Zarma

Malagasy

1 Samuel

5

1 Filistancey binde na Irikoy sundurko sambu Eben-Ezer kwaara ka kond'a Asdod.
1[Ny namelezan'Andriamanitra ny Filistina noho ny namaboany ny fiara, sy ny namerenan'ny Filistina azy] Dia nalain'ny Filistina ny fiaran'Andriamanitra ka nentiny niala tany Ebenezera ho any Asdoda.
2 Filistancey konda Irikoy sundurko k'a daŋ Dagon windo ra, k'a sinji i tooro Dagon jarga.
2Ary nony efa azon'ny Filistina ny fiaran'Andriamanitra, dia nentiny tao an-tranon'i Dagona izy ka napetrany teo anilany.
3 A suba hala Asdod borey ga tun za da hinay, kal i di Dagon go ganda birante nga moyduma boŋ Rabbi sundurko jine. I ye ka Dagon sambu ka kayandi nga nango ra.
3Ary nony ampitson'iny dia nifoha maraina koa ny Asdodita, ka indro Dagona potraka niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah; dia narenin'ny olona izy ka napetrany teo amin'ny fitoerany indray.
4 A wane suba koyne kaŋ i tun da hinay, kala Dagon go koyne, a kaŋ nga moyduma boŋ Rabbi sundurko jine. Dagon boŋo d'a kambe faatey go ga gusam fuwo me gaa haray, gaaham suntulo hinne ka cindi Dagon se.
4Ary nony ampitson'iny indray dia nifoha maraina koa ny olona, ka indro Dagona potraka niankohoka indray tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah, ary tapaka teo amin'ny tokonam-baravarana ny lohan'i Dagona sy ny felatanany roa; fa ny tenabeny ihany no sisa
5 Woodin se no Dagon alfagey da borey kaŋ yaŋ ga kaa Dagon diina fuwo do kulu si fuwo me kutijo taamu hala ka kaa sohõ Asdod ra.
5izany no tsy anitsahan'ny mpisoron'i Dagona, na izay miditra ao an-tranony, ny tokonam-baravaran'i Dagona ao Asdoda mandraka androany).
6 Amma Rabbi kamba ga tin Asdod borey boŋ. A n'i halaci mo, a n'i kar da jaŋyaŋ, za Asdod ka koy a hirro me.
6Ary navesatra tamin'ny Asdodita ny tànan'i Jehovah, fa nandringana azy Izy; ary nasiany vay ny tao Asdoda sy ny tamin'ny fari-taniny rehetra.
7 Waato kaŋ cine Asdod borey di yaadin cine no a bara, i ne: «Israyla Irikoyo sundurko si goro iri do, zama a kamba go ga tin iri nda iri tooro Dagon boŋ.»
7Ary rehefa hitan'ny mponina tao Asdoda fa nisy izany, dia hoy izy: Aza avela hitoetra eto amintsika ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely; fa mavesatra amintsika sy amin'i Dagona andriamanitsika ny tànany.
8 I binde donton ka Filistancey mayraykoyey kulu ce ngey do ka ne: «Mate no iri ga te nda Israyla Irikoyo sundurko?» I tu ka ne: «Kal i ma Israyla Irikoyo sundurko sambu ka kond'a Gat.» I binde na Israyla Irikoyo sundurko sambu ka kond'a noodin.
8Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin'ny Filistina hankeo aminy ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely? Dia hoy ireo: Aoka hafindra hankany Gata ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely. Dia nafindrany ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely.
9 A ciya mo, waato kaŋ i kand'a, kala Rabbi kamba gaaba nda kwaara din da kankami gaabikooni. A na kwaara borey mo kar, ikayna nda ibeeri. Ngey mo, jaŋyaŋ soobay ka te i gaa.
9Ary rehefa voafindrany ny fiara, dia namely ny tanàna ny tànan'i Jehovah ka nampangorohoro azy indrindra, fa Izy namely ny mponina tao an-tanàna, na kely na lehibe, ka nisy vay nipoipoitra taminy.
10 I binde na Irikoy sundurko samba a ma koy Ekron. Sundurko noodin tooyanta, kala Ekron borey na jinde tunandi ka ne: «I na Israyla Irikoyo sundurko bare a ma kaa iri do, zama a m'iri nd'iri jama wi!»
10Ary dia naterin'ny olona nankany Ekrona ny fiaran'Andriamanitra. Ary raha vao tonga tany Ekrona ny fiaran'Andriamanitra, dia nitaraina ny Ekronita nanao hoe: Efa nafindran'ny olona ho atỳ amintsika ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely hahafaty antsika sy ny firenentsika.
11 I binde na Filistancey mayraykoyey kulu margu ka ne: «Wa Israyla Irikoyo sundurko samba nangu fo. Wa naŋ a ma ye nga nango ra koyne, a ma si iri nd'iri jama wi.» Zama kankami kaŋ wasa buuyaŋ na kwaara kulu kubay. Irikoy kamba mo tin gumo noodin.
11Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin'ny Filistina ka nanao hoe: Ampandehano ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely, ary aoka ho entina ho any amin'ny fitoerany ihany indray izy mba tsy hahafaty antsika sy ny firenentsika; fa nanerana ny tanàna ny horohoron'ny fahafatesana, fa navesatra indrindra tao ny tànan'Andriamanitra.Ary ny olona izay tsy maty dia voan'ny vay kosa, ka ny fitarainan'ny tao an-tanàna dia niakatra ho any an-danitra.
12 Borey kaŋ yaŋ mana bu mo jaŋ n'i di. Kwaara hẽeno mo ziji hala beene.
12Ary ny olona izay tsy maty dia voan'ny vay kosa, ka ny fitarainan'ny tao an-tanàna dia niakatra ho any an-danitra.