooni a nango ra.
1[Ny nahatonga ny niadian'i Davida tamin'ny Syriana sy ny Amonita, ary ny nahareseny azy] Ary rehefa afaka izany, dia maty Nahasy, mpanjakan'ny taranak'i Amona, ary ny zanany no nanjaka nandimby azy.
2 Gaa no Dawda ne: «Ay ga gomni cabe Nahas izo Hanun se, zama a baabo na gomni cabe ay se.» Kala Dawda na diyayaŋ donton i m'a fonda tilas a baabo se. Dawda tamey binde kaa Hanun do Amon izey laabo ra, zama ngey m'a fonda tilas.
2Ary hoy Davida: Hanisy soa an'i Hanona, zanak'i Nahasy, aho, fa soa no nataon'ny rainy tamiko. Ary Davida naniraka olona hitsapa alahelo azy noho ny amin-drainy. Ary tonga tany amin'i Hanona tany amin'ny tanin'ny Amonita ny mpanompon'i Davida hitsapa alahelo azy.
3 Amma Amonancey koyey ne Hanun se: «Ni ga tammahã Dawda go ga ni baaba beerandi no, za kaŋ a na kunfakoyaŋ donton ni do? Manti a tamey kaa no zama ngey ma laabo tugari, i m'a windi ka ŋwa mo?»
3Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak'i Amona tamin'i Hanona: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan'i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha sy handrava ary hisafo ny tany va no nalehan'ireo mpanompony ireo atỳ aminao?
4 Woodin se no Hanun na Dawda tamey di k'i cabu, k'i bankaarayey dumbu bindo ra hal i cantey gaa, k'i sallama.
4Dia nosamborin'i Hanona ny mpanompon'i Davida ka noharatany, sady nofolonany hatreo amin'ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
5 Boro fooyaŋ koy mo ka borey din baaru ci Dawda se. Nga mo donton k'i kubay, zama haawi n'i di gumo. Bonkoono mo ne: «Wa goro Yeriko kwaara hala waati kaŋ araŋ kaabey zay jina, gaa no araŋ ga kaa.»
5Ary dia nisy lasa nanambara tamin'i Davida izay natao tamin'ireo lehilahy ireo; ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra izy, ka dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin'ny somotrareo, vao mody ianareo.[Na: menatra]
6 Waato kaŋ Amon izey di kaŋ ngey na ngey boŋ ciya fanta hariyaŋ Dawda se, kala Hanun da Amon izey na nzarfu ton waytaaci cindi gu cine samba Mesopotamiya, da Aram-Maaka, da Zoba do,
6Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa efa nanao izay nampangidy hoditra azy tamin'i Davida izy, dia naniraka nampanatitra talenta volafotsy arivo hakaramany kalesy sy mpitaingin-tsoavaly any Mesopotamia sy Syriamaka ary Zoba Hanona sy ny taranak'i Amona.
7 zama ngey ma wongu torkoyaŋ da bari kaariyaŋ sufuray ngey boŋ se. I na torko zambar waranza cindi hinka da Maaka bonkoono da nga jama sufuray ngey boŋ se. Ngey mo kaa ka gata sinji Medeba jine. Amon izey mo margu ka fun ngey kwaarey ra ka kaa wongu se.
7Dia nanakarama kalesy roa arivo amby telo alina mbamin'ny mpanjakan'i Maka sy ny olony izy; ary tonga ireo ka nitoby tandrifin'i Medeba. Ary nivory ny taranak'Amona niala tany amin'ny tanànany avy ka tamy hiady.
8 Waato kaŋ Dawda maa woodin baaru, kal a na Yowab da wongu marga da soojey kulu donton.
8Ary nony ren'i Davida izany, dia naniraka an'i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.
9 Amon izey mo fatta ka kaa ka daaga sinji kwaara furoyaŋ fonda gaa. Bonkooney kaŋ yaŋ kaa i banda mo go ngey hinne nangu fo waani batama ra.
9Ary ny taranak'i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna; fa ireo mpanjaka tonga ireo kosa dia nitokana teny an-tsaha.
10 Yowab binde, waato kaŋ a di i na daaga sinji nga se jina nda banda, kal a na Israyla sooje hanney kulu suuban i ma soola ka kubay da Suriyancey.
10Ary rehefa hitan'i Joaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin'ireo voafantina tamin'ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin'ny Syriana.
11 Amma jama cindo, a n'i daŋ nga kayne Abisay kambe ra. Ngey mo na daaga sinji ka guna Amon izey do haray.
11Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin'i Abisay rahalahiny, ka dia nilahatra hiady amin'ny taranak'i Amona ireo.
12 Yowab mo ne: «Da Suriyancey bisa ay gaabi, kala ni ma te ay se gaako. Da mo Amon izey bisa ni gaabi, kal ay ma kaa ka ni faaba.
12Ary hoy Joaba: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak'i Amona, dia hovonjeko ianao;
13 Wa te gaabi, iri m'iri boŋ cabe bine-gaabi-koyyaŋ mo, iri borey da iri Irikoyo kwaarey sabbay se. Rabbi mo ma goy ka te mate kaŋ ga boori nga diyaŋ gaa.»
13mahereza, ary aoka hitombandahy isika ho an'ny firenentsika sy ireo tanànan'Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.
14 Yaadin cine no Yowab da borey kaŋ yaŋ go a banda maan Suriyancey wongu se. Ngey mo zuru Yowabyaŋ jine.
14Ary nandroso hiady tamin'ny Syriana Joaba sy ny olona nanaraka azy; ka dia nandositra niala teo anoloany ireo.
15 Saaya kaŋ Amon izey di kaŋ Suriyancey go ga zuru, kala ngey mo zuru Yowab kayno Abisay jine, ka koy ka furo birno ra. Gaa no Yowab ye Urusalima.
15Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra niala teo anoloan'i Abisay, rahalahin'i Joaba, koa izy ka niditra tao an-tanàna. Ary dia tonga tany Jerosalema Joaba.
16 Waato kaŋ Suriyancey di kaŋ ngey na goobu haŋ Israyla kambe ra, kal i na diyayaŋ donton ka Suriyancey kaŋ yaŋ go isa beero banda ceeci. Hadad-Ezer wonkoyo Sofak no k'i candi.
16Ary nony hitan'ny Syriana fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia naniraka olona izy haka ny Syriana izay tany an-dafin'ny Ony; ary Sobaka, komandin'ny miaramilan'i Hadarezera, no nitarika azy.[Eofrata]
17 Waato kaŋ i na baaro din ci Dawda se, kal a na Israyla kulu margu ka Urdun* daŋandi. A kaa ka daaga sinji i se. Waato kaŋ Dawda na daaga sinji Suriyancey se, ngey mo n'a wongu.
17Ary nony nambara tamin i Davida izany, dia namory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an'i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Ary nony nilahatra hiady amin'ny Syriana Davida, dia niady taminy ireo.
18 Suriyancey mo zuru Israyla jine. Dawda na Suriyancey wongu torkey gaarayko zambar iyye wi, da sooje ce-koy zambar waytaaci. A n'i wonkoyo Sofak mo wi.
18Fa vaky nandositra teo anoloan'ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny teo amin'ny kalesy fito arivo sy miaramila an-tongotra efatra alina tamin'ny Syriana Davida; ary matiny koa Sobaka, komandin'ny miaramila.Ary nony hitan'ireo nanoa an'i Hadarezera fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin'i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak'i Amona intsony ny Syriana.
19 Hadad-Ezer tamey binde, waato kaŋ i di ngey na goobu haŋ Israyla kambe ra, kal i na Dawda te coro, ka ye a mayra cire. Suriyancey mana yadda ngey ma ye ka Amon izey faaba koyne.
19Ary nony hitan'ireo nanoa an'i Hadarezera fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin'i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak'i Amona intsony ny Syriana.